Inona moa izany no ataon'ny kristianina eto an-tany?
21. vonynive
(
21/10/2010 08:11)
RAR.DAGO:
vonynive:
.... fa tsy tokony afangaronao ny mpivavaka kristianina sy ny fivavahana kristiana, ...
Dia tena faly aho ny hamaky ny fanazavanao mikasika izany rahavako
eny ary sombinaiko,
tonga dia ohatra akaiky no omeko : leo politika, hono, ny Malagasy... satria tsy nitondra zavatra tsara ny politika teo aminy, nefa tsy ny politika no tena mankaleo azy fa ny olona mpanao politika, tsy ratsy mihitsy ny politika fa ny ankamaroan'ny mpanao politika no heverin'ny vahoaka fa ratsy, fa misy anefa mpanao politika tsara saingy vitsy izy ireo.
....dia torak'izany koa, tsy ratsy ny fivavahana kristiana fa ny mpivavaka kristiana sandoka no maro ...fa tsarovy fa misy dia misy kosa ny kristiana tena kristianina an !
araka ny teninao dia mamaky baiboly ianao dia ianao ihany dia afaka mamantatra ny atao oe sandoka sy ny tena izy..
ny Fanahy Masina anie hanampy anao..
novalian'i RAR.DAGO ny 21/10/2010 09:37
22. RAR.DAGO
(
21/10/2010 09:37)
vonynive:
... tsy ratsy ny fivavahana kristiana fa ny mpivavaka kristiana sandoka no maro ...fa tsarovy fa misy dia misy kosa ny kristiana tena kristianina an !
...
ampiako ary ilay fanazavako mba hazava kokoa e! Ny fandikan'ny fiangonana kristianina ny fampianarana ao anaty baiboly no tsy mety amiko satria na eto amintsika eto aza dia mbola misy mino ihany fa tokony ho raisina ho biby fampitahorana i Atra fa tsy ilay mpampianatra ny soa sy ny tsara.
Dia tena manahirana aho be koa ity discours proselytiste manambany ny hafa ity nefa tsy mahatanty rehefa ataon'ny jiosy na y silamo.
23. vonynive
(
22/10/2010 13:42)
fantatro fa nahazo fanafintohinana mafy taminay kristiana ianao,
RARDAGO a, na inona na inona anefa zay efa norenesinao tamin'ny olona dia aza atao antsaina akory fa ireo teny mamy fiainana novakianao sainina...Jeso io miresaka aminao ao anaty baiboly io
Satria malala eo imasoko ianao,
eny, be voninahitra ianao sady tiako,
dia olona no omeko ho solonao,
ary firenena ho solon'ny ainao.
ISAIA 43 4 - 4

24. fijo
(
22/10/2010 19:29)
vovynive,toa ny tanatar arehetra,dia tiako ny tantara kristianina,saingy tantara fotsiny izay,fa tsy asiana finoan akory
25. RAR.DAGO
(
22/10/2010 20:38)
Tsara aloha ilay toro-hevitra positif ary raisiko an-tanandroa, fa :
1. Tsy i Jesosy aloha no niteny an'io (mbola tsy teraka akory izy t@ izany) fa i Yhwh (Atra raha tianao) raha ny filazan'i Isaia tao anatin'ny faminaniany.
2. Izaho anie Vonynive tsy manome tsiny na ny baiboly na ny kristianina fa hoy fotsiny aho hoe mba ahafahanareo mivoatra dia avereno vakiana ny boky fototrareo satria mivoana tanteraka ankehitriny ny zavatra torian'ny krisitianina sy ny fampianaran'i Jesosy satria lasa fandraisana ambolony fotsiny ny 99% ny zavatra ataon'ny olona fa tsy ny hevitra fototra ao ambadik'ireo paraboles sy fampianarana izay heveriko fa tsara mihitsy e!
3. Somary mahatsikaiky ihany koa fa ny kristianina gasy dia tia dia tia manonontonina an'io boky io sy ny apokalipsy, nefa ireo boky ireo dia anisan'ny manahirana indrindra ny mpandinika ny baiboly ny manazava azy satria na ny "logique syntaxique" na ny "contexte systémique" dia sarotra be ny manome fanazavana iray azy satria azo homena dikany be dia be ny hevitra ao anatiny. Sa ve hoe satria sarotra dia afafy hatraizatraiza mba hilazana hoe mino fotsiny ihany fa sarotra ny tenin'Atra?

26. vonynive
(
26/10/2010 11:54)
fijo:
vovynive,toa ny tanatar arehetra,dia tiako ny tantara kristianina,saingy tantara fotsiny izay,fa tsy asiana finoan akory
fijo a, tsara aloha rehefa tianao ny tantara kristianina e, tsy asianao finoana ve le izy : tsy maninona koa...fa mba andramo oe asio fitiavana