Illuminati - les maîtres du monde
1. tiarah
(
18/06/2010 10:01)
Resaka henoko tatoato io resaka io, hoe vondron' olona mangina mikasa hanjaka eto amin izao tontolo izao atsy ho atsy, taranak' i losifera, efa nisy nahalala bebe kokoa ve fa toa mampatahotra ihany raha ny zavatra mitranga amin izao fotoana izao
répondu par vonynive le 04/10/2010 10:17
2. gasyjean
(
18/06/2010 12:19)
Resaka henoko tatoato io resaka io, hoe vondron' olona mangina mikasa hanjaka eto amin izao tontolo izao atsy ho atsy, taranak' i losifera, efa nisy nahalala bebe kokoa ve fa toa mampatahotra ihany raha ny zavatra mitranga amin izao fotoana izao
Manahoana!!arabaina fa tafafoha,efa tsy matory intsony! eny tena resaka marina tokoa izy ity,tsy hoe famptahorana akory,eny fa efa iainantsika amin'izao fotoana izao mihintsy aza,ny fanombohan'izy ity.
Betsaka ireo pejy eto amin'ny internet no milaza mikasika azy io ka mazotoa mitsidika sy mitady fa tsy honohono intsony ity na tsaho.Tadiavo:
illuminati
Nouvel ordre mondiale,
francmason,
Bilderberg,
David rockefeller,
Rothchild,
Comission trilateral,sns
Dia mazotoa, ary ampandreneso ny hafa fa ny hoavin'ny olombelona no tandrovana.Misaotra
4. AndriambyII
(
19/06/2010 00:25)
de iza no tena marina sa
Les empires d' antants:'ameriques centraux (incas , Azteques) , mesopotamiens , pharaoniens , zoroastriens , ethiopiens ,soudanais ,Byzantins , ariens d'europe ,d'indes,babyloniens ,mandingues ,maliens , masais , zoulous ,Khan , Mings , Tang ,Tsars ,Melanesiens,Polynesiens , faisaient parties de cette sphere d' illuminati depuis la nuit des temps .Mbola mety misy hadino !
5. 3188
(
19/06/2010 13:17)
mbola nisy tohiny io fa nofafan'i hery anganba

6. gasyjean
(
19/06/2010 14:10)

Tsy haiko hoe inona no tianao lazaina amin'ireto anarana be dia be ireto? fa raha hiresaka momba an'ireo elites mondiales na illumunati (New World Order) isika dia ireo anarana efa nolazaiko tesy ambony ireo no te na loha mpikatroka an'izy io, izany hoe mifampiankina daholo izy ireo.Miandrasa kely fa hiezaka aho hanazava ity theme ity amin'ny andalana misimisy kokoa rehefa misy foatoana.Araka ny fanadihadiana maro mikoriana ato amin'ny internet dia ,ratsy dia ratsy tokoa ny tanjona kendren'ireto andian'olona ireto mikasika ny planeta tany sy ny hiafaran'ny zanak'olombelona. (Bibidia 666).Novus Ordo Seclorum.
7. gasyjean
(
19/06/2010 14:18)
Ho an'ireo izay maika ity aloha misy blaogy iray efa manambara misimisy momba ilay resaka
http://www.nouvelordremondial.cc/.dia mazotoa mamakafaka sy mieritreritra ,fa tsy adala akory ny olona manao fanadihadihana sy mandany andro .
http://www.nouvelordremondial.cc/.dia mazotoa mamakafaka sy mieritreritra ,fa tsy adala akory ny olona manao fanadihadihana sy mandany andro .
10. AndriambyII
(
19/06/2010 19:14)
Efa betsaka ny fanadihadiana , ary hita fa dia manjaka sy mahazo bahana tokoa ireo firehan-kevitry ny illuminés eran' izao tontolo izao .Ireo tany notononiko teo ambony ireo dia anisan' ny nampiroborobo ny philosophie' ny illuminatti , hitanao tao @ rohy nalefanao izany ry gasy jean !! Raha tsy hitanisa ireo olo-malaza toa an-dry Alicia keys , Shaka zulu Madonna ,JFK ,Béyonce ,Rihanna ,Jay'Z , Lady Gaga ,Ludacris ,Lil wayn ,Chris brown ,Les beatles , François mitterands ,Hailey celassie ,Saddam hussen ,Ayatollah khomeni ,Changai chek ,...Ireny olona ireny dia isan' ny mpanaraka ny Illuminati !!
11. AndriambyII
(
19/06/2010 19:29)
Isan' ny illuminati iray mbola be mpanaraka koa hatr@ izao ny Chevalier Beaumont (illuminati du 7 ème siecle ) nanoratra boky " Accord parfait de la nature , de la raison ,de la révélation et de la politique "Tsy haiko na efa namaky io boky io ianao fa dia mahatankina tanteraka ny zavatra resahiny momba ny finoana sy ny fisiana eto ambonin' ny tany !
12. tiarah
(
23/06/2010 11:50)
Ny dikan izany ve dia tsy ho resy mihitsy zareo ary tsy maintsy ho tanteraka hatramin ny farany ny fanjakany , malahelo ho an' ireo taranaka mbola ho avy ny tenako , ahoana no tsara tokony atao hozy nareo?
13. soanja
(
23/06/2010 15:49)
Rehefa tafiditra ho isan'ny mpikambana ianao dia ahita fa tsy misy maharatsy izany fikambanana izany. Ny fahitan'ireo izay tsy ao anatiny no miezaka mamantapantatra ny mety sy ny fiheviny momba ilay fikambanana. Matoa olo-malaza, olona manam-pahaizana ary olon-kendry no miditra amin'izany dia ny hahatsara ny tany sy ny fivoatrany ny taranaka no tsimbininy fa tsy ny hanapotika izany akory.
14. eritra
(
26/06/2010 16:43)
marina ny voalaza ery ambony fa mifandray ihany ireo ( illuminatin francmaçonnerie...)
Ekena fa olona ambony, nanakarena, mpitindra avokoa no mpikambana ao fa tsy midika izany fa mety avokoa ny azavtra ataony
Ny tanjony dia ny ho mpanapaka izao tontolo izao ( fanahin'ny demonia no ao anatiny dia ilay naka fanahy an'i jesoa tany an-tendrombohitra nanao hoe miankohofa amiko dia homeko anao ireo voninahitra sy fanjakana ireo Matio...)
Mody miafina ao amin'ny fanaovana asa soa izy saingy ny fanahin'ny olona no tena katsahiny.
Ny olona tia vola, voninahitra sns no tena katsahiny.
Rehefa mivory ry zareo dia tsy misy mahazo manatrika izany na dia ny mpanao gazety aza kanefa betsaka nympitondra mpanao politika no mpikambana amin'io ( ny vazaha aloha izany fa ny malagasy koa tsy vitsy.
Farany, tao anatin'izao krizy izao dia nisy fivoriana lehibe tsy latsaky ny indroa natao teto madagasikara ka ny farany dia tamùin'ny volana avrily teo.Tian'ny satana hobaboina M/kara koa mila antsika mitolona am-bavaka fa raha tsy izany dia ho levon'ny satana ato isika
"raha ny oloko izay nantsoina.........................................hanasitrana ny taniny" II Tantara7:14
Mahereza

15. soanja
(
28/06/2010 08:15)

Tsy misy azo lazaina fa masina sy lafatra isika rehetra eto an-tany eny fa na dia ny mpitondra fivavahana sy ireo mpitarika ara-panahy aza. Ny ezaky ny tsirairay hanasoa sy hanao izay noekeny fa hotanterahina eto an-tany no ahitana hoe fananana fanapahana ny tany izay diaviny sy iainany.
Zinona amin'ny Xtianina moa izay fanapahana eto amin'izao tontolo izao? Ny mpino dia ny hanana toerana any an-danitra. Ny tahotra sy ny horohoro ary ny ahiahy dia tsy manome hazavana sy fahamarinana ho an'ireo izay mahatoky ny asan'Andriamanitra.
Amiko dia raha te hahatoky fa misy ny asasoa sy ny fahasoavana avy amin'Andriamanitra dia ny fanatanterahana izany fahazavana sy fahamarinana izany eo amin'ny mpiara-belona tsy ao anaty teny fampielazana fotsiny fa arahin'asa. Tsy hisy andrombaka ny fanahinao raha anananao fahefana sy fahalalana ny momba izany. Alaviro ny tahotra!
17. tiarah
(
30/06/2010 13:32)
Nanomboka hatramin ny nahafantarako ny fisian io vondrona io dia efa haingo trano iray tao antrano izao no nodorako satria lasa tonga dia mora mahafantatra ny mariky ilay zavatra aho dia tena nisy tokoa nefa haingotrano tamin ny fahavelon' ny olontiako, izay no fiantraikany tamin ny fiainako satria nanenjika ahy ny eritreritro.
Ndraindray aho mieritreritra hoe rehefa tsy mino dia tsy mandaitra nefa nafoiko ihany ilay tahiry sarobidy ho ahy hatrin ny ela, tamin ny nahazoanay io haingotrano io mantsy mbola tsy nahalala n ' inona fa nisy zavatra hafahafa niseho nony efa lasana ilay olontiako dia izay no naha tapakevitra ahy handoro ilay haingotrano.
Tsy fantatro izay ampitso fa ny tantara no aoka hitsara ny hoavin ireo taranaka.

18. soanja
(
02/07/2010 04:47)
Huhhh, zany hoe tsy hitsindrona penicilline intsony indray izany ianao sy ny taranakao satria ny nahita an'io voalohany ka nitsaboana ny olombelona tamin'ireo aretina maro dia isan'ny mpikambana ao?
Inoako fa ny zavatra ampiasainao an-davanandro aza amin'izao vokatry ny fivoarana dia sain'ireo mpikambana no niketrika azy hanome anao fahafahana amin'ny tsy fahalalana.
Mazotoa ary mikaroka e!
Inoako fa ny zavatra ampiasainao an-davanandro aza amin'izao vokatry ny fivoarana dia sain'ireo mpikambana no niketrika azy hanome anao fahafahana amin'ny tsy fahalalana.
Mazotoa ary mikaroka e!
19. tiarah
(
02/07/2010 06:32)
Tsy laviko fa ny fivoarana eo amin ny fiainan ' ny zanak olombelona dia mety misy hifandraisany amin io fikambanana io , ary raha ny famoronana no mitondra zavatsoa ho an 'ny taranaka dia fahasoavana nomen Andriamanitra.
Fa ny foto pisainana tsy ho eken 'ny saiko dia ny hoe rehefa ho tanteraka ny tanjona kasain 'izy ireo ,izany hoe ny filohan io fikambanana io irery ihany no ho mpandidy sy ho mpanapaka eto ambonin ' ny tany ka ireo izay tsy manaiky dia ho tapahin doha, angamba tsy tokony ho izay no hitranga fa enga anie homena fahafahana hisafidy malalaka hatramin ny farany ny taranak ' olombelona amin izay heveriny hahasoa azy.

20. soanja
(
02/07/2010 11:54)
Tsy laviko fa ny fivoarana eo amin ny fiainan ' ny zanak olombelona dia mety misy hifandraisany amin io fikambanana io , ary raha ny famoronana no mitondra zavatsoa ho an 'ny taranaka dia fahasoavana nomen Andriamanitra.
Ka raha taranaky ny Satana resahinareo izany izy ireo dia nahoana no mahazo fahasoavana avy amin'Andriamanitra? Tsy ndao tonga dia lazaina fa asan'i Satana io ka aleo tsy ampiasaina? Rehefa ahoana izany no arianao sy doranao ny vokatra avy amin'izy ireo ary rehefa ahoana no tsy dorana sy ariana? Indrindra raha toa ka avy amin'olon-tianao ny zavatra iray ahafantaranao ny fisiany eo aminao?
[/quote]
Ny filohan io fikambanana io irery ihany no ho mpandidy sy ho mpanapaka eto ambonin ' ny tany ka ireo izay tsy manaiky dia ho tapahin doha, angamba tsy tokony ho izay no hitranga fa enga anie homena fahafahana hisafidy malalaka hatramin ny farany ny taranak ' olombelona amin izay heveriny hahasoa azy.
[/quote]
Raha nifamono sy nifanapa-doha ny tantaran'ny finoana Xtianina teo amin'ity fiainana ity taloha dia hilaza ve isika fa asan'ny Satana ireny famonoana/ ny fanafiana ny hafa tsy te/ vonona hino ny finoana Xtianina ireny? Notakian'Andriamanitra araka ny baiboly ny famorana izay tsy te hanaraka ny finoana. Ahoana ny fahitanao izany?
Ny tantaran'olombelona dia mihatsara lalandava raha ny fikatsahana ny fahasoavana eo amin'ny mpiara-belona satria efa afaka misaina tsara isika manam-pinoana ny fomba hanehoantsika ny finoantsika.
Raha nifamono isika taloha dia hifamelona kosa isika amin'izao. Manao izay ezaka rehetra hahatongavana amin'izany. Na izany na tsy izany anefa dia ny maha-olombelona antsika, izay isan'ny ahitantsika kilema tsy misy ohatr'izany dia mitaky antsika hanjaka amin'ny namantsika hafa na amin'ny fomba mazava izany, izay ataon'ireo dictateurs maro na amin'ny fomba ankolaka, izay ataon'ireo mpanararaotra ohatra kapitalista gaigilahy maro. Ireo dia tsy misy idiran'i Satana velively fa ny maha-olombelona no manome io fitiavan-tena io. Toy ny biby ny fisainana rehefa tia tena loatra. Tsy afaka manjaka intsony ny fisainana tia namana sy ny fahafahana manome ny hafa filaminana.
Raha ny mpikambana amin'izany dia ny fiketrehana tokoa ny hampanjaka izay tiany hampanjakaina eto an-tany no faniriany sy tanjony. Nefa moa ve mbola amin'izay fihevitra hoe tapahin-doha izay sy famonoana izay ve? dia hoy aho hoe TSIA satria efa mivoatra miala amin'izany ny sain'ireo manam-pahaizana sy manam-pahendrena ao anaty fikambanana. Tsy hilaozan'izay hamarara anefa ny fiainana. Raha nisy ny fanjakazakana fanapahan-doha taloha dia amin'izao kosa ny fandraisana ny fonao amin'ny alalan'ny fanaovan-tsoa no ataony.
Tsy misy lafatra anefa eto an-tany fa ny fanananao fahatokisana an'Andriamanitra sy ny fanomezany filaminantsaina ao anatinao no antony voalohany ahalalanao fa miasa ny finoana. Raha mbola tsy izay no manjaka aminao fa ny fandoroana sy ny fanilikiliana ary tahotra dia hoy aho hoe mety diso finoana angamba ianao fa tsy ilay JESOA velona isanandro ao anaty manome fanantenana ny momba antsika.
Alaviro ny tahotra sy ny aloky ny tsy fantatra!