Vidin'alika iray ao Dago

1. soanja ( 28/04/2010 04:48)
Azafady fa tsy hitako hoe aiza no ametrahako ity fanontaniana ity. Ohatrinona azafady izay mahalala ny vidina chien berger allemand na rottweiler iray ao Madagasikara. Aiza no toerana mety mivarotra an'ireo raha misy? Misaotra mialoha.
répondu par soanja le 17/05/2010 17:00
2. xxx ( 28/04/2010 09:50)
Anontanio ao @ SMGI Ankorondrano (akaikin'ny savonnerie tropicale) fa ilay PDG tao manakarama mpîasa niompy betsaka sy mivarotra taloha. Voabaiko tsara mihitsy ny alika ompian-dreo. (Tsy tao @ io orinasa io akory no ompiany fa @ toerana hafa.)
3. ikaretsaka ( 28/04/2010 12:09)
Arakarak'ilay race...pedigree, ny elevage ary taratasy sns io..na samy berger na samy rotties aza
Da any @ 2 hetsy (tsy misy taratasy sy tsy fantatra razana) ka hatramin'ny 2 tapitrisa Ariary eo ( taranaka champion bloodlines..manana pedigree..misoratra LOF na LOM, vita vakisiny rehetra, tatoues) ny alika race pure 2 na 3 volana (rott)
Bergers zahako tsy dia mahay
Www.gasytialika.com
4. Ratoa ( 28/04/2010 20:36)
Atao inona Rottweiler? agressif be ireny fa aleo berger allemand na labrador na koa St Bernard raha samy chien de race ihany.
5. ikaretsaka ( 28/04/2010 21:45)
Ny alika dia arakaraky ny hitaizanao azy ihany no maha aggressif anazy ka.. na pitbull aza ny alikanao de mety ho docile nohon'ny chihuahua ratsy taiza... zahako zao manana Rott anak2 fa tsy maninona mihitsy.

De arakaraky ny ilavana ilay alika koa no ifidianana ny race ny... intimidation ve, hitsongo dia ve? Hatao haingontrano sy hivovo mpandalo eo andavarangana ve? Atao solona sonnerie ve? Hiandry tanana ve?

Ny rott dia tsy manana fanamboloana nohon'ny bergers fa kosamanana tombony be @ mpangalatra vokatr'ilay izy noir et feu dia tombony @ alina.. sady izy raha tsara dresse de tsy le mivovo fotsiny sy manaikitra fotsiny fa ketohany tsy marary (immobilization) ny mpangalatra ary tsy avelany hilefa raha tsy tonga ny tompony.

Ny st bernard tsy mahatanty toetr'andro any dago loatra sady mihinan-kanina be sy be volo sy rarakivy .. fa raha tianao tsy maninona
6. soanja ( 28/04/2010 22:42)
xxx:

Anontanio ao @ SMGI Ankorondrano (akaikin'ny savonnerie tropicale) fa ilay PDG tao manakarama mpîasa niompy betsaka sy mivarotra taloha. Voabaiko tsara mihitsy ny alika ompian-dreo. (Tsy tao @ io orinasa io akory no ompiany fa @ toerana hafa.)

Misaotra nanoro toerana hanontaniana.

:-* :-*
7. soanja ( 28/04/2010 22:44)
ikaretsaka:

Arakarak'ilay race...pedigree, ny elevage ary taratasy sns io..na samy berger na samy rotties aza
Da any @ 2 hetsy (tsy misy taratasy sy tsy fantatra razana) ka hatramin'ny 2 tapitrisa Ariary eo ( taranaka champion bloodlines..manana pedigree..misoratra LOF na LOM, vita vakisiny rehetra, tatoues) ny alika race pure 2 na 3 volana (rott)
Bergers zahako tsy dia mahay
Www.gasytialika.com

Misaotra nanazava Ika fa tena ilaina tokoa. Tsy tiako ny alika mifangaro razana ka soa fa misy mahalala izany. Tsy fantatro loatra na mila mbola train- evana no ilako na na izahay ihany no hi-train azy fa raha izaho no misafidy dia ny Rott no tiako satria iny nahazatra ahy.

8. soanja ( 28/04/2010 22:45)
Ratoa:

Atao inona Rottweiler? agressif be ireny fa aleo berger allemand na labrador na koa St Bernard raha samy chien de race ihany.

Alika hiasa aloha no tena itadiavana azy e. Berger allemand tsara koa aloha fa mbola hifidy na samy hakana daholo. Dia hita eo izay tena tsara tiako ho ahy.

9. soanja ( 28/04/2010 22:49)
ikaretsaka:

Ny alika dia arakaraky ny hitaizanao azy ihany no maha aggressif anazy ka.. na pitbull aza ny alikanao de mety ho docile nohon'ny chihuahua ratsy taiza... zahako zao manana Rott anak2 fa tsy maninona mihitsy.

De arakaraky ny ilavana ilay alika koa no ifidianana ny race ny... intimidation ve, hitsongo dia ve? Hatao haingontrano sy hivovo mpandalo eo andavarangana ve? Atao solona sonnerie ve? Hiandry tanana ve?

Ny rott dia tsy manana fanamboloana nohon'ny bergers fa kosamanana tombony be @ mpangalatra vokatr'ilay izy noir et feu dia tombony @ alina.. sady izy raha tsara dresse de tsy le mivovo fotsiny sy manaikitra fotsiny fa ketohany tsy marary (immobilization) ny mpangalatra ary tsy avelany hilefa raha tsy tonga ny tompony.

Ny st bernard tsy mahatanty toetr'andro any dago loatra sady mihinan-kanina be sy be volo sy rarakivy .. fa raha tianao tsy maninona

Misaotra am info. Hiambina tanana aloha no tena ilana azy fa atao namana koa isany. Tiako raha afaka hiaraka hiazakazaka amiko isa-maraina no tanjona.

Mirona be dia be am Rott ny saiko saingy ny BA no mahasarika ny ankilany.

Sakafo gasy- sakafontsika- ve no omena azy ireo any sa mba misy mivarotra sakafo toy ny aty ihany any? Mbola tsy i nitsidika ilay tranokala aho aloha fa refa avy eo. Misaotra indrindra.

10. ikaretsaka ( 28/04/2010 23:21)

tsy ratsy koa ny BA ka

fa raha tianao hiara hiazakazaka aminao isa maraina dia ny Rhodesian Ridgeback no hitako fa tsara, iny mafy aina sy tia mihazakazaka tokoa (misy koa any ..jereo ilay Tranonkala, saingy vitsy= lafo)

fa ny indro kely @ BA any M/kara: dia raha mitady race pure dia sarotra ihany satria misy ny nampanaranaka azy @ alika hafa, moa io no "alika vazaha" hain'ny sarambaben-gasy ka na ny mpangalatra aza mahay azy koa!

Ny momban'ny sakafo raha alika kely izy dia misy krokety amidy any @ mpivarotra any M/kara (fa lafo) fa ny fanaovanay ny alikanay dia nozarina krokety nony nisara nono dia avy eo dia zarina tsikelikely @ BARF (Boiled And Raw Foods=feno recipes @ Net)

Raha manana namana mpivaro-kena na mpanao bizna poulet de chair dia io no tena lafatra fa ny hena tsy lafo sy ny carcases no ampiasaina...

Marihina fa experiences ko fotsiny io ....
11. soanja ( 29/04/2010 01:18)
ikaretsaka:

tsy ratsy koa ny BA ka

fa raha tianao hiara hiazakazaka aminao isa maraina dia ny Rhodesian Ridgeback no hitako fa tsara, iny mafy aina sy tia mihazakazaka tokoa (misy koa any ..jereo ilay Tranonkala, saingy vitsy= lafo)

Ok misaotra indrindra.

12. LAVASANGA ( 29/04/2010 08:09)
Anontanio an'io Maitre de Chien io eh N° Tel: 034 17 826 74
13. ikaretsaka ( 29/04/2010 17:02)
Tsy manakivy anareo aho aloha raha mbola hoe dresseur sy maitre chien gasy gasy! à 90% an'ireo dia vola no tena ilainy! Tsy misy maharatsy an'izany akory fa raha hoe resaka assis-couché-debout ve no andaniana 3.000.000 fmg??? Tena hain'ireo dresseur ireo mihintsy ny mamono lolo ny kil 3 séances io dia vitany manao attaque! 1 séance io dia efa mahavita obeissance! ary izay foana no ampianariny an'io alika io mandram-paha voalohanao ny vola rehetra! indraindray mba mody asiany karazana hoe 'fais le mort' 'rampe' 'saute' sns, 1 mois ny alika efa mahavita obstacle (agility)!!! Fa avy eo kosa? 1 volana aty aoriana io ( aorian'ny dressage rehetra) tsy mahay afa-tsy assis-couché-debout!!!!! dia eo amin'izany ny fikafika rehetra toy ny hoe mila manao recyclage e! tsy nety tsara ny passation e! sns. Ary satria mora lany pasy ny dresseur dia ireto avy no fikafika ampiasainy ahafahano mieritreritra fa 4-6 mois mois no nampianarana ny alikanao:
- Mody marary dia tsy afaka
- Misy marary tao an-trano (zanaka na vady na fianakaviana akaiky) dia tsy afaka
- Manana andraikitra ao @ fonkotany na ao ampiangonana dia tsy afaka
etc....= tsy afaka
Ny tena iafarany dia raha 3x/semaine no nifanarahana dia lasa 6x/mois ny tena nampiarana, manginy fotsiny ny fangalana avance/fivarotana entana lafo nohon'ny tena izy (collier, harnais, laisse...), Raha lahy moa ny alikanao + de 12 mois dia aza mieritreritra intsony fa isaky ny manao 'promenade' io dia manao saillie!!
Mieritrereta tsara aloha vao manampakevitra fa ny anay soso-kevitra fotsiny
14. soanja ( 29/04/2010 19:31)

Naika za ihany no hi-train azy ka. Atao ohatra ny fikarakarana zaza ihany mantsy ny alika raha ny nianarako taty. Mety haka class maromaro koa aho alohan'izay fa mety tsy ampy izay efa nataoko taloha.

15. Djhamhal ( 30/04/2010 07:04)
tena manana trai-kefa @ alika miitsy i karetsaka zany an ! tsara be ka! za kou manana alika mainty be zay ato fa tsy haiko oe karazany inona izy io na inona fa za moa tsy dia mandalina lôtra ny momba azy io ; fa vavy izy io ary vao nisara-nono t@ reniny dia tonga ho azy teo aminay teo dia nolalaovin'ny zanako ary dia lasa tiandry zareo be dia nompiana tao ! fa izy aloha ra hi vovo tsy laitra miitsy sady manenjika olona miitsy hany ka tsy maintsy fatorana foana !
16. ikaretsaka ( 30/04/2010 11:43)
Dzamal> tsy hoe manana traikefa fa tia sy passionnes dia mitrandraka sy. Indraindray victime eo dia mizara ny zavatra hita niaraka t@ alika sy ny tontolony hatr@ izay niompiana izay.
Hyperactif be ny alikanao raha izany manenjika olona izany sy tsy zatra promenade. Tsy mba entinareo miodikodina eo @ manodidina angaha ?
17. soanja ( 01/05/2010 22:25)
Djhamhal:

ka tsy maintsy fatorana foana !

Aza fatorana izany foana ny alika fa manjary mampalahelo. Mila fanazarana na training ianareo sy ny alika ( fiara-miaina miaraka) raha ny fahalalako azy. Tsy mora anefa ny manao izany rehefa lehibe ilay alika saingy mbola azo atao ihany. Mila finiavana sy fitiavana ilay alika anefa.

Ny alika koa anefa dia tsy mifanalavitra amin'ny olombelona ihany, miankina be dia be tamin'ny nanabeazana azy ka matoa izy alika tonga teo aminreo nefa tsy nisy nitady sy niraharaha dia alika abused na nampijaliana izy izay ka mety efa somary voa koa ny sainy ka tsy mahatoky olona.

:(
18. ikaretsaka ( 03/05/2010 14:45)
fa ny tsapako koa de ny fisainan'ny gasy momba ny alika mbola tsy any mihitsy, ary anisan'ny ezaka ataonay ato io hoe ny alika ange tsy le mivovo ao antokotany sy le fotsikely ne volo mandehandeha ao andavarangana fotsiny e
19. soanja ( 06/05/2010 03:53)
ikaretsaka:

fa ny tsapako koa de ny fisainan'ny gasy momba ny alika mbola tsy any mihitsy, ary anisan'ny ezaka ataonay ato io hoe ny alika ange tsy le mivovo ao antokotany sy le fotsikely ne volo mandehandeha ao andavarangana fotsiny e

Ny alikan'ny namako izao entiko matetika mitsidika marary. Indrindra ny marary saina na ny ireo manakilema hatrany ankibon-dreniny (jamba sns sns) na ankizy tsy salama aty dia faly ery ry zareo ilay mbola tena ao anaty fitsaboana iny satria mba misy zavatra mahafalifaly azy.

20. ravonjison ( 06/05/2010 08:18)
soanja:

ikaretsaka:

Ny alika dia arakaraky ny hitaizanao azy ihany no maha aggressif anazy ka.. na pitbull aza ny alikanao de mety ho docile nohon\'ny chihuahua ratsy taiza... zahako zao manana Rott anak2 fa tsy maninona mihitsy.

De arakaraky ny ilavana ilay alika koa no ifidianana ny race ny... intimidation ve, hitsongo dia ve? Hatao haingontrano sy hivovo mpandalo eo andavarangana ve? Atao solona sonnerie ve? Hiandry tanana ve?

Ny rott dia tsy manana fanamboloana nohon\'ny bergers fa kosamanana tombony be @ mpangalatra vokatr\'ilay izy noir et feu dia tombony @ alina.. sady izy raha tsara dresse de tsy le mivovo fotsiny sy manaikitra fotsiny fa ketohany tsy marary (immobilization) ny mpangalatra ary tsy avelany hilefa raha tsy tonga ny tompony.

Ny st bernard tsy mahatanty toetr\'andro any dago loatra sady mihinan-kanina be sy be volo sy rarakivy .. fa raha tianao tsy maninona

Misaotra am info. Hiambina tanana aloha no tena ilana azy fa atao namana koa isany. Tiako raha afaka hiaraka hiazakazaka amiko isa-maraina no tanjona.

Mirona be dia be am Rott ny saiko saingy ny BA no mahasarika ny ankilany.

Sakafo gasy- sakafontsika- ve no omena azy ireo any sa mba misy mivarotra sakafo toy ny aty ihany any? Mbola tsy i nitsidika ilay tranokala aho aloha fa refa avy eo. Misaotra indrindra.

Salut Soanja a.
Izaho dia mitsabo alika no tena anton\' asako, ary mamaha ny olana manididina izany foana no ataoko ato isan\' andro. Tsy vita eto angamba raha ho resahina eto daholo ny olana mikasika ny alika, fa mba ezahiko ampiana ireo hevitra izay efa voalaza etsy ambony .

Ny fanontaniana mipetraka aloha izany dia hoe:
1- aiza no hipetraka ilay alika ? ( ao Dago ve sa any andafy ?)
2- Inona no antony hiompianao ilay alika ?
3- Iza no tena hikarakara ilay alika ?

Raha naharaka tsara ilay ady hevitra aho dia toa efa voavaly daholo ireo fanontaniana ireo : ao Dago no hipetraka, ho namana sy hiandry trano no hiompiana azy , ary i Soanja no hikarakara azy. Raha tsy izay dia mbola mila ampiana ilay fanazavana.

Dia izao no mba torohevitro raha mikasika ireo race efa voalaza etsy ambony ( Rotweiler, Berger Alemand, St Bernard, Rhodesian Rigdeback, labrador)
Ireo race ireo lehibe daholo, ary mila fahaizana tsara ny mitaiza azy satria:

- lafolafo ihany ny vidin\' ny sakafony ( noho ny habeny), ary raha marary koa dia lafolafo ihany koa ny traitement. Ka tsaratsara aloha raha race pure miaraka @ papier no tadiavinao, ka tsy maintsy \" 0/0 \" nulle ny prevalence - na \" dyspalzie de la hanche \" . Satria raha marary an\' io izy any aoriana, dia mazava fa tsy afaka hiaraka hiazakazaka ianareo.
- raha ny fiambenan-tanana no tena manandanja aminao dia ireo telo voalohany no tena tsara, ny BA anefa no tsy dia mandany vola kokoa, ny rotweiler masiaka loatra ka mila maitrise betsaka kokoa, ny st. Bernard indray tena maha be depense noho ny habeny. Ny labrador dia mba mianbina koa saingy raha resaka namana dia izy o tena tsara : mora maitriser-na, tsara toetra.
- eo fikarakarana sy fitaizana azy isan\' andro dia indraindray somary mila force ihany sy \" esptri de suite ( consequentiality ) ny fitaizana. Ka raha ireo race voalaza ireo , dia lehilahy matanjaka sy mafy teny no tokony hitaiza azy ( tsy midika anefa izany fa tsy vitan\' ny vehivavy ). Ka ny labrador no tsaratsara ho an\' ny vehivavy tsy dia manana force loatra.

Raha fehezina tsotsotra izany dia izao : raha manampotoana tsara sy manana hery sy vola ianao ao Dago, ka ilay fiambenana no tena tanjonao, dia ny Beregr Allement no tsara fidianao, na koa Doberman ( raha oharina @ BA dia fohy volo ka tsy betsaka ny aretin\' oditra mahazo azy !!). Ka apetrao @ dresseur ny fanaovana ny dressage. Araka ny voalazan\' i Ika dia vola foana tokoa ny tena mahamaika ny olona. Io moa dia lazaiko hoe : syndrome de pauvreté. Toy izany daholo ny ankamaroan\' ny olona mpitady vola ao Dago. Tena ilay voalazan\' i Ika mihitsy e : mody marary izy sns...
Raha toa ka ialinao ihany ny fiambenana, saingy manandanja aminao ilay finamanana @ ilay alika , dia ny labrador no safidy tsara. Eto dia azonao atao tsara ny mividy boky ka ianao ihany no manao ny dressage, tsy olana mihitsy iny, ho gaga be ianao hoe : tena mandeha hoazy izany ilay izy. Ny labrador dia race tsara toetra , tsy dia be olana ( ankoatry ny cas exceptionel !!).

Mazotoa mifidy e.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7429