Ny fomba firesaka

1. xxx ( 13/09/2009 07:54)
Hita taratra @ olona iray ny toetra ananany rehefa jerena ny fomba firesany na ny fomba fiteniny. Sa ahoana hoy ianareo?
répondu par ikaretsaka le 25/09/2009 17:41
2. sitlo ( 13/09/2009 09:03)
Tsia hoy aho! Tsia eky!
3. Mirananirina ( 13/09/2009 10:11)
Ny sasany tena marina fa ny sasany kosa jokotsorika.Misy olona izao mody malemy fanahy rehefa miresaka,nefa kay tena biby...Fa misy kosa ny toetrany hita aminy fomba firesany .
4. sitlo ( 13/09/2009 10:25)
Izay indrindra manko.
No1: Ratsirahonana
No2: Andriamanjato Richard

tsy hiteny ny tohiny aho sao mivadika resaka politika fa kopy nareo.
5. kelly13 ( 13/09/2009 21:34)
za tsy kôpy fa vera
6. ikaretsaka ( 13/09/2009 22:38)
noheveriko fa bol ianao
7. hery ( 14/09/2009 09:59)
Ny fomba firesaka izany azo amboarina. Misy mihitsy mieritreritra hoe hita @ fomba firesaka ny toetra dia tonga dia manamboatra firesaka fotsiny ny sasany dia fanina ny oul
8. ni81 ( 14/09/2009 10:35)
Ny fomba firesaka izany azo amboarina. Misy mihitsy mieritreritra hoe hita @ fomba firesaka ny toetra dia tonga dia manamboatra firesaka fotsiny ny sasany dia fanina ny oul
mety ho fanina tokoa aloha e (izay mora fanina :D), eny na dia mifankazatra aza! Fa eo @ hatezerana no mora ahitana azy fa tsy miafina fa hita eo hoe ity olona toy izatsy na olona mahatsindry fo. Jereo daholo ange ny fitroatran'ireo mpanao politika ao ireo e! Teny ratsy re izao e! :(
9. xxx ( 14/09/2009 13:24)
Ny fomba firesaka dia tena azo amboarina @ fiatsarambelatsihy , na lainga, na marina. Mody izao sy izao @ i anona, na toy iroa @ hafa rehefa miresaka. Misy olona raisina @ "pincette" hono nefa tsy mila izany akory fa mody hanaovany sônéma eo ianao dia... nefa dia izy no te hanao sônéma :-D :-D :-D .
Tsy hitsarana olona ny fomba firesany, fa ny hatao no hita e!
Betsaka koa ny manararaotra rehefa miresaka fa toa azy daholo ny fahoriana eto an-tany. :-P :-P
Hodiako fanina fa vendrana eeeeeeee!
10. Envy7 ( 14/09/2009 14:15)
Ka iza no tinareo kle,avy hatrany d mivatravatra nefa hay gaigy be fa tena bandy saro-kenatra tsisy hotrizany refa ifanetrehana.Sa reo mody malefaka sy miangolangola hay saka manafin-kiho? he he he tsy te hahita ah kleaza
11. kelly13 ( 14/09/2009 18:11)
ika>efa nifintina d lasa vera

envy7>tsisy tiko
12. soanja ( 15/09/2009 13:09)
xxx:

Hita taratra @ olona iray ny toetra ananany rehefa jerena ny fomba firesany na ny fomba fiteniny. Sa ahoana hoy ianareo?


Miankina lalandava amin'ny fahalavan'ny/ fahaelan'ny fotoana ifaneraserana no mety ahafantarana ny olona iray sy ny toetra ananany.

Isankarazany ny toetran'olombelona ary tsy azo refesina fotsiny amin'ny fotoana indray mandeha nifanenana na nifampiresahana satria miankina koa amin'ny zavamisy eo no mahatonga ny sain'olona iray hamoaka izay tiany ambara na hihemotra, no sady koa miankina koa amin'ny fihetsepo tsapany ao anaty izay mety misy idiran'ny fotoana eo na tsy misy idirany.

Misy ny be tsy miteny ary misy ny basivava ary ao ny antonotonony. Ny hoe iza no ratsy sy tsara indray dia tsy miankina amin'izay tenenina sy ny fihetsiny amiko fa miankina lalandava amin'izay ataony. Ny asa vita ihany no ifampitsarana hoy ny fiteny!


13. ari.malala ( 16/09/2009 06:22)
Isankarazany ny toetran'olombelona ary tsy azo refesina fotsiny amin'ny fotoana indray mandeha nifanenana na nifampiresahana satria miankina koa amin'ny zavamisy eo no mahatonga ny sain'olona iray hamoaka izay tiany ambara na hihemotra, no sady koa miankina koa amin'ny fihetsepo tsapany ao anaty izay mety misy idiran'ny fotoana eo na tsy misy idirany.
marina tanteraka!
14. Bazily ( 16/09/2009 06:46)
Miankina lalandava amin'ny fahalavan'ny/ fahaelan'ny fotoana ifaneraserana no mety ahafantarana ny olona iray sy ny toetra ananany.

Marina ny 90%-ny (amiko) fa misy koa karazan'olona vao ifampiresahana na indray mandeha aza dia efa miharihary eo ny toetra ratsiny, matetika tratran'io tranga io ilay olona tia eboebo sady mpanambony tena, vao mitsidika ny resakao, ny azy no efa tonga lavitra sady feno fandokafana. Dia eo @zay mi-sous estime @zay fa tsisy dikany e! zay zay ve!!! sns....Ary ny olona manao an'ireny no tena mandreraka be, tsy voatery hiseho vao hita fa na mandeha milamina aza hitan'ny olona foana rehefa mamiratra.
15. ni81 ( 16/09/2009 17:35)
Isankarazany ny toetran'olombelona ary tsy azo refesina fotsiny amin'ny fotoana indray mandeha nifanenana na nifampiresahana satria miankina koa amin'ny zavamisy eo no mahatonga ny sain'olona iray hamoaka izay tiany ambara na hihemotra, no sady koa miankina koa amin'ny fihetsepo tsapany ao anaty izay mety misy idiran'ny fotoana eo na tsy misy idirany.
Marina ny 90%-ny (amiko) fa misy koa karazan'olona vao ifampiresahana na indray mandeha aza dia efa miharihary eo ny toetra ratsiny, matetika tratran'io tranga io ilay olona tia eboebo sady mpanambony tena, vao mitsidika ny resakao, ny azy no efa tonga lavitra sady feno fandokafana. Dia eo @zay mi-sous estime @zay fa tsisy dikany e! zay zay ve!!! sns....Ary ny olona manao an'ireny no tena mandreraka be, tsy voatery hiseho vao hita fa na mandeha milamina aza hitan'ny olona foana rehefa mamiratra
16. Envy7 ( 17/09/2009 11:52)
Kelly13> reto ndray ary, le be resaka,sa be tsy miteny sa le sokirina hotra ny parasy lafirika vao iresaka.Ts tinao le avy hatrany de mivatravatra,s lay mody malefaka hay gaigy be.he he he,
17. Mirananirina ( 17/09/2009 13:30)
fa misy koa karazan'olona vao ifampiresahana na indray mandeha aza dia efa miharihary eo ny toetra ratsiny, matetika tratran'io tranga io ilay olona tia eboebo sady mpanambony tena, vao mitsidika ny resakao, ny azy no efa tonga lavitra sady feno fandokafana. Dia eo @zay mi-sous estime @zay fa tsisy dikany e! zay zay ve!!! sns....Ary ny olona manao an'ireny no tena mandreraka be, tsy voatery hiseho vao hita fa na mandeha milamina aza hitan'ny olona foana rehefa mamiratra.
marina tanteraka
18. gabidemony ( 21/09/2009 11:24)
Io de ze mahay miresaka ihany no mahazo eh!
ka misy tonga de babo.... :-o
19. kelly13 ( 21/09/2009 12:16)
envy7>kefa oe tsisy kou
20. ikaretsaka ( 21/09/2009 13:23)
Envy7:

Kelly13> reto ndray ary, le be resaka,sa be tsy miteny sa le sokirina hotra ny parasy lafirika vao iresaka.Ts tinao le avy hatrany de mivatravatra,s lay mody malefaka hay gaigy be.he he he,

Nena le pin sanrira no reveko satria za ko pin sanrira

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1987