Rainay any an-danitra...
1. Fanhaiky
(
10/09/2009 05:58)
Miarahaba anareo namana rehetra indray ny tenako, elaela tsy niditra tato fa izao indray vao mba malalaka eh!
Ny nahalasa ny saiko dia ity "Iza kay no olona tena manao @ fony ilay vavaka nampianari'i Jesoa hoe: Rainay any an-danitra" dia ny fanontaniana mipetraka dia hoe: Tena tanterakan-tsika an-tsakany sy an-davany marina ve iny?
Raha ny amiko manokana aloha dia tsy sahy hilaza aho hoe vitako ary matetika aza aho any am-piangonana misy teny tsy sahiko tenenina ao anatiny satria mbola sarotra amiko ny hanatanteraka azy, nefa izany akory tsy midika hoe tsy mpino aho saingy kristianina aho fa tsy misy maro tsy tanterako sy vitako ao antiny.
Dia mirary soa ho antsika rehetra ary eh!
Am-pitiavana be foana :D

répondu par tywa68 le 16/09/2009 07:43
2. xxx
(
10/09/2009 06:43)
Ny fanontaniana angamba tsy hoe "iza" fa hoe "ahoana" no hanatanterahana an'io an-tsakany sy an-davany
Misy namako izay mangina tsy miteny izy rehefa eo @ hoe "mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay" satria tsy vitako foana hoy izy ny mamela ny olona meloka tamiko

3. hery
(
10/09/2009 07:29)
Mba misy faniriana hamela heloka kosa angamba e... Izay dia tena efa zava-dehibe na dia tsy ampy aza.
5. Fody
(
10/09/2009 10:16)
Amiko manokana dia izao: tsy misy ny lavorary saingy tsy manakana ny tena haniry ny fahalavorariana izany, ary tsy haniry fotsiny fa hiezaka hahatratra an'izany. Raha mahatoky an'Andriamanitra marina mantsy ny tena dia tsy ho irery manatratra an'izany. "Efako ny zavatra rehetra, hoy Paoly, miaraka amin'ilay tia ahy".
6. booboo
(
10/09/2009 10:58)
Misy namako izay mangina tsy miteny izy rehefa eo @ hoe "mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay" satria tsy vitako foana hoy izy ny mamela ny olona meloka tamiko
hatraty io...
7. ari.malala
(
10/09/2009 11:17)
Ny anà aloha ilay hoe 'ho tanteraka anie ny sitraponao' no tena ivavahako mafy e! mba ho izay tena sitrapon'Andriamanitra marina tokoa no ho tanteraka eo am fiainako.
Ilay manana faniriana hamela indray, arakarany... rah atena narary b anà d tena ts mamela ah

8. ikaretsaka
(
10/09/2009 13:44)
ny ahy koa de eo @ 3 eme ligne eo ihany ry ari.. ne "omeo" sy ny "avelao" rehefa sitrapony de mandeha ho azy
9. Veloo
(
10/09/2009 13:57)
oy i Fody
Amiko manokana dia izao: tsy misy ny lavorary saingy tsy manakana ny tena haniry ny fahalavorariana izany, ary tsy haniry fotsiny fa hiezaka hahatratra an'izany^:^ ^:^ ^:^
10. Veloo
(
10/09/2009 14:02)
oy i fanhaiky
ny fiainana lesy dia tolona a, ita fa tsy hisy ahavita an'io mihitsy raha tsy mitolona isan'andro isika. Mivavaka foana ataovy foana na dia nanota sy nanao an'ilay izy ary isika (bien sur @ fo feno fanetre-tena sy mino fa hamela ny helon-tsika i Jesosy... Ka tohizo re aza kivy fa i Satana dia hiteny amin-tsika foana oe - Itanareo??? jereo ty ota be ataonareo angaha Jesosy ho tiananareo sy hamela anareo... Ka aza kivy fa ny fahasoavan'Antra dia eo akaikin-tsika foana miandry antsika hibebaka @ ny fahotana, Izany no nahatongavan'i Jesosy teto an-tany dia ny hamonjy antsika @ fahotana sy ao anatin'ny fahotana.
Mahereza ooooo
Raha ny amiko manokana aloha dia tsy sahy hilaza aho hoe vitako ary matetika aza aho any am-piangonana misy teny tsy sahiko tenenina ao anatiny satria mbola sarotra amiko ny hanatanteraka azy, nefa izany akory tsy midika hoe tsy mpino aho saingy kristianina aho fa tsy misy maro tsy tanterako sy vitako ao antiny.
ny fiainana lesy dia tolona a, ita fa tsy hisy ahavita an'io mihitsy raha tsy mitolona isan'andro isika. Mivavaka foana ataovy foana na dia nanota sy nanao an'ilay izy ary isika (bien sur @ fo feno fanetre-tena sy mino fa hamela ny helon-tsika i Jesosy... Ka tohizo re aza kivy fa i Satana dia hiteny amin-tsika foana oe - Itanareo??? jereo ty ota be ataonareo angaha Jesosy ho tiananareo sy hamela anareo... Ka aza kivy fa ny fahasoavan'Antra dia eo akaikin-tsika foana miandry antsika hibebaka @ ny fahotana, Izany no nahatongavan'i Jesosy teto an-tany dia ny hamonjy antsika @ fahotana sy ao anatin'ny fahotana.
Mahereza ooooo
12. soanja
(
10/09/2009 15:38)
Tsy haiko aloha fa ny tenako dia tsapako fa tsy voatery hanao fiekem-pinoana na na hoe vavaka atao tsianjery ambava satria amiko ny tenako na isika olombelona dia tsy hoe mpanara-drenirano toa " trondro maty, hoy rakapy izay" fa afaka milomano tsara, nefa koa afaka mianika ilay sisin-drano no sady afaka miantsampy amin'izay rantsan-kazo azo ifikirana tampoka eo amin'ilay renirano, satria ny fiainana tsy hoe iny dia iny fa miovaova toy ny toetrandro ihany. Tsy misy zavatra static fa miserana sy mihelina ary miendrika isan-karazany.
Ny tiako ambara dia ny vavaka dia tsy natao ambava fa ny ezaka (asa/hetsika) atao manoloana izay tanjona tiana tratrarina.

13. ikaretsaka
(
10/09/2009 15:41)
Ny tiako ambara dia ny vavaka dia tsy natao ambava fa ny ezaka (asa/hetsika) atao manoloana izay tanjona tiana tratrarina.
namaste!
vavaka=tolona fa tsy sento hoy ilay rangahy izay!
14. Veloo
(
10/09/2009 16:20)
ikaretsaka [ Valio ] 10-09-2009 16:40:20
Lohateny : Re : Rainay any an-danitra...
ka tolona fa tsy surrender ry veloo a
Ika a rehefa surrender dia tsy maintsy misy foana ny tolona lety a :wink:
15. Veloo
(
10/09/2009 16:24)
Tsy haiko aloha fa ny tenako dia tsapako fa tsy voatery hanao fiekem-pinoana na na hoe vavaka atao tsianjery ambava satria amiko ny tenako na isika olombelona dia tsy hoe mpanara-drenirano toa " trondro maty, hoy rakapy izay" fa afaka milomano tsara, nefa koa afaka mianika ilay sisin-drano no sady afaka miantsampy amin'izay rantsan-kazo azo ifikirana tampoka eo amin'ilay renirano, satria ny fiainana tsy hoe iny dia iny fa miovaova toy ny toetrandro ihany. Tsy misy zavatra static fa miserana sy mihelina ary miendrika isan-karazany.
ka izay anie no mahavoa ny olona e... tsy tokony otran'izany mihitsy no andraisana ilay ary tsy misy manery izany eo rehefa tia an'i Jesosy dia vonona ny hiady .... (tolona)
tena samy manana ny fomba fandraisany isika
ayr ny tolona tsy vavaka ihany fa ny fanetre-tena, famakian'ny Tenin'Antra, fianarana ny Tenin'Antra etc....
17. ikaretsaka
(
10/09/2009 16:28)
[quotefamakian'ny Tenin'Antra, fianarana ny Tenin'Antra etc....[/quote]
io anie tsy vakiana sy ianarana sy averina diska goaka fotsiny fa ampiharina e! izay no tena tolona

18. soanja
(
10/09/2009 16:55)
Veloo:
tena samy manana ny fomba fandraisany isika
ayr ny tolona tsy vavaka ihany fa ny fanetre-tena, famakian'ny Tenin'Antra, fianarana ny Tenin'Antra etc....
Tafiditra tanteraka ao anatin'ny vavaka ny fanetre-tena, famakiana ny Tenin'Andriamanitra izay ataoko hoe fikatsahana ny hoe inona avy ny voalaza momba ny fiainana ilaina fandinihana sy fakafakaina ary alalalinina/ ampiharina raha hita fa mety amin'ny teny sy tsapa fa manana ny fahamarinany amin'ny tena sns sns... rehefa manao ireo aho dia mi-tolona tokoa mijery hoe aiza aho ahoana? izay tafiditra tanteraka ao anaty vavaka sy fanompoana an'Andriamanitra.
Rehefa miteny ny olona iray hoe ianao ve mba mivavaka ihany dia ny tiany tenenina amin'io dia hoe manana an'Andriamanitra ve ianao ka miaina azy?
19. cutie
(
11/09/2009 02:59)
ny fiainana lesy dia tolona a, ita fa tsy hisy ahavita an'io mihitsy raha tsy mitolona isan'andro isika. Mivavaka foana ataovy foana na dia nanota sy nanao an'ilay izy ary isika (bien sur @ fo feno fanetre-tena sy mino fa hamela ny helon-tsika i Jesosy... Ka tohizo re aza kivy fa i Satana dia hiteny amin-tsika foana oe - Itanareo??? jereo ty ota be ataonareo angaha Jesosy ho tiananareo sy hamela anareo... Ka aza kivy fa ny fahasoavan'Antra dia eo akaikin-tsika foana miandry antsika hibebaka @ ny fahotana, Izany no nahatongavan'i Jesosy teto an-tany dia ny hamonjy antsika @ fahotana sy ao anatin'ny fahotana.
Mahereza ooooo
tsy azoko le satana lazai-njy, le satana ve ao an-tsaina izy miteny an'io sa aiza sa eritreritra fotsiny???
20. niryna
(
11/09/2009 04:30)
Tsy haiko aloha fa ny tenako dia tsapako fa tsy voatery hanao fiekem-pinoana na na hoe vavaka atao tsianjery ambava satria amiko ny tenako na isika olombelona dia tsy hoe mpanara-drenirano toa " trondro maty, hoy rakapy izay" fa afaka milomano tsara, nefa koa afaka mianika ilay sisin-drano no sady afaka miantsampy amin'izay rantsan-kazo azo ifikirana tampoka eo amin'ilay renirano, satria ny fiainana tsy hoe iny dia iny fa miovaova toy ny toetrandro ihany. Tsy misy zavatra static fa miserana sy mihelina ary miendrika isan-karazany.
Veloo:
ka izay anie no mahavoa ny olona e... tsy tokony otran'izany mihitsy no andraisana ilay ary tsy misy manery izany eo rehefa tia an'i Jesosy dia vonona ny hiady .... (tolona)
tena samy manana ny fomba fandraisany isika
ayr ny tolona tsy vavaka ihany fa ny fanetre-tena, famakian'ny Tenin'Antra, fianarana ny Tenin'Antra etc....
=D>
Kristy dia nampianatra ny mpianany rehefa nanontany izy ireo hoe ahoana no fomba fivavaka ary dia io Rainay izay any an-danitra io no nampianariny azy ireo.
Raha tsianjery fotsiny tokoa no andraisana ilay izy dia toa tsy misy vidiny fa raha lalinina ny teny aho dia misy ventiny avokoa ary misy lanjany.Tsy mora ny manantanteraka ny fampianarany ary izany no ilaina Azy isan'andro mba omeny ny fanahy masina isika ahafantra ny tiany tenenina
Toa jerena tsotra ilay izy fa raha ampiharina amin'ny fiainana isan'andro dia sarotra ihany saingy ny finoana Aminy sy ny fametrahana ny fiainana iray manontolo ho tantanany dia mampiova zavatra tokoa
Misy olona tena tsy mandray ny fanasan'ny Tompo tokoa izy raha toa ka mbola maloto ny fony satria fantany fa misy hasiny iny ary voasoratra ao anatin'ny baiboly tokoa fa mila mifona,mila mangataka famelan-keloka ,mila manadio fo ary mila mamela heloka izay nanao ratsy tamintsika isika vao mandray an'iny sy raha manantena famelan-keloka amin'Atra koa.
Mila fianarana ilay izy ,mila fandalinana tsirairay hoe inona tokoa ny dikan'iny vavaka iny ary dia mivavaka mba ho ny sitrapon'ilay ray tokoa no ho tanteraka fa tsy ny antsika.
Izaho indray dia nianatra namela aho satria ny tenin'Atra no nanambara fa raha tsy mamela ny helon'ny hafa aho dia tsy ho voavela ny heloko ary dia niezaka aho ny amela izany.Amin'ny maha olona dia mahatadidy ny ratsy nataon'ny olona isika fa saingy tsy tokony itahiry an'iny ao am-po fa isika ihany no maratra eo.Asa aloha e,izay ny ahy,tsy mora ,tena tsy mora fa isan'andro dia mitolona amin'izany isika ary mangataka an'Atra mba anampy antsika fa tsy vitantsika irery ilay izy.