Rainay any an-danitra...

41. ikaretsaka ( 12/09/2009 18:40)
cutie:

kamo za hitady sady raha vo hira zafindraony tsy mamely aty :D

Milay ireny rehefa misotro galioka ko

42. soanja ( 15/09/2009 03:57)
reve:


Farany saika hadinoko nefa lehibe dia izao zaran'ny devoly aza ianao manana sentiment de culpabilité dia tsy sahy hanonona mihintsy ilay vavaka. Reseho izy fa ny Tompo mahafantatra tsara ny tena ao ampontsika tsirairay avy
(l) (l) (l)


Ahoana moa no ahafantarantsika fa izay tokoa ny momba io devoly io.
Efa nisy nahita sy niresaka taminy ka nahalala izany ve?




43. rzakarivola ( 15/09/2009 13:39)
simplex:
ny anah indray refa any ampiangonana dia matetika hiraina le izy hany ka ny mihira no mahamaika ah noho ny mieritreritra hoe vavaka koa anie ity kozy ity :)
ny tsy any ampiangonana moa... aleo tsy tenitenenina fa otran'ny mahamenatra be :oops: ^:^

==> "Ary hoy Jeso taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako." [Joany 14:6]
44. rzakarivola ( 15/09/2009 13:44)
fahamarinana:
...fa kosa miaina fa tsy kivy sy ketraka !Faly miaraka AMINY hatrany ! za zay an ! :D (l)

==> Tena maro isan-karazany tokoa aloha ny endrika fanarahan'ny olona an'i Jesoa sy ny fiainany ao @ izany e. Izaho indray fony mbola tsy nino an'i Jesoa dia otran falifaly foana, nanala azy foana ny fiainako manontolo, afa-tsy point anankiray izay tsy nahitako hevitra mihitsy. Rehefa nino an'i Jesoa aho dia matahotra sy mitaintaina mandrakariva, tsy nahita izay décision raisina fa natahorako tsy ho araka ny sitrapon' Andriamanitra daholo ny zava-drehetra nataoko, kanefa tao anatin'ireny no nitodihako mafy taminy mba handrenesako ny feony, ary isaka ny mandre Azy aho manambara sy manazava ny fiainana misy ahy dia mahatsiaro fiadanana be ny foko. Ho ahy izany raha feheziko dia hoe : "Sambatra ny malahelo am-panahy ...", sy hoe "Soa ihany aho nampahoriana hitandremako ny didinao".
Fa ho ahy izay an! Ary ny fifaliana maharitra mandrakizay tsy misy semban-drahona ho ahy dia mbola mijanona ho finoana sy antenaina, fa na dia faly ihany aza aho tsindraindray ety dia mandalo izany noho ny tsy maintsy ilentehako ... mandrapandraiNy ahy any amiNy, araka izay efa nampanantenainy.
45. rzakarivola ( 15/09/2009 13:59)
soanja:
Tadidio lalandava fa betsaka ny zava-dratsy mitranga amin'olombelona no mitondra an'ilay olona hanana fahendrena hiova sy ahita mahiratra amin'ny fiainana zany hoe hahalala an'Andriamanitra. Matoa io no mitranga dia tsy azo atao hoe ratsy ilay zavatra nitranga satria iny aza no nampifoha anao tao anaty torimaso koo!!!!

==> Ka nahoana no tsy inoanao ny voasoratry ny Baiboly maro dia maro ? Ary nahoana no tsy inoanao Jesosy rehefa miteny hoe "Matahora an' Andriamanitra ..." ?
Ilazàko zavatra ianao ry Soanja, raha izaho no asain'i Jesoa miteny hoe "raiso ny Sabatrao ka tsatohy ny rahalahinao sns", dia amiko fahadisoana lehibe ny tsifankatoavana Azy, tsi-fitiavana ny rahalahy izany sady fanimbana ny tenako mihitsy koa. Izy no tia dia Izy no mahafantatra izay tena fitiavana. Ny iraka ampanaovin'ny Tompo kosa dia mila fantarina mazava, ary ho ahy dia izao no ahafantarana azy : vavaka, tenin' Andriamanitra, finoana, faharetana.
Ho ahy, ny rahalahy mila tsatohina ny sabatra dia ireo kristiana mitondra fahalovana ho an'ny Fiangonana (noho ny tsifankatoavana ny tenin'i Jesoa Kristy).
Ho ahy, ny sabatra dia ny tenin' Andriamanitra, dia Jesoa ihany izany. Tsy mahalala afa-tsy Jesoa aho.
46. rzakarivola ( 15/09/2009 14:12)
Soanja:
Ahoana moa no ahafantarantsika fa izay tokoa ny momba io devoly io.
Efa nisy nahita sy niresaka taminy ka nahalala izany ve?

==> Ho ahy dia izay nambaran'i Jesosy mikasika azy ihany no fantatro, ary azoko antoka fa tsy mila mahafantatra momba azy mihoatra izay ampahafantarin' Andriamanitra aho, satria ny fiainana mandrakizay dia ny fahafantarana an' Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy izay nirahiny.
Raha ny fijeriko dia tsara ihany ilay monde eritreretinao sy vetsovetsoinao ry Soanja, saingy tsy azoko hodian-tsy hita fa tena misy ny fijaliana, misy miseho ara-nofo izany, saingy iny mbola lefin'ny tena ihany, fa ny fijalian'ny fo, ny fahakiviana sy fanenenana, ny fahatezerana sy alahelo, zavatra réel be ireo ary tena misy fiantraikany à tena manontolo ka na dia hakipiko aza ny masoko tsy hijery afa-tsy izay côté tsara, dia tsapako izany zavatra izany. Ary izany rehetra iazny indrindra no lazain'i Jesosy hoe "afobe". Raha tsy nisy izany, dia tsy nila nankaty Jesosy, tsy ho navelan' Andriamanitra handalo fahasahiranana sy fijaliana ety an-tany isika. Saingy tena misy ilay izy, koa asehon' Andriamanitra @ tsika @ fiainantsika ara-nofo, nefa sady iainan'ny fanahintsika koa indraindray, tahaka izany koa ny fiadanana.
Nampanantena, ary mampanantena fiainana feno fahasambarana tsy misy aizina tokoa Andriamanitra, ary ao @ ZanaNy (Jesoa) izany fiainana izany, ananan'izay mino Azy ihany, satria @ finoana no hanekena ka handraisana izany fiainana izany. Noforonin' Andriamanitra hanana ny fifaliaNy isika olombelona (araka ny tenin'i JK), saingy safidin'ny olombelona ny handeha t@ fahafatesana, dia ny fisarahana @ Andriamanitra ... Ny olona tafasaraka amin' Andriamanitra dia tsy misy hafa @ appareil électrique anakiray tsy misy fusible, tahaka ny radio tsy misy pil! Izany no fahafatesana.
Raha tsy maty isika dia tsy nila nomena fiainana, fa ny fanomezana fianana dia midika fa tsy manana ilay fiainana isika, ary ny fiainana dia ny firaisana @ Andriamanitra, tahaka ny fisian'ny courant mamelona ny appareil électrique sady ahafahany miasa araka izay namoronana azy.
Efa tafasaraka amin' Andriamanitra ny olona, fa ao @ Jesoa Kristy Andriamanitra mampihavana ny olombelona @ tenaNy. Tsy hihavana @ Andriamanitra izay tsy mino an'i Jesoa, satria mandà ny fampihavanana izy, ho hitany ihany rahatrizay ny fahasambaran'ny paradisa (satria tsy mba hidy ny varavaran'izany), saingy izy tenany tsy afaka hiditra ao akory.
47. ari.malala ( 15/09/2009 14:25)
Izaho indray fony mbola tsy nino an'i Jesoa dia otran falifaly foana, nanala azy foana ny fiainako manontolo, afa-tsy point anankiray izay tsy nahitako hevitra mihitsy. Rehefa nino an'i Jesoa aho dia matahotra sy mitaintaina mandrakariva, tsy nahita izay décision raisina fa natahorako tsy ho araka ny sitrapon' Andriamanitra daholo ny zava-drehetra nataoko
8O :roll: :roll: :roll: mba hafa kely! mamatotra izany fiainanareo "kristianina hafakely" zany!

raha izaho no asain'i Jesoa miteny hoe "raiso ny Sabatrao ka tsatohy ny rahalahinao sns", dia amiko fahadisoana lehibe ny tsifankatoavana Azy
mbola re 8O Jesoa ts hiteny mitns hoe tsatohy ny sabatra io olona io!

azoko antoka fa tsy mila mahafantatra momba azy mihoatra izay ampahafantarin' Andriamanitra aho, satria ny fiainana mandrakizay dia ny fahafantarana an' Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy izay nirahiny.
aza mitompo teny fantatra re e! tena sur à 100% v enao fa tena mahalala tsara à 100% an'i Jesoa???
48. ikaretsaka ( 15/09/2009 14:49)
Ho ahy dia izay nambaran'i Jesosy mikasika azy ihany no fantatro

izay no maha bornE anao kay izany
49. ari.malala ( 16/09/2009 05:37)
:-D :-D :-D :-D
50. tywa68 ( 16/09/2009 07:43)
Rzakarivola > samy manana ny fandraisany an'ilay finoana fa amiko aloha d ilay fitiavan'Atra no tsapako isan'andro, zany hoe rhf tiany (satria tia azy, mankatoa fa tsy hanatsatoka sabatra kosa aloha e hihihi) d manantena fa homeny an'ilay fiainana milamina ety antany aloha (na kivy aza indray2 d ohatrany mahita fifaliana eny ihany na fitoniana koa), d any aoriana any, hahazo an'ilay fiainana mandrakizay ao Aminy. Enga anie ho tanteraka zany faniriana zany.

Ianao zany raha sendra misy olona mamelaka anao d hanome an'ilay takolaka ilany eo no eo koa ?
Tsy haiko aloha fa efa azoko antsaina ny ahy ny valiny e ! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1423