Ny fahafatesana sy ny fitsanganana...
1. fidinirina
(
27/08/2009 10:02)
FANONTANIANA napetrak'i [Majesty] tao @ dinika "Ilay Atra resahina eto ve ?"
1) Aiza ho aiza ao amin'ny baiboly no misy hoe ny vatana ihany no maty fa ny fanahy tsy mba mety maty ?
2) Dia inona io fanahy tsy mety maty io (esprit, âme, sa souffle de vie,sa toetra ...sns) ?
3) Dia raha atao hoe tsy maty ny fanahy dia mankaiza zany ny fanahin'ny olona rehefa maty izy,mandehandeha eny @ rivotra ve sa midina any ambanin'tany sa miakatra mankany an-danitra ? (@ finoana kristiana no anontaniako)
4) Dia rehefa ho avy zany Jesoa hanangana ny maty dia ilay vatana tsy misy fanahy ve izany no handova ilay lanitra nampanantenainy na ilay helo izay voalaza ? sa hoe misy fanahy mitsoriadriaka be amin'io fotoana io hitady ny vatany ?
5) dia mety ho azo eritreretina ihany koa ary ve zany fa t@ Jesoa maty dia ny fanahiny nandehandeha teny,dia t@ izy nitsangana tamin'ny maty dia ny vatany fotsiny zany iny nakarina nankany an-danitra iny d ahoana ilay fanahy ...?
VALINY
1) Gensesisy 2.7 « Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. »
Ny fitambaran’ny fofon’aina sy vatana no nanome ny olombelona. Raha miala ny iray amin’ireo (vatana na fofon’aina) dia tsy olombelona no ilazana azy fa maty. Rehefa maty ny olombelona dia ny vatana miverina ho vovoka fa ny fofon’aina miverina any @ nanome azy satria an’Andriamanitra ny aina.
Salamo 104 :29 -30 « Alainao indray ny ainy, dia maty izy ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy. Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. »
Ny fanahy masina dia omen’Andriamanitra ho amin’izao tontolo izao ary velona tokoa izy io fa tsy maty.
Hoy Joba 27.3 « Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra –
27.8 Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, [Na: ratsy fanahy.] raha maito ny ainy, Ka [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, sns.] tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? »
Fanazavana : OLOMBELONA = VATANA + AINA + FANAHY
Ny fanahy dia raisin’ny olona ety an-tany ka mitoetra ao anatiny ary io no mampiavaka ny tsirairay.
2) Amin’ny teny malagasy, natambatra ho teny iray hoe « fanahy » ny ‘‘esprit’’ na ‘‘âme’’ na ‘‘souffle de vie’’ ary matoa noraisina ho iray izany dia noheverina fa mifameno sy mifampiditra tokoa ny dikany raha noezahina hadika ny teny vahiny.
âme = centre des qualités intellectuelles et morales de l’homme (donc à l’intérieur et individuelle) => Ny fanahy no maha-olona.
esprit = « fanahy » azo tenenina hoe ety ivelan’ny olona nefa azon’ny olona raisina tsara ary ampidirina ao anaty (oh : Saint esprit, esprit créatif…). Satria misy koa ny fanahy hafa afaka miditra atao hoe fanahy maloto na fanahy ratsy (esprit maléfique).
Sarotra ho antsika olombelona, aleo ataoko hoe izaho, no hanazava @ antsipirihany mikasika ny fanahy satria izy io aza mbola hangatahina any @ Andriamanitra isan’andro mba hitari-dàlana sy hanazava ary hanavao mandrakariva ny finoantsika.
Amin'ny kristiana dia ny fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anaty.
I Petera 4.14 Sambatra hianareo, raha haratsina noho ny anaran'i Kristy; fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
3) Mandra-pihavin’ny ny fotoam-pitsarana izay hiverenan’Andriamanitra (izay tsy misy mahalala ary tsy ho takatry ny sain’olombelona velively – I Korintiana 15 :36-42) dia midina any @ fiainan-tsi-hita ny fanahin’ny olona maty ; tsy misy vatana intsony akory.
Mpitoriteny 9 :9-10 « Miravoravoa amin'ny vady malalanao amin'ny andronao rehetra mandalo foana, izay efa nomeny anao aty ambanin'ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin'ny andro iainanao sy amin'ny fisasarana izay isasaranao aty ambanin'ny masoandro.
Izay rehetra azon'ny tànanao atao dia ataovy amin'ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin'ny fiainan-tsi-hita izay alehanao. »
Apokalypsy 1 :17b-18 (Hoy Jesoa) Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany ; dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. ('Gr, hadesy)
4) I Korintina 15.50 « Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana. »
Tsy hisy fanahy hitady vatana velively, satria efa lo ny vatana (izay no tambin’ny ota) fa Andriamanitra hanome endrika vaovao indray ireo izay maty tao @ Tompo izany hoe nandray an’i Jesoa kristy ho Tompo sy mpamonjy azy tety an-tany. Koa efa voavonjy izy ary hiaraka @ Jesoa kristy @ izay fotoana izay.
Dia aza manontany indray hoe « olona misy tanana sy maso sy vava ve no ataon’Andriamanitra ?» Tsy haiko ary tsy ho hainao ny valin’izany. Na koa, zaho ndray aloha tsy hino raha tsy hitako mihitsy ny zavatra ahazo ahy aorian’ny fahafatesako e ! Dia hoy ny soratra masina amintsika hoe « aza isan’izay tsy mino fa minoa ». Raha mitory ny teny na manoratra an’izao eto aho tsy mitady izay ahavery anao sanatria fa ny ahazoanao mandray an’i Jesoa kristy mpamonjy antsika no tanjoko ary hilaza izany @ hafa koa.
Tadidinao fa rehefa nitsangana t@ maty ny Tompo, na ny mpianany aza tsy nahalala azy. Tsy hohainao ny fisehon’ny endrikao @ izany fotoana izany. Ary izay koa ilay fahafatesana satria maty sy lo ilay vatany @ maha-olombelona azy fa ahazo endrika vaovao izy. Nefa mba hinoantsika fa misy tokoa ny fitsanganana @ maty dia nasehon’i Jesoa ny tenany.
Jaona 20.24 Fa Tomasy, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy, ilay atao hoe Didymo, dia tsy mba teo aminy raha tonga Jesosy.
20.25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy taminy: Raha tsy hitako eo amin'ny tànany ny holatry ny nohomboana, ka ataoko eo amin'ny holatry ny nohomboana ny rantsan-tànako, ary ataoko eo amin'ny lanivoany koa ny tànako, dia tsy mba hino aho.
20.26 Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
20.27 Ary hoy Izy tamin'i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan-tànanao, ka jereo ny tànako; ary atehefo eto koa ny tànanao, ka ataovy amin'ny lanivoako; ary aza ho isan'izay tsy mino, fa minoa.
20.28 Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
20.29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.
5) I Petera 3:18-19 « Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin-Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy, izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-trano-maizina »
Izy ve Jesoa kristy, zanaka lahitokan’Andriamanitra dia hiala aminy ny fanahy masina. Tsy marina velively. Aza ampitoviana aminao olombelona Izy. Andriamanitra dia Ray, Zanaka, ary Fanahy masina. Tsy afa-misaraka na oviana na oviana ireo.
I Tesaloniana 4.13 « Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
4.14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin'i Jesosy ('Na: tamin’ny alalan i Jesosy) hiaraka aminy.
4.15 Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory.
4.16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha;
4.17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.
4.18 Koa dia mifampionòna hianareo amin'izany teny izany. »
Romana 8.10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
8.11 Ary raha ny Fanahin'Izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.
[size=15px]Vakio I Korintiana 5 & Apokalypsy 20 manazava feno ny fahafatesana sy ny fitsanganana ny maty.[/size]
Asa 2.31 koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan'i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lo.
2.32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan'Andriamanitra, ary vavolombelon'izany izahay rehetra.
2.33 Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan'Andriamanitra "Na: ho eo an-tànana ankavanan'Andriamanitra."Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.

répondu par cutie le 17/09/2009 14:16
2. sapele
(
27/08/2009 11:35)
misaotra amin'ny fanazavana be,be kokoa ny momban'ny baiboly sy antony hanarahana dia an'Atra,zavatra tena tokon'ny fantatry ny kristiana rehetra izany ary tokony ho tsapa foana oe mandalo le fiainana eto an-tany. :roll:
3. Zina
(
27/08/2009 19:30)
sapele [ Valio ] 27-08-2009 13:35:48
Lohateny : Re : Ny fahafatesana sy ny fitsanganana...
misaotra amin'ny fanazavana be,be kokoa ny momban'ny baiboly sy antony hanarahana dia an'Atra,zavatra tena tokon'ny fantatry ny kristiana rehetra izany ary tokony ho tsapa foana oe mandalo le fiainana eto an-tany
marina tokoa izany. Mila mianatra ny tenin'Antra isika mba ho akaiky Azy bebekokoa,
4. xxx
(
28/08/2009 07:06)
Vovo tany???etc... ny voalaza ao @ bokin'ny GENeSISY ané rey oul dia mythe avokoa e, hatram toko faha 20.
Nareo ve tsy mahita fa mandroso be ny clonage @ zao fotoana izao mody atao film le izy 'à l'aube du 6eme jour' fa tena realité iny,
Nisy nilaza ve tao @ apôkalipsy fa nofo aman-drà na matoatoa na squelette afreuse fotsiny no hatsangana @ maty. Zaho mino fa nofo aman-drà, fa avy aiza ary ilay nofo , le oul anefa ny sasany efa vovoka ny sasany mbola vao maimbo, ny sasany efa taolana.
Nareo ve mino fa hain' A/tra ny science rehetra, tsy ho foha foha masina izany no nanamboarany ny ol . soyez rationnels. satria raha oe fo fo masina t@ vovoka de nisy ny olombelona dia midika izany fa tena tsy mahay n'inn n'inn Izy.
Ary io création io ee.... tsy 6 jours izany io, izany oe 6x24 h.

5. ni81
(
28/08/2009 07:51)

Moa misy zava-mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va?
6. mion
(
28/08/2009 13:04)
Moa misy zava-mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va?
Io le teny fandemen-tsaina nolovaina t@ misionera, marina fa ao anaty Baiboly io , fa ny ilazako azy dia hanaovana blocage izay mety ho fanontaniana maniktikitika rehetra.
I Elia niakatra velona tany an-danitra nentin'ny kalesy mirehitra afo ohatra , zany ve aminao de mitombina oe kalesy hazo efa mirehitra afo dia mbola ho tafahoatra ny rahona?
Za tsy mino oe tena kalesy le izy, fa kalesy ny fahitan'ny mpanoratra azy @ izany andro zany satria zay tokoa no takatry ny sainy. fa mety tsy kalesy mintsy zany.
Diniho oe mandeha eny @ sommet Hymalaya aza ny olombelona mila tsy ho afaka miaina refa eny ka mainka fa hiditra ny atmosphere, en plus i Elie lahiantitra mangozohozo no hananika altitude. Mba logique fa tsy mihinana am-bolony izay voalaza ao @ Baiboly, t@ andro fahagola io no nosoratana ary t@ zany tena badolahy ny oul.
Izany no antony nanasivana ny fandalinanana Baiboly, mba tsy ho very@ fanatisme
7. ni81
(
28/08/2009 13:25)
Io le teny fandemen-tsaina nolovaina t@ misionera, marina fa ao anaty Baiboly io , fa ny ilazako azy dia hanaovana blocage izay mety ho fanontaniana maniktikitika rehetra.zahay aloha tsy mbola malemy hatr@ zao e! :) Fantatro izay inoako.
8. rzakarivola
(
28/08/2009 15:14)
mion:
Mba logique fa tsy mihinana am-bolony izay voalaza ao @ Baiboly, t@ andro fahagola io no nosoratana ary t@ zany tena badolahy ny oul.
==> Toa vao maika badolahy kokoa ny oul @izao noho ny taloha koooo.
\"Satria ny fiandoham-pahalalana dia ny fatahorana an\'i Jehovah\". Ny oul taloha natahotra an\' Andriamanitra kokoa, fa ny ankehitriny miteny ratsy an\' Andriamanitra ... ka tsy miandoha @ fahalalana akory izany (raha ny Baiboly no ekena fa marina).
Ilay resaka Elia nampiakarina t@ kalesy afo tany an-danitra : raha hain\'olombelona atao @ dessins animés izany, nahoana no tsy ho hain\' Andriamanitra atao @ izay noforoniNy à son image ?
Ny blocage @ fanontaniana manitikitika dia ny avonavom-pon\'ny olona tsy manontany ilay Mpamorona fa miezaka ny hamantatra @ alalan\'ny sainy manokana.
anontaniako zavatra ianao : misy \"ions de silicium\" anakifiry ao anaty émeraude 148 carats?
9. ni81
(
28/08/2009 15:37)
Toa vao maika badolahy kokoa ny oul @izao noho ny taloha koooo. :lol: :lol:
10. ni81
(
28/08/2009 15:38)
Toa vao maika badolahy kokoa ny oul @izao noho ny taloha koooo.:lol: :lol:
11. ikaretsaka
(
28/08/2009 15:46)
Nga hono tsy matahotra an jehovah tsony ny ol @zao?
Mety le "tahotra" no samy hafa ko
Mety le "tahotra" no samy hafa ko
12. Veloo
(
29/08/2009 04:09)
oy i rzakarivola:
dia novalian'i ika
marina ny an'i Ika
ny dikan'ny tahotra eto dia respect, praise an'Andriamanitra.
ny tahotra dia avy any @ devoly fa tsy avy any @ Andriamanitra akory
"Satria ny fiandoham-pahalalana dia ny fatahorana an'i Jehovah". Ny oul taloha natahotra an' Andriamanitra kokoa, fa ny ankehitriny miteny ratsy an' Andriamanitra ... ka tsy miandoha @ fahalalana akory izany (raha ny Baiboly no ekena fa marina).
dia novalian'i ika
ikaretsaka [ Valio ] 28-08-2009 17:46:46
Lohateny : Re : Ny fahafatesana sy ny fitsanganana...
Nga hono tsy matahotra an jehovah tsony ny ol @zao?
Mety le "tahotra" no samy hafa ko
marina ny an'i Ika
ny dikan'ny tahotra eto dia respect, praise an'Andriamanitra.
ny tahotra dia avy any @ devoly fa tsy avy any @ Andriamanitra akory
13. simplex
(
29/08/2009 12:50)
Tsy izany fa A/tra taloha masiaka sy ratsy fanah be :roll:
jereo tsara le @ testamenta taloha ireny fa ra vao misy manao kozy voretra dia tonga dia lakoiny avy hatrany :)
nisy ny hoe tondra-drano ee, ireo famaizana bedabe nataony t@ Ejypsiana, sns tsy voatanisa...
Fa @ izao izy mba cool kokoa.
ze ditraditra atao rehetra rehefa mibebaka dia efa ok ok ozy.
Kozy na averina 100% aza ny sodoma sy gomora poinsa mbola tsy koi ihany ozy ra mifona lisany :P
Ny zavatra lehibe indrindra nataon'A/tra angamba dia izay fiovana ho cool izay. Ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe, tsy hoe asiana laharana an, fa i Jesoa izany no bandy milay any andanitra any, comparE @ A/tra rainy :)
Ny olana kely fotsiny dia i A/tra no tena sefo ka aleo tsy manao fokasy be loatra sao tsy ho voatan'i jesoa ao tsony lery. Ny global warming sy ny tsunami zao dia efa signe kely hoe manomboka mitady hiverina ny toetra natoraly an'i A/tra...
tena kozy ee, ra izao no mitohy tena poinsa hitranga ny operation armagedon, handefa comety hanapotika ny tany izy...
soa ihany fa mety mbola mandaitra le fika taloha hoe raha misy olona 10 marina eto ambonin'ny tany dia ho simbainao ve ny tany?
>> tsia, tsy ho simbaiko ny tany
Ny fika izany dia mila mianatra mi-negocier tsara isika, dia mety hiety ny hoe ra misy ol 2 marina eto dia aza sombaina ny tany...
... mitady candidat anaki-2 fotsiny sisa... raha misy olona 2 nanao nauffrage tany @ nosy virjiny izao no tonga dia poinsa olo-marina... satria tsisy occasion hanotana intsony... sa ahoana? :P
:arrow: ka iza no vonona hanao nauffrage hiaraka amiko :)
aza menamenatra fa mission famonjena ny tany no atao :P
;-)
14. fahamarinana
(
29/08/2009 13:03)
:arrow: simpl : :-D :-D :-D ! mahatapa-tsinay andro asabotsy kle ! :-P (l)
15. ni81
(
29/08/2009 13:58)
Tsy izany fa A/tra taloha masiaka sy ratsy fanah be=)) =))
jereo tsara le @ testamenta taloha ireny fa ra vao misy manao kozy voretra dia tonga dia lakoiny avy hatrany
nisy ny hoe tondra-drano ee, ireo famaizana bedabe nataony t@ Ejypsiana, sns tsy voatanisa...
Fa @ izao izy mba cool kokoa.
ze ditraditra atao rehetra rehefa mibebaka dia efa ok ok ozy.
Kozy na averina 100% aza ny sodoma sy gomora poinsa mbola tsy koi ihany ozy ra mifona lisany
Ny zavatra lehibe indrindra nataon'A/tra angamba dia izay fiovana ho cool izay. Ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe, tsy hoe asiana laharana an, fa i Jesoa izany no bandy milay any andanitra any, comparE @ A/tra rainy
Ny olana kely fotsiny dia i A/tra no tena sefo ka aleo tsy manao fokasy be loatra sao tsy ho voatan'i jesoa ao tsony lery. Ny global warming sy ny tsunami zao dia efa signe kely hoe manomboka mitady hiverina ny toetra natoraly an'i A/tra...
tena kozy ee, ra izao no mitohy tena poinsa hitranga ny operation armagedon, handefa comety hanapotika ny tany izy...
soa ihany fa mety mbola mandaitra le fika taloha hoe raha misy olona 10 marina eto ambonin'ny tany dia ho simbainao ve ny tany?
>> tsia, tsy ho simbaiko ny tany
Ny fika izany dia mila mianatra mi-negocier tsara isika, dia mety hiety ny hoe ra misy ol 2 marina eto dia aza sombaina ny tany...
... mitady candidat anaki-2 fotsiny sisa... raha misy olona 2 nanao nauffrage tany @ nosy virjiny izao no tonga dia poinsa olo-marina... satria tsisy occasion hanotana intsony... sa ahoana?
ka iza no vonona hanao nauffrage hiaraka amiko
aza menamenatra fa mission famonjena ny tany no atao
16. cutie
(
29/08/2009 14:20)
. Mpandefa : Zina [ Valio ] 27-08-2009 21:30:15
Lohateny : Re : Ny fahafatesana sy ny fitsanganana...
Voalaza teo :
sapele [ Valio ] 27-08-2009 13:35:48
Lohateny : Re : Ny fahafatesana sy ny fitsanganana...
misaotra amin'ny fanazavana be,be kokoa ny momban'ny baiboly sy antony hanarahana dia an'Atra,zavatra tena tokon'ny fantatry ny kristiana rehetra izany ary tokony ho tsapa foana oe mandalo le fiainana eto an-tany
marina tokoa izany. Mila mianatra ny tenin'Antra isika mba ho akaiky Azy bebekokoa,
tena marina mitsy zany ka :wink:
17. niryna
(
29/08/2009 16:37)
xxx:raha tsy mino ny teny izay voasoratra ao anatin'ny baiboly isika fa izay lazaintsika fa marina ihany no marina ary izay tsy mifanaraka ny rafitry ny fiangonantsika dia ho lazaintsika ho diso avokoa dia mety ho mitombona ny teninao hoe myth ilay izy rehefa izay no nampianarina anao.
Vovo tany???etc... ny voalaza ao @ bokin'ny GENeSISY ané rey oul dia mythe avokoa e, hatram toko faha 20.
Dia iverina any amin'ny voalohany indray izany isika Misia ny mazava dia nisy ny mazava ... ary nanao asa mahagaga sady tsara avokoa Atra ary tafiditra amin'izany ny fanamboarana ny olona .Taiza no nanahalana izany?
misy miteny foana io hoe vovoka no niaviantsika ary hody vovoka koa isika
ka rehefa kelikely dia mbola iverina daholo ireny sampontsampona ireny e,izany akory tsy midika fa hoe tsy vovoka no nanamboaran'Atra ny zanak'olona voalohany. Jereo ao amin'ny Gen ..ny niandohan'izao tontolo izao,raha tsy mino moa amin'ny fomba ahoana tokoa no ahafahana hino izay voalaza ao ?
Nareo ve tsy mahita fa mandroso be ny clonage @ zao fotoana izao mody atao film le izy 'à l'aube du 6eme jour' fa tena realité iny,
ny maty izay mino an'i kristy no antsangana voalohany ary avy eo ireo izay velona ka mino azy dia hiova ny fitafiny ao anatin'ny fraction de seconde ,jereo ny apok fa misy an'izany sa hitsimpinako i xxx :D
Nisy nilaza ve tao @ apôkalipsy fa nofo aman-drà na matoatoa na squelette afreuse fotsiny no hatsangana @ maty. Zaho mino fa nofo aman-drà, fa avy aiza ary ilay nofo , le oul anefa ny sasany efa vovoka ny sasany mbola vao maimbo, ny sasany efa taolana.
ny finoana an'Atra dia tsy ny fitenana azy hoe tsy mahay izy na hoe fa maninona raha misy Atra dia nasiany devoly sy ny hoe raha tsara izao Atra izao maninona no ampijaliana ny olona ..... ny fihevitro tsy mba fihevitrareo ary ny fisainako tsy mba fisainanareo .Tsara ny mandalina ary finoana io ka na ny scientista aza tsy afaka anazava hoe misy ny rivotra , asehoy anay hoe ny rivotra ,ny rano ? na izy solide ,na izy liquide na izy gazeus kanefa iray ihany toy izany koa ny Ray ,ny Zanaka ary ny Fanahy masina izay maro no tsy mino sy ireo izay tsy mino an'Atra
Nareo ve mino fa hain' A/tra ny science rehetra, tsy ho foha foha masina izany no nanamboarany ny ol . soyez rationnels. satria raha oe fo fo masina t@ vovoka de nisy ny olombelona dia midika izany fa tena tsy mahay n'inn n'inn Izy.
tsy aiko indray ny tian'i xxx lazaina ,ireo no mba hevitro ka avereno aty raha tsy mahasoa an'i xxx .
Ary io création io ee.... tsy 6 jours izany io, izany oe 6x24 h.
Zahao fa tsy lavitra antsika Atra ,isika nomeny tombon'andro iray androany dia fisaorana lehibe ho Azy izany
18. rzakarivola
(
31/08/2009 12:14)
Veloo:
Nga hono tsy matahotra an jehovah tsony ny ol @zao?
Mety le "tahotra" no samy hafa ko
marina ny an'i Ika
ny dikan'ny tahotra eto dia respect, praise an'Andriamanitra.
ny tahotra dia avy any @ devoly fa tsy avy any @ Andriamanitra akory
==> Ka ny Baiboly milaza hoe "tahotra" (crainte, fear), tsy mbola nahitako mihitsy baiboly milaza hoe "respect of YAHVEH is the beginning of knowledge" ... Ampiasaina mihitsy imbetsaka ny teny hoe "respect" ao @ Baiboly, saingy eo @ io dia tahotra mihitsy no lazainy. I Md. Paoly koa rehefa mananatra ny kristiana mba hanaiky (soumettre) ny lehibeny, dia manao hoe "@ tahotra sy ny hovitra". Ka ny mpandika ve no diso ? Sa ny Baiboly no diso ?
19. rzakarivola
(
31/08/2009 12:40)
simplex:
Tsy izany fa A/tra taloha masiaka sy ratsy fanah be :roll:
jereo tsara le @ testamenta taloha ireny fa ra vao misy manao kozy voretra dia tonga dia lakoiny avy hatrany :)
==> Rehefa milako ve dia midika foana hoe ratsy fanahy ? Ary ahoana ny hoe "ny zanaka tiana tsy itsitsiana tsora-kazo" ?
simplex:
Fa @ izao izy mba cool kokoa.
ze ditraditra atao rehetra rehefa mibebaka dia efa ok ok ozy.
==> Toa efa hita tao @ Testamenta taloha izany ka. Izay ndrindra le resaka tatsy hoe : omeko 120 taona ny oul hibebaka, fa raha tsy mibebaka anatin' zay dia ho avy ny safo-drano. D toy izany koa ny lozan'i Egypte, niteny foana aloha Andriamanitra hoe "avotsory ny zanako, fa raha tsy izany dia ...". Dia mbola toy izany mandraka ankehitriny, manome fotoana Andriamanitra hibebahan'ny olona.
simplex:
Kozy na averina 100% aza ny sodoma sy gomora poinsa mbola tsy koi ihany ozy ra mifona lisany :P
==> Toa efa miverina izany koa, efa tonga eto Madagasikara, ary mety tsy ho 100% intsony fa mihoatra ? Na izany aza, mety ho marina ihany ny teninao, fa ity koa misy tenin'i Jesoa mila tsakotsakoina :
"Si, dans une maison ou dans une ville, on ne veut pas vous recevoir, ni écouter vos paroles, quittez la maison ou la ville en secouant la poussière de vos piedss. Pour signifier qu'ils ne voulaient plus rien avoir de commun avec cette ville.
Vraiment, je vous l'assure : au jour du jugement, les villes de Sodome et de Gomorrhet seront traitées avec moins de rigueur que les habitants de ces lieux-là." [Mat. 10:14-15]
simplex:
Ny zavatra lehibe indrindra nataon'A/tra angamba dia izay fiovana ho cool izay.
==> Andriamanitra no niova sa ny fahitantsika Azy? Ity no voasoratra "Izao dia tsy miova, omaly sy anio ary ho mandrakizay"
simplex:
Ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe, tsy hoe asiana laharana an, fa i Jesoa izany no bandy milay any andanitra any, comparE @ A/tra rainy :)
==> Tsy azoko ity, Andriamanitra Ray ve comparena @ Jesoa d hoe i Jesoa no milay ? Inn le milay ?
simplex:
Ny olana kely fotsiny dia i A/tra no tena sefo ka aleo tsy manao fokasy be loatra sao tsy ho voatan'i jesoa ao tsony lery.
==> Tant que voatanan'i Jesoa izany dia mbola tsy olana ? Inona ary no fokasy mety hahatonga ny hoe tsy voatanan'i Jesoa ny fahatezeran' Andriamanitra araka ny finoan'i simplex?
simplex:
soa ihany fa mety mbola mandaitra le fika taloha hoe raha misy olona 10 marina eto ambonin'ny tany dia ho simbainao ve ny tany?
>> tsia, tsy ho simbaiko ny tany
==> Ie, mety mbola hety iny, fa enga anie ka tsy ilay fika taloha iny no mbola hiverina : tsy nahitana olona 5 marina akory, ka izy 4-mianaka irery no avotra fa ringana ihany ny tanàna, ilay iray fahefatra aza tafita vao rendrika ... satria niraiki-po t@ izay efa ho levona.
simplex:
Ny fika izany dia mila mianatra mi-negocier tsara isika, dia mety hiety ny hoe ra misy ol 2 marina eto dia aza sombaina ny tany...
... mitady candidat anaki-2 fotsiny sisa... raha misy olona 2 nanao nauffrage tany @ nosy virjiny izao no tonga dia poinsa olo-marina... satria tsisy occasion hanotana intsony... sa ahoana? :P
:arrow: ka iza no vonona hanao nauffrage hiaraka amiko :)
aza menamenatra fa mission famonjena ny tany no atao :P
;-)
==> Raha eto an-tany ilay nosy virjiny lazain'i simplex dia tsy misy, raha ny Baiboly no jerena, satria voalaza fa : "noho ny fahotan'i Adama dia voaozona ny tany", ary koa "loza kosa ho an'ny tany sy ny mponina ao aminy, fa nazera any @nareo ny devoly ary tezitra izy". Fa rehefa dinihina ity tenin'i simplex farany ity dia toa tsy maintsy ho simba ny tany, tahaka le tany Sodoma e! Satria "tsy misy marina na iray aza, ...", fa i Jesoa irery ihany no olona marina. Dia Jesoa sy ny tenany ihany izany no afaka.
20. rzakarivola
(
31/08/2009 12:55)
Niryna, mamelà ahy hamintina ilay hafatra nalefanao (26) io, ka raha misy tsy mety dia angatahiko ianao hanitsy sy hanazava.
1- Myth ny Baiboly ho an'izay olona notezaina tsy hino azy Fa afaka miverina @ izay voalohany nampianarina azy ny olona ary mandinika @ fo tsy misy fiangarana ?
2- Raha misy ny clonage, tsy midika velively izany fa diso ny fanambaran'ny Baiboly ny famoronan' Andriamanitra izao tontolo izao. Fa rehefa ny olona no tsy mino, dia toheriny izay voalaza.
3- Ny nofo dia fitafian'ny fanahy, ary voasoratra ao @ Baiboly fa hahazo fitafiana vaovao (fa tsy ilay efa lasa vovoka) ireo izay natsangana.
4- Ny fihevitr' Andriamanitra tsy fihevitr'olombelona. Fihevitr'olombelona ny sciences, kanefa na ireny aza tsy mahavaly zavatra maro be : ny 3 états d'une matière : solide, liquide, gazeux ohatra, izay afaka anoharana tsara ny @ Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina (Sahirana aho teto fa mba asiako fanoharana kely).
Ny olona izao efa elaela no nanao recherche momba ny commande vocale. Hain' Andriamanitra koa izany hatrany am-boalohany