Ny fahafatesana sy ny fitsanganana...

61. cutie ( 11/09/2009 21:29)
hihihihi ka zay anie ny ilaina manao etude biblique...
za taloha tena tsy mba nahay mihitsy ary la plupart du temps raisiko a la lettre daholo ny rehetra misy ny sasany tena ara-bakiteny fa misy ny sasany tsia...Mila finiavana aloha raha tena liana e...indrindra fa eo manaiky an'i Jesosy ao am-po dia am-pitiavana tokoa ny hanaovana ny rehetra ary mahafinaritra ery ny mba mizara izay fantatra avy eo essayeo anie eee....
zay aky fa mahareza...

ilay fitsimponana lazaina eto dia tsy maintsy mitsimpona versets be dia be izay no hilaina ny Bible Concordance mba hanazava ny rehetra bebekokoa

sa ahona ry nyrina?????

efa saika nanao etude bibilque niaraka t@ ld sy ny namany fa kamo ndray za sady tsy mbola nazoto t@ zay :wink:
62. soanja ( 12/09/2009 00:19)
cutie:

zay no tena manahirana @ le famakiana baiboly, bdb ny zavatra tsy tena azo ao, fa @ manaraka refa mitsimpona nareo de tokony mba asiana fanazavana miaraka @ le tsimpona e :)

Raha lafatra mantsy ilay izy dia tonga dia azo avokoa. Saingy nasarotina avy eo amin'izay lazaina hoe araho/ fantaro ny tiako ambara eto dia izay tsy manaraka / tsy mahazo tonga de aringana. Mahavariana tokoa ny izany....

63. fidinirina ( 12/09/2009 09:11)
soanja:
Raha lafatra mantsy ilay izy dia tonga dia azo avokoa. Saingy nasarotina avy eo amin'izay lazaina hoe araho/ fantaro ny tiako ambara eto dia izay tsy manaraka / tsy mahazo tonga de aringana. Mahavariana tokoa ny izany....

Tsy marina. Lafatra sady feno tokoa ny Baiboly : nadika t@ fomba fiteny tsotra sns.
Tsotra ny famakiana baiboly ary raha misy tsy azo dia izany no mahatonga antsika hangataka ny fanahy masina hanazava sy hitari-dàlana @ teny ho vakiana na hazavaina.
Ny olana @tsika dia tsy ny baiboly no sarotra fa ny mandà ny tenantsika no tsy vitantsika. Mihevitra fa manam-pahaizana sy manam-pahalalàna ka ity teny ity azoko ekena, ity tsy ilaiko ary itsy laviko ankitsi-rano.
I Timoty 4.4-5 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.

64. ikaretsaka ( 12/09/2009 18:33)
Fidy>tsy Atra ange no nanao ny baiboly e.. ianao ihany no nilaza fa boky maromaro nattambatra no atao hoe baiboly..tsy nidina mihitsy andriamanitra ka nanambatra: olona no nanao izany!
65. fidinirina ( 14/09/2009 11:13)
TSIA ry ika. Tenin'Andriamanitra ny baiboly. Fitaovana fotsiny ny mpaminany sy ny mpanjaka ary ny Apostoly hanoratra ny boky sy hanambatra izany.
Tsy tadidinao ny tantaran'i Mosesy : Andriamanitra mihitsy anie no nanoratra ny didy folo t@ takela-bato ho an'ny zanak'Israely e !

Tsy nidina Andriamanitra hoy ianao : fa iza Jesoa kristy ? Andriamanitra zanaka

Ny baiboly no entin'Andriamanitra miresaka @ olombelona ary ny vavaka sy ny fiderana no hamaliantsika Azy.

66. ikaretsaka ( 14/09/2009 15:36)
Mirakitra ny tenin'atra ny baiboly ok..fa tsy hoe io aby ny tenin'Atra...
Ohatran'ny eau vive sy ny source andranovelona. (Na visy gasy sy andranovisy..ho anay avy any Bira)
Tsy eau vive 1 tavoahangy na visy gasy 1 tavoahangy no mahafehy ny loharano nantsaka azy
->tsy ary ho voasoratra aby ny tenin'Atra
67. soanja ( 14/09/2009 15:47)
fidinirina:

soanja:
Raha lafatra mantsy ilay izy dia tonga dia azo avokoa. Saingy nasarotina avy eo amin'izay lazaina hoe araho/ fantaro ny tiako ambara eto dia izay tsy manaraka / tsy mahazo tonga de aringana. Mahavariana tokoa ny izany....

Tsy marina. Lafatra sady feno tokoa ny Baiboly : nadika t@ fomba fiteny tsotra sns.
Tsotra ny famakiana baiboly ary raha misy tsy azo dia izany no mahatonga antsika hangataka ny fanahy masina hanazava sy hitari-dàlana @ teny ho vakiana na hazavaina.
Ny olana @tsika dia tsy ny baiboly no sarotra fa ny mandà ny tenantsika no tsy vitantsika. Mihevitra fa manam-pahaizana sy manam-pahalalàna ka ity teny ity azoko ekena, ity tsy ilaiko ary itsy laviko ankitsi-rano.
I Timoty 4.4-5 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany.

Ny zavatra mety tsy azon'i Fidinirina dia ny zavatra tsy lafatra akory dia midika hoe ratsy. Ny zavatra tsy lafatra dia mety tsara ihany fa tsy mahafeno ny rehetra izay takiana aminy.

Amin'ny Fidinirina izao dia omehy ahy ao anaty baiboly anie hoe iza no vadin'i Kaina? Nefa raha mandinika isika dia tokony ho goavana ny hahazahoana io valiny io.

Be mihoatra ny tsy tenin'Andriamanitra ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny baiboly noho izany dia boky tsara tokoa hanamafisana ny finoana izy ary isan'ny boky tokony hananan'ny tsirairay isam-batan'olona. Fa hoe io ihany ny ve no boky tokony ho vakiana sy hinoana dia hoy aho hoe diso be izay fiheverana izay raha ny amiko satria betsaka koa ny boky mirakitra ny tenin'Andriamanitra ankoatran'ny baiboly ary ilaina vakiana daholo koa ireny mba hamenoana izay tsy feno raketin'i baiboly.

68. fidinirina ( 15/09/2009 08:03)

Tsy miombon-kevitra aminao kosa mikasika an’izany.
Fa mitondra inona ho amin’ny finoanao an’Andriamanitra sy Jesosy kristy ny fahalalàna ny vadin’i Kaina. Ary indrindra ho an’ireo izay mitady ny nihavian’ny devoly sy asa ratsiny. Zany ve no tokony ahasarika kokoa sa ny fampianarin’i Jesoa kristy nasainy hotandrovantsika ?
Izany anie no mahatonga, ohatra fotsiny hoe, tsy nanoratana ny fahazazan’i Jesoa Kristy tao anaty baiboly e ! Moa heverinao fa tsy ho maro be ny hanao hitsikera hoe : aiza koa no hisy Andriamanitra hilalao baolina ohatra.
Koa noho izany ny baiboly dia natao hampiorina ny finoana ary manoro ny làlam-pamonjena.
Ahoana moa no lazaina fa ny lafatra mbola hisy pentina ihany ? Izay no mahatonga ny andinin-tsoratra masina hiteny hoe : Marina io raha raisinao @ fisaorana sy ny fanetren-tena e !

Tandremo ity ry [soanja]
Apokalypsy 1.3 Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro.

Apokalypsy 22.18 (Hoy jesoa) Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin'ity boky ity ho azy;
22.19 ary raha misy manaisotra amin'ny teny amin'ny bokin'ity faminaniana ity, dia hesorin'Andriamanitra ny anjarany amin'ny hazon'aina sy amin'ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin'ity boky ity.

22.20 Hoy izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!
69. soanja ( 15/09/2009 12:36)
fidinirina:

soanja:
Ny zavatra mety tsy azon'i Fidinirina dia ny zavatra tsy lafatra akory dia midika hoe ratsy. Ny zavatra tsy lafatra dia mety tsara ihany fa tsy mahafeno ny rehetra izay takiana aminy.

Amin'ny Fidinirina izao dia omehy ahy ao anaty baiboly anie hoe iza no vadin'i Kaina? Nefa raha mandinika isika dia tokony ho goavana ny hahazahoana io valiny io.

Be mihoatra ny tsy tenin'Andriamanitra ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny baiboly noho izany dia boky tsara tokoa hanamafisana ny finoana izy ary isan'ny boky tokony hananan'ny tsirairay isam-batan'olona. Fa hoe io ihany ny ve no boky tokony ho vakiana sy hinoana dia hoy aho hoe diso be izay fiheverana izay raha ny amiko satria betsaka koa ny boky mirakitra ny tenin'Andriamanitra ankoatran'ny baiboly ary ilaina vakiana daholo koa ireny mba hamenoana izay tsy feno raketin'i baiboly.

Tsy miombon-kevitra aminao kosa mikasika an’izany.
Fa mitondra inona ho amin’ny finoanao an’Andriamanitra sy Jesosy kristy ny fahalalàna ny vadin’i Kaina. Ary indrindra ho an’ireo izay mitady ny nihavian’ny devoly sy asa ratsiny. Zany ve no tokony ahasarika kokoa sa ny fampianarin’i Jesoa kristy nasainy hotandrovantsika ?
Izany anie no mahatonga, ohatra fotsiny hoe, tsy nanoratana ny fahazazan’i Jesoa Kristy tao anaty baiboly e ! Moa heverinao fa tsy ho maro be ny hanao hitsikera hoe : aiza koa no hisy Andriamanitra hilalao baolina ohatra.
Koa noho izany ny baiboly dia natao hampiorina ny finoana ary manoro ny làlam-pamonjena.
Ahoana moa no lazaina fa ny lafatra mbola hisy pentina ihany ? Izay no mahatonga ny andinin-tsoratra masina hiteny hoe : Marina io raha raisinao @ fisaorana sy ny fanetren-tena e !

Mitondra fahalalana be dia be tokoa ny hanomezan'i baiboly ny valiny mazava tsy hitondra amin'ny aizina ny fanontaniana manitikitika ny olona. indrindra ka misy fifandraisany amin'ny fahalalana efa nomeny ny zavatra tiana ho fantatra.

Mitondra inona tokoa amin'olombelona moa ny voasoratra ohatra ao amin'ny baiboly fa
-Maloto ny vehivavy misy fadimbolana
-Ny famonoana isankarazany ny ankizy sy ny tsy manan-tsiny noho ny firazanana sy ny tsy fitoviana ara-pinoana sns sns
- Ny fandaingana isankarazany natao tamin'izany fotoana izany

Mampianatra inona daholo izany??? nefa dia ao tsara tokoa!

Ka izay Jesoa nilalao baollina ve no olana. Hoy aho hoe aleoko aza mamaky ny kilalao nataon'i Jesoa sy ny zavatra nandalovany teo amin'ny fahatanorany mba ahafahantsika: ankizy sy tanora ny mahalala modely tsara indrindra, indrindra ka raha io boky io no ifikirana sy tompoina toy izao.

Aoka hijanona ny resaka Rafidy fa tsy mankaiza mihitsy... Izay toko sy andininy tsy mifanaraka amin'ny hetahetan'ny fanahiko dia toy ny rano alatsaka andamosin'ny gana tompoko. Tsy inona fa taimboraka eo anatrehako. Ianareo no mitandrema raha azonareo atao satria lany fotoana misaina zavatra tsy ilainareo akory. Mbola be lavitra no ho ireo kitsimpona tsy misy ilavana azy ireo ny hafaliana ao ampo sy fitiavana tokony atoraka any amin'ny hafa. Raiso ho andraikitra ny mampita izay fitiavan'Andriamanitra tsapanao izay ho an'ny hafa raha hitanao fa mety , raha tsia moa dia aoka samy ho tahian'Andriamanitra daholo.

:-* :-* :-*
70. fidinirina ( 16/09/2009 08:03)
soanja:
Mitondra fahalalana be dia be tokoa ny hanomezan'i baiboly ny valiny mazava tsy hitondra amin'ny aizina ny fanontaniana manitikitika ny olona. indrindra ka misy fifandraisany amin'ny fahalalana efa nomeny ny zavatra tiana ho fantatra.

Mitondra inona tokoa amin'olombelona moa ny voasoratra ohatra ao amin'ny baiboly fa
-Maloto ny vehivavy misy fadimbolana
-Ny famonoana isankarazany ny ankizy sy ny tsy manan-tsiny noho ny firazanana sy ny tsy fitoviana ara-pinoana sns sns
- Ny fandaingana isankarazany natao tamin'izany fotoana izany

Mampianatra inona daholo izany??? nefa dia ao tsara tokoa!

Ka mazava anie izany ry [soanja] e! aza mitady zavatra hafa izay tsy voasoratra ao anatin'io Baiboly io. Tsy nosoratany ny vadin'i Kaina dia aza mitady ; na manampy @ boky hafa. Nosoratany fa nisy famonoana dia izay izany no nisy ka ekena... Ary tsy misy Andriamanitra adala ka nanao izany fa nisy antony avokoa ny zavatra rehetra.
Tadidio fa betsaka ary efa voasoratra koa, ny mpaminany sandoka ankehitriny ka ndrao mahita fampianarana hafa ianao; mety ahasarika tokoa nefa mitondra ho any @ fahaverezana sanatria. Diniho tsara...
71. ikaretsaka ( 16/09/2009 15:06)
tsy mety raha ao fotsiny...
tsy hoe tsy voasoratra dia tsy ilaina sy tadiavina...
maninona no tsy voasoratra ao ny pataloha nefa ianao mipataloha?
72. soanja ( 16/09/2009 19:04)
fidinirina:

soanja:
Mitondra fahalalana be dia be tokoa ny hanomezan'i baiboly ny valiny mazava tsy hitondra amin'ny aizina ny fanontaniana manitikitika ny olona. indrindra ka misy fifandraisany amin'ny fahalalana efa nomeny ny zavatra tiana ho fantatra.

Mitondra inona tokoa amin'olombelona moa ny voasoratra ohatra ao amin'ny baiboly fa
-Maloto ny vehivavy misy fadimbolana
-Ny famonoana isankarazany ny ankizy sy ny tsy manan-tsiny noho ny firazanana sy ny tsy fitoviana ara-pinoana sns sns
- Ny fandaingana isankarazany natao tamin'izany fotoana izany

Mampianatra inona daholo izany??? nefa dia ao tsara tokoa!

Ka mazava anie izany ry [soanja] e! aza mitady zavatra hafa izay tsy voasoratra ao anatin'io Baiboly io. Tsy nosoratany ny vadin'i Kaina dia aza mitady ; na manampy @ boky hafa. Nosoratany fa nisy famonoana dia izay izany no nisy ka ekena... Ary tsy misy Andriamanitra adala ka nanao izany fa nisy antony avokoa ny zavatra rehetra.

Izay no ataoko hoe lavazy de servo hoa ny anareo. Matoa hanontaniana dia satria nanitikitika. Matoa nanitikitika dia mitaky izany ny resaka ao. Raha tsy mahavaly azy ny ao dia TSY LAFATRA. Indry koa raha tsy mahavaly azy dia TSY LAFATRA.
Fa tsy izay ao ekena dia efa hiteny aza hoe vonoy daholo ny havanareo fa I Jehovah hanavotra anareo.

Matoa nisy nanoratra ny hoe Mpaminany sandoka tao dia satria ao raha. Io Boky io hoy aho tsy nilatsaka avy any an-danitra fa nisy nanamboatra sy nisaina azy tsara. Tao ny fifandirana sns ary tao ny nanampy, tao ny nanova ny resaka ho zavatra hafa .....

73. fidinirina ( 17/09/2009 09:21)
ikaretsaka:
tsy mety raha ao fotsiny...
tsy hoe tsy voasoratra dia tsy ilaina sy tadiavina...

Iza no nampianatra anao an'izany ?

ikaretsaka:
maninona no tsy voasoratra ao ny pataloha nefa ianao mipataloha?

Fanontaniana mandray an-tendrony kosa ity !
Koa maninona koa Jesoa no tsy nitaingana fiara-manidina sy nilalao ordi.
Satria tsy nisy t@ andro nidinany tety an-tany ilay izy.

soanja:
Izay no ataoko hoe lavazy de servo hoa ny anareo. Matoa hanontaniana dia satria nanitikitika.

Ekeko tanteraka fa manadio antsika ny tenin'Andriamanitra manala izay fomba fisainana noraisina teto @ izao tontolo izao ka heverina fa ho izy nefa lainga. Tena tsara tokoa ny liana @ zavatra iray fa apetraho aloha ny fanontaniana inona no tombontsoa azo avy @ izany @ fampiharana ny finoana an'i Jesoa Kristy eo @ fiainana ?

Inona no andalinantsika ny ratsy hahavery antsika nefa ny fahamarinana eo lavintsika ? Hoy ny voasoratra "Amidio ny fananao rehetra ahazoanao fahalàlana tsara" ary iza moa no tsara : Jesoa Kristy irery. (Moa tsara ve ny nataon'i Kaina)

Marihiko fa izany no tsy mba hanoratako ny tantaran'i Petera na Paoly na Jaona satria vavolombelona nanambara an'i Jesoa fotsiny ireny. Ny ahy dia Jesoa Kristy irery ihany no toriako. Ireny olona ireny nanambara Azy mitovy @ ny asa ataoko.

soanja:
Fa tsy izay ao ekena dia efa hiteny aza hoe vonoy daholo ny havanareo fa I Jehovah hanavotra anareo.

Aiza ao @ baiboly no misy an'io.

soanja:
Io Boky io hoy aho tsy nilatsaka avy any an-danitra fa nisy nanamboatra sy nisaina azy tsara.

Io boky io dia nilatsaka avy an-danitra, avy t@ Andriamanitra ka nomeny ny olona (mpaminany, mpanjaka, mpiandry ondry, mpanarato...) ho soratany. Tenin'Andriamanitra io ary hifampiresahany amintsika.
Satria ve tsy hitanao maso ny tànan'Andriamanitra nanoratra an'io dia tsy afaka ny hanaiky ianao. Ary mba azonao hazavaina ve ny @ didy folo izay nosoratan'Andriamanitra mivantana tany an-tendrombohitra ka nomeny an'i Mosesy ho an'ny zanak'Israely. Ary koa Jesoa kristy sy ny asany izay teny (tenin'Andriamanitra) tonga nofo ka nonina tamintsika. Tsy tenin'Andriamanitra avokoa ve ireny ? Tsy nilatsaka avy any @ Andriamanitra ve ireny ?
Fa hatraiza moa ny fahalàlantsika ny soratra masina sy ny hevitr'Andriamanitra ka isika no ndeha hanampy na hanaisotra izay voasoratra? Efa voavakintsika impiry ny Baiboly sa efa nanaraka fianarana antsipirihany ny soratra masina avokoa va isika rehetra ?
74. fahamarinana ( 17/09/2009 10:14)
soanja:
Fa hoe io ihany ny ve no boky tokony ho vakiana sy hinoana dia hoy aho hoe diso be izay fiheverana izay raha ny amiko satria betsaka koa ny boky mirakitra ny tenin'Andriamanitra ankoatran'ny baiboly ary ilaina vakiana daholo koa ireny mba hamenoana izay tsy feno raketin'i baiboly.

:arrow: somary efa any ambony be any ity fa somary nahataitra ahy kely !Azon'ny soanja lazaina ahy ve hoe inona aby ireo Boky mifono Tenin'Andriamanitra ankoatrany Baiboly ? raha tsy mahadiso fa mahaliana ahy !(l)

75. soanja ( 17/09/2009 12:35)
fahamarinana:

Tsy voatanisa mihitsy ry Faha raha hotononina eto fa isany ny FilazantsarAn'i Tomasy, ny an'i Maria Madgalena, Ny boky iray antsoina hoe " The Shepherd of Hermas" , Ny Codex Sinaiticus, Ny boky nosoratan'i Celsus antsoina hoe "The True Word", ny boky nosoratan'i Origen sns sns.. raha toa fotsiny ka ny fivavahana Xtianina no resahina. Isany iray mahafinaritra ahy mamaky ny bokin'i Albert Camus, i Einstein, fa ny ahy mantsy " spiritualite" no iainako ka misandrahaka tokoa izany raha ny sehatry ny tenin'Andriamanitra no hojerena.

:-* (l)
76. soanja ( 17/09/2009 12:43)
fidinirina:

Marihiko fa izany no tsy mba hanoratako ny tantaran'i Petera na Paoly na Jaona satria vavolombelona nanambara an'i Jesoa fotsiny ireny. Ny ahy dia Jesoa Kristy irery ihany no toriako. Ireny olona ireny nanambara Azy mitovy @ ny asa ataoko.

Ka ireo tsy afa misaraka e. Io Jesoa Kristy resahinao tsy nanoratra boky fa ireo. I Jesoa dia naniraka ny mpianany hanaparitaka ny finoana ho an'ny hafa. Ny momba an'ireo mpianany no mifandraika amin'izay soratany. Izay no tsy mampitovy ny zavatra tantaraina ao anaty baiboly ohatra momba ny fialan'i Jesoa aina fotsiny aza avy amin'ny soratry ny mpianany roa raha alaina ny ohatra. Izay no lazaiko hoe olombelona ireo nanoratra ka tandremo ny soratra fa tsy lavorary.

Ny tenin'Andriamanitra kosa tsapanao isanandro amin'ny fiainanao, avy ao anatinao miboiboika, dia LAVORARY. Matoa ianao mitory ny tenin'Andriamanitra dia noho ny Fitiavana ny hafa fa tsy noho ny soratra mandidy anao hitory.

77. cutie ( 17/09/2009 14:16)
Ny tenin'Andriamanitra kosa tsapanao isanandro amin'ny fiainanao, avy ao anatinao miboiboika, dia LAVORARY. Matoa ianao mitory ny tenin'Andriamanitra dia noho ny Fitiavana ny hafa fa tsy noho ny soratra mandidy anao hitory.

namaste :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0097