Hafatry ny Filoha Ravalomanana
1. hery
(
09/08/2009 14:05)
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,
Ny voalohan-teny dia fisaorana an’Andriamanitra noho ny fitahiany, ka nahatongavantsika amin’izao tanjona fampihavanam-pirenena izao.
Nandalo fotoan-tsarotra tokoa mantsy ny Tanindrazantsika hatramin’ny voalohan’ny taona nankaty nohon’ny fandrombaham- pahefana.
Voatohina mafy ny andrim-panjakana sy ny firaisam-pirenena.
Nitsitongana ny fiarian-karena sy ny fiaraha-monina, ary niharatsy ny farim-piainan’ny Vahoaka Malagasy.
Zava-dehibe loatra ny fitandrovana ny firaisam-pirenenana sy ny soatoavina malagasy. Koa hamerenana haingana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana, ary hanarenana ny toekarena , dia heveriko fa tonga ny fotoana handraisan’ny mpitarika politika rehetra andraikitra eo anatrehan’ny tantara, ary hametrahana ny tombotsoan’ny Firenena ambonin’ny zava-drehetra, hampitsaharana ny fanaovana takalonaina ny Vahoaka Malagasy.
Ho ahy manokana, dia ambarako amin’ny Vahoaka Malagasy, fa tsy izaho velively no ho sakana amin’ny hahitantsika lalan-kivoahana amin’izao krizy izao.
Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenako, antoky ny firaisan-kinam-pirenena, dia manambara ankitsi-po aho, fa vonona hampangina ny hambompo maha olombelona, hikatsahana ny vahaolana iraisana amin’izao krizy politika mampijaly ny Vahoaka Malagasy izao.
Mba ho fitandrovana ny tombotsoa ambony ny Firenena, dia heveriko fa fahendrena ny tsy handraisako anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita iarahana. Nefa kosa ny «Mouvance Marc RAVALOMANANA», mandala ny ara-dalàna dia handray anjara mavitrika amin’izany.
Hiverina an-tanindrazana tokoa aho, araky ny efa nambarako hatramin’izay, ka matokia ahy ianareo. Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.
Manao antso avo hoan’ny mpitondra politika rehetra aho, hametraka ny tombontsoam-pirenena ambonin’ny zavatra rehetra.
Mangataka amintsika rehetra aho hitandro hatrany ny Fihavanana sy ny firaisan-kina. Andeha isika hanokatra pejy vaovao, ary hifantoka amin’ny hoavy.
Midera tanteraka ny herimpo sy ny fitiavan-Tanindrazana nasehontsika rehetra aho, tamin’ny fiarovana ny Lalampanorenana sy ny ara-dalana.
Misaotra ny Vahoaka Malagasy aho, indrindra ireo mpanohana ahy sy ireo rehetra nametraka tamiko ny fitokisany, ary nitondra ihany koa ny anjara birikiny amin’ny fitadiavana vahaolana iraisana sy milamina amin’izao krizy izao.
Miantso ny tsirairay aho hanao izay tandrifiny azy mba hahatafita ny tetezamita iraisana ho an’i Madagasikara vaovao ;
Mahatoky isika rehetra fa ho raiketin’ny Tantara izao finiavana sy fitiavan-tanindrazana asehontsika izao.
Isaorako ny Vahoaka Malagasy tamin’ny ezaka rehetra izay vitantsika, niasa niaraka tamin’ny fampandrosoana ny Firenena.
Misaotra ny Fianakaviambe iraisam-pirenena, Ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, indrindra ny SADC, ny Vondrona Afrikana, ny OIF, ny Firenena Mikambana ary ireo iraka manokana tamin’ny fandraisana anjara mavitrika, hitadiavana vahaolana amin’izao krizy politika izao.
Manolotra fisaorana manokana hoan’ny Filoha Joaquim Chissano sy ireo mpiara-miasa aminy, tamin’ny ezaka rehetra nataony ny tenako.
Mankasitraka manokana ny Filoha Gebuza sy ny Governementa ary ny Vahoaka Mozambikana aho, izay nanaiky nampiantrano ity fivorianan’ny mpitarika politika efa-tonta ity, ary nahitam-bokatra.
Misaotra ihany koa ireo mpitarika politika telo mirahalahy, miaraka amin’ny delegasiona avy, tonga taty Maputo, Mozambique.
Ho raiketin’ny Tantara ny ezaka sy ny finiavana ary ny fanehoana fitiavan-tanindrazana nitadiavana vahaolana maharitra amin’izao fahasahiranana politika andalovan’ny Firenena izao, hampajakana ny fihavanam-pirenena, sy hananganatsika firenena vanona, Madagasikara vaovao.
Eto am-pamaranana, dia mirary soa ho anareo mpitondra ny tetezamita iraisana ny tenako.
Homba antsika mandrakariva Andriamanitra !
Maputo, faha-08 Aogositra 2009

répondu par ravatorano le 10/08/2009 06:33
2. Noue
(
09/08/2009 14:45)
Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenako, antoky ny firaisan-kinam-pirenena, dia manambara ankitsi-po aho, fa vonona hampangina ny hambompo maha olombelona, hikatsahana ny vahaolana iraisana amin’izao krizy politika mampijaly ny Vahoaka Malagasy izao.hafa ihany oa rehefa tena filoha lanim-bahoaka ee !!
3. bozyboleta
(
09/08/2009 14:58)
Tena be stratejia i Dada e!
1. Mbola izy no Filohan'ny Repoblika.
2. Iza ary no olana?
3. Satria izy Filohan'ny Repoblika ary Filoham-pirenena nofidiam-bahoaka dia mipetraka @ toerana nametrahan'ny vahoaka azy fa tsy hiady toerana @ ireo nanandratena sy napetrapetraka @ izay tetezamita.
4. Mahalaza zavatra betsaka io ho avy io!
5. Tena Raiamandreny fa tsy mitsoatsoam-bava sal@ ilay zaza ratsy taiza iry.
1. Mbola izy no Filohan'ny Repoblika.
Amin’ny maha Filohan’ny Repoblika ny tenako, antoky ny firaisan-kinam-pirenena, dia manambara ankitsi-po aho, fa vonona hampangina ny hambompo maha olombelona, hikatsahana ny vahaolana iraisana amin’izao krizy politika mampijaly ny Vahoaka Malagasy izao.
2. Iza ary no olana?
Ho ahy manokana, dia ambarako amin’ny Vahoaka Malagasy, fa tsy izaho velively no ho sakana amin’ny hahitantsika lalan-kivoahana amin’izao krizy izao.
3. Satria izy Filohan'ny Repoblika ary Filoham-pirenena nofidiam-bahoaka dia mipetraka @ toerana nametrahan'ny vahoaka azy fa tsy hiady toerana @ ireo nanandratena sy napetrapetraka @ izay tetezamita.
Mba ho fitandrovana ny tombotsoa ambony ny Firenena, dia heveriko fa fahendrena ny tsy handraisako anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita iarahana.
4. Mahalaza zavatra betsaka io ho avy io!
Mangataka amintsika rehetra aho hitandro hatrany ny Fihavanana sy ny firaisan-kina. Andeha isika hanokatra pejy vaovao, ary hifantoka amin’ny hoavy.
5. Tena Raiamandreny fa tsy mitsoatsoam-bava sal@ ilay zaza ratsy taiza iry.
Eto am-pamaranana, dia mirary soa ho anareo mpitondra ny tetezamita iraisana ny tenako.
4. Noue
(
09/08/2009 15:28)
bozyboleta:sady mbola tena Filoha lanim-bahoaka ara-dalàna.
5. Tena Raiamandreny fa tsy mitsoatsoam-bava sal@ ilay zaza ratsy taiza iry.
5. zandikely
(
09/08/2009 15:40)
HAFATRIN'NY FILOHA TEO ALOHA (EX PRÉSIDENT ) RAVALOMANANA FA TSY HAFATRIN'NY FILOHA RAVALOMANANA
7. remahity
(
09/08/2009 15:55)
hafatra, sentosento, embonembona, Tsssssss....
seul le resultat compte,
tu n'es plus president.
tu rentres pas,
et tu ne nous emmerdes plus
maintenant, tu peux continuer à faire ton tononkalo

8. remahity
(
09/08/2009 15:57)
et surtout nos freres et soeurs de Magro, pauvre naifs, dia hijanona tsy nhanonofy ny fahatongavanao sy ny miaramila SADC intsony.
afaka hiasa sy hifantoka @ asa fivelomana andavaan'andro @ izay ry zareo

9. bozyboleta
(
09/08/2009 16:01)
Misy marary andoha sahady fa ho fay... :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
10. milamm
(
09/08/2009 16:16)
Mbola mitory fahendrena malagasy dia fihavanana ny votoaton-dresaky Atoa Ravalomanana ny tsy reviko tao fotsiny de tsotra mbola naveriny lery ndray le oe " Minoa fotsiny ihany " mihevitra ny hafa ho bado fotsiny tsy afaka handinika fa minomino foana loatra,tsy maintsy ho tafaverina aloha izy satria
betsaka ireo tsy mbola vitany nampanantenainy sy ny nataony itsarany tantara azy nefa raha hanarina ny tsy nety dia mila bainga voavadika @ izay ny vahoaka fa tsy resaka fampiesonana lava ,iarahamahita eo e

11. Mirananirina
(
09/08/2009 16:53)
tu n'es plus presidentQue du plaisir en l'écoutant ! Bravo à notre Cher Président qui sait faire parler de lui
tu rentres pasil va rentrer
et tu ne nous emmerdes plusLe bonheur, c'est tout ce qui arrive entre deux emmerdements.
maintenant, tu peux continuer à faire ton tononkaloDans la vie on partage toujours les emmerdes, jamais le pognon.hihihi............. =)) =)) =)) =))
12. ouiandry
(
09/08/2009 17:26)
bozyboleta:
Misy marary andoha sahady fa ho fay... :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
marina mintsy ny an'i bozyboletaka fa misy marary an-doha satria Ratsiraka dans trois jour any dago, Pr Zafy sy Andry Rajoelina mou tsy lazaina fa ilay Filoha kosa d mijanona any afrika mitéléguidé ny gouverne-manta-ny izay tsy homasaka intsony :-D :-D :-D :-D milay be le mahay mampionontena an! Tsy fomba ny manenjika ny efa resy fa mampimé le fisain'ny MPANOMPO OUL refa tsy eo le gourou d very fanahy mbola velona ny DIKY entin-drika :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D , manomboka zao d Pr Zafy no mandray andraikitra miaraka @ Andry Rajoelina eo @ familiana ny fiara, d Ravalomanana mijanona hofiloha lanimbahoaka fa nafindra any Afrika ny lapa :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
13. ifiona
(
09/08/2009 17:58)
ary ahoana ty Andry Rajoelina vao nilaza omaly hoe tsy manaiky ny fiverenan'i Ra8 eto an tanindrazana kanefa zao Ravalomanana dia mahazo mody an-kalalahana? be zesta ery ry Pierre Houlder sy Voninahitsy Jean Eugène hoe tsy ho ekenay mihitsy ny fiverenan'i Dada, eissey e! aiza ny tsy hanaiky eo e! sendra ny voie sans issue ry TGV dia voatery nanaiky kle!
efa hita mazava zao fa iza no hi-domine ao anatin'io transition io, dans 10 jours moa vao fantatra tanteraka ireo mpikambana fa amin'izao fotoana izao dia efa fantatra fa:
- mouvance Ratsiraka: 65 membres
- mouvance Rajoelina: 65 membres
- mouvance Zafy: 65 membres
- mouvance Ravalomanana: 90 membres!
;-)

14. pink
(
09/08/2009 18:06)
Atao ahoana fa ny malagasy kosa anie tsy nilaza fa manaova coup d'etat teny @13 mai.
MAHANDRASA FIFIDIANANA FA IZAY NO FANAJANA NY MALAGASY.MILA FILOHA VOAFIDY NY MALAGSY FA TSY HOE A LA FORCE.

15. ouiandry
(
09/08/2009 18:11)
aizaoaiza fa tsy nahita mintsy ny tenanay fa misy anizany oe afaka miverina zao d zao zany i Ravalomanana sa manonofy ny MPANOMPONY é :-D :-D :-D :-D
16. ouiandry
(
09/08/2009 18:22)
ifiona:
ary ahoana ty Andry Rajoelina vao nilaza omaly hoe tsy manaiky ny fiverenan'i Ra8 eto an tanindrazana kanefa zao Ravalomanana dia mahazo mody an-kalalahana? be zesta ery ry Pierre Houlder sy Voninahitsy Jean Eugène hoe tsy ho ekenay mihitsy ny fiverenan'i Dada, eissey e! aiza ny tsy hanaiky eo e! sendra ny voie sans issue ry TGV dia voatery nanaiky kle!
efa hita mazava zao fa iza no hi-domine ao anatin'io transition io, dans 10 jours moa vao fantatra tanteraka ireo mpikambana fa amin'izao fotoana izao dia efa fantatra fa:
- mouvance Ratsiraka: 65 membres
- mouvance Rajoelina: 65 membres
- mouvance Zafy: 65 membres
- mouvance Ravalomanana: 90 membres!
;-)
Le pouvoir législatif sera exercé par un Conseil Supérieur de la Transition (CST). Il sera composé d’actuels membres de la HAT (pas tous évidemment). Ce CST sera appuyé par un Congrès de la Transition qui sera un collège de 150 membres représentant la société civile. Deux nouvelles sructures composeront ce régime de transition basé, rappelons-le sur, cet accord politique signé conjointement et sans contrainte par Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana et Rajoelina. Il s’agit d’abord du Conseil Economique et Social (CES)à 60% d’opérateurs économiques et à 40% de membres de la société civile. Enfin, complètera les institutions transitoires à venir, le Conseil National pour la Réconciliation (CNR). Il sera chargé de régler les problèmes liés surtout à l’amnistie prise, ici, globalement.
d taiza njay reo resaka ifiona reo, aza fahanana zavatra maloto feno lainga ny GTT sy TIM fa Andriamanitra le notononon'i Ravalomanana ao @ le kabariny iny anie mahita ny hatrany anaty tsinaimaintiny é :-D :-D :-D :-D :-D
17. patrick2002
(
09/08/2009 18:32)
ka io anie izay hiantsona azy tsy maninona na filoha .na emperora .na PDG ny madagasikara ,fa rehefa tsy manana fahefana ,afaka maka ny vola ao @ banque central ,hanaovana caution bancaire hangalana credit ho an`i orinasa TIKO dia izay no zava-dehibe .
18. zoam
(
09/08/2009 19:14)
efa betsaka ny matahotra vao maheno hoe hody i ra8 ,ny mpanao ratsy aloha dia mihidy mihitsy ny fitombenany e,izay eo president hoe manana ny commandement militaire rehetra donc ry ny mpanao coup d'etat aloha dia sur fa tsy maintsy voadaka ary avy eo dada vao mody en tout trankilité izay le accord saingy ny vendrana no tsy naharaka
19. xxx
(
09/08/2009 20:05)
tsy hoe zao d zao izy no mody fa miandry ny tetezamita hitsangana ara-dalana, hiverina atsy ho atsy izy, ary mahay politika tsara dada, aleony miandry ny fifidianana satria ireo zay ao anatiny gouvernemanta tetezamita d tsy afaka mirotsaka ho fidiana ho président, ka aleony miandry, 1er tour d vita!!
Ravalomanana « disponible »
Marc Ravalomanana a déclaré étre « totalement disponible pour aider à résoudre cette crise ». Bref disponible pour les prochaines élections. Son retour est d’ailleurs facilité par l’accord de samedi. Ce denier lève en effet la condamnation de Ravalomanana à quatre ans de prison en juin par un tribunal malgache pour abus de pouvoir dans l’achat d’un jet privé présidentiel en 2008.
Ho avy tsy ho ela izy izy ry oui! oui! a!

20. Noue
(
09/08/2009 20:06)
hita mahintsiny aloha fa tsy miady seza Ravalomanana eee ! tsy adalan'ny olona no nifidy azy ho filoha.
Mba ho fitandrovana ny tombotsoa ambony ny Firenena, dia heveriko fa fahendrena ny tsy handraisako anjara amin’ny fitantanana ny tetezamita iarahana.
"zoam":satria nahoana ?? satria efa fantany tsara fa tsy maintsy Ravalomanana ihany anie no ho lany eo eee ! zao ny membres ny FAT(Y) tsisy mahazo milatsaka !!
efa betsaka ny matahotra vao maheno hoe hody i ra8 ,ny mpanao ratsy aloha dia mihidy mihitsy ny fitombenany e