Manajà ny rainao sy ny reninao ...

1. bor2lais ( 22/06/2009 09:19)
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=EKSODOSY&toko=20&andininy=12-12&dika=

Teny nipoitra tato ho ato eto amin'ny dinika io voalaza ao amin'ny didy 10 nomen'Andriamanitra an'i Mosesy ho an'ny zanak'Isiraely io.

Ny mba angatahiko ny hevitsika dia ny eto amin'ity hoe "manajà" ity : ahoana ny fandraisanao io teny io ?

Marihina eto am-piandohana fa nosarahina mazava tsara ny "ray" sy ny "reny" eto, fa "tsy raiamandreny" (na parents) akory ! Mety misy dikany ve izany aminao ?

Misaotra indrindra amin'ny fandraisanao anjara !
répondu par Veloo le 10/07/2009 18:35
2. niryna ( 22/06/2009 19:08)
Izay mba fantatro kely aloha no zaraiko andry eto an :D
manaja na respect no tiana tenenina eto
ny ray aman-dreny no loharano nahitana masoandro koa raha tsy nisy azy ireny isika dia tsy ho toa izao.Misy ny ray niamboha adidy,mivavaka ho azy isika satria raha tsy teo izy tsy tonga tety an-tany isika

izany manaja izany amiko dia manome voninahitra azy,mihaino ny teniny,na diso aza izy indraindray dia afaka mifanakalo hevitra aminy fa asiana kosa hoe manana ny toerana amin'ny maha rar azy izy ireo ka dia manaja azy aho fa tsy hamingavinga azy.Fanajana io ankehitriny dia mihemotra amin'ny tanora rehetra,tsy dia hita firy intsony izany ,ny zanaka indray no mibaiko sy maniraka ny rar,izy ireo indray no lasa biby fampitahorana,ary dia misy aza zanaka manompa ny rar ny,tsy manome hasina azy ireo,menatra na dia ny hiaraka ilahatra aminy aza satria mavomavo sy mahantra izy
Dia mitana toerana lehibe amin'ny finoana an'Atra izany ny rar aman-dreny satria izy ireo no napetraka ety an-tany hikolokolo antsika andeha amin'ny fahamarinana
zaro amin'ny lalan-kalehany ny zaza....


Izany hoe manaja izany eto dia hoe omeo toerana ambony izy,ankatoavo izy,tiavo,omeo voninahitra,omeo laharana ambony noho ny rehetra,manaraka ny heviny sy mankatoa izay teneniny
Izay no mba azoko omena aloha :-*
3. itaramasoandro ( 22/06/2009 20:08)
tsy ny finoana kristianina irery ihany araka ny hevitro no manangana ny fanajana ny ray sy ny ny reny nahitana masoandro ho anisan\'ny fitsipimpitondrantena lehibe.
fa naizanaiza mponina maneranizao tontolo izao, dia mandala io fitsipika io anatiny fiarahany monina. ny tsirairay no mandika azy araka izay tianay ka hipoiran\'ny olana.

olona samy nofo, rà sy fanahy mantsy isika olombelona ka mahalala ny hatao hoe milaza ny heviny ary misafidy ny hankasitraka na ny hanoatra anatin\'ny fifanankalozana hevitra.

eo no miseo ny resaka fanajàna: arahaba soa raha samy miray hevitra; fa raha mifanipaka kosa dia ny marimaritra irasaina hisian\'ny fitohizan\'ny resaka no fomba fifanajàna.

ny ompa, ny fitsaràna olona nohon\'ny toetrany (ny maha izy azy), ny fomba fiainany ary ny fanelezana vaovao tsy mitombona sy diso dia fomba tsy fanajàna ny sasany, na ray sy reny io, na olon-kafa.

anjaran\'ny ray sy reny koa ny manaja ny hevitrin\'ny zanany raha toa ka feno fahendrena sy fahamarinana izany hevitra izany. indrindra moa raha nandrato fianarana mihaotra lavitra nohon\'ny raiamandreny ny zanaka @ sehetra iray dia afaka mizara ampanatrehan-tena izany fahaizana izany @ raiamandreniny.

itaramasoandro 8)

4. bor2lais ( 23/06/2009 09:45)
Misaotra an\'i Niryna nizara !

Mahaliana tokoa ny fanazavanao satria mitaratra fomba fijerin\'ny Malagasy maro ny antsoina hoe fanajàna ny nahitana masoandro.

Hoy ianao eo am-pamaranana hoe :

\"Izany hoe manaja izany eto dia hoe omeo toerana ambony izy,ankatoavo izy,tiavo,omeo voninahitra,omeo laharana ambony noho ny rehetra,manaraka ny heviny sy mankatoa izay teneniny \"

1. \"omeo toerana ambony izy\" : tsy fantatro na eo amin\'ny lafiny na sehatra inona no tianao lazaina eto !

2. \"ankatoavo izy\" : raha ny hevitro dia arakaraky ny tranga angamba !

3. \"tiavo\" : tsy iadian-kevitra

4. \"omeo voninahitra, omeo laharana ambony noho ny rehetra\" : mifandray ihany amin\'ny 1. etsy ambony

5. \"manaraka ny heviny sy mankatoa izay teneniny\" : mifandray amin\'ny 2. koa angamba io.

Hevitro manokana :

Raha azoko tsara ny tianao lazaina dia tsy tokony haneho fahatezerana amin\'ny RAD mihitsy ny zanaka na dia manoloana ny tsy rariny aza ?

Dia mety \"ho lava andro\" ve ny zanaka tratr\'izany ? Endriky ny fanapepona (tsy hiteny) mantsy izany raha ny fahitako azy ! (Marihina fa tsy maintsy hipoitra foana anefa io \"fahatezerana\" io fa ny endriny na ny fotoana no mety ho hafa).

Sady toa mifanohitra amin\'ny voalaza ao Matio 18 io fahanginana manoloana ny tsy mety ataon\'ny \"rahalahy\" io raha tsy diso aho (sa tsy azo raisina toy ny rahalahy ao amin\'ny Tompo ny RAD niteraka !!).

Marihiko fa ny antsoiko hoe fahatezerana eto tsy midika velively \"violence\" (izay endrika ratsy ny fahatezerana) fa fanehoana sy filazana ny tsy mety na ny tsy rariny (dénoncer l\'injustice sans se faire justice).

Hevitro sy fomba fijeriko ihany koa ireo fa misaotra anao tamin\'ny fanehoan-kevitra.
5. bor2lais ( 23/06/2009 09:49)
itaramasoandro:

tsy ny finoana kristianina irery ihany araka ny hevitro no manangana ny fanajana ny ray sy ny ny reny nahitana masoandro ho anisan\'ny fitsipimpitondrantena lehibe.
fa naizanaiza mponina maneranizao tontolo izao, dia mandala io fitsipika io anatiny fiarahany monina. ny tsirairay no mandika azy araka izay tianay ka hipoiran\'ny olana.

olona samy nofo, rà sy fanahy mantsy isika olombelona ka mahalala ny hatao hoe milaza ny heviny ary misafidy ny hankasitraka na ny hanoatra anatin\'ny fifanankalozana hevitra.

eo no miseo ny resaka fanajàna: arahaba soa raha samy miray hevitra; fa raha mifanipaka kosa dia ny marimaritra irasaina hisian\'ny fitohizan\'ny resaka no fomba fifanajàna.

ny ompa, ny fitsaràna olona nohon\'ny toetrany (ny maha izy azy), ny fomba fiainany ary ny fanelezana vaovao tsy mitombona sy diso dia fomba tsy fanajàna ny sasany, na ray sy reny io, na olon-kafa.

anjaran\'ny ray sy reny koa ny manaja ny hevitrin\'ny zanany raha toa ka feno fahendrena sy fahamarinana izany hevitra izany. indrindra moa raha nandrato fianarana mihaotra lavitra nohon\'ny raiamandreny ny zanaka @ sehetra iray dia afaka mizara ampanatrehan-tena izany fahaizana izany @ raiamandreniny.

itaramasoandro 8)



---> Miombon-kevitra aminao aho eto : misaotra amin'ny fizarana !

6. itaramasoandro ( 24/06/2009 01:39)
7. bor2lais ( 24/06/2009 08:02)
Somary hiverenako kely ny voasoratro mikasika ny famintinana nataon\'i Niryna etsy ambony :
------------
1. \"omeo toerana ambony izy\" : tsy fantatro na eo amin\'ny lafiny na sehatra inona no tianao lazaina eto !
4. \"omeo voninahitra, omeo laharana ambony noho ny rehetra\" : mifandray ihany amin\'ny 1. etsy ambony
-----------
Fanampiny kely :
Amiko mantsy sao dia lasa tsy fanajàna azy intsony io voalaza io fa kosa fampitoviana mihitsy azy amin\'ny \"mpanjaka\" (na Andriamanitra) ! Sarotra ho ahy zanaka ohatra ny hanaraka ireo voalaza ireo raha miaina isan\'andro ao anatin\'ny horohoro sy tahotra isaky ny miditra ny trano ny ray na ny reny ohatra !
--------------
2. \"ankatoavo izy\" : raha ny hevitro dia arakaraky ny tranga angamba !
5. \"manaraka ny heviny sy mankatoa izay teneniny\" : mifandray amin\'ny 2. koa angamba io
--------------
Fanampiny kely :
Mifandray amin\'iretsy ambony ihany moa izy ireo raha ny fahitako azy. Raha tohizako ny tranga nolazaiko mikasika ny tsy rariny mety iainana ao an-trano dia tsy ho afaka ny hiteny akory ny tenako (mety hiteraka aretina anaty saro-tsaboina) satria zanaka raha tsy izany dia mety ho lazaina fa tsy mahalala fomba na koa azon\'ilay fitenenana \"fialana bala\" hoe : \"miteraha mba ahita\" izay endrika hozona ihany rehefa dinihina akaiky ! (Famporisihina ampita io toetra io amin\'ny taranaka mantsy no hevitr\'izany !)
-------------
Ny tiana ahatongavana :

Amiko ny atao hoe \"fanajàna\" ny ray na ny reny dia ny fahaizana maka lesona amin\'ny fomba nanabehazana ny tena. Izany hoe mamantatra ny zava-tsoa azo, ny tsy dia nety loatra sy ny tsy nety mihitsy. Ka ny tsara raisina fa ny tsy nety kosa ahitsy na ariana mihitsy. (Izany hoe ny fandraisana toetra efa hita fa ratsy nataony dia tsy fanajàna azy velively).

Ny fanajàna dia tahaka ny fanomezana \"note\" sahaza (tsy sur-estime na sous-estime fa juste valeur). Mazava ho azy fa tsy voatery hitovy akory ny \"note\" omena ny ray sy ny reny. Saingy ny olana dia mbola vitsy ny RAD indrindra Malagasy manaiky hanaovan\'ny zanany tsikera (sujet tabou izany hoy ny fitenenana).

Tapenam-bava ny zanaka ary matetika dia ny Kolosiana 3 : 20 no asesika saingy adinony na iniana hodiany fanina ny andininy 21 miaraka aminy.

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=KOLOSIANA&toko=3&andininy=20-21&dika=

Hevitra tiako aposaka sy zaraina ny ahy iny ary fantatro fa maro no mety tohina sy tsy mitovy fijery ka ialako tsiny mialoha (\"avereno aty amiko ny ahy\" hoy ilay fitenenana izay!).

Misaotra anao namaky hatramin\'ny farany !
8. tywa68 ( 24/06/2009 08:16)
Bor2lais > ny ahy indray ny hajaina zany rhf mendrika haja d mandeha ho azy io zany e.
Ny ray amandreny zany raha toa ka mendrika sy modely, ary nahay nampiseho toetra mahatehotia d hioty ny vokany eo @ zanany sy ny manodidina, ary tsy haniratsira azy ny zanany, fa hahay hangiana sy hihaino zay toro-hevitra homena azy.
Resaka communication zany mila fitiavana sy fahaizana mangiana mba handraisana ny hevitr'ilay zaza, na tanora, fa tsy hoe lehibe enao d manana ny marina sy tokony henoina foana foana :lol: adapté-na zany ilay fiteny arakarak'ilay fotoana sy taonan'ilay olona e :wink: mifanaja ho azy rhf mifandimby miteny sy mihaino :-D
9. bor2lais ( 24/06/2009 08:56)
Tywa..> miombon-kevitra tanteraka aminao : resaka "communication dans les 2 sens" no zava-dehibe ! ^:^
10. rzakarivola ( 24/06/2009 11:44)
Rehefa nanaraka ny dinika aho dia somary misy zavatra tsy azoko tsara, ny fanontanian\'i bor2lais ve hoe inona no fandraisan\'ny tsirairay izay vonona handray anjara eto ny hoe \"manajà\" ao amin\'ny hoe manajà ny rainao sy ny reninao ? Sa hoe ny fandraisana an\'ilay didy mihitsy hoe \"manajà ny rainao sy ny reninao\" ? Samy hitondrako ny hevitro izy roa, ary enga anie tsy ho tsiniko.

\"1- Manajà\" : ny fahalalako izay nolazain\'ny tompon\'ny Didy eto, ny fanajàna dia fametrahana azy amin\'ny toerany.
Ray : niteraka (namelona, mpamelona).
Reny : vadin\'ny Ray, tenan\'ny Ray, mpanampy tandrify ny Ray.
Ray aman-dReny : solon-tenan\' Andriamanitra ety an-tany.

\"2- Manajà ny rainao sy ny reninao\" : Ny tena fanontaniana mipetraka manahirana ami\'nity Didy ity dia hoe
Tokony hajaina foana ve ny Ray aman-dReny ?
* Na oviana na oviana ? : Hoy ny voasoratra hoe : \"ary rehefa lehibe ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiara-honina amin\'ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa\". Rehefa manambady ny zanaka no mandao ny ray aman-dreniny.

* Na inona ataony na inona teneniny sy fitondrantenany, na marina na diso ? : Raha amin\'ny fijeriko amin\'ny maha olona ahy dia hoy aho hoe : rehefa manaja ny tenany izy dia mba hajaina koa, fa rehefa tsy manaja ny tenany izy dia mba tsy hajaina koa. Ary izany ahy izany tsy vitan\'ny fijery fa tena niainako mihitsy, fa ny dadako mamo lava, ary napetrako t@ toeran\'ny mamo lava izy (fa tsy dadako na dia nantsoiko foana hoe \"dada\" aza), ny reniko be menomenona sady indraindray doma be, dia napetrako t@ toerana maha doma be sy be menomenona azy izy (fa tsy reniko na dia nantsoiko foana hoe \"neny\" aza). Satria izay no fihevitro. Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy ny tompon\'ilay Didy, ary manaporofo an\'izany dia tsotra ny Didy hoe \"manajà ny rainao sy ny reninao\", fa tsy nataony hoe \"manajà azy ireo raha toa ka ...(manaja ny tenany izy, raha mandray ny andraikiny izy, raha mendrika hohajaina izy)\". Kay tokoa moa ka rehefa tsy mipetraka amin\'ny toerany ny olona izay vao mila apetraka amin\'ny toerany.

bor2lais ô!
Hoy ianao hoe \"... dia avereno amiko ny teniko\". Nisy tsy azoko ny teninao ka indro averintsika (sao mba ho azoko ihany) :
Niteny an\'ity itaramasoandro :
\"ny fitsaràna olona nohon\'ny toetrany (ny maha izy azy), ny fomba fiainany ... dia fomba tsy fanajàna ... na ray sy reny io, na olon-kafa.\", dia hoy ianao hoe \"miombon-kevitra aho\".
Avy eo ianao niteny hoe :
\"Ny fanajàna dia tahaka ny fanomezana \"note\" sahaza (tsy sur-estime na sous-estime fa juste valeur).\"
Tsy ny mpitsara ve no mpanome naoty ? Ary ny mpitsara marina no manome ny naoty ao @ \"juste valeur\" (juste juge) ?
Misaotra indrindra
11. bor2lais ( 24/06/2009 14:00)
rzakarivola:

Rehefa nanaraka ny dinika aho dia somary misy zavatra tsy azoko tsara, ny fanontanian\\\'i bor2lais ve hoe inona no fandraisan\\\'ny tsirairay izay vonona handray anjara eto ny hoe \\\"manajà\\\" ao amin\\\'ny hoe manajà ny rainao sy ny reninao ? Sa hoe ny fandraisana an\\\'ilay didy mihitsy hoe \\\"manajà ny rainao sy ny reninao\\\" ? Samy hitondrako ny hevitro izy roa, ary enga anie tsy ho tsiniko.
--> Izy roa angamba : ilay voalohany mba entina ahazoana na manazava ilay faharoa.

\\\"1- Manajà\\\" : ny fahalalako izay nolazain\\\'ny tompon\\\'ny Didy eto, ny fanajàna dia fametrahana azy amin\\\'ny toerany.
Ray : niteraka (namelona, mpamelona).
Reny : vadin\\\'ny Ray, tenan\\\'ny Ray, mpanampy tandrify ny Ray.
Ray aman-dReny : solon-tenan\\\' Andriamanitra ety an-tany.

--> Raha ny fahazoako azy dia tsy ity voalazanao fahatelo ity ilay izy satria tsy misy iadian-kevitra raha izany !

\\\"2- Manajà ny rainao sy ny reninao\\\" : Ny tena fanontaniana mipetraka manahirana ami\\\'nity Didy ity dia hoe
Tokony hajaina foana ve ny Ray aman-dReny ?
* Na oviana na oviana ? : Hoy ny voasoratra hoe : \\\"ary rehefa lehibe ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiara-honina amin\\\'ny vadiny, dia ho nofo iray ihany izy roa\\\". Rehefa manambady ny zanaka no mandao ny ray aman-dreniny.

--> Tsy azoko ny valinteninao eto : rehefa manambady ve ny zanaka dia tapitra hatreo ny fanajàna sa ?

* Na inona ataony na inona teneniny sy fitondrantenany, na marina na diso ? : Raha amin\\\'ny fijeriko amin\\\'ny maha olona ahy dia hoy aho hoe : rehefa manaja ny tenany izy dia mba hajaina koa, fa rehefa tsy manaja ny tenany izy dia mba tsy hajaina koa. Ary izany ahy izany tsy vitan\\\'ny fijery fa tena niainako mihitsy, fa ny dadako mamo lava, ary napetrako t@ toeran\\\'ny mamo lava izy (fa tsy dadako na dia nantsoiko foana hoe \\\"dada\\\" aza), ny reniko be menomenona sady indraindray doma be, dia napetrako t@ toerana maha doma be sy be menomenona azy izy (fa tsy reniko na dia nantsoiko foana hoe \\\"neny\\\" aza). Satria izay no fihevitro. Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo hoy ny tompon\\\'ilay Didy, ary manaporofo an\\\'izany dia tsotra ny Didy hoe \\\"manajà ny rainao sy ny reninao\\\", fa tsy nataony hoe \\\"manajà azy ireo raha toa ka ...(manaja ny tenany izy, raha mandray ny andraikiny izy, raha mendrika hohajaina izy)\\\". Kay tokoa moa ka rehefa tsy mipetraka amin\\\'ny toerany ny olona izay vao mila apetraka amin\\\'ny toerany.

--> Ekeko ny voasoratra fa tsy misy \"condition\" ilay \"fanajàna\" : ka eo indrindra no nahatonga ahy nametraka ilay fanontaniana hoe \"inona no fandraisantsika io teny voasoratra \"manajà\" io ?\"

bor2lais ô!

--> ô ! Inty aho e !

Hoy ianao hoe \\\"... dia avereno amiko ny teniko\\\". Nisy tsy azoko ny teninao ka indro averintsika (sao mba ho azoko ihany) :
Niteny an\\\'ity itaramasoandro :
\\\"ny fitsaràna olona nohon\\\'ny toetrany (ny maha izy azy), ny fomba fiainany ... dia fomba tsy fanajàna ... na ray sy reny io, na olon-kafa.\\\", dia hoy ianao hoe \\\"miombon-kevitra aho\\\".
Avy eo ianao niteny hoe :
\\\"Ny fanajàna dia tahaka ny fanomezana \\\"note\\\" sahaza (tsy sur-estime na sous-estime fa juste valeur).\\\"
Tsy ny mpitsara ve no mpanome naoty ? Ary ny mpitsara marina no manome ny naoty ao @ \\\"juste valeur\\\" (juste juge) ?
Misaotra indrindra


--> Misaotra anao mamerina ny teniko aty amiko ! Tsy haiko tokoa angamba ny manazava azy ka ialako tsiny : tsy dia fitsaràna loatra mantsy no noheveriko fa fanaovana \"inventaire\" mba hanatsoahana lesona (hanaovana tri) : izay mety ilaiko amin\'ny fiainana ihany no raisiko (na amboariko) fa izay hitako fa tsy nety dia avelako. Izay ny fandraisako ilay hoe \"fanajàna\" ! Izany hoe rehefa manao \"inventaire\" dia aseho daholo na ny tsara na ny tsy dia nety na ny tsy nety mihitsy fa tsy misy afenina (na mahamenatra) !

Mbola mamerina ny fisaorana anao !
12. soanja ( 24/06/2009 14:25)
bor2lais:

http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=EKSODOSY&toko=20&andininy=12-12&dika=

Teny nipoitra tato ho ato eto amin'ny dinika io voalaza ao amin'ny didy 10 nomen'Andriamanitra an'i Mosesy ho an'ny zanak'Isiraely io.

Ny mba angatahiko ny hevitsika dia ny eto amin'ity hoe "manajà" ity : ahoana ny fandraisanao io teny io ?

Marihina eto am-piandohana fa nosarahina mazava tsara ny "ray" sy ny "reny" eto, fa "tsy raiamandreny" (na parents) akory ! Mety misy dikany ve izany aminao ?

Misaotra indrindra amin'ny fandraisanao anjara !



Misy fiteny Malagasy izay hoe " Ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara."

Io dia fahendrena goavana tokoa nomen'i Ntaolo antsika izay midika hoe ny hatsarana dia azo andraisana modely tsara ary koloina mba hitohy ny fahasoavana. Ny zava-drehetra nanome ny mahaIanao anao dia raiso ho voninahitra avy amin'Andriamanitra avokoa, afaka mandeha tsiraidray io ary azo koa atambatra ny fitiavana azy ireo.
13. itaramasoandro ( 24/06/2009 18:51)
fahendrena malagasy lohalohavina antompon'ny loha tokoa rasoa io ohabolana noentinao io ka ampiako @ ilay fitendrazantsika iray mitovy hevitra @ hoe:
aza mitsipa-doha laka nitana

mazana ho'a dia manembona ireo raibe-renibeko sy raiaman-dreniko aho fa maro ny voaraiko t@ izy ireo. saingy toa razana mitahy izy ireo ka tsaroina hatrany ny nataony.

itaramasoandro 8)
14. soanja ( 24/06/2009 19:51)
itaramasoandro:

fahendrena malagasy lohalohavina antompon'ny loha tokoa rasoa io ohabolana noentinao io ka ampiako @ ilay fitendrazantsika iray mitovy hevitra @ hoe:
aza mitsipa-doha laka nitana

mazana ho'a dia manembona ireo raibe-renibeko sy raiaman-dreniko aho fa maro ny voaraiko t@ izy ireo. saingy toa razana mitahy izy ireo ka tsaroina hatrany ny nataony.

itaramasoandro 8)


Ekena dia ekena tokoa. "Ireo nahitana masoandro" hoy koa ny Gasy izay, moa va tsy izay no fitahiana goavana indrindra. Misaotra azy ireo lalandava amin'ny fitahiany.


15. ikaretsaka ( 25/06/2009 00:23)
Amiko rehefa tia tsisy fanerena dia manaja ho azy
16. itaramasoandro ( 25/06/2009 03:59)
Amiko rehefa tia tsisy fanerena dia manaja ho azy


mazava ho azy. sady tsy misy tokony atahoranao fanerena koa anie eo e. samy olon dehibe tompon-tsafidy ka tsy misy fifanerena eo akory. fomba efa lany andro hatr@ taonjato faha-19 ny fanerena fa olona samy manana ny ny zony sy ny adidny ny tsirairay ka mendrika ho hajaina izany o!

itaramasoandro 8)

17. ikaretsaka ( 25/06/2009 04:06)
hoy i Md Augustin izay hoe "tiava de ataovy izay tianao atao"
18. rakapy ( 25/06/2009 08:19)
Hoy Ikaretsaka
Amiko rehefa tia tsisy fanerena dia manaja ho azy


Angamba ny fanajana tsy voatery mitaky fitiavana. Tsy hoe rehefa tsy tinao dia tsy hajainao. Ny fanajana dia marika iray ahitana fa malaka sy mivelatra ny sainao ka afaka mampiseho eo @ mpiara-belona ianao fa ny fifanajana no isan'ny lehibe indrindra eo @ fiaraha-monina isan-tsokajiny eto ambonin'ny tany.
19. fijo ( 26/06/2009 20:19)
miray hevitra amin'i tywa koa aho e,indraindray tokoa mantsy ilay ray amandreny manao didy be fotsiny de manantena haja sy sitraka...
20. ikaretsaka ( 27/06/2009 01:37)
Le tsy sazoka mihitsy rakapy amiko no tsy manaja fa soi disany fotsiny a. Amiko raha manaiky ze lazain'ny Ray amandrenin'ialahy @ zao ialahy fa tsy fantatr'ialahy akory iny de fanekena izay fa tsy fanajana.
Amiko raha tena fanajana de tsy vozonana na terena fa tian'ialahy fotsiny ny manaja ary maha sambatra an la de zay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7241