Manajà ny rainao sy ny reninao ...

21. rzakarivola ( 29/06/2009 12:28)
Ikaretsaka:
Amiko rehefa tia tsisy fanerena dia manaja ho azy

==> sambatra ianao. Izaho nisy olona iray tena faran'izay tiako, nahafoizako zavatra be dia be, saingy tsy haiko ny nanaja azy. Ireo ray aman-dreniko moa dia aoka fotsiny ny fanaovako tsinontsinona sy famalivaliana azy, ny fametsifetsena (ohatra hoe nirahina d tsy namerina famerim-bola, saribao Ar 100 nasaina novidiako d Ar 80 novidiako fa ny Ar 20 nilokako).
Ny olona ivelany nilaza fa tena hendry aho, fa ireo ray aman-dreniko niferotra aina t@ famaliako. Taminay mpiray tampoho indray, izaho no mba nitokian'ireo ray aman-dreniko indrindra, saingy raha fantany mantsy ...
Nefa Andriamanitra mahafantatra, na dia ny fotoana rehetra nitenenako ratsy sy nanopako azy ireny tato am-poko aza, ny fotoana nilazako ratsy momba azy t@ namako sy ny rehetra. Fantatr' Andriamanitra izany ary efa niteny koa Jesoa fa tsy misy miafina izay tsy hitranga, tsy misy takona izay tsy ho haseho, koa azoko antoka ankehitriny fa mbola hiseho eo anatrehan'izy ireo izany, hiseho eo anatrehan'ireo nihevitra ahy sy nisehoako ho hendry sy masina, ary hiseho eo anatrehan' Andriamanitra.
Sambatra ianao hoy aho teny am-boalohany, izaho mila Mpamonjy, afaka hamonjy ahy amin'ny henatra sy ny nenina maro, ny latsa.
22. rzakarivola ( 29/06/2009 12:51)
Ikaretsaka:
hoy i Md Augustin izay hoe "tiava de ataovy izay tianao atao"

==> Kay ve i Md. Augustin no niteny an'izany e. Le hiran'Ny Ainga no nahenoako an'izay d tena tsy azoko mihitsy le teny, nivavaka aho mba hanazavan' Andriamanitra amiko, kay ny tsy nahazoako an'ilay izy dia tsy nosainiko ilay hoe "tiava marina tokoa", fa ilay "ataovy izay tianao atao" no nibahana be. Fa marina io teny io.

Fahiny aho nitia ihany, fa tsy marina ny fitiavako, misy fomba nahafantarako an'izany. Tia mihira sy mitendry zava-maneno aho, tia misakafo sy mikarakara sakafo, tia mijery télé, tia miara-miresadresaka @ namako, tia indrindra indrindra niaraka t@ olon-tiako, indrindra fa le izahay roa irery. Taloha tsy azoko an-tsaina izany hoe fitiavana an' Andriamanitra, nampihomehy ahy na nahasorena ahy indraindray ny nandre olona niteny hoe "tena tiako Jesosy", "tena tiako Andriamanitra". Rehefa nino an'i Jesoa Kristy aho dia nanomboka nandray am-po ny tenin'ny Baiboly, dia nahatsapa fa mila mitandrina ny Didy hoe "Tiava an'i Yahveh Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ny fanahinao rehetra". Dia résolu aho ny hanatanteraka izany, satria raha tsy tanterako izany Didy izany (izay voalohany indrindra sady iantonan'ny ambiny rehetra), dia voaheloka ho any @ afobe aho izany. Nazoto nivavaka aho, nazoto nanao asa soa, nazoto t@ zavatra maro momba ny finoana e! Fa rehefa nampitahaiko t@ fitiavako an'iretsy voalohany dia tsapako fa tsy tiako akory ilay Andriamanitra, tsy haiko notiavina. Ankehitriny aho resy lahatra fa kay aho tena tsy tia an' Andriamanitra, nefa kosa aho resy lahatra fa Izy dia tena tia ahy, ary ny fitiavaNy ahy dia izao : fony aho mbola mpanota dia maty namonjy ahy Kristy, izay no ahafantarako ny fitiavana ankehitriny, tsy izaho tia an' Andriamanitra, fa Izy tia ahy voalohany, ary izay fitiavaNy ahy izay miasa ato anatiko ka anehoako @ namako mpanota amin'ny momba ahy rehetra fa Kristy efa maty noho ny fahotana, mba hanomezana an'izao tontolo izao famelan-keloka. Ka izay mino Azy dia ho voavela heloka tokoa ary hodiovina ho afaka @ fahotana sy ny loto rehetra.
23. Veloo ( 29/06/2009 17:20)
amiko matoa Andriamanitra nametraka an'io didy faha 5 io dia misy antony be mihitsy ao amin'ny fiainnan-tsika satria fantany fa ho betsaka ny tsy hanaraka an'io ... io tsy midika oe tiavo ny RAD (indrindra rehefa sendra ny RAD izay tsy nahatanteraka ny didiny teo @ ankizy, fa juste manaja an-drizareo fotsiny na nanao ratsy ary ny RAD).
Ary ny ankizy izay tsy manaraka an'io dia mahita ny valony foana any ao ariana any rehefa manan-janaka ry zareo.
24. rzakarivola ( 30/06/2009 08:06)
Veloo >>> Tsy azoko ilay lazainao hoe "io tsy midika oe tiavo ny RAD". Ahoana ny hevitrao amin'ilay tenin'i Jesosy hoe : ny Didy 10 dia miantona @ hoe "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao ..." sy hoe "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ?"
25. Veloo ( 30/06/2009 11:58)
misy ny ankizy dia tena efa mankahala ny RAD no tiako ho lazaina amin;io fa tsy ireo izay tian'ny RAD akory ka, mety tsy vovelatro tsara ny resaka.
Bien sur ny fitiavana no lehibe indrindra
26. gasynamana ( 30/06/2009 13:06)
Raha resaka fanaja fotsiny amin'izao dia tsy voatery hisy fitiavana ny hafa. Izany hoe: afaka mifanaja na dia tsy mifankatia aza, eny fa na dia tsy mifankalala aza. Ohatra: Nisy miaramila iray tsy nifidy an-dRavalomanana ho filoha, saingy rehefa lany filoha Ravalomanana dia mitoraka salut azy izy, manantateraka ny baikony koa, sns... Mari-panajana izany.

Azo atao koa ny manaja ny hafa mba hahazoana ny soa ho an'ny tena manokana. Ohatra: Tany Frantsa aho, rehefa manontany olona dia amim-panajana tsara no hanaovako azy.

Ary raha resaka Fanajana ny Ray aman-dReny kosa no resahana dia izao: Raha ny fomba fisainana amin'ny maha Malagasy dia tokony hajaina ny Ray aman-dReny na ratsy na tsara. Ny antony dia satria ireo no: Fototra nihaviana, ka na ratsy ireo, na tsara, dia ireo no an'ny tena. Raha tsara izy, rehareha, raha ratsy kosa henatra, ka adidin'ny tena ny manarina azy.
Ny zanaka tsy voatery ho diso foana, ary ny ray aman-dreny kosa tsy voatery hanana ny rariny foana. Izany anefa tsy antony hamingavingana an'ireo nahitana masoandro, na hanarina ny menaky ny aina.

Raha ao amin'ny Baiboly dia izao: "Ny didy rehetra" dia mifototra amin'ny didy roa ihany dia tsy inona izany fa ilay hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao"... "Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo" (na hoe: Tiavo ny hafa, toy ny nitiavan'i Kristy anao).
Ny Fitiavana ny hafa dia mifototra amin'ny fitiavana an'Andriamanitra. Ny fanajana ny hafa izany (na ray aman-dreny, na namana, na havana, na fahavalo) dia mifototra amin'ny fitiavana an'Andriamanitra.
27. rzakarivola ( 01/07/2009 14:37)
Sao dia mba tsy mitovy famaritana ny atao hoe :
- fitiavana
- fanajana
eto, ka sarotra ny handrosoana amin'ny fahalalana ny marina
28. andry44 ( 01/07/2009 18:04)
Miombo-kevitra tanteraka @gasynamana aho eo @ lay hoe fanajana.
Ny tsara atao ao an-tsaina mandrakariva angmba de tsy variana ery @ lay tapany 1 isika fa tokony hisaintsaina mandrakariva ny voarakitra ao @ lay Didy rehetra.
Hoy ny teny:"12 Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Amin'ireo Didy napetrak'Atra ho antsika olombelona de io Didy faha5 io ihany no hany misy teny fikasana sy valiny avy atrany @ fandalovan'ny olona iray ety an-tany hoa MBA HO MARO ANDRO HIANAO AO AMIN'NY TANY ZAY OMEN'I JEHOVAH ANDRIAMANITRAO HO ANAO!
Ka na io ihany aza ve tsy tombony be ho an'zay manaraka ny didy? :lol: :roll:
Amiko tsy misy faty antoko ho an'zay manaja ny RAD sady samy mbola ho RAD daholo ihany koa anie !!!
Ny atahorana koa de lay tenin'ny Ntaolo hoe:"Tsy misy ny tody fa ny atao no miverina"
29. bor2lais ( 06/07/2009 16:05)
Hoy i andry44 hoe :

"Amiko tsy misy faty antoko ho an'zay manaja ny RAD sady samy mbola ho RAD daholo ihany koa anie !!!"

->Tsy misy milaza na iray akory aza ange eto hoe aza hajaina ny ray sy ny reny e !

Ny fanontaniana napetraka fotsiny dia hoe "aminao inona no atao hoe manaja ny ray sy ny reny izany" araka io didy io ?

- manaraka hatrany izay lazaina ve ?
- mampita izay voaray tamin'ny fanabeazana amin'ny zanako ve ? sns.
30. Veloo ( 10/07/2009 18:35)
gasynamana =D> ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3671