Lanjalanjao tsara izay atao!
1. soanja
(
12/04/2009 03:19)
Marina fa sahirana isika, marina fa ankaterena ny zavamisy. Tsipahako ny fivarotana na fanofana na izay endrika rehetra milaza fa tsy ny gasy no hanamainty molaly ny tanindrazany.
Hafatra io ho an'izay manam-panahy! Kajio ho an'ny taranakao ny tany!
Raiso ny angady! Avadiho ny bainga! Afafazo ny voa!
Mahaontsa ahy ianao ry Gasikara malalako saingy mino aho fa ho tafita ianao indray andro any.

répondu par pikatti le 12/04/2009 23:57
2. Hinagasy
(
12/04/2009 03:30)
Soanja! miresaka ny fivarotana ataon'i HAT ve ianao? amiko tsy tafatefa ilay hafatrao fa tondroy ohatra ny natao tamin'i Ravalomanana nitady hampanofa tamin'i DAEWOO ito fivarotana ataon'i HAT amin'ny DRT ity!
Na Ra8 na HAT tokony tsy maintsy henjehina rehefa fivarotana tanindrazana no lazaina! sa diso aho, fa tsy io DRT io no lazainao?

3. Noue
(
12/04/2009 06:35)
http://www.latribune.fr/entreprises/tpe-pme/176989/drt-securise-ses-approvisionnements.html
4. Mirananirina
(
12/04/2009 08:22)
Tratry ny paka Soanja a.Efa be ange ny mandray angady e,fa ny vokatra mihitsy no kely na lasany mpangalatra.Lany ny harena
5. xxx
(
12/04/2009 08:49)
soanja:
Marina fa sahirana isika, marina fa ankaterena ny zavamisy. Tsipahako ny fivarotana na fanofana na izay endrika rehetra milaza fa tsy ny gasy no hanamainty molaly ny tanindrazany.
Hafatra io ho an'izay manam-panahy! Kajio ho an'ny taranakao ny tany!
Raiso ny angady! Avadiho ny bainga! Afafazo ny voa!
Mahaontsa ahy ianao ry Gasikara malalako saingy mino aho fa ho tafita ianao indray andro any.
Raha ny manao vavaka tora-po sy ny mamendrofendro aloha dia tena hain'i Soanja e. Kanefa dia vahaolana ve ny fandefasana vetsovetso tahaka izany amin'izao? Toa tsy tonga nayamin'izay hiantefany akory ilay tora-po tsara lahatra fa manaitaitra kely iray minitra an'izay mpamaky fotsiny. Ianao aza lavitra an'ilay tany handefasanao vetsovetso ka mba mitombona ve izany?
Mamporisika ny malagasy handray angady sns ianao nefa na ny tenanao aza tsy mahita akory ireo izay efa manao ny ainy tsy ho zavatra hanamainty molaly ny taniny araka izay vitany. Ka lanjalanjao ihany ny tokony ho lazaina sao lasa manambany izay efa miasa ihany koa ilay izy amin'ny farany.
7. xxx
(
12/04/2009 12:01)
sady mpisolelaka ny fitondrana tgv ! teo aloha milaza soanja hoe vonona hono izy hisolelaka ny fitondran'i tgv nefa eto indray inona ity? aiza re zany e!!!!!
Mpandefa : soanja [ Valio ] 02-04-2009 16:27:27
Lohateny : Zah vonona hisolaleka!
Tsy haiko aloha ianareo fa ny tenako dia vonona hisolelaka amin'ity fanjakana vaovao ity satria izay ihany no hitako fanafody hanarenana ny firenena na hoe fika farany azo ampiharina.
Mila manaiky isika mianakavy fa ok aloha ny zava-drehetra izay tiany apetraka eo dia miangavy azy ireo hanomboka ny fikarakarana ny fifidianana manaraka ary any no manao izay mety hahalany izay tiantsika. Raha misy ny halabato dia akory atao fa izay zany ilay firenentsika hatramin'izao. Mahatsiaro ny vahoaka Cubanina aho dia izay no nataondry zareo dia niodina ny fiainan'ny olona na dia fadiranovana aza ry zareo dia mba tsy ra mandriaka lava no miseho.
Mandritry izany fotoana izany anefa dia miezaka mifandray amin'ny fampianarana sy ny fanabeazana ho iray loha ny vahoaka (focus) amin' izay mba hanana olom-banona afaka isika 40 taona eo no eo. Any angamba dia mba efa lasa any ankoatra aby ny dinozoro rehetra amin'izao ary masoandro vaovao no miposaka amintsika sy ny firenentsika.
Mino mantsy aho fa na dia ratsy aby aza ny fahitantsika ny ankamaroan'ny mpitondra amin'izao dia tsy hilaozan'ny iray na maromaro tena mieritreritra tokoa ny hahatsara ity firenena ity saingy tsy afa nanoatra izy teo amin'ny fitondrana teo aloha.
Misy Fanantenana ao amin' i Madagasikara saingy mila paika milamina fa tsy maika velively.
Atsipy ny tady ho eny an-tandroky ny omby, atsipy kosa ny teny dia ho am-pon'ireo mahalala.
8. Mirananirina
(
12/04/2009 12:44)
sady mpisolelaka ny fitondrana tgv ! teo aloha milaza soanja hoe vonona hono izy hisolelaka ny fitondran'i tgv nefa eto indray inona ity? aiza re zany e!!!!!
xxx a,mampime koa ianao :) :) :)
9. soanja
(
12/04/2009 14:21)
Hinagasy:
Soanja! miresaka ny fivarotana ataon'i HAT ve ianao? amiko tsy tafatefa ilay hafatrao fa tondroy ohatra ny natao tamin'i Ravalomanana nitady hampanofa tamin'i DAEWOO ito fivarotana ataon'i HAT amin'ny DRT ity!
Na Ra8 na HAT tokony tsy maintsy henjehina rehefa fivarotana tanindrazana no lazaina! sa diso aho, fa tsy io DRT io no lazainao?
Raha nanakiana an-dRa8 teto aho dia isany tokoa ny saika hanofana ny tany tamin'ny Koreanina.
Amin'izao anefa dia mitady hanao izany zavatra efa nodisoany izany koa ny fitondrana tetezamita.
Tsy tsara ny fanofana tany ELABE amin'ny tsy tompon-tanindrazana satria manimba na manapotika ny mahaizy azy ireo amin'ny ankapobeny no sady tsy manana holovana ny taranaka any afara. Androany ihany isika no tsy afaka hiasa ny tany , fa tsy midika izany fa tsy hanana izany fahefana izany ny taranaka any aoriana. Tsinjovy ireo.
10. pikatti
(
12/04/2009 14:27)
tsara zany soanja refa tonga saina enao , saika diso tara ny ankamaroan'ny olona efa nahatsinjo an'io ,kikina ny tanàna de varotra tanindrazana sisa ve hatao e, =D> =D>
11. soanja
(
12/04/2009 14:28)
xxx:
soanja:
Marina fa sahirana isika, marina fa ankaterena ny zavamisy. Tsipahako ny fivarotana na fanofana na izay endrika rehetra milaza fa tsy ny gasy no hanamainty molaly ny tanindrazany.
Hafatra io ho an'izay manam-panahy! Kajio ho an'ny taranakao ny tany!
Raiso ny angady! Avadiho ny bainga! Afafazo ny voa!
Mahaontsa ahy ianao ry Gasikara malalako saingy mino aho fa ho tafita ianao indray andro any.
Raha ny manao vavaka tora-po sy ny mamendrofendro aloha dia tena hain'i Soanja e. Kanefa dia vahaolana ve ny fandefasana vetsovetso tahaka izany amin'izao? Toa tsy tonga nayamin'izay hiantefany akory ilay tora-po tsara lahatra fa manaitaitra kely iray minitra an'izay mpamaky fotsiny. Ianao aza lavitra an'ilay tany handefasanao vetsovetso ka mba mitombona ve izany?
Mamporisika ny malagasy handray angady sns ianao nefa na ny tenanao aza tsy mahita akory ireo izay efa manao ny ainy tsy ho zavatra hanamainty molaly ny taniny araka izay vitany. Ka lanjalanjao ihany ny tokony ho lazaina sao lasa manambany izay efa miasa ihany koa ilay izy amin'ny farany.
Manankasina ny teny sady mampitondra fahatanterahana ny zavatra iray satria mihaino antsika Andriamanitra. Mangataha dia omena hoy Andriamanitra izay. Tsy vetsovetso io fa aingam-panahy, toloko avy any anaty hiantefa amin'ny tontolo rehetra. Mihaino Andriamanitra.
Na lavitra aza ny tenako dia mbola tsy nisy fotoana nitsaharako niasa ho an'ny Madagasikara. Manorata any amiko manokana fa atoroko anao hoe firy ny bainga voavadika hatramin'izay ary firy no nahazo tombotsoa. Arahin'asa lalandava ny vavaka! Tadidio fa tsy ny elanelan-tany no hahasakana ny fitiavan-tanindrazana ary tsy ampikoriana ny ra mahaMalagasy!
12. soanja
(
12/04/2009 14:31)
sitlo:
Ka ahoana, mbola hanohana azy ihany sa?
Tsy mbola nanohana n'iza n'iza aloha aho hatramin'izay fa kosa mitaky ny filaminan'ny tany mba hiverina hisian'ny fiodinan'ny asa aman-draharaha.
Ao anaty filaminana sy fahatsapan-tena ary atrika ady am-piheverana ihany no ahitana mangirana sy fahendrena!
13. soanja
(
12/04/2009 14:41)
xxx:
sady mpisolelaka ny fitondrana tgv ! teo aloha milaza soanja hoe vonona hono izy hisolelaka ny fitondran'i tgv nefa eto indray inona ity? aiza re zany e!!!!!Mpandefa : soanja [ Valio ] 02-04-2009 16:27:27
Lohateny : Zah vonona hisolaleka!
Tsy haiko aloha ianareo fa ny tenako dia vonona hisolelaka amin'ity fanjakana vaovao ity satria izay ihany no hitako fanafody hanarenana ny firenena na hoe fika farany azo ampiharina.
Mila manaiky isika mianakavy fa ok aloha ny zava-drehetra izay tiany apetraka eo dia miangavy azy ireo hanomboka ny fikarakarana ny fifidianana manaraka ary any no manao izay mety hahalany izay tiantsika. Raha misy ny halabato dia akory atao fa izay zany ilay firenentsika hatramin'izao. Mahatsiaro ny vahoaka Cubanina aho dia izay no nataondry zareo dia niodina ny fiainan'ny olona na dia fadiranovana aza ry zareo dia mba tsy ra mandriaka lava no miseho.
Mandritry izany fotoana izany anefa dia miezaka mifandray amin'ny fampianarana sy ny fanabeazana ho iray loha ny vahoaka (focus) amin' izay mba hanana olom-banona afaka isika 40 taona eo no eo. Any angamba dia mba efa lasa any ankoatra aby ny dinozoro rehetra amin'izao ary masoandro vaovao no miposaka amintsika sy ny firenentsika.
Mino mantsy aho fa na dia ratsy aby aza ny fahitantsika ny ankamaroan'ny mpitondra amin'izao dia tsy hilaozan'ny iray na maromaro tena mieritreritra tokoa ny hahatsara ity firenena ity saingy tsy afa nanoatra izy teo amin'ny fitondrana teo aloha.
Misy Fanantenana ao amin' i Madagasikara saingy mila paika milamina fa tsy maika velively.
Atsipy ny tady ho eny an-tandroky ny omby, atsipy kosa ny teny dia ho am-pon'ireo mahalala.
xxx> tsy nivadika palitao velively akory aho an. Mbola ilay Soanja tsy tia herisetra sy tsy manaiky ny hanapotehana ny fiandrihanan'i Malagasy ary midrikina ny tokony hiasana na dia anaty sahotohoto aza ny zavamisy ka na dia hifampiraharaha amin'ny fitondrana izao , izay tsy ankasitrahako tokoa, mba hafahana hampisotrona rano madio olona 3000 aza dia ataoko satria tsy fantatro oviana indray vao hovita izany asa izany. Ny vazaha no manatsoaka ny vola ampiasainy any Mada satria betsaka ny hevitra ara-politika ao ambadika. Ny ahy indray dia vitao ny asa fa mangetaheta ny olona dieny mbola misy ny vola sy ny fahavitrihana.
Ny hafa afaka manao izay hitany fa mahamety azy tokoa! Safidy mantsy ny fiainana.
Tratry ny Paka daholo ianareo! Manenika ny fitiavan'i Kristy!
:-* :-* :-* :-* :-*
14. soanja
(
12/04/2009 14:47)
pikatti:
tsara zany soanja refa tonga saina enao , saika diso tara ny ankamaroan'ny olona efa nahatsinjo an'io ,kikina ny tanàna de varotra tanindrazana sisa ve hatao e, =D> =D>
Ny fakana hevitra maimaika toy izao fivarotana/ fanofana sns ny tanin'ny Malagasy toy izao no hitondra antsika amin'ny olana ara-piarahamonina tokoa any aoriana na dia efa misy aza izao izany. Marina fa manampy antsika ara-bola izy izao nefa ve firy amin'ny vahoaka Malagasy no hahazo tombotsoa tokoa? Mila mandinika ny fitondrana!
Diso tanteraka io hevitra io ary enga anie ka tsy tara loatra ny fitarainan'i Malagasy momba izany.
Misaotra Pikatti. Tratry ny Paka!
16. xxx
(
12/04/2009 15:17)
"soanja":
Tsy haiko aloha ianareo fa ny tenako dia vonona hisolelaka amin'ity fanjakana vaovao ity satria izay ihany no hitako fanafody hanarenana ny firenena na hoe fika farany azo ampiharina.
"soanja":ma parole ! mais je réve ou quoi ? tena tokony lanjalanjainao marina ny zavatra lazainao
Tsy mbola nanohana n'iza n'iza aloha aho hatramin'izay fa kosa mitaky ny filaminan'ny tany mba hiverina hisian'ny fiodinan'ny asa aman-draharaha
17. soanja
(
12/04/2009 15:32)

Ka tsy novakianao zany ny teny rehetra voalaza sy ny hevitra voalaza rehetra. Izay ny olantsika amin'ity kitsimpotsimpona ity ary indrindra ny fitiavana hanetrehana ny hevitry ny hafa. Izay mahasoa zaraina fa Paka ny andro. Tsy mahasoa antsika ny mampanofa na mivarotra na manome ny tany ho ampiasain'olon-kafa tsy misy hidiran'ny Malagasy ny momba azy. Fa raha manambady vazaha kosa izy Malagasy dia hoy aho hoe alefaso fa ny ra gasy ao amin'ny taranany no hanana izany fahavokarana izany.
Malalaka isika manova hevitra sns ary voamafy tokoa izay voagejan'ny fifikirana na mametrapahatokisana amin'ny olona iray eo amin'ny fanjakana. Z'inona moa izay fanjakana eto ambonin'ny tany. Tsy manohana n'iza n'iza aho ary averiko eto fa tsy fahendrena ny hamerenana an=dRa8 raha amin'izao.
Ny teny "misolelaka" no mampangidihidy anao dia akory ao ary koa! Ny ahy ny handrosoan'ny fiainam-pirenena satria be ny sahirana no mahamay ahy! Ary avelao ny taranaka mba hamadi-bainga koa tahaka antsika fa tsy havela holalaovin'ny hafa ny tanindrazany.
Tsikerao foana fa manampy ahy hahamitako ny asako ny momba anao! Tratry ny Paka izany malalako!
:-* :-* :-*
18. xxx
(
12/04/2009 15:53)
Isan'ny manaraka ity forum ity ihany aho ary mahatsapa fa manana hevitra tsy hay takarina izany le Soanja. Amin'ny dinika iray izy milaza atsimo dia amin'ny dinika iray hafa dia iny atsimo iny indray lasa avaratra tampoka. Ka soso-kevitra ny ahy ho anao ry Soanja: tsy aleo ve any amin'ny dinika hafa no hametrahanao an'ireo vetsovetsom-po isan-karazany satria hita be raha eto amin'ny Politika fa mivadibadika ohatra ny lela may isaky ny manokatra dinika ny hevitra arosonao ka lasa manome fanafintohinana ihany. Kanefa malalaka ny sehatra ka afaka maneho izay tiany ny tsirairay fa tsy sakanana, izay tsy maharaka no mety ho voa mafy.
19. KALACK
(
12/04/2009 21:16)
ze fampanofana tany key io ts ampahafirin'ny vola sy fabnanampanjakana efa nahodin dadanareo zany ee,,,,
20. pikatti
(
12/04/2009 21:55)
KALACK=andrywui lelenty ve mba misaina e, ampanofao koa ny bofin'elah zany ,fa tsy Madagasikara :-D :-D :-D