Lanjalanjao tsara izay atao!

21. soanja ( 12/04/2009 23:15)
xxx:

Isan'ny manaraka ity forum ity ihany aho ary mahatsapa fa manana hevitra tsy hay takarina izany le Soanja. Amin'ny dinika iray izy milaza atsimo dia amin'ny dinika iray hafa dia iny atsimo iny indray lasa avaratra tampoka. Ka soso-kevitra ny ahy ho anao ry Soanja: tsy aleo ve any amin'ny dinika hafa no hametrahanao an'ireo vetsovetsom-po isan-karazany satria hita be raha eto amin'ny Politika fa mivadibadika ohatra ny lela may isaky ny manokatra dinika ny hevitra arosonao ka lasa manome fanafintohinana ihany. Kanefa malalaka ny sehatra ka afaka maneho izay tiany ny tsirairay fa tsy sakanana, izay tsy maharaka no mety ho voa mafy.


Mino aho fa malalaka ny sehetra rehetre iresahana izay tiana hambara rehefa tsy mandika lalana. Raha manafitohana anao ny mahita ny soratro dia aza mamaky fotsiny ka. Ny tenakodia tsy dia ilay karazan'ny hoe tsy maintsy avaratra na tsy maintsy atsimo aho. Tsy olona no tohanako na tsia eto fa ny zavatra ataon'ilay olona na izay tsy vitany. Hanakiana foana ny asa ataony aho rehefa hitako fa tsy mety ary hidera kosa ny zavabita rehefa mety na dia olona iray aza no manao ireo asa ireo satria nahoana tsy natao hifikitra amin'iza na amin'iza ny fiherehako fa manao ny asa fanompoana fotsiny aho satria izay ny momba ahy.
Tsy mbola nanao xxx aho hatramin'izay nahafantarako ny hoe serasera ary tena mahatsapa fa tahotra no manitrika ny olona iray hanao xxx. Tsy tahotra momba ahy anefa fa tahotra ny ho fantan'ny namany hoe manebateba namana sy ny hafa maro tsy voatanisako. Akory anefa atao fa izay ilay Demokrasia rehefa takiana sy iainana noho izany manaja anareo ny mety amiko. Ny fanajana ny hevitry ny hafa sy ny momban'ny hafa ihany no ahitana mahiratra hanombohana ny MAHAOLONA sy ny fitiavan-tanindrazana. Isika no misy dia natao tsy hitovy daholo ny mahafinaritra sy ny imatimatesana. Tiako ny mampiseho ny vetsovetsom-poko, ianao TSY tia. Akory atao fa mety ho maromaro ihany ny koba voatoto rehefa izany eto!


Aza manahy xxx fa rehefa leo miresaka politika aho dia miala eto dia mifindra indray any amin'izay tiako. Tsy sosokevitra avy aminao io fa zah no manao io safidy io!


22. pikatti ( 12/04/2009 23:57)
xxx17 mpanaraka forum enao koa inona no hiafenanatsisy hamely andragah anie eto e,sa dia efa mahana ny tgvendrana,mivoaha tao fa tsy resa-jaza izy ty na resaka afenina :evil: :evil: :evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0632