Ho sitranin'Atra ny tany raha hanetry tena ny vahoaka
1. niryna
(
22/02/2009 21:02)
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao. II Samoela 7 14-15[/b]
14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.
15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin'ity fitoerana ity; II Tantara 7:14-15
ahoana ny hevitrao fa io no mahazo izao tontolo izao ankehitriny
(l) niryna

répondu par coopsal le 05/03/2009 13:02
2. ikaretsaka
(
22/02/2009 21:22)
fa maninona noe hoe io no mahazo izao tontolo izao?
hazavao misimisy kokoa hoe?
hazavao misimisy kokoa hoe?
3. ZoRajoela
(
22/02/2009 21:40)
Ny eto M/ra manokana sy eto Afrika dia marina izany. Ny fanompoan- tsampy , ny vavaka amin' ny razana sy ny fanahy isan- karazany no fototry ny fijaliana eto amin- tsika. Zavatra tena halan' A/tra izany ary efa nampitandremany fa izay manao izany dia tsy ho vanona ary tsy hahomby amin' ny ezaka hataony rehetra, hatramin' ny taranaka faha efatra mandiby. Ka Jehovah A/tra dia miantso antsika rehetra hoe:
1 Samoela 7,14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony( fanompoan- tsampy sy fivavahana amin' ny razana), dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.
Miverena re amin' i Jehovah ry malagasy. Jesoa no endrika nisehoany teto antany, ary mamerina ny antso Izy: manantona Ahy dia hositranina ny fianankavianao, ny taninao amin' ny fahantrana, amin' ny fikorotanana, amin' ny ady antrano sns...
Tsarovy fa tia anao Jesoa

4. ikaretsaka
(
22/02/2009 22:14)
Ka tsy azoko de hoe ahoana ny olona no manondrana de atra no ataony fanilihana azy
5. soanja
(
23/02/2009 00:56)
niryna:
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao. II Samoela 7 14-15[/b]
14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.
15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin'ity fitoerana ity; II Tantara 7:14-15
ahoana ny hevitrao fa io no mahazo izao tontolo izao ankehitriny
(l) niryna
Mpivavaka ihany isika Malagasy ary raha isaina isanjatony dia isika anisan'ny manana fiangonana betsaka raha oharina ao Afrika. Raha ny gasy fotsiny dia tanisao ny ratsy fanaontsika ao? Efa manasitrana ve ATRA izao sa mbola manafay? Mpanafay tokoa ve ATRA? Inona no vokatry ny famaizana matetika raha ampiharina amin'ny olombelona iray?
6. Fody
(
23/02/2009 08:39)
ZoRajoela:
Ny eto M/ra manokana sy eto Afrika dia marina izany. Ny fanompoan- tsampy , ny vavaka amin' ny razana sy ny fanahy isan- karazany no fototry ny fijaliana eto amin- tsika. Zavatra tena halan' A/tra izany ary efa nampitandremany fa izay manao izany dia tsy ho vanona ary tsy hahomby amin' ny ezaka hataony rehetra, hatramin' ny taranaka faha efatra mandiby.
Raha ny fijaliana aty Afrika sy Madagascar ry namana no jerena dia noho ny fahantrana no antony mahatonga azy. Ary io fahantrana io dia noho ny FITIAVAN-TENA tafahoatra ataon'ny Malagasy vitsy an'isa sy ny Firenenena matanjaka.
Raha ny harena ankibon'ny tany any Madagascar fotsiny ohatra dia ampy hampivoarana tsara ny firenena, nefa iza no mahazo tombon-tsoa avy amin'izany? Amin'izao indray dia omena ny vahiny ny tany mamokatra, dia vao maika hitombo ny fahasairanan'ny olona... Dia mbola sahinao ve ny milaza fa noho ny Malagasy manompo sampy sy mivavaka amin'ny razana no anton'ny fijaliany sy ny fahasahiranany e???
Jereo koa ny zava-misy any amin'ireo tany mpamokatra petrol: ady lava, ary mijaly ny olona. Nefa jereo ny frantsay izay mampiasa solika be dia be, ary saika miankina be amin'izany ny fihodinan'ny orin'asany rehetra. Any frantsa anefa dia tsy misy tany azo itrandrahana solika na dia 1m2 aza. Ny vahoaka frantsay dia tsy tena mijaly ohatra ny vahoaka malagasy. Nefa koa ny vahoaka frantsay dia betsaka no tsy mpino sy mandà an'Andriamanitra, ary misy koa ny mpanompo sampy.... Dia ahoana???
Raha ny Baiboly no jerena dia izao: Inona no fahotana vitan'i Joba teo anatrehan'Andriamanitra nahatonga azy hijaly sy ho ory mafy: maty zanaka, rava fanana, nozohin'aretina, voalatsalatsa, sns.... ?
Hatreo aloha!
Am-pitiavana be!
7. Rafahafahana
(
23/02/2009 09:13)
Aza mety adalain'ny olona nareo ry vahoaka fa matimaty foana sy very asa fotsiny ianareo fa resa-pianakaviana masiso io.
Adin'Ambohimalaza sy Imerikasinina; samia mandinika dia manapaha hevitra, aza mety ataon'ny olona fitaovana mpitehaka sy mpihoby azy ianareo.
Mody hoe fanompoam-pivavakana ho an'ny tanindrazana no niantsoana vahoaka avy eo zavatra hafa no tohiny, aza mivazizazy amin'Andriamanitra fa misy farany ny zavatra rehetra. :roll:

8. coopsal
(
23/02/2009 09:22)
[center]NY HEVITRO[/center]
==> Manana ny hevitro tokoa aho, fa azoko antoka fa tsy mahasoa ary tsy mampandroso sady tsy marina ny hevitro.
Fa ny hevitr' Andriamanitra kosa dia marina, Izy no marina, araka ny tenin'i Jesoa hoe "Manana zavatra maro hitsarana anareo aho, saingy marina izay naniraka ahy".
==>
1- Nantsoina tamin'ny anarako : Olona voafidy izany.
2- hanetry tena : Mahita olona maro manetry tena aho eto Madagasikara, mitaraina ao am-pony mba hisian'ny filaminan'ny fiainana sady malahelo ireto Malagasy mpiray tanindrazana eo anatrehan'ny olana maro samihafa, indrindra izao savorovoro politika izao.
3- ka hivavaka : Tena be dia be mihitsy ny Malagasy mivavaka! Indrindra indrindra amin'izao fotoana mamay eto amin'ny firenena izao. Ny olo-tsotra mivavaka isanandro, ny ao amin'ny fitondrana sy ny mpanohana azy manao rojom-bavaka, ny mpanohitra fitondrana mivavaka miampy fifadian-kanina. Ny haino aman-jery rehetra feno vavaka, andinin-tSoratra Masina ... Hoy aho hoe, mivavaka daholo (ou presque) ny Malagasy.
4- sy hitady ny tavako : Mametra-panontaniana aho raha tena mitady ny tavan' Andriamanitra marina isika mpivavaka be dia be. Ny zava-miseho sy iainana ihany dia maneho fa tsia! Mivavaka amin' Andriamanitra isika fa ny lamosintsika no atolotsika an' Andriamanitra. Ny Soratra Masina dia manambara mihitsy ireo karazana fanompoan-tsampy niainan'ny zanak'Israely fahiny, ny romana sy grika fahizay, ary iainanatsika eto ankehitriny. Ny endriny fotsiny no tsy mitovy.
5- ary hiala amin'ny ratsy fanaony : suite logique avy amin'ilay 4 io, ataon'izay tsy mitady ny tavan' Andriamanitra ahoana no hiala amin'ny ratsy fanaony ? Andriamanitra no mazava, ary izay manome lamosina an' Andriamanitra dia mitoetra ao amin'ny aizina, ka tsy hitany akory fa ratsy ny fanaony. Mahay mahita ny ratsy fanaon'ny hafa izy fa ny an'ny tenany tsy hitany.
- Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino : Moa ve ny mason' Andriamanitra no mikipy ? Sa ny sofiny no tsy mihaino ? Moa ve Andriamanitra ka isan'ireo sampy izay manan-tsofina fa tsy mihaino, na mana-maso fa tsy mahita ? Moa ve Andriamanitra ratsy fanahy ka hanao be marenina ? Jesoa niteny hoe "moa ve Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman'alina ? Homeny rariny faingana izy, kanefa raha tonga ny Zanak'Olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy ?".
- ny vavaka izay atao amin'ity fitoerana ity : Aiza moa io fitoerana io ? Hoy Kristy hoe : "Avy ny andro, ary efa tonga ankehitriny, tsy ho amin'ity tendrombohitra ity na any Jerosalema no hivavahana amin'ny Ray". Moa ve ny vavaka any am-piangonana, izay lazain'ny maro fa tranon' Andriamanitra sy tempoly, sa eny an-tendrombohitra araka izay lazain'ny sasany no ivavahana amin' Andriamanitra? Moa ve tsy efa tonga efa ela ilay andro nolazain'i Jesoa ?
Hoy ihany i KRISTY hoe : "Fa midira ao amin'ny mangingina, ka rehefa narindrinao ny efi-tranonao, ny Rainao izay ao amin'ny mangingina hamaly anao".
Koa aiza ny efi-trano ho hitanao mangingina ? Moa ve efi-trano nataon-tanan'olona no itoeran'ny Ray ? Nefa hoy ny Apostoly Paoly tamin'ny Ateniana hoe "Fa Andriamanitra izay namorona izao rehetra izao tsy mipetraka amin'ny trano izay nataon-tanan'olona". Ny fo no efitra tena mangina, misy ny Ray ... Ary ao no fitoera-masina ivavahana amin'ny Ray. Koa haheno ny Ray ao izay mandrindrina io efi-trano io! Fa raha mbola misokatra ho an'ny zava-drehetra hafa io dia tsy hahare ny Ray mihitsy akory.
FAMINTINANA :
---* Betsaka ihany ny Malagasy manetry tena, maro ihany ny Malagasy mpivavaka, saingy "tsy misy izay mitady an' Andriamanitra", koa tsy misy miala amin'ny ratsy fanaony.
***- Isika izay nantsoina tamin'ny anaran' Andriamanitra, aoka ny fonareo hitady an' Andriamanitra marina, dia hositranin' Andriamanitra ny tany.

Niryna:

9. Fody
(
23/02/2009 09:46)
coopsal: avy aiza ny fijalian'ny Malagasy? Inona no mahatonga ny Malagasy hijaly?
Aza adino fa na ny mpino na tsy ny mpino dia samy mijaly aby izao, ka ahoana no ilazanao hoe: tsy mitady ny tavan'Andrimanitra ny olona dia izay no mampijaly azy?
Ahoana i Joba, ilay nolazaina fa olo-marina, no nijaly sy nozohim-pahorina mafy? Mba valio re!
Toa adinonao lahy fa i Kristy koa anie ka nijaly e! Iza anefa no nanompo sampy, na nanao izay tsy nety teo anatrehan'Andriamanitra, i Kristy ve sa olona hafa?
Raha olona hafa no nanota sy nanao ny tsy nety, ka nahatonga ny fijalian'i Kristy, ahoana ankehitriny no asahianao milaza sy mitoky teny fatratra fa tsy mitady ny tavan'Andriamanitra ny mpino sy ny mpivavaka ka izany no mahatonga azy hijaly??? Mba valio kely azafady!
Am-pitiavana be.
10. xxx
(
23/02/2009 11:30)
Ity misy zvt iray réel ary vao haingana, raha nivavaka aho ary nametraka hoe raha tena olom-boafidinao sy antso avy aminao, ny asabotsy teo @ 07 ora h@ 08 ora teo, de nangataka aho mba handrotsahan'Andriamanitr'Israely an'izy roalahy mianaka ireo ny Fanahy Masina mba hifanatonany sy hifandeferany ho an'ny vahoaka! @ mahaolombelona ahy de efa nieritreritra an'izany hoe impossible nefa gaga aho nahare ny après-midi fa nihaona izy mianaka!
Hasard fotsiny araka ny eritreritro saingy efa im-betsaka ny seho toy izany teo @ fiainako ary t@ toriteny no ni-confirme ahy an'io fa misy io! Andriamanitra no mifidy ny olony ary manana choix fona ny olona saingy rhf sitrapon'Andriamanitra de tanteraka foana!
Sûre fa maro olom-baovao eto Madagasikara, na de ohatra fotsiny aza ireo maro nifady hanina fotsiny ihany aza! Tsy anjarantsika no mitsara ary "Aoka tsy ny sitrapontsika no ho tanteraka fa ny Sitrapon'Andriamanitra, ary za mahatoky tanteraka @ ilay hoe Ze mahasoa no ataon'Andriamanitra ary Izy tsy hanary ny olony izany"!

Betsaka ihany ny Malagasy manetry tena, maro ihany ny Malagasy mpivavaka, saingy "tsy misy izay mitady an' Andriamanitra", koa tsy misy miala amin'ny ratsy fanaony.
Sûre fa maro olom-baovao eto Madagasikara, na de ohatra fotsiny aza ireo maro nifady hanina fotsiny ihany aza! Tsy anjarantsika no mitsara ary "Aoka tsy ny sitrapontsika no ho tanteraka fa ny Sitrapon'Andriamanitra, ary za mahatoky tanteraka @ ilay hoe Ze mahasoa no ataon'Andriamanitra ary Izy tsy hanary ny olony izany"!
11. coopsal
(
23/02/2009 13:08)
Fody:
Aza adino fa na ny mpino na tsy ny mpino dia samy mijaly aby izao ...
==> Nahoana ary Andriamanitra no nilaza fa voaozona ny tany noho ny fahotan\'i Adama ?
Fody:
Ahoana i Joba, ilay nolazaina fa olo-marina, no nijaly sy nozohim-pahorina mafy? Mba valio re!
==> Nahoana ary Davida no nampitenenin\'ny Fanahy Masina hoe : \"Tsy misy mitady an\' Andriamanitra na iray aza\". Ary naverin\'i Paoly ny hoe \"Tsy misy marina na iray aza\" ?
Fody:
Raha olona hafa no nanota sy nanao ny tsy nety, ka nahatonga ny fijalian\'i Kristy, ahoana ankehitriny no asahianao milaza sy mitoky teny fatratra fa tsy mitady ny tavan\'Andriamanitra ny mpino sy ny mpivavaka ka izany no mahatonga azy hijaly??? Mba valio kely azafady!
==> http://baiboly.katolika.org/boky/Amosy/5:21-28
12. Mirananirina
(
23/02/2009 16:17)
Ho sitraniny ahoana intsony moa,efa marary daholo ve ny Gasy sa ahoana??????
13. Fody
(
23/02/2009 16:17)
coopsal!
Mba valio aloha ilay fanontaniana mipetraka aminao fa aza mampiditra olana hafa indray, na miolakolaka sahala amin'io, satria tsy misy ifandraisany amin'ny fanontaniana napetraka ny valin-teny nentinao na iray aza. Azafady indrindra fa izany no marina.
Am-pitiavana be.
15. coopsal
(
24/02/2009 07:10)
Fody:
Mba valio aloha ilay fanontaniana mipetraka aminao fa aza mampiditra olana hafa
==> Ny valin-teniko sy ny teniko anie tsy mahasoa sady azo antoka fa tsy marina e! Fa ny an' Andriamanitra kosa marina. Androany aho niresaka tamina bebe tena efa manjoko be izay, nanontany hoe : "Ahoana moa ry bebe no mba mety ho hevitr' Andriamanitra amin'izao zava-mitranga eto Madagasikara izao ?"
Namaly ihany izy, dia hoy aho hoe "sao kosa mba tian' Andriamanitra hihaino Azy isika ? Tokony mba hanontany Azy isika hoe : Inona ry TOmpo no mahatonga izao".
Niteny avy hatrany ilay bebe hoe : "manompo sampy ny Malagasy. sady mivavaka kanefa mbola mitoky amin'ny zavatra hafa, miala miala tanteraka amin'ny ratsy ny Malagasy.
Tsy marina ny filazana hoe 'Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany'. Andriamanitra manome ampy ary Andriamanitra irery dia ampy, Izy no namorona izao rehetra izao ary Izy no manome.
Ny ràn'i KRISTY dia ampy ho fanavotana". Izay no naverimberiny tamiko.
Ary inoako fa KRISTY no niteny tamin'ny alalan'io bebe io. Ka inoako fa izay no hevitr' Andriamanitra ny amin'ny antony mahatonga ny Krizy, sy ny tian' Andriamanitra handehanan'ny Malagasy.
16. coopsal
(
24/02/2009 07:26)
Ny nasehoko taminao tetsy aloha dia hoe "Ny Fariseo sy ny Mpahay Lalàna, izay nandalina Soratra Masina sy plus ou moins mahay tsianjery, dia diso lalana ny amin'ny tenin' Andriamanitra. Ohatra iray no nilazany fa tsy misy mpaminany avy any Galilia, kanefa Isaia no nanoratra mialoha fa ao @ tanin'ny Zabolona sy Neftali no hiposahan'ny mazava lehibe."
Dia nanome anao andinin-tSoratra Masina mifanohitra amin'ny fiheveran'ny maro aho.
Fa aleo valiako tsotra ary ny fanontaniana.
==> Ataoko fa misoratra ao amin'ny bokin'i Joba ny valin'izay fanontanianao izay ka tsy manontany ahy velively ianao fa mamandrika. Fa tsy i Joba irery akory no olona nijaly tao, fa imbetsaka no voasoratra tao ny nandefasan' Andriamanitra fampijaliana ny Zanak'Israely (izay vahoaka nofidiaNy) noho ny fanompoan-tsampin'ireo, sy ny vavaka fiatsaram-belatsihy.
Raha ny amin'ny Malagasy manokana, dia Andriamanitra no anontanio ny amin'ny antony. Fa ataoko fa Andriamanitra mahay miteny ary mahay teny Malagasy io Andriamanitra io. Ary na dia amin'ny moana sy ny marenina sy ny jamba aza Izy dia mahay miresaka.
Ataoko fa mahavaly ny fanontanianao rehetra io. Kanefa raha tsy mazava aminao izay lazaiko, mankanesa ao amin'ny mangingina ianao, dia manontania ny TOMPO fa Izy hamaly anao ao amin'ny mangingina.

Nahoana i Joba no lazaina fa olo-marina kanefa nampijaliana ?

17. Fody
(
24/02/2009 13:18)
coopsal:
==> Ny valin-teniko sy ny teniko anie tsy mahasoa sady azo antoka fa tsy marina e!
Fantatrao fa tsy marina nefa itomponao teny fatratra fa marina....
Averiko ny fanontaniana raha ohatra ka tsy tsaroanao dia mba valio!!! Marihako fa tsy misy tombon-tsoa ho ahy raha mamandrika anao aho, saingy tiako raha ianao mivantana no mahita ny fahadisoan-kevitrao.
coopsal: avy aiza ny fijalian'ny Malagasy? Inona no mahatonga ny Malagasy hijaly?
Aza adino fa na ny mpino na tsy ny mpino dia samy mijaly aby izao, ka ahoana no ilazanao hoe: tsy mitady ny tavan'Andrimanitra ny olona dia izay no mampijaly azy?
Ahoana i Joba, ilay nolazaina fa olo-marina, no nijaly sy nozohim-pahorina mafy? Mba valio re!
Toa adinonao lahy fa i Kristy koa anie ka nijaly e! Iza anefa no nanompo sampy, na nanao izay tsy nety teo anatrehan'Andriamanitra, i Kristy ve sa olona hafa?
Raha olona hafa no nanota sy nanao ny tsy nety, ka nahatonga ny fijalian'i Kristy, ahoana ankehitriny no asahianao milaza sy mitoky teny fatratra fa tsy mitady ny tavan'Andriamanitra ny mpino sy ny mpivavaka ka izany no mahatonga azy hijaly??? Mba valio kely azafady!
Am-pitiavana be.
18. Fody
(
24/02/2009 13:37)
coopsal:
==> Ataoko fa misoratra ao amin'ny bokin'i Joba ny valin'izay fanontanianao izay ka tsy manontany ahy velively ianao fa mamandrika. .
Voalohany aloha dia izao: Matoa aho manontany dia satria tsy fantatro ny valiny, ary tsy hitako ao amin'ny Bokin'i Joba koa ny valin'io fanontaniana io.
Ianao milaza fa noho ny fanompon-tsampy sy ny tsy fitadiavana ny tavan'ny Tompo no mahatonga ny olona hijaly. I Joba anefa olo-marina ary nitady ny tavan'ny Tompo mandrakariva nefa nijaly sy nozohim-pahorina ka ahoana? satria nahoana? Mba valio azafady....
Lazainao fa mamandrika anao aho. Non no valiny. Tsy fombako ny mamandrika olona.
coopsal:
Fa tsy i Joba irery akory no olona nijaly tao, fa imbetsaka no voasoratra tao ny nandefasan' Andriamanitra fampijaliana ny Zanak'Israely (izay vahoaka nofidiaNy) noho ny fanompoan-tsampin'ireo, sy ny vavaka fiatsaram-belatsihy
i Joba irery tokoa no mijaly sy zohim-pahorina ao amin'io boky ry namana. Tantaran'i Joba io. Ary ireo olona telo nifandimby niresaka taminy dia samy nanameloka azy ho nanao ny tsy nety teo anatrehan'Andriamanitra matoa izy mijaly sy ory.
I Joba anefa dia olo-marina ary fantatr'Andriamanitra ny fahamarinany.... Izany hoe diso avokoa ny lahatenin'ireo niresaka taminy... Ka mbola apetrako aminao ihany ny fanontaniana hoe: Ahoana i Joba ilay olo-marina no nijaly sy nozohim-pahorina??? Mba valio azafady....!
Ampiko hoe: Moa ve ny fijaliana sy ny fahorina dia noho ny fanompon-tsampy sy ny tsy fitadiavana ny tavan'ny Tompo foana no mahatonga azy???
Mba valio azafady!!!
Am-pitiavana be!
19. coopsal
(
24/02/2009 14:38)
Fody >>>
1- Ny fijalian'i joba (ara-nofo) dia voalaza fa satria nomen' Andriamanitra fahefana Satana hanao izay hataony hitsapana an'i Joba. Ary fampijaliana ara-nofo no nataony! Izay ny amin'i Joba.
Ny fanamarihako dia izao, tamin'ny fiafaran'ny tantara, dia niteny tamin'izy telo lahy ireo Andriamanitra hoe : "diso ianareo! Fa mino ahy i Joba ary matahotra ahy, koa ...". I Joba dia nihazona fa nisy Andriamanitra ary nino fa tsy nisy nanana fahefana hampahory toy izao raha tsy avy tamin' Andriamanitra! Saingy raha tsy diso aho dia tsy nanontany an' Andriamanitra izy hoe "fa maninona aho no nampahorianao Andriamanitra?". Rehefa tany am-parany noho izany dia notenenin' Andriamanitra izy. Teny izay tokony ho henony mialoha mba ho nananany fiadanam-po raha nanontany izy.
Tsy manadiso velively an'i Joba aho akory, satria ataoko ahoana no fanadiso izay nohamarinin' Andriamanitra ? Izaho aza mba mila ny fanamarinan' Andriamanitra. Fa miresaka ny amin'ny fihainoana an' Andriamanitra, mihoatra noho ny finoana ny fisiaNy fotsiny aho eto.
Raha diso ny teniko (sy izay ambaran'ireo nandre tamin'ny Tompo), dia hanitsy anay ny Tompo amin'ny faran'ny Tantara hoe "diso ianareo".
2- Ao amin'ny bokin'i Joba dia i Joba irery no nijaly, fa ny baiboly kosa mitantara ny fijalian'ny zanak'Israely imbe dia be ; nanomboka tamin'ny nanandevozana azy ireo tany Egypte, ny an'ireo mpaminany rehefa nilaza ny zava-marina avy tamin' Andriamanitra, ny fijalian'ireo mpianatra.
Ny tiako ambara dia hoe, nisy ny nijaly noho ny fitsapana ny finoany, nisy ny nijaly noho ny fanomezany lamosina an' Andriamanitra, ary nisy ny nijaly mba hamonjena ny mpanota.
Ny cas eto amintsika izao dia tsy ny famakiana tantara akory no ahafantarana ny antony, fa ny fitodihan'ny fo amin' Andriamanitra, mba handrenesana ny feony. Ka Andriamanitra ihany no afaka hanambara ny antony, ary izay mihaino an' Andriamanitra ihany no afaka handre. Ho an'izay tsy mihaino fa mampiasa raisonnement, tsy hahazo izany izy.
Izay no nahatonga ny teny hoe "sy hitady ny tavako, ary hiala amin'ny ratsy fanaony". Atodiho amin' Andriamanitra ny fo dia handre Azy ianao, ary "anio raha hihaino ny feoNy ianao, aza manamafy ny fonao"