Ho sitranin'Atra ny tany raha hanetry tena ny vahoaka
21. niryna
(
24/02/2009 16:07)
ZoRajoela:
Ny eto M/ra manokana sy eto Afrika dia marina izany. Ny fanompoan- tsampy , ny vavaka amin' ny razana sy ny fanahy isan- karazany no fototry ny fijaliana eto amin- tsika. Zavatra tena halan' A/tra izany ary efa nampitandremany fa izay manao izany dia tsy ho vanona ary tsy hahomby amin' ny ezaka hataony rehetra, hatramin' ny taranaka faha efatra mandiby. Ka Jehovah A/tra dia miantso antsika rehetra hoe:
1 Samoela 7,14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony( fanompoan- tsampy sy fivavahana amin' ny razana), dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.
Miverena re amin' i Jehovah ry malagasy. Jesoa no endrika nisehoany teto antany, ary mamerina ny antso Izy: manantona Ahy dia hositranina ny fianankavianao, ny taninao amin' ny fahantrana, amin' ny fikorotanana, amin' ny ady antrano sns...
Tsarovy fa tia anao Jesoa
hmm! misaotra e
22. niryna
(
24/02/2009 16:18)
ZoRajoela:,misaotra anao nizra Rajo a > dia nohamafisin'Atra ihany koa iizany tenianao izany ka hoy izy hoe
Ny eto M/ra manokana sy eto Afrika dia marina izany. Ny fanompoan- tsampy , ny vavaka amin' ny razana sy ny fanahy isan- karazany no fototry ny fijaliana eto amin- tsika. Zavatra tena halan' A/tra izany ary efa nampitandremany fa izay manao izany dia tsy ho vanona ary tsy hahomby amin' ny ezaka hataony rehetra, hatramin' ny taranaka faha efatra mandiby. Ka Jehovah A/tra dia miantso antsika rehetra hoe:
Tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy
Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;
9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, [b]
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
dia soa ihany fa nampahafantariny koa izay rehetra mangetaheta ny tenin'Atra fa
15 Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazony ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin'ny teninay, na tamin'ny epistilinay.
16 Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin'ny fahasoavana,
17 no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin'ny asa sy ny teny tsara rehetra.II Tesaloniana 2: 8-17
23. niryna
(
24/02/2009 16:21)
ikaretsaka:
fa maninona noe hoe io no mahazo izao tontolo izao?
hazavao misimisy kokoa hoe?
ZoRajoela :ary tsy any amintsika ihany fa hatraizatraiza io nolazain'i Rajo io
Ny eto M/ra manokana sy eto Afrika dia marina izany. Ny fanompoan- tsampy , ny vavaka amin' ny razana sy ny fanahy isan- karazany no fototry ny fijaliana eto amin- tsika.
24. niryna
(
24/02/2009 16:21)
ikaretsaka:
Ka tsy azoko de hoe ahoana ny olona no manondrana de atra no ataony fanilihana azy
inona no tianao ho tenenina ?
25. klitika
(
24/02/2009 16:51)
niryna:
Ho sitranin'Atra ny tany raha hanetry tena ny vahoaka
Ilay Atr'Israely ve no lazainao eto? Ny fitoriana an'io mihintsy no mahatonga ny Israelianina ho eo ambany ady sy vono olona foana hatramin'izay ka hatramin'izao koa. Sa izay no atao hoe fanasitranana? Tsy dia azoko fa aza fady.
26. niryna
(
24/02/2009 16:55)
soanja:dia ahoana ny tohiny ?
Mpivavaka ihany isika Malagasy ary raha isaina isanjatony dia isika anisan'ny manana fiangonana betsaka raha oharina ao Afrika.
soanja:
Raha ny gasy fotsiny dia tanisao ny ratsy fanaontsika ao?
angaha moa misy ratsy fanaon'ny gasy sy ratsy fanoan'ny vazaha? rehefa ratsy dia ratsy,ny toerana manankarena no manana fahalalana be kanefa vao maika manalavitra ny Atra satria miala ny tenin'Atra ireo mihevitra azy ho manana fahalalana ? Tsy ny rehetra io fa raha mihevitra izao aho fa hoe noho ny fahaizako no itoriko eto dia diso aho satria raha tsy nomen'Atra fahendrena aho tsy afaka ny izara ny teny izay nomeny
tanisao hoe ny ratsy fanaontsika gasy ry soanja?
soanja:
Efa manasitrana ve ATRA izao sa mbola manafay? Mpanafay tokoa ve ATRA?
mbola tsy nositran'Atra ve soanja? afaka mizara sy mijoro vavolombelona koa mantsy ny olona iray rehefa nahatsampa izany hoe nandray an'Atra izany,avy amin'ny alalan'ny fitiavana ny fahavalony ohantra ,tsy afaka ny ho ilaza izy fa tia an'Atra raha tsy mitia ny fahavalony,mamela ny fahavalony ohatra ,eny amko manasitrana izy ary tsy ara-nofo ihany fa ara-panahy koa ,ireo olona izay voagejan'ny maizina ohatra raha manaiky azy ,mitolona am-bavaka isan'andro ka manaiky azy amin'izay ho loharanon'ny fiainany iray manontolo, izy ,manaiky azy itantana ny fiainany iray manontolo ka miala amin'ny toertra izay tsy tian'Atra ,eny afaka manasitrana ireo rehetra mbola eo ambanin'ny ziogan'ny fahotana tokoa izy.
soanja:ny zanaka tiana tsy itsitsiana rotsankazo hoy ny ntaolo,ka moa ve miandry ho rotsohana amin'ny hazo vao mety ho hendry? nomena ny teny ,moa ve nihaino izy sa miandry kapoka vao manaiky ? misy ny mandray ,misy ny fahaizin'Atra vao mihaino ,misy ny manana safidy hoe tsy andray aho ary dia ho hamafisin'Atra ny fony ary anaiky ny hevii-disoa izy fa tsy manaiky an'ilay Zanany velively ary dia ho halaviriny tokoa ny fony ka
Inona no vokatry ny famaizana matetika raha ampiharina amin'ny olombelona iray?
aminao inona tokoa ny vokatry ny famaizana?manafay antsika tokoa ve Atra ? fa maninona isika no faiziny?
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika%2Ftopic&topid=t3e9da093eecf0&&debut=0
8 Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany ary hofoanany amin'ny fisehoan'ny fihaviany;
9 ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
10 ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11 Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12 mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. II Tes 2:8-12
27. niryna
(
24/02/2009 17:01)
ZoRajoela:
Ny eto M/ra manokana sy eto Afrika dia marina izany. Ny fanompoan- tsampy , ny vavaka amin' ny razana sy ny fanahy isan- karazany no fototry ny fijaliana eto amin- tsika. Zavatra tena halan' A/tra izany ary efa nampitandremany fa izay manao izany dia tsy ho vanona ary tsy hahomby amin' ny ezaka hataony rehetra, hatramin' ny taranaka faha efatra mandiby.
Fody:
Raha ny fijaliana aty Afrika sy Madagascar ry namana no jerena dia noho ny fahantrana no antony mahatonga azy. Ary io fahantrana io dia noho ny FITIAVAN-TENA tafahoatra ataon'ny Malagasy vitsy an'isa sy ny Firenenena matanjaka.
Raha ny harena ankibon'ny tany any Madagascar fotsiny ohatra dia ampy hampivoarana tsara ny firenena, nefa iza no mahazo tombon-tsoa avy amin'izany? Amin'izao indray dia omena ny vahiny ny tany mamokatra, dia vao maika hitombo ny fahasairanan'ny olona... Dia mbola sahinao ve ny milaza fa noho ny Malagasy manompo sampy sy mivavaka amin'ny razana no anton'ny fijaliany sy ny fahasahiranany e???
Jereo koa ny zava-misy any amin'ireo tany mpamokatra petrol: ady lava, ary mijaly ny olona. Nefa jereo ny frantsay izay mampiasa solika be dia be, ary saika miankina be amin'izany ny fihodinan'ny orin'asany rehetra. Any frantsa anefa dia tsy misy tany azo itrandrahana solika na dia 1m2 aza. Ny vahoaka frantsay dia tsy tena mijaly ohatra ny vahoaka malagasy. Nefa koa ny vahoaka frantsay dia betsaka no tsy mpino sy mandà an'Andriamanitra, ary misy koa ny mpanompo sampy.... Dia ahoana???
Raha ny Baiboly no jerena dia izao: Inona no fahotana vitan'i Joba teo anatrehan'Andriamanitra nahatonga azy hijaly sy ho ory mafy: maty zanaka, rava fanana, nozohin'aretina, voalatsalatsa, sns.... ?
Hatreo aloha!
Am-pitiavana be!
misaotra fody nizara a,izao koa anefa no tokony ho fantatsika fa miha-maty ny fiangonana ao france ,marina ve izany ? ary toa olona antitra daholo sisa no tena miangona ,marina ve izany ? amin'ny ankapebeany io an , fa misy kosa anefa ny toerana izay misy fiangonan'ny gasy ,tsy lavina koa izany ,aleloia a, HS kely io fody a fa misy miteny io hoe sambatra hianao afaka miangona fa aty aminay vitsy ny mpiangona ary maro no fiangonana mikatona,ny dikany izany mandositra an'Atra ny olona ? asa aloha izay fahamarinany e
:oops:
28. niryna
(
24/02/2009 17:03)
Rafahafahana:
Aza mety adalain'ny olona nareo ry vahoaka fa matimaty foana sy very asa fotsiny ianareo fa resa-pianakaviana masiso io.
Adin'Ambohimalaza sy Imerikasinina; samia mandinika dia manapaha hevitra, aza mety ataon'ny olona fitaovana mpitehaka sy mpihoby azy ianareo.
Mody hoe fanompoam-pivavakana ho an'ny tanindrazana no niantsoana vahoaka avy eo zavatra hafa no tohiny, aza mivazizazy amin'Andriamanitra fa misy farany ny zavatra rehetra. :roll:
fa inona no nitranga ? inona no tianao ho tenenina ?
:roll:
29. niryna
(
24/02/2009 17:27)
klitika:Atra Israely no Andriamanitra ,Andriamanitry Abrahama sy Jakoba ary Isaika ..... Atra izay nanome ny Zanany dia i kristy izany ,efa niandry ny mpamonjy isika ary efa tonga izy kanefa ny Isarely mbola tsy mino foana izy hatramin'izao
niryna:
Ho sitranin'Atra ny tany raha hanetry tena ny vahoaka
Ilay Atr'Israely ve no lazainao eto? Ny fitoriana an'io mihintsy no mahatonga ny Israelianina ho eo ambany ady sy vono olona foana hatramin'izay ka hatramin'izao koa. Sa izay no atao hoe fanasitranana? Tsy dia azoko fa aza fady.
30. ikaretsaka
(
25/02/2009 04:19)
aty aminay vitsy ny mpiangona ary maro no fiangonana mikatona,ny dikany izany mandositra an'Atra ny olona ? asa aloha izay fahamarinany e
misy ihany be mpiangona ka..
ary tsy hoe mandositra an'Atra ny olona matoa desera ny fiangonana fa misy koa ilay mpitarika no manao izay hampandositra ny olona...
ohatra hoe raha lazaina fa bedy sy voaozona ny olona tsy mahalala ninoninona nefa taritina hoe avy aty... ... BuliSh!
Think about it. some Religion has actually convinced people that there's an invisible man living in the sky who watches everything you do, every minute of every day. And the invisible man has a special list of ten things he does not want you to do. And if you do any of these ten things, he has a special place, full of fire and smoke and burning and torture and anguish, where he will send you to live and suffer and burn and choke and scream and cry forever and ever 'til the end of time!
de avy eo ashena hoe --->But He loves you. He loves you,
31. Fody
(
25/02/2009 07:22)
coopsal:
1- Ny fijalian'i joba (ara-nofo) dia voalaza fa satria nomen' Andriamanitra fahefana Satana hanao izay hataony hitsapana an'i Joba. Ary fampijaliana ara-nofo no nataony! Izay ny amin'i Joba.
Dia miara-miasa amin'i Satana ve izany Andriamanitra?
coopsal:
Ny fanamarihako dia izao, tamin'ny fiafaran'ny tantara, dia niteny tamin'izy telo lahy ireo Andriamanitra hoe : "diso ianareo! Fa mino ahy i Joba ary matahotra ahy, koa ...".
Hay fantatrao fa nisy an'izay resaka izay tao amin'io tantara io, nefa dia sahinao ny milaza fa noho ny fanompon-tsampy sy ny tsy fitadiavana ny tavan'Andriamanitra no mahatonga ny olona hijaly.
Ataoko fa hitanao amin'izao fa tsy voatery hoe noho ny ota sy ny tsy fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra no mahatonga ny fahorina ny fijalina fa maro no antony, ary na dia ny olo-marina eo anatrehan'Andriamanitra dia mety mijaly sy ory koa. Ohatra i Joba. I Kristy izay tsy nanota aza moa nijaly sy maty... ka aza maika manao filazana gratuit fotsiny e...
coopsal:
Ny cas eto amintsika izao dia tsy ny famakiana tantara akory no ahafantarana ny antony, fa ny fitodihan'ny fo amin' Andriamanitra, mba handrenesana ny feony. Ka Andriamanitra ihany no afaka hanambara ny antony, ary izay mihaino an' Andriamanitra ihany no afaka handre. Ho an'izay tsy mihaino fa mampiasa raisonnement, tsy hahazo izany izy.
Dia amin'ny fomba ahoana hono no fihenoana an'Andriamanitra? Moa ve amin'ny alalan'ny fihondrehana ao anaty Baiboly ka mitady ny toko sy andininy mitovitovy amin'ny zava-misy dia avy dia milaza fa izao no tenin'Andriamanitra amintsika? TSIA, tsy izany ry namana no izy.... Ary tsy izany no nampianarin'i Kristy.
Ny nampianarin'i Kristy dia ny fijerena ny signe de temps. Ary tsy afaka hahita an'io ianao raha tsy mijery ny zava-misy, mijery ny tantara... Miaina ao amin'ilay tontolon'ny olona rehetra... Ao no ahitanao hoe: inona no antony mahatonga izao fijaliana izao? fa tsy ao anaty Baiboly akory.... Ary ny vahaolana dia iarahanao mitady amin'Andriamanitra, sy iarahanao manantateraka aminy. Mpiara-miasa amin'Andriamanitra isika fa tsy sanatria olona passif fotsiny akory, ka miandry fotsiny hoe inona indray no hatao sns....
Am-pitiavana be
32. coopsal
(
25/02/2009 13:36)
Fody:
Dia miara-miasa amin'i Satana ve izany Andriamanitra?
==>
Ny Mpitondra fanjakàna eto amintsika dia tsy nanakana ny grevy eo @ 13 mai. En klk sorte, nanome fahefana ny mpanohitra izy. Miara-miasa amin'i Andry TGV ve Ravalomanana ?
Ny ao amin'ny baiboly no milaza fa Andriamanitra no nanome fahefana an'i Satana hampijaly an'i Joba.
Kristy koa nilaza fa Andriamanitra no nanome fahefana an'i Pilato hanombo an'i Jesoa amin'ny Hazo Fijaliana. Ka asa na mpiara-miasa amin'i Pilato Andriamanitra amin' izany na ahoana.
Hatramin'izay ninoako fa avy tamin' Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Dia tsy ny hevitr'olombelona mikasika ny baiboly sy ny versets intsony no nekeko, fa izay hevitra henoko dia nanontaniako an' Andriamanitra tamin'ny anaran'i KRISTY raha tena avy amiNy na tsia. Koa mitaona anao aho hanontany an' Andriamanitra amin'ny fonao ny zavatra rehetra. Raha hevitr' Andriamanitra mantsy no ambarako kanefa toherinao, dia tsy izaho ilay toherinao amin'izay fa Andriamanitra tompon'ny Teny.
Fody:
Dia amin'ny fomba ahoana hono no fihenoana an'Andriamanitra?
==> Ity no fanontaniana tokony hapetrak'izay mikatsaka ny marina. Raha ny fahitako ilay tohin'ny resakao anefa dia toa tsy fanontaniana ilay anao. Tsy dia idirako ny adihevitra ny amin'ny faminaniana. Izay asain' Andriamanitra teneniko no tsy maintsy teneniko. Ary izao no tenin' Andriamanitra mikasika ny firenena :
1- Fiatsaram-belatsihy ny fivavahan'ny Malagasy, Miantso ny anaran' Andriamantira kanefa manao andriamani-kafa.
2- Nanome fe-potoana Andriamanitra, koa raha mitodika amin' Andriamanitra amin'ny fo ny olona nantsoina tamin'ny anaraNy, dia tsy hisy ra mandriaka.
Raha tsy izany no tanteraka dia avy amin' Andriamanitra ilay teny.
Kristy koa tsy afaka nanao fahagagana firy tao amin'ny taniny satria tsy nino Azy ny olona tao.
33. soanja
(
25/02/2009 14:19)

Dia mahagaga ahy dia mahagaga ahy tokoa izao Andriamanitra resahinareo/ tompoinareo ao anaty Baiboly izao ka.
Hoy i Coopsal " Ny ao amin'ny baiboly no milaza fa Andriamanitra no nanome fahefana an'i Satana hampijaly an'i Joba.
Kristy koa nilaza fa Andriamanitra no nanome fahefana an'i Pilato hanombo an'i Jesoa amin'ny Hazo Fijaliana. Ka asa na mpiara-miasa amin'i Pilato Andriamanitra amin' izany na ahoana.
Fa io Andriamanitra io ve zany dia vitany koa mampiasa an'i Satana hampijaly antsika zanany tiany?????
hoy Coopsal " 1- Fiatsaram-belatsihy ny fivavahan'ny Malagasy, Miantso ny anaran' Andriamantira kanefa manao andriamani-kafa."
Aiza zany no hahafantaran'i Ntaolo Malagasy fa tsy izy io Andriamanitra antsoiny io. Ny baiboly oviana no tonga tao Mada. Inona no antsoina hoe Fihatsaram-belatsihy?? Aza dia mba variana mitsaratsara olona loatra fa amiko izay mahasoa no voizo hifampizarana sy ifankatiavana.
34. Fody
(
25/02/2009 15:57)
Hanapiako izay fanamarihana nataon'i soanja dia izao:
Tsy manohitra an'Andriamanitra ry coopsal izay manohitra ny interpretation ataonao eto. Ianao no manohitra an'Andriamanitra satria izy ilay tsy manampetra no terena ho voafetra amin'izay voasoratra fotsiny.
Ny fahefan'i Andry ry namana dia tsy avy amin-dRavalomanana mihitsy, fa avy amin'ireo nifidy azy. tsy Ravalomanana no nanendry azy ho ben'ny tanana, na ho filohan'ny TGV, na tsy haiko...
Ny fitokonana eo amin'ny 13mai no tantaeraka dia tsy misy resaka fahefana avy amin'iza, na avy amin'iza, fa noho ny zo ananan'ny tsirairay amin'ny fanehona hevitra no mahatonga azy ireo ho eo.
Donc, logique mivilana be ny anao... Tsy misy idiran'ny hoe: mpiara-miasa ve sa tsia ravalo sy ny TGV...
Ny fahefana nomena an'i Pilato ry namana dia tsy hoe: hanombohany an'i Kristy amin'ny hazofijaliana akory no nanomezana azy. Mandehana jereo ny baibolinao fa tsy izany no antony nanomezana an'i Pilato ny fahefana. Mbola mivilana koa ny zavatra lazainao eto... Donc tsy mitombina
Dia raha izay no izy, mba valio kely azafady, mpiara-miasa amin'i Satana ve Andriamanitra sa tsia???? Mba valio mazava azafady...
tsy haiko hoe: izaho ve no tsy mahay teny malagasy intsony sa i coopsal no misavoritaka be ihany ka tsy mahalala izay lazainy intsony. Feno contradictoire maintsy ny zavatra lazainy.
am-pitiavana be.
Tsy manohitra an'Andriamanitra ry coopsal izay manohitra ny interpretation ataonao eto. Ianao no manohitra an'Andriamanitra satria izy ilay tsy manampetra no terena ho voafetra amin'izay voasoratra fotsiny.
coopsal:
Ny Mpitondra fanjakàna eto amintsika dia tsy nanakana ny grevy eo @ 13 mai. En klk sorte, nanome fahefana ny mpanohitra izy. Miara-miasa amin'i Andry TGV ve Ravalomanana ?
Ny fahefan'i Andry ry namana dia tsy avy amin-dRavalomanana mihitsy, fa avy amin'ireo nifidy azy. tsy Ravalomanana no nanendry azy ho ben'ny tanana, na ho filohan'ny TGV, na tsy haiko...
Ny fitokonana eo amin'ny 13mai no tantaeraka dia tsy misy resaka fahefana avy amin'iza, na avy amin'iza, fa noho ny zo ananan'ny tsirairay amin'ny fanehona hevitra no mahatonga azy ireo ho eo.
Donc, logique mivilana be ny anao... Tsy misy idiran'ny hoe: mpiara-miasa ve sa tsia ravalo sy ny TGV...
coopsal:
Kristy koa nilaza fa Andriamanitra no nanome fahefana an'i Pilato hanombo an'i Jesoa amin'ny Hazo Fijaliana.
Ny fahefana nomena an'i Pilato ry namana dia tsy hoe: hanombohany an'i Kristy amin'ny hazofijaliana akory no nanomezana azy. Mandehana jereo ny baibolinao fa tsy izany no antony nanomezana an'i Pilato ny fahefana. Mbola mivilana koa ny zavatra lazainao eto... Donc tsy mitombina
coopsal:
Ny ao amin'ny baiboly no milaza fa Andriamanitra no nanome fahefana an'i Satana hampijaly an'i Joba.
Dia raha izay no izy, mba valio kely azafady, mpiara-miasa amin'i Satana ve Andriamanitra sa tsia???? Mba valio mazava azafady...
coopsal:
Tsy dia idirako ny adihevitra ny amin'ny faminaniana. Izay asain' Andriamanitra teneniko no tsy maintsy teneniko. Ary izao no tenin' Andriamanitra mikasika ny firenena :
1- Fiatsaram-belatsihy ny fivavahan'ny Malagasy, Miantso ny anaran' Andriamantira kanefa manao andriamani-kafa.
2- Nanome fe-potoana Andriamanitra, koa raha mitodika amin' Andriamanitra amin'ny fo ny olona nantsoina tamin'ny anaraNy, dia tsy hisy ra mandriaka.
Raha tsy izany no tanteraka dia avy amin' Andriamanitra ilay teny.
Kristy koa tsy afaka nanao fahagagana firy tao amin'ny taniny satria tsy nino Azy ny olona tao.
tsy haiko hoe: izaho ve no tsy mahay teny malagasy intsony sa i coopsal no misavoritaka be ihany ka tsy mahalala izay lazainy intsony. Feno contradictoire maintsy ny zavatra lazainy.
am-pitiavana be.
35. ikaretsaka
(
25/02/2009 16:14)
tsy haiko hoe: izaho ve no tsy mahay teny malagasy intsony sa i coopsal no misavoritaka be ihany ka tsy mahalala izay lazainy intsony. Feno contradictoire maintsy ny zavatra lazainy.
ary kay tsy za irery no nahamarika an'izay...
io no anontaniako azy foana hoe aia no hifandraisany dia aia ro tiany hahatongavana
36. Koditra
(
25/02/2009 17:09)
Lasa lavitra be lé fanoharana isankarazany.
Amiko, raha mijaly ny firenena malagasy dia nohon'ny tsy fahaizan'ny mpitondra nifandimdy h@ zay, indrindra indrindra ny mpitondra @zao fotoana, tsy fahaizana mitady vahaolana sahaza, tsy fahaizana mifehy sy mijery ny laharampahamehana, tsy mahafantatra na minia tsy mijery ny tena olana mianjady marina ny vahoaka malagasy.
Koa satri resaka Fivavahana sy Finoana mo izy ity dia ampiko oe : moa ve ny mpitondra mba tena mivavaka sy mangata-pitahiana ho an'ny firenena isanandrosanandro ary manankina ny fitondrany @ A/tra marina? Mangataka hevitra mba hahasoa sy ampandroso ny firenena tarihiny @A/tra isanandro ve izy? Sa sanatria endrika ivelany fotsiny ilay titre hoe kristianina? "Tena be dia be mihitsy ny Malagasy mivavaka! Indrindra indrindra amin'izao fotoana mamay eto amin'ny firenena izao." ozizy Coopsal, mila ivavahan'ny malagasy rehetra koa ve ny mpitondra mba itodika @A/tra?
Tsy midika akory zany hoe hiandry pasitera na môpera ho Filoha vao hihena ny fijalian'ny malagasy.
Ampiko eny iany raha mbola misy aingam-panahin-kevitra...

37. niryna
(
26/02/2009 16:19)
coopsal:
[center]NY HEVITRO[/center]
==> Manana ny hevitro tokoa aho, fa azoko antoka fa tsy mahasoa ary tsy mampandroso sady tsy marina ny hevitro.
Fa ny hevitr' Andriamanitra kosa dia marina, Izy no marina, araka ny tenin'i Jesoa hoe "Manana zavatra maro hitsarana anareo aho, saingy marina izay naniraka ahy".
Niryna:
14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.
15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin'ity fitoerana ity; II Tantara 7:14-15
==>
1- Nantsoina tamin'ny anarako : Olona voafidy izany.
2- hanetry tena : Mahita olona maro manetry tena aho eto Madagasikara, mitaraina ao am-pony mba hisian'ny filaminan'ny fiainana sady malahelo ireto Malagasy mpiray tanindrazana eo anatrehan'ny olana maro samihafa, indrindra izao savorovoro politika izao.
3- ka hivavaka : Tena be dia be mihitsy ny Malagasy mivavaka! Indrindra indrindra amin'izao fotoana mamay eto amin'ny firenena izao. Ny olo-tsotra mivavaka isanandro, ny ao amin'ny fitondrana sy ny mpanohana azy manao rojom-bavaka, ny mpanohitra fitondrana mivavaka miampy fifadian-kanina. Ny haino aman-jery rehetra feno vavaka, andinin-tSoratra Masina ... Hoy aho hoe, mivavaka daholo (ou presque) ny Malagasy.
4- sy hitady ny tavako : Mametra-panontaniana aho raha tena mitady ny tavan' Andriamanitra marina isika mpivavaka be dia be. Ny zava-miseho sy iainana ihany dia maneho fa tsia! Mivavaka amin' Andriamanitra isika fa ny lamosintsika no atolotsika an' Andriamanitra. Ny Soratra Masina dia manambara mihitsy ireo karazana fanompoan-tsampy niainan'ny zanak'Israely fahiny, ny romana sy grika fahizay, ary iainanatsika eto ankehitriny. Ny endriny fotsiny no tsy mitovy.
5- ary hiala amin'ny ratsy fanaony : suite logique avy amin'ilay 4 io, ataon'izay tsy mitady ny tavan' Andriamanitra ahoana no hiala amin'ny ratsy fanaony ? Andriamanitra no mazava, ary izay manome lamosina an' Andriamanitra dia mitoetra ao amin'ny aizina, ka tsy hitany akory fa ratsy ny fanaony. Mahay mahita ny ratsy fanaon'ny hafa izy fa ny an'ny tenany tsy hitany.
- Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino : Moa ve ny mason' Andriamanitra no mikipy ? Sa ny sofiny no tsy mihaino ? Moa ve Andriamanitra ka isan'ireo sampy izay manan-tsofina fa tsy mihaino, na mana-maso fa tsy mahita ? Moa ve Andriamanitra ratsy fanahy ka hanao be marenina ? Jesoa niteny hoe "moa ve Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman'alina ? Homeny rariny faingana izy, kanefa raha tonga ny Zanak'Olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy ?".
- ny vavaka izay atao amin'ity fitoerana ity : Aiza moa io fitoerana io ? Hoy Kristy hoe : "Avy ny andro, ary efa tonga ankehitriny, tsy ho amin'ity tendrombohitra ity na any Jerosalema no hivavahana amin'ny Ray". Moa ve ny vavaka any am-piangonana, izay lazain'ny maro fa tranon' Andriamanitra sy tempoly, sa eny an-tendrombohitra araka izay lazain'ny sasany no ivavahana amin' Andriamanitra? Moa ve tsy efa tonga efa ela ilay andro nolazain'i Jesoa ?
Hoy ihany i KRISTY hoe : "Fa midira ao amin'ny mangingina, ka rehefa narindrinao ny efi-tranonao, ny Rainao izay ao amin'ny mangingina hamaly anao".
Koa aiza ny efi-trano ho hitanao mangingina ? Moa ve efi-trano nataon-tanan'olona no itoeran'ny Ray ? Nefa hoy ny Apostoly Paoly tamin'ny Ateniana hoe "Fa Andriamanitra izay namorona izao rehetra izao tsy mipetraka amin'ny trano izay nataon-tanan'olona". Ny fo no efitra tena mangina, misy ny Ray ... Ary ao no fitoera-masina ivavahana amin'ny Ray. Koa haheno ny Ray ao izay mandrindrina io efi-trano io! Fa raha mbola misokatra ho an'ny zava-drehetra hafa io dia tsy hahare ny Ray mihitsy akory.
FAMINTINANA :
---* Betsaka ihany ny Malagasy manetry tena, maro ihany ny Malagasy mpivavaka, saingy "tsy misy izay mitady an' Andriamanitra", koa tsy misy miala amin'ny ratsy fanaony.
***- Isika izay nantsoina tamin'ny anaran' Andriamanitra, aoka ny fonareo hitady an' Andriamanitra marina, dia hositranin' Andriamanitra ny tany.
misaotra antsika rehetra nandray anjara aho ,ary misaotra koa ry coopsal nanazava a
38. niryna
(
26/02/2009 16:33)
niryna:
II Samoela 7 14-15
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.
ny tenin'Atra eto dia manambara antsika ilay fitiavan-dray,fananarana amin'ny fony satria mahafantatra izy fa nanao ny tsy mety ny zanany ka dia nahitsiny..
niryna:raha .......hanetry tena , raha ....tena hivavaka,raha.... hitady ny tavan'Atra ,raha .....hiala amin'ny ratsy rehetra
II Tantara 7:14-15
14 raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.
dia hihaino azy Aho ......dia hamela ny helony Aho ....dia hanasitrana ny taniny Aho ......
niryna:
[b]
15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka izay atao amin'ity fitoerana ity;
raha manao ireo rehetra ireo ny firenena rehetra ,isika rehetra dia ...hihiratra ny masoKo hoy Andrimanitra....hihaino ny vavaka ny sofiKo
(l) niryna
39. klitika
(
27/02/2009 15:11)
Atra ho'a tsy formule, tsy taharo simika, na kajikajy fizika, ka hoe ity ampiana an'ity. Na hoe ireto voasoratra ireto, na hoe araky ny voasotra ao anatin'ny boky fianarana.
Fa raha mino an'Atra ianao dia izay, fa aza adikadika fotsiny ny voalazan'ny sasany na ny voasoratry ny sasany, fa lasa Atra tsy mivoatra no sady tsy mivela-pijery ilay Atra itokianao. Ka moa va tsy vatolampy miziriziry fotsiny. Sanatria an
Ny an'ny sasany indray dia hoe "Atra manasitrana", dia mitalaho amin'ny zanahary mafy mba ho sitrana. Dia hoy aho hoe: "Misy mihevitra an'Atra ho adala mihintsy namelona ireto biby sy zava-maniry ireto talohan'ny olona"

40. ikaretsaka
(
27/02/2009 15:17)
Fa raha mino an'Atra ianao dia izay, fa aza adikadika fotsiny ny voalazan'ny sasany na ny voasoratry ny sasany, fa lasa Atra tsy mivoatra no sady tsy mivela-pijery ilay Atra itokianao. Ka moa va tsy vatolampy miziriziry fotsiny. Sanatria an
iItovizako hevitra