VAVAKA
1. rijadolly
(
26/01/2009 11:37)
Andriamanitra ô!Aza ilaozanao ny Firenenay.Mifona ny fahotana efa vitanay izahay.Amen :cry: :cry:
répondu par aikon le 21/02/2009 07:51
2. eh
(
26/01/2009 13:24)
Efa tsy nanary antsika izy ary mino isika fa mbola eo anilantsika mandrakariva izy raha mbola tsara sy mety no nataontsika, mino izany aho ary tsy very finoana!! tsy maintsy ho tonga ny fahafahana ê!!!!
3. Nandra1
(
27/01/2009 05:22)
Ry Andriamanitra Ray, ZAnaka, Fanahy Masina ô! Vonjeo ny firenenay!
MAtoky anao tanteraka Izahay!!!!!!!!!!!!!!!
MAtoky anao tanteraka Izahay!!!!!!!!!!!!!!!
4. Mandefitra
(
27/01/2009 05:37)
Dia sakano ry Andriamanitra Mahefa ny zavatra rehetra ,ny sain-dratsy sy ny asa fanakorontanana rehetra, fa aoka hanjaka ao @ firenenay ny filaminana sy ny fampandrosoana.
Henoy ny vavakay Andriamanitra o fa Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Mpamonjy anay no hanaovanay izany. Amen
Henoy ny vavakay Andriamanitra o fa Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Mpamonjy anay no hanaovanay izany. Amen
6. prime
(
27/01/2009 06:30)
Ny famindramponao no angatahanay fa nanota teo imasonay izahay, nanompo andriamanin-kafa ny firenenay, nanamarin-tena ny firenenay, tsy nijoro tamin'ny fahamarinana sy fahamasinana ny mpanomponao rehetra nofidinao fa nanaiky sy nankasitraka ny ratsy... koa mifona aminao izahay... raha mbola misy na dia vitsy ihany aza eto amin'ny firenena hainoanao vavaka Jesosy ô, dia jereo ny firenenay... mitalaho aminao izahay ka mamindrà fo Jesosy ô... mba hanaiky hiasan'ny rànao masina anie ny vahoaka, ny mpitondra isan-tsokajiny ka hitalaho hanatona ny hazofijalianao...
Misaotra Jesosy ô... ho anao irery ny voninahitra mandrakizay mandrakizay... Amen!
Misaotra Jesosy ô... ho anao irery ny voninahitra mandrakizay mandrakizay... Amen!
7. fahamarinana
(
27/01/2009 07:38)
:arrow: Mifona Tompo o ! Mamindra fo aminay,Sasao ho afaka heloka,Diovy ho afa-pahotana...Alaviro izay ratsy rehetra mety hamatotra anay sy ny firenenay ary ireo mpitondra ny firenenay .Ianao no tokinay,Ianao no fanantenanay ...Amin'ny anaran'ilay Zanakao mahery sy tia anay no hangatahanay zany vavaka izany.Misaotra Jesoa o ! Dera sy Laza ho anao irery..Amen ! (l)
8. bor2lais
(
27/01/2009 08:43)
\"Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy;
Ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy ...
Aza mahafoy ahy, Jehovah ô;
Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
Faingàna hamonjy ahy,
Ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.\"
Amen.
Ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy ...
Aza mahafoy ahy, Jehovah ô;
Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy.
Faingàna hamonjy ahy,
Ry Tompo, Mpamonjy ahy ô.\"
Amen.
10. ikaretsaka
(
27/01/2009 13:46)
Tsary ze tianay re ro ho aoka hatao aminanay re Razezo, fa izay hitanao fa hahasoa anay. AMDG
11. ikaretsaka
(
27/01/2009 13:47)
Tsary ze tianay re ro ho aoka hatao aminanay re Razezo, fa izay hitanao fa hahasoa anay. AMDG
13. soanja
(
27/01/2009 15:23)
Tompo o! Tsilovy ny sain'ireo mpitondra handray ny fahamarinanao.
Esory ao ambany vahoan'ny fanandevozana ny sain'izy ireo ary omeo azy ny fanahinao mpamindrafo sy mpankahery ary mpamelona.
Tompo aiza ianao amin'izao olana mianjady ny firenenay izao? Mino aho fa any anatinay tsirairay manolo-tsaina ny fahamarinana. Miandry ny asanao sy ny fiasany aminay tsirairay avy ny mpanomponao.
Firenena milamina sy tony ary feno fahavelomana no takianay avy aminao! Ianao no mpanamboatra, ianao no mpanantanteraka. Henoy re ny vavakay! Soanja

14. ikaretsaka
(
27/01/2009 16:06)
Raha mijery ny fivavakareo eto aho de otran'ny hoe mibaiko an atra no iheveranareo ny hoe mivavaka,
Omeo, ataovy..vitao...
Za tsy manda hoe tsary misy zavatra tsy vitany fa le fiheverana sy fomba no
Lasa ohatran sitrapontsika no priorite...nefa dedaka ery rehefa rainay any an danitra ..HATAO ANIE NY [U]SITRAPONAO[/u]

15. soanja
(
27/01/2009 16:21)
Marina izany Ika, Ny tenako dia mibaiko- maniraka- miantso avo- mitalaho- azy izao hiasa ao amintsika tsirairay avy. Mety mila izay tsindry izay angamba izy vao mba hihetsika. Izy ny mpanamboatra, Izy no manantanteraka. Azy ny fahafahana.
16. rijadolly
(
27/01/2009 16:29)
Andriamanitra ô!Indro averiko eto indray ireo fifonako,Ray ô!Mandohalika eto anatrehanao aho,mamela ny heloka izay efa vitanay,eny hatramin'zay efa nomaniko nefa tsy araky sitrakao.Mifona aminao aho Ray.Sitrano ny Fireneko fa marary.Tsy zakako ny mijery ny loza manjo azy.Sitrano ny fireneko mba hiderako Anao.Sitrano ny fireneko mba hisehon'voninahitrao ka hanaiky izahay rehetra iray firenena fa Hianao ny tompon'Hery.Jesosy ô ento ny fivavakay fa mitalao mafy aminao izahay.Amen!
17. ikaretsaka
(
27/01/2009 16:43)
Ary raha ity izy hono miteny hoe tsy nohon'ny helokareo loatra ra RD no nahatonga izao fa mba Hahatsapanao any aoriana any fa mba hahasoa anao bebe kokoa..saingy misitery tsy takatrao aloha izany izao ka ekeo fotriny fa izao no nandaharako azy... De ahoana?
Dia eo le anaovako hoe diniho sy ataovy ohatra ny toetrtan'i toan'i Maria Reny Masin'i jesoa...
Nanaiky ze tranga niseho sy nitahiry izany tao am-pony izy... tsy niteny izy hoe mandoalika aho de mitalaho mba tsy hovonoin'ny romanina ny zanako ry andriamanitra fa naloaky ny kiboko...
Mety hanampy anao hahazo ny tiako holazaina angamba raha mandinika sy mijery ny pieta ianao

18. rijadolly
(
27/01/2009 16:58)
Ika a! maiangavy an'se aho alefao ny fivavak'se fa ilaina,tsy fotoanan'ny ady hevitra zao fotoana zao,mila antsika mpino ny Firenetsika :-*.Mialatsiny an'se aho ra tsy afaka mamaly an'se manombok'eto mba hifantohako tanteraka.
20. niryna
(
27/01/2009 18:51)
Ry Andrimanatra mahery sy tsara indrindra o,misaotra anao izahay fa mbola afaka midera sy mankalaza ny anaranao.Mifona aminao izahay fa nanota teo anatrehanao ka tsy mendrika akory ny hiantso ny anaranao.Tahio ity firenenay ity,diovy izahay mba ho afa-pahotana,sasao madio izahay mba ho afak'eloka.Esory aminay ny lolom-po sy ny fialonana,ny toetra izay tsy mendrika ka tsy mifanaraka ny sitraponao.Tompo o enga anie ny fanahinao masina no hirotsaka ato am-ponay tsirairay avy ka hitodi-doha iverina aminao indray.Omeo hery ireo mpitondra sy ny filoha mba anankina ny asa nampanaovina azy ireo eo am-pelantananao,mba atahotra anao ary mba ametraka anao hoe eo ambonin'ny zavatra rehetra.Tsy ho lavorary ny firenenay tompo o raha tsy mametraka anao hitari-dalana anay avy.Koa mihaino ny vavakay tompo o ary enga anie tsy ny sitraponay no ho tanteraka fa ny sitraponao irery ihany.
Avy amin'ilay zanakao malalanao kristy tompo no anaovanay izany vavaka izany
Amena
niryna
Fampaherezana ho antsika rehetra
Salamo 1: 1-3
1 Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;
2 Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
3 Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
Salamo 23 :1-4
1 Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
3 Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
4 Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.