VAVAKA
21. mia
(
27/01/2009 19:23)
mampahery be ny vavakareo fa dia tena mahakivy tokoa indraindray ilay fihetsika te hifaninana!!nefa hay moa voasoratra fa Raha azom-pahoriana hianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao hianao any am-parany ka hihaino ny feony; DEOTERONOMIA 4
Manjaka ny fitaka, fandrobana nefa saika hadinoko fa misy IRAY izay efa nanolotra ny ainy ho antsika ary koa hoy ny ohabolana 20 hoe Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
Manaova soa tokoa fa miharatsy izao fiainana izao!!any am-parany tokoa efa voalaza fa ho tia tena ny olona,tia voninahitra
fa any am-parany any dia hisy andro mahory, Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra,
manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro

22. rijadolly
(
28/01/2009 00:59)
Andriamanitra ô! indro fa efa tazanay sahady ny voninahitrao.Manaiky ny heriNao zahay.Midera Anao aho fa Hianao ilay Andriamanitra be Fitiavana sy be Famindrampo.Indro fa tazanay ny TanaNao mitsotra mandray anay.Indro ataovy FitaovaNao sy hitarafana ny fisiaNao ny Firenenay.Jesoa ô!Misaotra anao izahay nisolo hitondra ny elokay sy ny fifonanay,Masina ny ràNao.Misaotr Andriamanitra ô! dera sy laza ho Anao.
23. xxx
(
28/01/2009 01:31)
Andriamanitra Rainay o! Aza avelanao ho voakorotan'ny demony sy mpihatsaravelatsihy ny olonao mivavaka eto. Misaotra Anao izahay fa Andriamanitra mihaino sy mamaly vavaka ianao, ary mahafantatra ny any am-pon'ny tsirairay. Amen!
24. ikaretsaka
(
28/01/2009 02:18)
1- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
'Reo zanany enjehina, hidina an-tranomaizina :
anaovana herisetra sy verezin-jo tanteraka ;
'reo zanany mioitra miantsoantso rariny :
giazana fatorana... fa mendrika famaizana !
Fantatry ny Ray !
Ho avy ny fotoana, fa tsy sitrak'Andriamanitra
ho very maina foana 'zao fahoriana izao... !
2- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
'Reo zanany madinika mitrongy vao mba homana :
tolorana ambim-bava ireo ho tamby fampanginana ;
'reo zanany fitahina amy lainga tsara lahatra :
tiavina, tiavina ho tohatra fiakarana !
Fatatry ny Ray ... !
3- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
'reo zanany ialonana, fofoina sy somparana :
azera raha mijoro, finganina raha miarina ;
'reo zanany rorana, ka esoina raha miezaka :
kanefa dia latsaina raha kivy fo tanteraka !
Fantatry ny Ray ... !
4- Fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony,
'reo zanany tomany fa nidonam-pahoriana :
milofika irery tsy mba manan-kianteherana ;
'reo zanany nanota ka ihofana torahana :
tondroina hoe voaozona, tsy mendrika ho velona !

25. rijadolly
(
28/01/2009 16:45)
Andriamanitra ô! Ampangino ny ambom-ponay,aza avela hanamaritena izahay.Tantano ny andry afoNao sy ny andry rahoNao izahay mba handehananay izay sitrakao,ny FanahimasiNao tokoa anie ny hameno ny fonay hitaridalana anay ka hanohitra ny fanahin'tia korotana sy fizarazarana ary ny fanamarinan-tena sy ny fialonana,satria tsy avy any aminao ireo.Omeo anay ny Fandeferana izay efa nasehon'Zanakao dia Jesoa Kristy zany ka ahaizanay mamela izay noheverinay fa nanao ratsy taminay.Ampanjakao eto amin'Firenenay ilay Fitiavana avy any aminao.Misaotra Ray ô Amen!
26. ikaretsaka
(
29/01/2009 16:25)
Ambarao anay ny sitrakao ro Ray. Hotanterahinay. Natoronao zahay fa ny vavaka de tolona fa tsy sento..natoronao anay fa ny sitraponao no aloha.. zay vao ny sitraponay..natoron'ny Zanakao fa"hotanteraka anie ny sitraponao" ary ny hanatanteraka izay no nanirahanao anay. Indraindray izay tsy tsapanay sy toa hadinonay. Ampatsiahivo anay.AMDG
27. rakapy
(
30/01/2009 16:39)
Re Zanahary nahary gny volagna ndre ro masoandro, ndre riaka sy vohitse, n'aombe ,re olo, ndra devoly, ne njely.
Enteho lahy ty gasy fe miady toa amboa, mifamango toa piso, mifandrovitry toa valavo.
Re zanahary! mihomakomaky 'ty tany atoy, mialy ny mpiava. mialy areha, mialy seza, gna iarivo agny, gna Toliara agny, nga Sambava agny, gna toamasy agny,
Enteho ndre tsinjovy 'ty Gasy fe mihomakomaky 'ty tany atoy

29. rijadolly
(
30/01/2009 17:31)
Andriamantra ô!Apetrakay eo an-tananao ny fanahianay rehetra ny ampitso.Asehoy ny fahagagana avy any aminao.tafiotra ampangininao,ny vavan'liona akombonao,Ny afo mavaivay tsy an-doro,na iza na iza ampiakatra ny dégré ny afo avo fitoheny dia tsy hanan-kery amin'ity Firenena mibaboka aminao ity.Aza avela izahay ihany no ataon'devoly fitaovana hanimba ny Firenenay.Indro mitodika aminao tanteraka ny iray Firenena na atoko mpinoana inona na inona.izay manolotra ny fanahianay aminao.Ampodio ho Fifankatiavana izany fanahianay izany.Hidera Anao izahay rampitso,hankalaza Anao izahay rampitso,Hifandray tanana eo anatrehanao izahay rampitso ho vononahitrao.Misaotra Jesoa Zoky malalanay ô,amin' Finoana Anao tanteraka ny angatahinay izany ry Mpanalalana ô.Amen =D> =D> =D>
30. ikaretsaka
(
30/01/2009 17:49)
Ay tsy mila ty fahagaga be vata se mihezingezigne avao re ndregnagnahary vo manaiky anao. Ampio. Raiky ahay etoa himaso ny sitrakao. Etseo ay hitaly hahatsapa soa koahe eko sitrakao lehe abo fa tsy sitrakay. Afamalikay koahy raha io matetike.
31. rijadolly
(
01/02/2009 03:46)
Andriamanitra ô!Indro midera sy mankalaza Anao aho noho ireo soa efa vitaNao nefa tsy tsaroanay akory ny halebeazan'ireny.Ny lamina rehtra dia Anao,ny fotoana dia Anao,Hianao mahalala izay heverana anay.Mifona ho an' ireo Mpiray tanindrazana aminay aho noho ireo heviny fa tsy hevitrao ka mahatonga ny fisarahana,adilahy,eny voaozingozina hatramin'Finoana aza. Ray ô!Atakalozy fo nofo ny fonay izay fo vato ka tsy ahalala ny sitrakao fa mievitra ny hevitray ho marina ka mahatonga anay hiziriziry.Efa hitako ny asa izay vitaNao sy ireo Irakao samy hafa,indrindra indrindra ny Zanakao lahy Tokana dia Jesoa Kristy izany noho ireo fiovana teto amin'Firenenay.Nihevitra izahay fa tsy hangina intsony ny korotana,indro efa nampangininao izany.Misaotra Ray ô!,Midera sy mankalaza Anao izahay noho izany.Izany dia tsy noho ny herinay fa noho Hianao ary indro ny voninahitra dia atolotray ho Anao.Mivavaka aminao aho,mitalao aminao aho,aza asiana very na iray aza aminay ka hamafisinao ny fony,Vangio Jesoa ô ny fon'izy ireo,asio zezika farany izahay sao dia hamokatra ihany fa tsy hanimba ny tany.mba tsy ho tanteraka aminay izao teny izao...Ny alina mitondra fisainana.Midira Jesoa ô!Tafio izahay ahalala ny sitrakao.Misaotra Ray ô! Amen!
32. rijadolly
(
01/02/2009 03:48)
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=ISAMOELA&toko=2&andininy=25-25&dika=
33. rijadolly
(
07/02/2009 18:51)
Andriamanitra ô!Tsy mitsahatra mifona aminao izahay,Tsy mitsahatra miantso Anao izahay,Indro izahay mpino rehetra mandondona aminao,mangataka aminao,mitalao mafy aminao.Avelao Ray ny elokay rehetra.Manaiky ny Zanakao lahy tokana izahay ho Tompo sy mpamonjy anay.Izay mitondra ny elokay rehetra eo anatrehaNao mba ho dioviNy ka tsy hanananay tsiny eo aminao.Andriamanitra ô!ataovy mitodika aminao izahay ka ahalalanay ny hevidiso ka mahatonganay hitohetra amin\'lalan-diso.Ampangino ny ambom-ponay ka hiteoheranay ny sitrakao.Tompon\'andraikitra aho Tompo ,tsy afa-maina amin\'zao zava-miseho eto amin\'firenenay izao aho.Mifona aminao aho ho an\'Fireneko sy ireo mpiara-belona amiko.Indro aforitro eo ambany tongotra ny lohaliko,aza avela ho mehezan\'ireo fahavalon\'fireneko ny fahavoazany.Mifona aminao aho...
34. ikaretsaka
(
07/02/2009 19:35)
Ouin ouin anjemanitso...blablabla anjemanitso.. ataovy zao,vitao zao,karakarao zao, fenoy zao,afaho zao (apetraho eto ze matoanteny @ fomba mandidy rehetra) anjeman tsooo
Rakitra amizay
Rakitra amizay
35. rijadolly
(
08/02/2009 02:39)
Andriamanitro ô!Mino Anao aho ary fantatro fa mpamindra fo ianao tsara indrindra Hianao.Mangataka Aminao re izahay aza tanterahana eto amin\' Firenenanay izao teny izao.. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JEREMIA&toko=11&andininy=14-14&dika=
36. rijadolly
(
09/02/2009 17:14)
Andriamanitra ô! entiko eto aminao indray ny fitebitebinay,Tena mifona aminao re zaho,hifonako tokoa ny elokay,ny fanamarinan-tenanay mpiray tanindrazana rehetra.Tsy misy afatsy FIFANKATIAVANA sy ny fitodiana Aminao sy ny fanekena ny Zanakao lahy tokana ny vahaolana eto amin'Firenenay. Ampifanantony re izahay ra sitrakao.Tsy mendrika izahay,mpanota izahay,Mpiodina aminao izahay,Nefa mbola nomenao fotoana betsaka ahatsapanay izany fahotanay izany,fisaorana Tompo.Mbola mifona aminao ihany aho satria tsy mbola nanokana fotoana tahak'izao hiresahina Aminao nandritra ny androko rehetra.Aleoko ny ratsan-kazonao ny manafay anay toy izay ny fahavalon'Firenenay.Tompo ô!anao aho,anao izahay...,Andriamanitra ô!Aza ilaozanao ny Firenenay.Mifona ny fahotana efa vitanay izahay.Amen!
38. rijadolly
(
09/02/2009 21:11)
Andriamanitra ô!Indro mitokana ho anao aho,ary manetritena eto imasonao fa mahatsapa ho tsinotsinona.finona tokoa moa zay za no hitondra ny fifonan'mpiray tanindrazana amiko.Nefa Hianao Tompo mahalala ny hirin'foko anio.Sitrano ny tebitebiko izay ahazo ny mpiray firenena amiko.Ity aho izay tsy nahavita ny irakao,vonona andray ny tsoran-kazonao aho,avilio aty amiko ny tsoran-kazonao,Ataovy amiko ny fahaviniranao.Tsy mendrika aho Tompo,indro anao aho ataovy izay sitrakao fa Hianao no Jehovah...
39. rijadolly
(
10/02/2009 02:31)
Andriamanitra ô! Fisaorana anao tokoa noho ny fanomezanao maraim-baovao. Tsy ho loza fa fahasoavana ny hirinao ho anay,Hifonanay sahady ny zavatra rehetra izay hiseho tsy araka ny sitrakao anio.Mifona aminao izahay satria mihevitra ny tenana sy manararaotra ny maha olon'afaka anay ka manao izay saim-pantatray fa mety aminay.Aza esorinao anay anio ny andry rahonao mba ahalalanay izay sitrakao.Amen!
40. ikaretsaka
(
10/02/2009 03:40)
Matio (6:7)
Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.
fa na mbola tsy mangataka aminy aza hianareo, dia efa fantatry ny Rainareo izay ilainareo.