VAVAKA

41. niryna ( 11/02/2009 17:09)
ikaretsaka:

Matio (6:7)
Ary raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.

fa na mbola tsy mangataka aminy aza hianareo, dia efa fantatry ny Rainareo izay ilainareo.


Itako ny lalantsara ka izorako,azoko ny famonjena ka ho tanako.
Fa raha izaho dia ny eo akaikin'Atra no mahatsara ahy !

Fa raha mivavaka hianao dia arindrino ny trano ka manaova vavaka toram-po
Andriamanitra o,mamindra fo amiko ,mamela ny heloko fa tsy fantatro izay ataoko,ifonako ny ratsy rehetra vitako,raha misy tsy mifanaraka ny sitraponao ireo rehetra nolazain'ny vavaka na ny eritreritry ny foko dia ifonako izany tompo o, dia midira amin'izay ato am-poko mba ahalalako ny teninao. Asehoy ahy fa misy tokoa hianao ary dia omeo ahy manomboka anio ny fanahinao masina
Avy amin'ilay zanakao malalanao,tompon'ny fahefana ,mpamonjy ahy amin'ny fahotako,Andriamanitra velona,Andriamanitra be fitiavana no anaovako izany vavaka izany Amena !
Ny zanakao malalanao ,maniry ny mba ahalala anao amin'izay

42. rijadolly ( 11/02/2009 17:18)
Andriamanitra ô!Fisaorana hatrany no atolotray ho anao,ary ny haja sy voninahitra dia hoanao irery ihany.Manaiky ny fitatananao izahay,ary indro ampetrakay eo an-tananao indray ty alina ity sy ny ampitsonay.Fifonana Tompo ho anao ra ohatra ka nisy tsy nety nataonay izay tsy araky ny sitrakao.Dia ny andry afona sy ny andry rahonao anie ny hitari-dalana ny Firenenay mba handehananay araka ny sitrakao.Amen!
43. ikaretsaka ( 12/02/2009 00:33)
ho'zy hoe rehefa mivavaka nareo de ataovy ny rainay any an-danitra ...
44. rijadolly ( 14/02/2009 18:32)
Andriamanitra ô! fisaorana hatrany ,fiderana ,laza.no hatolotray ho anao.Mifona aminao aho noho ireo izay vitako nefa tsy araka ny sitrakao,Misaotra aminao ihany koa aho noho ny fitatananao hatrany anay sy ny firenenay.Isaorako ihany koa Ray ireo andry afo sy andry rahona ho an'firenenay,tsy azo hadino koa ireo izay heverinay na tsinotsinoavinay nefa zava-dehibe aminao mba ahasoa anay sy ireo mpiray tanindrazana anay.Sokafy hatrany Tompo ny maso-panahinay ahita izany soa lehibe efa natolotrao sy nomaninao ho anay izany.Ampandrosoy eto amin'firenenay mba hanjaka eto ilay FITIAVANAO mba ahafahanay mandresy ny ambom-ponay izay mitarika ny firenenay any amin'làlan-diso izay tsy ankasitrahinao ka mahatonga ny fifankahalana samy Malagasy.Misaotra Tompo ô! Amen!
45. rijadolly ( 19/02/2009 19:29)
Andriamanitra ô!Misaotra sy midera ary mankalaza Anao hatrany aho,voninahitra dia ho Anao irery ihany.Andriamanitra Raiko ianao izay avy amin\'alalan\' Jesoa Kristy.Manapaka ny firenenay Hianao.Hifonako Tompo raha noho ny helokay no maha tonga fizarazaranay tahaka izao.Ekeko fa tsy nandeha araka ny sitrakao izahay,diso fihevitra izahay satria nanaraka ny ny hevi-diso izay manaratsy ny namanay ihany,manameloka ny namanay ihany.Tsy nisy mihitsy ny fikatsahana ny FITIAVANA fa ny fanamarinan-tena no betsaka.Aza ilaozanao Andriamanitra ny Firenenay,aza avela irery izahay fa mahantra,ory,miaina amina tebiteby raha ilaozanao,Hianao Ray no safidinay,tsy manana afatsy Hianao izahay.Indro ilaozanay izay rehetra andriamanitra tsy izy rehetra.Mitodika aminao tanteraka izahay...
46. rijadolly ( 20/02/2009 01:43)
Ray ô!Mivavaka aminao mandrakariva aho mba hananateraka ny sitraponao,Miandry ny asanao izahay,Tafio anay ny faharetana,fitiavana ,finoana anao Ray sy ny Zanaka malalanao Jesoa Kristy.Miandry ilay fotoana anavahanao ny vary sy ny tsiparifary eto amin'Firenenay izahay,izay miara-mitsiry eto amin'Firenenay ka tsy ahalalanay izay ratsy sy tsara amin'izao fitsiriny izao.Hianao Andriamanitra mahalala,Hianao no mpanapaka,aza ela Ray ô,mino Anao aho fa hafoezinao izany fotoana izany noho ny olom-boafidinao,Misaotra Ray ô,Amen
47. aikon ( 21/02/2009 07:51)
Tsara ny mivavaka ary Atra die efa nanome toky hoe hamaly vavaka nefa kosa
dia aoka ho fantantsika izay mangataka fa Atra tsy mamaly vavaka ny olona izay tsy miezaka ny hivoatra sy hiova .
oh: omeo vola aho Atra nefa ianao mijanona ao atranonao de ahoana no ahazahoanao vola ao atranonao ao sa ve alatsak'Atra avy ao 2 tafotranonareo .
izany hoe ny vavaka tsy maintsy arahana asa
:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0586