Tena nisy ve Jesosy

1. rabaradaka ( 23/01/2009 10:33)
Boky maro sy texte en latin sy grec maro no novakiako mikasika ny monde israel entre II siècle avant JC et IIIe siècle après JC fa tsy nisy niresaka an'ity zanak'Andriamanitra ity. Ilay théologien grec iray izay ao amin'ny CZ dia nilaza fa tantaran'olona namboarina io Jesosy io. Dia hoy aho hoe "minoa fotsiny ihany" araka ny tenin'ny Apostoly Marka (Ravalomanana !!!) :lol:
répondu par ikaretsaka le 27/01/2009 19:46
2. xxx ( 23/01/2009 10:47)
Tena nisy ve Jesosy

Anotanio amin'ny reniny letsy a!!!
3. xxx ( 23/01/2009 10:47)
Rah samy raisonnement vendrana ihany moa izy ity, dia aleo mba hilaza koa aho. Izaho koa izao tsy mino an'izany rabaradaka izany. Asa na biby izany na olona raha toa ka misy. Na izany aza dia tsy voaporofo ara-tsiansa ny fisiany. Sady tsy mbola hitako maso. Mety ho matoatoa angamba. Asa !
4. Fody ( 23/01/2009 11:37)



Ny tiako marihana aminao nametraka ny sujet fotsiny dia izao:

Ny Finoana an'i Kristy dia teraka avy tamin'ny FIHAONANA TAMIN'IZY KRISTY, fa tsy tamin'ny alalan'ny tantaran'ny boky akory.

Am-pitiavana be.
5. Mirananirina ( 23/01/2009 18:00)
samy tsy nisy nahita isika dia mino fotsiny e.
Sahala aminy ilay hoe nahita any i Marie asa iza moa iny?Dia mino dahoho rakatolika.a maninona ny sasany tsy mino,nefa anie samy tsy misy nahita daholo e,Rapatrice,toa izay moa ny anarany sa diso aho?
6. soanja ( 24/01/2009 01:21)
rabaradaka:

Boky maro sy texte en latin sy grec maro no novakiako mikasika ny monde israel entre II siècle avant JC et IIIe siècle après JC fa tsy nisy niresaka an'ity zanak'Andriamanitra ity. Ilay théologien grec iray izay ao amin'ny CZ dia nilaza fa tantaran'olona namboarina io Jesosy io. Dia hoy aho hoe "minoa fotsiny ihany" araka ny tenin'ny Apostoly Marka (Ravalomanana !!!) :lol:


Raha ilay olona JESOA aloha dia nisy tokoa. Ny hanaporofo no tsy ho fisiany no angamba zavadehibe amin'ireto mpikaroka.

Zah zao mino fa avy tany Indonesia/Afrika ny razambeko na dia tsy nahita maso azy ireo aho ary tsy mahalala izay tantara nahatongavany teto Madagasikara.
Ny zavatra nolovako tsapako, ny fanabeazana azoko, ny kolontsaina atrehako ary ny teniko dia afaka ilazako fa nisy ireo olona ireo. Fa hoe hangady taolana hoe aiza dia tsy hitako loatra ny handaniana andro amin'izany satria ilay Finoana dia natao tsy ho tsapain-tanana fa tsapa ao am=po sy saina ary fanahy, manaraka ho azy ny vatana.

Miainga lalandava amin'ny zavatra tsy azo tsapain-tanana ny finoana. Misy fahatsapana tsy voazava ny hatsarany ao anatin'io matoa betsaka no manao ny ainy tsy ho zavatra hampita azy amin'ny hafa. Ny fahasambarana hono tsy tsapa raha tsy zaraina!


7. rijadolly ( 24/01/2009 01:58)
Rabaradaka>>>> Inoko fa efa misy hery roa mifanosika ao anatinao ao,oh mino indraindray ,indraindray toa tsy mino.Mahafaly ahy ny miteny anao fa na izahay Kristianina aza dia tratran'io rehefa milatsaka iny ilay Finoanay,indrindra rehefa azon'ilay FItsapana mavaivay iny.
Torohevitra omeko an'se dia izao: za tsy milaza an'se hoe tonga dia anjanona ny famakiana ireny boky ireny indrindra ny boky manaratsy an'Kristy,fa kosa rehefa mamaky an'reny boky mitory an'Kristy ireny se dia henoy tsara ny ao anatin'se fa misy miteny an'se ao.Iny ilay tsihay refesina,iny ilay Fitiavana,Iny ilay Finoana,Iny ilay Faharetana.
8. soulajn ( 24/01/2009 08:11)
rabaradaka>>>> Raha tsy hino ahy de minoa an'i MAtio, Marka, Lioka, Jaona, Paoly, Petera, Jakoba ary i Joda ireo no nanoratra ny filazantsara sy ny episitily ary ny apokalypsy ka nijoro vavolombelona t@ izao tontolo izao fa nivahiny tety an-tany tokoa ny Zanak'Andriamanitra! Raha tsy mbola mino ireo ianao de aza mino koa fa taona 2009 zao! mba hainao moa hoe nahoana no 2009 zao? avy @ i JK koa io! maro be ny porofo fa aza isan'izay tsy mino e!
9. badboy ( 24/01/2009 11:14)
rabaradaka >> Nisy, ary tena nisy ilay olona antsoina hoe Jesoa!! Ny mpikaroka rehetra ny aratanatara dia manamafy io fisiany io!!!

Ny olana dia hoe ny hino azy sa tsia angamba!! Izay no tena adihevitra satria maro ny zavatra nolazainy no nitranga, ary nisy koa ny nambarany ho avy no tsy tonga!!!

Tena zanak'Atra ve izy?? Izay koa dia ny tsirairay no hino na tsia izany!!!

Ny fanontanianan lehibe indrindra tokony hipetraka dia hoe ilaina ve ny mino ny fisian'Atra sy ny zanany ary ny fanahy masina!! Aratantara dia tsy maintsy nisy foana ny olona na zavatra ninoana fa ho Atra!! Izany hoe ny olombelona dia tsy maintsy mitady hery hafa hanohana azy @ rehetra ataony!! Arapilozofia dia ilaina ny fametrahana ny fisian'Atra satria raha tsy matahotra ny fitsarana farany dia tsy matahotra n'izan'iza ka dia afaka manao izay tiany!! Izany hoe tsy misy moraly manohana intsony, fa raha toa ka mijanona ny tsy hanao ilay fomba maloto dia satria matahotra ny fitsarana sy ny polisy, ny figadrana ary ny lalàna!!! Arampinoana, dia ny fisian'ny fitsarana farany no maatonga ny rehetra ho matahotra an'Atra no sady mino ny fisiany!!

Vokany, na toa ka tsy nisy aza izy dia tsy maintsy ho nasiana satria mamporisika ny olona handanjalanja ny ataony!! Amaranako azy ilay teny hoe "toute action engendre une réaction" zay afaka ifotoran'ny tsy mpino ihany koa mba hitsinjovany ny hetsika rehetra ataony!!! 8) 8) 8) 8)
10. Fody ( 24/01/2009 13:23)
badboy:
rabaradaka >> Nisy, ary tena nisy ilay olona antsoina hoe Jesoa!! Ny mpikaroka rehetra ny aratanatara dia manamafy io fisiany io!!!

badboy anefa avy eo:
Vokany, na toa ka tsy nisy aza izy dia tsy maintsy ho nasiana satria mamporisika ny olona handanjalanja ny ataony!!

Dia anjaranao no mandinika raha handà izay ekenao fa misy ianao.
badboy:
Aratantara dia tsy maintsy nisy foana ny olona na zavatra ninoana fa ho Atra!! Izany hoe ny olombelona dia tsy maintsy mitady hery hafa hanohana azy @ rehetra ataony!!

Sao mba tsy ara-tantara izany ry namana. Ny tantara dia tsy mba mametraka mihitsy hoe: "tsy maintsy"... Ary amin'ny tantara dia manimba ny fahalalana ny marina ny fametrahana hoe: "tsy maintsy"
badboy:
Arapilozofia dia ilaina ny fametrahana ny fisian'Atra satria raha tsy matahotra ny fitsarana farany dia tsy matahotra n'izan'iza ka dia afaka manao izay tiany!! Izany hoe tsy misy moraly manohana intsony, fa raha toa ka mijanona ny tsy hanao ilay fomba maloto dia satria matahotra ny fitsarana sy ny polisy, ny figadrana ary ny lalàna!!!

Samihafa ny atao hoe: Filosofia sy Moraly ry namana ka aza afangaro. Ary ny filosofo sy ny Moraliste dia samy manana ny heviny aby raha resaka Andriamanitra no tenenina ka aza atao safobemantsina. Ny filosofo tsirairay koa dia samy manana ny fomba fijeriny.
badboy:
Arampinoana, dia ny fisian'ny fitsarana farany no maatonga ny rehetra ho matahotra an'Atra no sady mino ny fisiany!!

Diso, tena diso fijery ianao.

Ivereno vakina ny Baiboly, fa any amin'ny Testamenta Taloha dia milaza fa ny Fihaonan'Andriamanitra tamin'ireo Raiamandrenibe ny finoana no nahatonga azy ireo hino.

Ny ao amin'ny Testamenta Vaovao indray dia ny Fihaonan'ny olona tamin'i Jesoa no nahatonga azy ireo hino.

Donc, tena diso tanteraka ity zavatra voalazanao ity.

Am-pitiavana be.
11. ikaretsaka ( 24/01/2009 15:40)
Io kosa aloha de sarotra lavina fa misy ny mino sy mivoy an'io fahatahorana ny fitsarana farany io dia lasa mivoana any @ hoe nohon'ny tahotra ny fitsarana farany no mahatonga azy hino an...
Io le mino nohon'ny tahotra lazaiko ato foana ry booobaka be ny manao an'io. Indrindra ireny vosarariky ny fiangonana vanjo aloka vaovao mitady kil ireny
12. Fody ( 24/01/2009 17:14)

Ikaretsaka: Mba vakio tsara izay voasoratr'i badboy izay vao milaza hoe: sarotra lavina na mora lavina.
badboy:
Arampinoana, dia ny fisian'ny fitsarana farany no maatonga ny rehetra ho matahotra an'Atra no sady mino ny fisiany!!


"NY REHETRA" hoy izy, donc na ianao miteny io aza voafoaka ao anatiny koa.
Raha noho ny tahotra no mahatonga anao hino, tsy olana izany, fa raha izaho manokana sy ireo olona voalazako ireo dia tsy mba izany. Donc laviko 100 isan-jato, ary tsy sarotra ho ahy ny mandà izany.

Am-pitiavana be
13. ikaretsaka ( 24/01/2009 19:50)
Ok aleo atao hoe ireo REHETRA matahotra ny farany ary
14. badboy ( 24/01/2009 22:41)
Arampinoana, dia ny fisian'ny fitsarana farany no maatonga ny rehetra ho matahotra an'Atra no sady mino ny fisiany!!


Izany hoe ireo mpino no raisiko milaza io fanambarana io fa tsy hoe ny olondrehetra erantany!! Satria raha ny rehetra dia tsisy ny tsy mpino izany, nefa dia maro amanapitrisa ireo tsy mino!!! :idea: :idea:
15. ravakamalala ( 24/01/2009 23:29)
io fahatahorana ny farany io hono no fiantombohan ny fahendrena e! tsy io no tena tonga lafatra fa efa fiantombohany aloha, avy eo samy miezaka hivoatra!
16. Fody ( 25/01/2009 09:06)
badboy:
Izany hoe ireo mpino no raisiko milaza io fanambarana io fa tsy hoe ny olondrehetra erantany!! Satria raha ny rehetra dia tsisy ny tsy mpino izany, nefa dia maro amanapitrisa ireo tsy mino!!!

Angaha moa i ikaretsaka tsy mpino?
Angaha ny kristiana tsy mpino?
Angaha ry Abrahama, Moizy, Piera, Paoly, sns... ao anaty Baiboly tsy mpino?
Anagaha ny secte ihany no mpino?... Mba mandinika kely fotsiny Rakoto ò?


Dia tiako ny milaza fa: vao maika diso 100 isan-jato ny zavatra lazainao ry namana, satria izaho miresaka aminao izao dia mpino, Kristiana, ary mifanerasera mpino maro...

Fa mbola tsy nahita mihitsy, ary tsy mbola naheno koa ny hoe: noho ny fahatahorana ny fitsarana farany no mahatonga azy ireo hino. Na ny sectes lazain'ika aza dia tsy noho ny tahotra mihitsy no mahatonga azy hino, na dia torina isan'andro any amin'ny fiangonan-dry zareo aza ny faharavana apokaliptika sns...

ravakamalala: Samihafa ny atao hoe: FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA sy ny FAHATAHORANA NY FITSARANA FARANY.

badboy: ny mpino dia tsy kitahorona araky ny fiheveranao azy akory, koa mba mandiniha ihany vao manoratra e!

Am-pitiavana be.
17. badboy ( 25/01/2009 10:07)
fody:
Samihafa ny atao hoe: FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA sy ny FAHATAHORANA NY FITSARANA FARANY


Mifanipaka be izany fanambaranao izany ranamana!! Fa inona moa no antony hatahorana an'Atra raha tsy ny ny fatahorana ny fitsarany??? Tsy ny fitsarany angaha moa, araka ny voalazan'ny baiboly sy tanisain'ny mpitory ary ny mpino, no hanavahana ny hiaina any amparadisa sy ny hiaina any @ mapangirifiry???

Raha tsy ny fahatahorana ny fitsaran'Atra tsy ho nisy nino!! :idea: 8) 8)
18. Fody ( 25/01/2009 13:06)
badboy:
Mifanipaka be izany fanambaranao izany ranamana!! Fa inona moa no antony hatahorana an'Atra raha tsy ny ny fatahorana ny fitsarany??? Tsy ny fitsarany angaha moa, araka ny voalazan'ny baiboly sy tanisain'ny mpitory ary ny mpino, no hanavahana ny hiaina any amparadisa sy ny hiaina any @ mapangirifiry???

Mba farito kely aloha àry ny atao hoe: Fahatahorana an'Andriamanitra. Tsy arak'izay handikanao azy, fa arak'izay tena dikany marina. Raha sanatria ka tsy fantatrao dia aza miteniteny foana.
badboy:
Raha tsy ny fahatahorana ny fitsaran'Atra tsy ho nisy nino!!

Averiko fa diso 100 isan-jato io. Izaho mpino, kristiana fa tsy noho ny fahatahorana ny fitsarana farany mihitsy no nahatonga ahy hino. Mbola betsaka koa ny olona fantatro toy izany.

Ny Raiben'ny finoana dia voalaza fa i Abrahama: mandehana jereo ny tantarany ao anatin'ny Baiboly raha misy resaka fitsarana farany izany na kely aza, nefa izy dia tena nino an'Andriamanitra tanteraka.

Ary raha tianao ho fantatra dia izao: ireo olona nino noho ny tahotra dia efa betsaka no tsy mpino intsony ankehitriny.
Ohatra: Sartre (filosofo frantsay izy io), noho ny antony te ho afaka amin'ny tahotra no nahatonga azy handà an'Andriamanitra. Mbola misy ohatra maro fa io raisina ohatra ilazana aminao fa diso fihevitra 100 isan-jato ianao.

Averiko, alohan'ny ilazana hevitra dia mandiniha tsara aloha, ary zavatra voafehy tsara sy tena fantatra mba zaraina amin'ny hafa.

Am-pitiavana be.
19. soanja ( 25/01/2009 14:36)
Tsy misy diso ny hevitr'i Badboy na i Fody ka, miankina matetika amin'ny fomba nidiranao tao amin'ilay finoana raha ohatra ka Xnina no resahina.

Raha mbola kely ianao ary nozarin'i Ray amandreninao namonjy fiangonana, nivavaka ao an-trano sy ny fitaizana Xna ary mbola miaina io fiainana io dia tsy manana io hevitra hoe matahotra ny farany io mihitsy satria ny Xna notaizana ao anaty finoana dia mahalala fa ireto avy ny lalana mankany amin'i Kristy ary izao no ataoko manoloana izany. Tsy misy velively ny tahotra ny farany eo fa ny fitiavana an'Andriamanitra na ilay finoana no manjaka.

Betsaka anefa amin'io fomba io ihany no lasa miala amin'ny finoana niaingany noho ny zavatra hitany izay nakany fitsarana ny hafa ary nakany fanapahan-kevitra fa tsy mamely izany mivavaka amin'Andriamanitra izany. Amin'io mantsy dia nozarina fotsiny izy hanaraka routine fa mbola tsy latsapaka ao aminy ny fiainana ao amin'Andriamanitra.

Raha toa kosa ka efa niala ela ianao na hoe tsy lehibe tao anaty finoana Xna ary tsy dia manaramaso akaiky ny fanantanterahana ny fandehanana mivavaka y Ray aman-dreninao ohatra na hoe mitaky ny hanaovana batisa na batemy sns... dia naman'ny mpino/tsy mpino ihany ianao saingy ny tsy finoana Azy angamba no manjaka. Dia tonga eo aminao ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra ary ny FAHATAHORANA NY FARANY no asesiny ao aminao mba handraisanao andraikitra. Mba hialanao amin'izay fomba mahazatra rehetra izay heveriny ho asan'ny DEVOLY avokoa rehefa miteny aminao izy ireo.

Satria ny fifindrana finoana na hoe fidirana amin'ny finoana vaovao dia matetika fisarihana avy amin'ireo toriteny nomena anao sy ny fampitahorana mandaitra teny ampandehanana na teny amin'ny fotoana niheveranao fa tsy ilaina Andriamanitra amin'ny fiainanao. Io ilay hoe TERAKA INDRAY AO AMIN'I KRISTY! ka raha olona any ampiangonana tsotra ohatra hoe ny mopera any amin'i katolika ohatra na pasitera any ampiangonana protestanta dia tsy hahafantatra loatra ny fandehan'io fa ny mpivavaka manara-pinoana miataka amin'ny fiangonana reny , io no fomba azahoany olona. Io no taktikany. Ny azy dia ny tahotra ny farany no manjaka ao an-tsaina ka zary toa harefo ny fiainany eto ambonin'ny tany satria ilay farany ihany no hitany.
20. ikaretsaka ( 25/01/2009 15:39)
ravakamalala:

io fahatahorana ny farany io hono no fiantombohan ny fahendrena e! tsy io no tena tonga lafatra fa efa fiantombohany aloha, avy eo samy miezaka hivoatra!


Ny fitiavana sy ny fanirina no fototry ny fahendrena sy ny zavatra rehetra fa tsy ny tahotra....
Tsy mahavita ninoninona @ fo ny matahotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8643