Tena nisy ve Jesosy

21. soanja ( 25/01/2009 16:34)
TAHOTRA = Fo tsy mitombina, fo tsy mahatoky tena, fo mangorohoro noho ny zava tsy fantatra.
HAJA SY FITIAVANA tsy mba mety mifandray amin'io tahotra io mihitsy satria izay tia mahatoky ary milamina ny fanantanterahana izany fifandraisana izany.

Io teny tahotra io anefa dia betsaka miverimberina ao amin'i baiboly satria betsaka ny lalana ao.
22. Fody ( 25/01/2009 17:39)
Soanja: Mba vakio tsara izay voalazan'i badboy, izay ianao vao miteny hoe mitombina na tsia.
badboy:
Arampinoana, dia ny fisian'ny fitsarana farany no maatonga ny rehetra ho matahotra an'Atra no sady mino ny fisiany!!

badboy nanazava an'io avy eo:
Izany hoe ireo mpino no raisiko milaza io fanambarana io fa tsy hoe ny olondrehetra erantany!! Satria raha ny rehetra dia tsisy ny tsy mpino izany, nefa dia maro amanapitrisa ireo tsy mino!!!

Fanontaniana ho anao: Ianao miteny io ve ry soanja mpino? Raha mpino ianao, moa noho ny tahotra ny fitsarana farany ve no nahatonga anao hino???
Voalazany mantsy fa ny rehetra mpino dia izay no antony nahatonga azy ho mpino. Amiko izany dia diso 100 isan-jato.

Ny mahatonga ny olona hiova fiangonana koa dia maro ny antony, ary isany iray tsy azo lavina ny hoe: mitady izay tena azony antoka hampanakaiky azy bebe kokoa @ Andriamanitra ny olona.

Manaraka an'izay dia izao:
Moa ve mitovy ny hoe: FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA (voalaza fa voaloham-pahendrena) sy ny FAHATAHORANA NY FITSARAN'ANDRIAMANITRA (izay azo lazaina fa tsy fahendrena evanjelika velively) ?

Am-pitiavana be.
23. ikaretsaka ( 25/01/2009 17:49)
Le tahotra horohoro...tahotra sao bedy.... sy tahotra respect mihitsy izany no mifangaro mantsina eto ko
24. badboy ( 25/01/2009 19:37)
Fa maninona no manaja zavatra ??? Satria mametraka ilay zavatra ho "essentiel" ho @ fiainana!!

Fa maninona no manaja olona??? Dia satria na olona manamboninahitra, na olona heverina ho mendrika hajaina, na olona hatahorana!!

Fa maninona no manaja an'Atra??? Dia satria mametraka azy ho "essentiel" eo ] fiainana, mendrika ny ho hajaina ary indrindra hatahorana @ fitsarana ataony @ farany!!

Ianao milaza fa tsy nohon'ny fatahoranao ny fitsarany no isan'ny tena mahatonga anao mino, dia iangaviako ianao tsy hibebaka intsony satria raha tsy misy ny fitsarana tsy misy ny fanamelohana ary dia tsy misy izany ny antsoina hoe eloka ka noho izany tsy mila mibebaka!!! :idea: :idea: 8)
25. ikaretsaka ( 25/01/2009 20:22)
Matoa izaho sy ianao ra badboy rabadboy manaja sy matahotra an'i. Dadabe na baininay na I dadabe na bainin'laisany.dia tsy nohon'ny hoe hodarohan-drabainina intsony (@ zao stade izao )fa ny fahalalana foana hoe essentiel t@ fisiana lery de hajaiko. Afaka hamono anahy haninona intsony moa lerony rehefa osa?
De toy izany koa Atra amiko. Tsy hoe noho i lery hanasazy ahy no hatahorako Azy fa le leryTsapako hoe tia sy nampisy ahy sy nitahy ahy sy nanampy foana. Sy hinoako fa mbola hanampy @ ireo cas tsy vitako irery izay fantatro fa mbola vrakl be tokoa.
Tsoriko fa raha nahavita tena irery aho ary raha nivoaka t@ vato amankazo de tena tsy nila ireny fa ny vato amankazo no natahorako...saingy tsy izay anefa ny cas
26. Fody ( 25/01/2009 20:49)


badboy:
Ianao milaza fa tsy nohon'ny fatahoranao ny fitsarany no isan'ny tena mahatonga anao mino, dia iangaviako ianao tsy hibebaka intsony satria raha tsy misy ny fitsarana tsy misy ny fanamelohana ary dia tsy misy izany ny antsoina hoe eloka ka noho izany tsy mila mibebaka!!!

Efa nolazaiko ary mbola averiko ny hoe: mialohan'ny hanoratana zavatra ry namana dia mandiniha tsara aloha, ary zavatra mba voafehy sy tena mba fantatra zaraina sy lazaina amin'ny hafa.

Ny Lehilahy na ny vehivavy tena manaja ny vadiny, moa fahatahorana no mitondra azy hanao an'izany?

Ary raha misy ny tsy fifanarahana ka niteraka alahelo teo amin'ny ankilany, na niteraka fisarahana mihitsy,... inona no manosika hifona sy hamitram-pihavana, tahotra ve?

Raha i Badboy no nobeazina tao anatin'ny tahotra sy kitahorona, dia aza heverina fa ny hafa rehetra dia toy izany avokoa.

Am-pitiavana be.
27. soanja ( 25/01/2009 21:30)
Fody:

Soanja: Mba vakio tsara izay voalazan'i badboy, izay ianao vao miteny hoe mitombina na tsia.
badboy:
Arampinoana, dia ny fisian'ny fitsarana farany no maatonga ny rehetra ho matahotra an'Atra no sady mino ny fisiany!!

badboy nanazava an'io avy eo:
Izany hoe ireo mpino no raisiko milaza io fanambarana io fa tsy hoe ny olondrehetra erantany!! Satria raha ny rehetra dia tsisy ny tsy mpino izany, nefa dia maro amanapitrisa ireo tsy mino!!!

Fanontaniana ho anao: Ianao miteny io ve ry soanja mpino? Raha mpino ianao, moa noho ny tahotra ny fitsarana farany ve no nahatonga anao hino???
Voalazany mantsy fa ny rehetra mpino dia izay no antony nahatonga azy ho mpino. Amiko izany dia diso 100 isan-jato.

Ny mahatonga ny olona hiova fiangonana koa dia maro ny antony, ary isany iray tsy azo lavina ny hoe: mitady izay tena azony antoka hampanakaiky azy bebe kokoa @ Andriamanitra ny olona.

Manaraka an'izay dia izao:
Moa ve mitovy ny hoe: FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA (voalaza fa voaloham-pahendrena) sy ny FAHATAHORANA NY FITSARAN'ANDRIAMANITRA (izay azo lazaina fa tsy fahendrena evanjelika velively) ?

Am-pitiavana be.


Fody> Mino an'Andriamanitra aho fa TSY MINO KOSA NY FITSARANA FARANY! Tsy hinoako ny fisian'i Helo sns... Amiko rehefa miala eto an-tany ianao dia vita ny momba anao. Azoko hinoana aza fa mety hamonjy ny razako aho any amin'ny varotsy mifody. Ahita ireo razambeko. Ny fialana aina no mitondra ny zavatra rehetra: mijaly sa milamina? Eo no afaka mahita na afa-po ianao hiala amin'ity tany ity na tsia. Nahavita izay takiana taminao sa tsia. Inona avy no andraikitra fantatrao fa napetraka taminao? ireo izay notsiniavinao, ireo izay nolavinao? Ireo izay novitainao ampitiavana. Ny asan'ny konsiansa no hamita izany fitsarana izany ho anao izay miala aina. Raha maty ianao ka milamina ny konsiansanao dia milamina ny fanahinao zany. Raha tsia dia atao akory fa izay ro izy. Mijaly ny fanahinao miala eto an-tany, hody ho vovoka. Nomen'Andriamanitra anao ny tsara indrindra nefa atao akory fa dia io izany no vitanao momba izany.

Noho izany tsy misy atahorako ny fitsarana farany. Tsy azo sokajiana ho naman'ireo voalaza eo ambony araka ny hevitr'i Badboy satria noho io ambony io saingy kosa afaka milaza aho fa ISAN'NY HINOAN'NY KRISTIANINA/ ATAHORAN'I KRISTIANINA AN'ANDRIAMANITRA IO FITSARANA FARANY IO. Izay no mahatonga ireo fiangonana isan-karazany toy ny Apokalipsy sy ny hafa maro misandrahaka. Io no ataon'izy ireo goavana indrindra eo amin'ny finoany.

Fody a, tsy fantatro ny finoanao hoe inona ao anatin'i Xna: Katolika sa Protestant. Fa io resaka voalazan'i Badboy io dia tsy dia zavadheibe loatra amin'i Katolika, satria notaizana tao aho. Ka raha ao ianao dia mety tsy ahita izany firy. Nefa isika rehetra nolebiazina tao kosa dia mahalala misy ny farany ary ny fitsarana no farany.

Noho izany dia raha io no nahatonga antsika hino raha samy Katolika dia TSIA hoy aho, nefa kosa raha ny Xanina hafa dia io no mibahana ao an-tsaindry zareo izay miandry mafy ny fahatongavan'io ho haingana.

Ny tenako ry Fody dia tsy mba tia ilay fidrikinana amin'ny teny iray izay mety tsy voatandrina, voasoratra ao anaty taratasy na email na hafa. Efa mahazatra ahy ny mahita olona mampita resaka, hafa ny tiany holazaina ny ao an-tsainy ary hafa no mety fomba hanoratany azy. Fa raha ny tian'i Badboy tenenina dia io no isan'ny mahatonga ny fahatahorana an'Andriamanitra eo amin'i Xna. Ekeko tokoa izay heviny izay.
Ny hoe REHETRA dia hodisoako izay satria tsy izay ny an'i Katolika matetika saingy kosa hoy aho fa betsaka ny MIHEVITRA fa ny Katolika dia tsy Xna.
Izay mahagaga ahy tokoa io fiheverana io saingy miainga tamin'ny tantara hono izany rehetra izany.


28. badboy ( 25/01/2009 22:44)
Aza dia mahatsikaiky sy minia manadondrotena sy mitsipaka ny zavamisy @ alalan'ny finoana io moa ry fody!! Zavatra voalaza mazava tsara ao anaty baiboly io ary miverimberina matetika ao!! Tsy hanatsonga aho fa dia tadiavo ao dia ho hitanao!!

Ireto fanontaniana vitsivitsy ireto mety afaka hanazava anao ilay fantatrao fa hodianao tsy hita angamba!! Eo fa ho ahiratro ny masonao raha mbola mikipy!! Avy aiza ilay fitsanganana @ maty??? Tsy avy @ fitsaran'ny velona sy ny maty ve??? Avy aiza no ahafahana miditra ao @ ilay paradisa katsahina?? Tsy avy @ fitsarana ny nataonao tety antany ve??? Ilay fanajana, na koa fahatahorana, dia isan'ireo lalàna tsy maintsy harahina mba ahafahana miala ilay fitsarana mandefa any @ fikatrohanify!!

Ekeko fa sarotra ho anao ny hanaiky izany, saingy izay ny zavamisy!!! Mazava kokoa angamba io nolazaiko io noho ilay démo mazava be nataoko teo ambony, izay averiko eto!!

Fa maninona no manaja zavatra ??? Satria mametraka ilay zavatra ho "essentiel" ho @ fiainana!!

Fa maninona no manaja olona??? Dia satria na olona manamboninahitra, na olona heverina ho mendrika hajaina, na olona hatahorana!!

Fa maninona no manaja an'Atra??? Dia satria mametraka azy ho "essentiel" eo ] fiainana, mendrika ny ho hajaina ary indrindra hatahorana @ fitsarana ataony @ farany!!

Ianao milaza fa tsy nohon'ny fatahoranao ny fitsarany no isan'ny tena mahatonga anao mino, dia iangaviako ianao tsy hibebaka intsony satria raha tsy misy ny fitsarana tsy misy ny fanamelohana ary dia tsy misy izany ny antsoina hoe eloka ka noho izany tsy mila mibebaka!!!


Mazava be ilay démo nataoko ka tsy ho ampiako intsony, fa raha toa tsy takatrao rafody na koa modina tsy hita, dia manontany tena aho @ alalintsainao!!

Dia aza mamitatena intsony ranamana satria ho anao mpino dia tsisy zavatra ratsy indrindra ohatry ny maizina ao anaty mazava!! Na izany na tsy izany, hiezaka hatrany aho mba hampihiratra ny masonao, satria isan'ny asasoa koa izany na dia tsy tanjoko aza ny ahazo ilay fanjakan'ny lanitra ary koa ny tsy fahatahorako ilay fitsarana!! 8) 8)
29. ikaretsaka ( 26/01/2009 00:03)
ny tsy azon'i badboy sy (na fanahy iniany tsy hatao ho azo) sy ny tin'i fody tsipihina aminao dia ilay hoe tsy ny fanantenana ny hitsangana sy ny fara andro (blablabla) ihany akory no mahatonga ny sasany (izay navondronao hoe NY REHETRA) mino...

non non non tsy izay ihany mihitsy
tsary ho voatery ho tahotra ny farany ihany akory
30. Fody ( 26/01/2009 08:10)
badboy:
Ireto fanontaniana vitsivitsy ireto mety afaka hanazava anao ilay fantatrao fa hodianao tsy hita angamba!!

Ary misy fanontaniana vitsivitsy na maromaro napetrako koa tery ambony tery, maninona no tsy novalina? Sa kamo ny hamaky Baiboly... Raha izany no izy, dia averiko ilay hoe: mba mandinika sy mandalina aloha vao miteny zavatra, fa manalabaraka vatana fotsiny.
badboy:
Eo fa ho ahiratro ny masonao raha mbola mikipy!!
Diso mahiratra tafahoatra ianao izany ranamana ka tsy mahalalana intsony ny hadisoana be voalazanao, ka mihevitra ny hafa ho tsy mahita koa. Nefa jereo ireo hadisoana efa voalazanao eo ambony ireo, izay tsy sahinao valina intsony. Ity iray ity moa dia noho ny ambom-po, dia manao hevitra botolo fotsiny.
badboy:
Avy aiza ilay fitsanganana @ maty???

Ny fitsanganana amin'ny Maty dia tsy avy aiza akory fa avy amin'Izy Andriamanitra. Tsy misy olona afaka hahavita an'izany, ary tsy miankina amin'ny olona izany, na amin'izay ataony fa miankina amin'Andriamanitra 100 isan-jato.
badboy:
Tsy avy @ fitsaran'ny velona sy ny maty ve???

Tsy misy resaka fitsarana ny momba ny fitsanganana amin'ny maty. Ary maro ny olona tsy mino an'izany fitsarana izany, nefa mino ny fitsanganana amin'ny maty.
Izay mihinana ny NOFOKO sy misotro ny RAKO dia hanana ny fiainana mandrakizay, hoy Kristy.
Izay mino ahy na maty aza dia mbola ho velona... Tsy misy resaka fitsarana izany.
Mbola diso fijery ianao. Ary averiko ny hoe: mba zavatra fantra sy voafehy tsara mba lazaina e!
badboy:
Avy aiza no ahafahana miditra ao @ ilay paradisa katsahina??

Avy amin'ny alalan'i Kristy izany ry namana a! Izaho no varavarana hoy Kristy... Ary araky ny nambarany dia tsy tonga mba hitsara izy, fa tonga mba hanavotra kosa...
badboy:
Tsy avy @ fitsarana ny nataonao tety antany ve???

Tsy avy amin'izany velively, ary tena tsy avy amin'izany mihitsy ry namana. Mandehana vakio ny Baiboly (raha manana ianao). Ary aza vakina fotsiny fa mba diniho tsara.
Omeko ohatra iray raha kamo hamadibadika azy: http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=LIOKA&toko=23&andininy=35-43&dika= Dia misy resaka fitsarana ve ao? MBA VALIO
badboy:
Ilay fanajana, na koa fahatahorana, dia isan'ireo lalàna tsy maintsy harahina mba ahafahana miala ilay fitsarana mandefa any @ fikatrohanify!!

Lalana aiza no milaza fa tsy maintsy matahotra ny fitsarana farany ny mpino?
Lalana aiza koa no milaza fa tsy maintsy matahotra an'Andriamanitra ny olona mba tsy handehanany any @ fikatrohanify?

Mba mandinika kely aloha e!
badboy:
Ekeko fa sarotra ho anao ny hanaiky izany, saingy izay ny zavamisy!!! Mazava kokoa angamba io nolazaiko io noho ilay démo mazava be nataoko teo ambony, izay averiko eto!!

Sarotra ho ahy tokoa no manaiky ny zavatra lazainao satria olona tsy mahalala na inona na inona (na mody tsy mahalala) no miseho ho mahalala.

Ilay demos mba nataonao moa dia mivilana tsy misy lojika, satria resaka momba an'Andriamanitra no hatao, nefa ianao manao azy dia tsy manana fahalala ny momba an'Andriamanitra na kely aza. Dia averiko ny hoe: zavatra fantatra sy voafehy tsara mba zaraina sy lazaina amin'ny hafa e!

Am-pitiavana be.
31. badboy ( 26/01/2009 17:39)
ikaretsaka >> Izaho tsy milaza hoe ny fitsarana ihany akory no antony hinoana!! Ny lazaiko fotsiny dia ilay fitsarana no hiafaran'ny rehetra, na ny fanajana izany, na ny fitandremana ilay didy folo!!! Io fitsarana io no iafaran'ireo rehetra ireo!! Izany hoe lalana tsy maintsy diavina ilay fitsarana!!

Fody >> Tsy haiko hoe inona ilay baiboly vakianao fa indro misy mba notsongaiko kely "En vérité, en vérité, je vous dis: Celui qui entend ma parole, et qui croit celui qui m'a envoyé, a la vie éternelle et ne vient pas en jugement; mais il est passé de la mort à la vie." Izany hoe, na ankolaka aza dia misy ilay fitsarana!! Dia mbola tohieany hoe "Car comme le Père a la vie en lui-même, ainsi il a donné au Fils aussi d'avoir la vie en lui-même; 27et il lui a donné autorité d'exercer le jugement[/b], parce qu'il est Fils de l'homme." (jean 5) 39"Jésus dit alors: Moi, [b]je suis venu dans ce monde pour le jugement, afin que ceux qui ne voient pas voient; et que ceux qui voient deviennent aveugles."

Ka dia dinodiniho @ ireo sombitsombiny ireo ranamana!! 8) 8)
32. ikaretsaka ( 26/01/2009 17:45)
Ka efa io lazaina io fa tsy nohon'ny fitsarana koa inona foana sy tsy fitsarana izany no hiafaran rehetra fa inona foana ary ity.
Ny mifarana banjinina fa tsy ny ambadiky ny mifarana....
33. Fody ( 26/01/2009 19:56)
Dia mba jereo kely ireto mba zavatra lazainao anie ry badboy e!!!
badboy voalohany:
Arampinoana, dia ny fisian'ny fitsarana farany no maatonga ny rehetra ho matahotra an'Atra no sady mino ny fisiany!!

badboy avy eo:
Izany hoe ireo mpino no raisiko milaza io fanambarana io fa tsy hoe ny olondrehetra erantany!! Satria raha ny rehetra dia tsisy ny tsy mpino izany, nefa dia maro amanapitrisa ireo tsy mino!!!

badboy nanamafy ny zavatra tiany holazaina:
Ianao milaza fa tsy nohon'ny fatahoranao ny fitsarany no isan'ny tena mahatonga anao mino, dia iangaviako ianao tsy hibebaka intsony satria raha tsy misy ny fitsarana tsy misy ny fanamelohana ary dia tsy misy izany ny antsoina hoe eloka ka noho izany tsy mila mibebaka!!!

badboy anefa tamin'ny farany:
ikaretsaka >> Izaho tsy milaza hoe ny fitsarana ihany akory no antony hinoana!! Ny lazaiko fotsiny dia ilay fitsarana no hiafaran'ny rehetra, na ny fanajana izany, na ny fitandremana ilay didy folo!!! Io fitsarana io no iafaran'ireo rehetra ireo!! Izany hoe lalana tsy maintsy diavina ilay fitsarana!!

Dia hoy aho hoe: mba mandiniha ihany ry namana vao manoratra ah!

Raha hitsipona dia mba hitsipona koa aho:
Fa amin'izay notsiponinao dia tsy misy resaka fampitahorana ny fitsarana farany ao (Jn 5). Resaka nifamalian'i Jesoa tamin'ny Jiosy no notanterin'i Joany ao. I Jesoa dia naneho tamin'ny olona hoe iza izy. Avy aiza, fahefana inona no ananany, ary avy aiza izany. Mba vakio tsara ny Jn 5. Araho ny tantara ary raiso avy ao izay tian'ny mpanoratra hampitaina, fa tsy misy resaka fampitahorana ny fitsarana farany ao.

Fa ataoko koa fa mba misy an'ity ny Baibolinao an: Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. (Jn 12, 47)


Fanontaniana kely indray mba hampahiratra ny masonao: Ny hitsara ny olona ve no tena tanjon'i Kristy sa ny hanavotra azy?

Aiza eo izay milaza fa noho ny tahotra ny fitsarana farany no mahatonga ny olona hino azy?

Am-pitiavana be.
34. badboy ( 27/01/2009 17:34)
Azoko ilay tian'i Fody hahatongavana, saingy izaho mamaky "entre les lignes"!! Mety mbola tsy hain'i Fody na ikaretsaka angamba ilay "raisonnement à contrario" na "par analogie" ka izay no tsy hahitanareo ilay izy!!

Ilay fitsarana aloha ve misy sa tsy misy?? Raha milaza ianao fa tsy misy ilay izy dia vereno vakiana tsara aloha ilay baiboly, indrindra fa ao @ jaona!! Rehefa hitanao avy eo hoe misy ilay izy, dia lazain'ilay boky vakianao io fa ireo izay tsy nino an'i kristy dia ho tsaraina!! Izany hoe ireo izay nino dia efa voatsara nialohan'ny nitsarana ireo lazaina hoe tsy nino!! Noho izany, na dia ankolaka aza dia voatsara daholo saingy ilay fotoana itsarana no samihafa!!

Raha mbola tsy arakao @ io mazava be io dia tsy haiko intsony!!

Taperiko hatreo ka dia mazotoa!! 8) 8)
35. ikaretsaka ( 27/01/2009 18:00)
tsy nisy nanda ny fisian'ny fitsarana anie ry badboy e.. fa ny lavina kosa dia ilay nataonao hoe ny REHETRA dia "noho ny tahotra an' io fitsarana io no nampino azy"

misy tokoa , ary ekena hoe misy ary tsy vitsy no lasa "mino" noho io tahotra io... fa tsy hoe ny rehetra mihitsy akory
36. Fody ( 27/01/2009 19:40)
badboy:
Taperiko hatreo ka dia mazotoa!!

Alohan'ny ilazana zavatra amin'ny manaraka dia mba mandinihana tsara aloha.


Ary rehefa diso izay zavatra lazaina dia maneke hoe: diso tokoa ny voalazako, fa aza dia mitady hanamarin-tena lava zao.


Am-pitiavana be.
37. ikaretsaka ( 27/01/2009 19:46)
naman'ilay mifona tsy mahafantatra ny zavatra ifonana lazaiko atsy izany e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.396