Foto-drafitr'asa TGV-Fanampiana Frantsay-Motraka????????????

1. penguin ( 19/01/2009 07:27)
Nirehareha fatratra ny TGV sy ny tariny nanokana ny Kianjan'Andohalo. Nirehitra tokoa ny hafalian'ny tarika isany satria tafavoaka nahatsangan-javatra ny fanampiana Frantsay.
Vao orana mafimafy iray ary tsy ampy iray volana akory dia nandratrana olona maromaro satria nisy nirodana. Ka atao sahala izay vé ny foto-drafitr'asa ho an'i Madagasikara ééé??? Mba jereo sy tantero eto koa ny gazety ry mpitatitra isany oooo!!!! Mbola any @ hopitaly ny voa sa ny adalany ????
Mahafaty baolina an ????
répondu par andrywui le 21/01/2009 17:37
2. sipagasy ( 19/01/2009 07:57)
tssss, asehoy ny sary ahitana izany aloha e!!!!!!!!!!, sao dia hoe........

ny fahitako azy kosa aloha, dia tena tsara voatra sy tsara rindra e!!!! taiza no mbola nisy zaridaina tsara tahaka izao teo @ centre ville an'Antananarivo???
3. penguin ( 19/01/2009 08:01)
Ny mpitatitra no manan-talenta amin'ny fampisehoana sary. Sao tsy mijery Gazety sy manara-baovao ary nareo ? Sa le tena hoe any an-dafy tokoa ? Ny an-dafy ihany no mahita ny maha-tsara an'i Madagasikara an???
4. rixes ( 19/01/2009 08:25)
zara aza nisy iny nirodana iny mba anejehana ny TGV , fa ny an'i ra8 efa nahazo 4L daholo ny gasy de nividy avion @zay lery :roll:
5. ravatorano ( 19/01/2009 08:31)
ilay "estrade" natao hipetrahan'ny olona no nikoa ary dia nihitsana ilay tafo nipetraka teny ambony.Hita fa tsy aradalana ilay nanaovana ny tafo satria toa nipetraka fotsiny iozy izany hany ka vao niandrona tao amin 'ilay tafo "labasy" ilay ranon'orana dia navesatra ary netin 'ilay tafo ny rorony roa tamin ilay fotodrafit'asa vao notokanana.
Olona roa moa no voa mafy tamin izany ary ilay ramatoa nasehon'ny tv omaly dia tena voa mafy tokoa satria dia misy seroma izy amizao.Tsy dia atahorana loatra anefa ny momba azy satria efa eny amin'ny hopitaly izy.Ny minisitry ny fahasalamana dia nilaza fa hiantohan'ny fanjakana tanteraka ny fitsaboana an'ireo olona roa naratra teny Andohalo ireo.
Manararaotra ihany ny fanjakana eo amin'izay fandraisana andraikitra izay satria raha ny tokony ho izy dia ny commune antananarivo reivohitra no miantoka ireo olona tra boina nohon'ny tsy fetezan'ny fotodrafitr'asa napetrany izao !
raikitra amizay zao ny ping pong e !
6. bozyboleta ( 19/01/2009 09:50)
Eka, tena adidin'ny CUA tokoa aloha iny zava-nitranga omaly iny.
Fa ny Ben'ny tanàna mbola variana t@ aferany manokana @ maha-PDG ny tv viva azy de adinony (sa tsy nataony laharam-pahamehana???) ny maha-"1er magistrat de la ville d'Antananarivo" azy.

Zao nosongonan'ny fitondrana.

Fa mikasika ireny foto-drafitr'asa ireny, kitoatoa ve sa tsy fahaizana? Vao herinandro fotsiny no nitokanana azy defa hita ny tsy fanjariany! Mbola vao orana kely fotsiny, tsy hoe cyclone akory!!!
7. Rafahafahana ( 19/01/2009 13:18)
Sao mba kianja no ratsy voatra fa tsy ny fanampiana no motraka; fantatra ihany mantsy ny gasy manao zavatra fa ny paosy aloha no fenoina izay vao ny asa !!!!!!
8. TWING ( 19/01/2009 14:42)
fa angah i TGV no nanangana an io fa tsy maintsy misy maitre d'aoeuvre io ary nandalo offre fa tsy tonga dia atao coupe soroka ohatran ny Avion sy ny Daewoo e.

tsy maintsy misy garanti io ary mihantoka izay nanao an io e.

mba misaina @ loha oa fa tsy @ v
9. TWING ( 19/01/2009 14:43)
fa tsy @ VOLO
10. penguin ( 19/01/2009 15:26)
Vao herinandro notokanana hoy ny sasany fa hoy aho hoe tsy ampy iray volana. Fa tsy izany vé no resahinareo eto fa hoe ny Président daholo no mahatonga ny tsy mety rehetra. Na nifampitaingina sy naka tsirony ary nahabevohoka aza dia ny Président no mampahantra rehefa sahirana. Ity nanaovana fety nakotroka ary nahazo sary manja manaporo ny maha-tanora manja. Tandremo ihany ny asa manaraka.
11. Papoose ( 19/01/2009 15:51)
hehehehe tena raikitra mihitsy le ping pong eee!!!! samy mitaty ra-kena fotsiny hahitana tsikera.... :-D be miihtsy zany liste zany!
12. andrywui ( 19/01/2009 16:08)
elah hono lety ry penguin ozy ra kidoropamba ary ambadika ary oe elah ony ony manao loha na krevety ony de ao amin'ny lohany iany ny tainy!! tsy zah ry lety no niteny anzany fa ra kidoro a!! so za ndray no ampihinannareo
13. xxx ( 20/01/2009 04:52)
penguin : mba alalino tsara aloha ny toe-javatra iray izay vao mivazavaza manaratsy wa,sa zara aza ve nisy irika nahafahana nanaratsy an'i TGV.
Araka ny voalazan'ny vadi-tany (huissier) izay nijery ny zava-nisy teny Andohalo dia nisy nanongotra ny andry hazo izay mitondra an'ilay tafo,ka noho ny fisian'ny orana dia nitombo ny vesatra nefa ny andry efa niala,dia niseho ny fahavoazana.Marihina ihany koa fa tsy mur 11 araka ny dradrain'ny TVM sy ny MBS no nanaovana an'ilay foto-drafitr'asa fa mur 22 no sady ciment avokoa no nampiasaina natao rihitra.
Manaraka izany dia nisy olona nijoro vavolombelona izay nipetraka teny @ manodidina nahita andian'olona nanozongona sy nanala an'ilay andry.
Fa ny tena mahavariana dia ity,vao niseho ny fahavoazana,dia vetivety teo dia tonga nitondra fanampiana teny @ hopitaly ny fitondrana,ary vetivety koa dia tonga teny ny MBS naka ny sary izay toa efa nandrasana mihitsy ny fisian'ilay fahavoazana;tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy iny!
14. xxx ( 20/01/2009 05:43)
Ny hanampiako azy dia hoe mbola azo lazaina fa tanora saina loatra Ingahy Andry TGV ka mora ho an'ny mpanafosafo (Mpanohitra) ny nanambitamby azy ka tafaroboka izy. Raha mba nandinika izy dia saika olona efa teo amin'ny fitondrana avokoa ireo manodidina azy ireo, efa teo ireo nefa toa tsy nisy zava-bitany akory. Karazany ataon'ireo tohtra fiakarana ihany izy ka ny tsara aminy di amba mandinika tsara ihany aloha, ajanona mihitsy ny resaka ara-politika fa izay hanasoavany ny tananan'Antananarivo no tokony himasoany. :?:
15. tsiafoi1 ( 20/01/2009 07:55)
Tsy de le fanampina Frantsay loatra aloa no motraka e, fa le tetik'ady Frantsay mihitsy no mamotraka e. Omena an'ireny financement reny le boay kely de atosika hanakorontana mba hamerenana ny efa naloan'ny vava. Tsy hita moa fa ny saribakoly tsy maintsy averina mba hiarovana ny tombosoa Frantsay eto Dago. Raha fehezina ny teny de le mitady hitelina ny efa naloany no tena motraka, makota, voretra. De lasa Antananarivo miseho azy ho fetsy, malama sy maranitra, fa mihohoka, milelaka ny efa naloany, dain dain makando...

Tokony hisaina TGV fa izy no tena mpivarotra Tanindrazana voavidin'ny Frantsay mora foana. Tia tena... Fa mihevitra ve izy fa raha tafaverina eo ny saribakolin'ny frantsay ka hotafavoaka ty Dago kely... Fa tsy de Afrika no fetrany. Jereo avokoa reo firenena Afrikana zay teo ambany vahohon'ny Frantsay???
16. Mandefitra ( 20/01/2009 08:18)
Ka io dia ny gasy olon'ny fo no fahavoazana e, tsy mba ny saina no miasa hoe inona moa no fiantraikan ny fanohanako ty olona iray ty :
Efa miharihary zao ny teti-dratsin ny frantsay sy ny firangorangon 'ny dinozoro politika manao taty reraka dia mbola tsy tonga saina ihany fa ho ratsy ny tantara.
Sanatria manohatra toa zanak'osy dia:
"atao coucher dia mandry, atao allez de lasa
antsoina hoe ici dia indry misasasa"

Mba misaina ry mponin'Iarivo fa tsisy tombontsoa ho azo anaty fikorontanana ... dia mbola tohatra fiakarana foana h@ zao !
17. Rafahafahana ( 20/01/2009 08:59)
Aty France anie ka firenena mahantra no iantsoana an'i Dago é, hita amin'ny reportage sy ny documentaire zany ary tena tsindriny mihitsy io teny io; indraindray tena mampanongo tena mihitsy.
18. bozyboleta ( 20/01/2009 09:01)
Ka mbola betsaka koa ange ny vahoaka no miforitra sy mandadilady sy manao oui-oui @ lafrantsa e! Sarotra aminy ny hahatakatra ny tian'i lafrantsa atao eto Madagasikara eto.
Na dia efa aseho daholo aza izao fahotana mahafaty nataon'io lafrantsa io taty Afrika dia tsy hi-kôpy @ zany reo mpilelaka aminy ireo.

Mazava be tsy mila hazavaina intsony. Fa maninona hatr@ nandehanan'le hoe le lidec no tsisy ambasadaoro frantsay intsony eto? de avy aiza daholo ny tsaho sy ny karibonetra no mandeha tsy avy ao frantsa ao? de le gasy mpanao oui-oui koa de manararaotra ery manaratsy tena no sady manaiky atao saribakoly.

Resaka teny Andohalo, tao @ madagascar-tribune ndray koa no nahitako androany fa ny lehiben'ny mpanolotsaina ao @ CUA koa no miteny hoe ny mpiambina ny Filoha indray no nanimba ny teny Andohalo.
Ny zavamisy zao defa lalao politika maloto ary efa 3 zao no mpilalao eto: ny mpitondra, ny mpanohitra ary ny mpanararaotra. Otran'ny t@ teo Mahamasina t@ le fivavahana iny ihany. Nisy olona tratra hoe nanondraka rano hafahafa ny ben'ny tanàna de nosamborina ary nalefa teny @ polisy. Rehefa natao fanadihadiana sy nosavaina mbola nahitana antsy. Avy teo nisy andian'olona nangataka ny hivoahany fa hoe mpikambana @ le antoko vaovao an'i Alain Ramaroson ary nolazaina fa fanatik an'ny ben'ny tanàna ka nanondraka rano voahasina azy.
Be koa ny mpanararaotra @ zao lalao zao kah...




19. penguin ( 20/01/2009 09:41)
Aza mampiresaka ry leireto fa ny Mpanamboatra mihintsy no niresaka tao amin'ny radio nanazava fa mbola tsy vita ara-dalàna ny asa akory. Mbola eo ampanohizana ary nampiditra ranamana fa nisy jiolahim-boto naka ny andry.
Aza mampiresaka fa kay moa notokanana ny zavatra mbola tsy vita vééé ééé???
20. andrywui ( 20/01/2009 09:52)
ela oa aza mivolambolan fahatany rah tsy hay ry pengoinn fa taia kou ro nis mpanamboatra niresak anio ra tarogninao io tam tele zao! henoy soa rah volanignolo fa ra tahaka an'i liaka ty aby de ho diso fandray tarogna aby ny olo rehetra, ino ro tsy vita aradalana?? ino! fa raha nosabotena io liaka ty ary agnao mety anisan nandrobaka pilier io tao agnao le raha volagninao ro vakiako soa! io agny ro ataoko ho hagnosopotak olo ao koa zao ry Tim reo de io tokoa any fa de nitranga ny raha nahiako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0444