Olan’ny lahy sy ny vavy

1. xxx ( 28/11/2008 14:56)
mba entiko eto ity dinika ROHY nampidirin'i namana iray tany amin'ny dinika manokana, laha-tsoratra notsoahina tao amin'ny Madagascar TRIBUNE, misy tsy mahita ny any mantsy dia mba nentiko eto indray. dia ahoana indray ny fahitànao an'io ?

Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana
jeudi 20 novembre 2008, par Penjy R.

zay tia adala. Toa tsy mitombina intsony io ankehitriny, fa ny hita dia ny vola no maha-tokantrano. Fiainana tsy misy vola izany tokoa inona no hiafarany ? Raha mahita ny fomba fiainan’ny Malagasy ankehitriny tokoa, dia manjaka io vola io, ka na tsy mifanahatsahana aza ny endrika amam-bika sy taona eo amin’ny lahy sy ny vavy dia lasa izao. Ny vola no mibaiko.

Raha ny atotan-taratasy fisaraham-panambadiana eny amin’ny fitsarana, dia hita fa ny vavy no maro mangataka io fisarahana io. Ny antony, dia ny lahy hambara ho mijangajanga. Eo ihany koa ny tsy fampidirana vola ao amin’ny tokan-trano, na mamo lava. Na efa lehibe aza ny zaza, dia mitombina ilay oha-pitenena hoe" zaza fito tsy maha-fehy trano".

Ny olona misaram-panambadiana, dia voalaza fa ny 20% ny tafasaraka ihany no lasa manambady. Ny ambiny, dia manao fiainana selibatera. Tsy manakana azy ireo tsy hitia olon-kafa kosa anefa izany. Mananika ny 32 taona no mizotra amin’ny fisaraham-panambadiana, ka tsy manambady intsony. Manana olon-tiana kosa anefa izy ireo, ka lehilahy efa manambady avokoa no mamelona azy ireny. Tia fiainana milamina ny olona eo amin’io taona io, ary mila filana ara-nofo matetika. Voalazan’ny mpanao fanadihadiana, fa ankoatry ny filana ara-nofo, dia tia mandeha ho entina mankany amin’ny trano filanonana ihany koa izy ireny. Eo no mitarika ny vehivahy hanala azy amin’ny fisotroana sy fifohana sigara. Ny sipa kely araky ny fomba fiteny koa, maro be ka mila mihetsika, sao lasan’ireny ny olona izay nitia ny tena. Telo volana ny aorian’ny fisaraham-panambadiana vao afaka misoratra amin’olon-kafa indray ny ilay mpivady. Enim-bola io teo aloha. Miha-mafy ny fiainana eto amintsika, ary maro no te-hiadana nefa tsy maharaka ny filana ny vola miditra. Tsy ho gaga isika raha be ireo mampirafy ny tokantranony. Ny lehilahy 45 taona ka hatramin’ny 60, dia vehivavy eo amin’ny 30 ka hatramin’ny 45 taona no tiany. Ny mihoatra an’io kosa ny taonany, dia tovovavy 13 ka hatramin’ny 23 taona no mahafinaritra azy ireo. Ny 65% ny ankizy mihoatra ny 14 taona no voalaza fa tsy virjiny intsony. Ny lehilahy kosa dia mahatratra 85% ny mampirafy ny vadiny.

Tsy misy ohatry ny fifanajana ihany, ary ilaina ny fifampiresahana sy ny fifandeferana raha te-hiadam-pinaritra ao anatin’ny fianan-tokantrano isika mianakavy. Sa raha tsy be vola tsy milamina io ?

répondu par ikaretsaka le 02/01/2009 17:00
2. xxxx1 ( 28/11/2008 15:10)
tonga soa ao anatin'ny fivoarana sy ny rendrarendra e
zay mahery sisa tafatsangana
:°) :°) :°) :°) :°)
resin'ny vola ny fivahahana sy ny fahendrena malagasy natao hirahira lavareny hatrizay
veloma eeeeeeeeeeeee :-D
3. heidi ( 28/11/2008 15:40)
mariona kosa aloha amihn'izao fotoana izao fa ny vola no maha olona e! fa tsy entina akory hanaovana ny tsy fanao ny vola....indridnra amin'izao krizy mondialy izao....VAO MAIKA gravy, tena ilaina ny vola mba ho olona....
4. heidi ( 28/11/2008 15:44)
- HIsaram-panambadiana dia hanao fiainana selibatera, dia mandeha miaraka am vadin'olona , inona koa no dikan'izany????? tsy fahamatorana fotsiny tsotra izao..... :o
5. kotobekibo ( 28/11/2008 23:44)
heidi:

- HIsaram-panambadiana dia hanao fiainana selibatera, dia mandeha miaraka am vadin'olona , inona koa no dikan'izany????? tsy fahamatorana fotsiny tsotra izao..... :o

Ka ilay fiarahana @ vadin'ol eto d tsy fitiavana intsony , fa resaka spons fotsiny !

Voaterin'ny zvmisy izy angamba , tonga @ hiran'i Lolo sy ny tariny izy ity hoe ianao mitady ol tena kala b ? ...tsy zà velively izany bandy izany a!...:-D :-D :-D
6. sakaizakely ( 29/11/2008 10:45)
ny oul nisaraka hitako akaiky zao de oul nipetraka teto akaikinay teo, efa niteraka 2 ry zareo, samy miasa. Fa lasan'ilay selibatera vao nifindra vao haingana tsy lavitra teo le sipa. Izy kou manjakely be zay, fa tena nanao depression very 15 kg le vadiny nalahelo azy dol ny manodidina

sendra tafaresaka za le sipa taty aorina, izy mou tsy de namako loatra ka tsy tafiditra lalina ny resaka, fa nolazainy oe leo ny quotidien oun izy, miasa de mikarakara ankizy de zay fotsiny oun ny fiainany. Nefa le vadiny hita be oe tia be sy mikarakara be anazy, chifonnette aza no nataoko surnom n le rangah satria misy torchon fona eny antanany manadio trano fona lery, sady mifoha maraina mamboatra kafé oan'i madama nefa am 4 maraina madama no taitra fa miasa aloha be. Zareo ko tsy azo lazaina sahirana fa dans la moyenne tsara

de tsy azoko ze tena antony nisarahany, fa raha hoe leo ny mikarakara zaza sy miasa fotsiny, zao le vhv izy irery misahana ny zanany rehefa tonga ny anjarany, fa garde partagée herinandro ny ankizy, de taoko re mitovy ihany ny rythme, zany hoe izy irery no manenjika asa, maka sy manatitra ny ankizy, manao sakafo sy mikarakara sns...

marihiko fa tsy naharitra 3 volana akory dia nisaraka izy sy ilay selibany de votery nitady hafa izy. Fa mandrampahitany an zay de tena SDF kely izy 3 mianaka
eo no mahalasa saina ahy oe raha hisaraka pour retrouver la même galère, en plus ho single fa tsy hisy oul iankinana intsony :roll: :roll: :roll: :roll:
7. sakaizakely ( 29/11/2008 10:47)
hadinoko, nisy latsaka kely
marihiko fa tsy naharitra 3 volana akory dia nisaraka izy sy ilay selibany de votery nitady trano hafa izy.
8. ikaretsaka ( 29/11/2008 11:09)
Zany refa pendipendina, tano ny azo fa sarotra ny mila. Nitady tombony de natombony
9. ni81 ( 29/11/2008 12:11)
Zany refa pendipendina, tano ny azo fa sarotra ny mila. Nitady tombony de natombony
Marina mihitsy io fiteny tano ny azo fa sarotra ny mila io
10. Papoose ( 29/11/2008 19:11)
izay ihany wa no tsara hoe aleo mihitsy aloha tsy manambady sy mba hoe mahita experience manal'azy zay vao manambady...fa rehefa tonga ao dia mifamahofaho daholo ny adidy isan-karazany!!! moa raha tsy mahay mandrindra ny tiana sy ny mahasoa dia sahirana eo!
11. ikaretsaka ( 29/11/2008 20:43)
eee de ho vorona tratra hariva eo koa anefa no hiafarany
12. kotobekibo ( 30/11/2008 09:53)
ikaretsaka:

eee de ho vorona tratra hariva eo koa anefa no hiafarany

Ref mbola tsy misy kiraro antonona kosa aloha aleo milamina mandeha tongotra e! toy izay kiraro tery na diso malalaka , na avo loatra .
Handrika eo vao gaga :-P :-P
13. ni81 ( 30/11/2008 10:08)
Ref mbola tsy misy kiraro antonona kosa aloha aleo milamina mandeha tongotra e! toy izay kiraro tery na diso malalaka , na avo loatra .
mila manao komandy @ dadabenoely zany e :)
14. kotobekibo ( 30/11/2008 10:33)
ni81:

Ref mbola tsy misy kiraro antonona kosa aloha aleo milamina mandeha tongotra e! toy izay kiraro tery na diso malalaka , na avo loatra .
mila manao komandy @ dadabenoely zany e :)

Ka i dadabe noely tokony hiova solomaso satria diso foana ny pointure omen'i lery ahy . :-D :-D :-D
15. sakaizakely ( 30/11/2008 17:46)
Papoose:
izay ihany wa no tsara hoe aleo mihitsy aloha tsy manambady sy mba hoe mahita experience manal'azy zay vao manambady...fa rehefa tonga ao dia mifamahofaho daholo ny adidy isan-karazany!!! moa raha tsy mahay mandrindra ny tiana sy ny mahasoa dia sahirana eo!

ka otra teo mitr ny olana, vao 13 taona le sipa no niaraka ry zareo, le vadiny zany no sipany volou naharitra ndrindra, de mety oe leomboanana izy fa efa 15 taona iny ihany no mba kaliny :-D :-D

raha ohatra ka nisy resaka fijaliana na fijangajangana avy am le lhl de ho mora ny mikopy le resaka fa tena tsy nisyané e, de leo fotriny sady taitra an le selibatera tetsy ampita de lasa tsy tana tsy nahary lamba, tany kou mou fety lava isankariva de varina an'io

kanefa ny loza de tsy naharitra akory ny tantara

fa le ankizy no tena nampalahelo, lasa nisy trouble zany le voalohany nanao blokazy tampotampoka teo

:cry: :cry:
16. Papoose ( 30/11/2008 20:19)
tena zany mihitsy eee, raha za manokana aleoko tsy midikiditra raha mbola hitako hoe tsy alehany le ho vadiana....arak'io tranga io ambony io mantsy sy araka ny hevitro dia ny sipa raha vao divorcEE raha tsy mahatanty saoka ny fiainany manaraka eo dia potika

ikaretsaka, aleoko mahatsiaro sambatra na vorona tratra hariva aza toy izay manambady nefa tsy sambatra akory!
17. sakaizakely ( 30/11/2008 20:48)
papoose> ka nifankatia be né ry zareo tam zany e, sady niandry 20 ans izy no natao mariazy sy niteraka, zany oe mba nisy fotoana nisainany tsara
sady mbola mahavariana ahy ihany, le vadiny taloha io tena mbola bogosy lavitra noho le selibany
de angamba tokoa le izy vo kely de nanambady no antony nampisavirivol azy

mitovy hevitra isika sy Papoose, za kou aleoko afapo am safidiko tratra hariva toy zay hipendipendina mbola tanora, sady ny sipako talou rehetra zao to manaonao fona zany aby hono no henoko. Soa ihany :°) :°) :°)
18. ikaretsaka ( 30/11/2008 23:34)
ary ireny kely de raikim-pitia na efa naka commitment sahady ireny foana iznay no manondrana rehefa avy eo an... hitako @ le ara-pinoana reny koa manko izany fa le niditra petis seminaires ireny na vao kely dia lasa pasitera dia manondranondrana
19. xxx ( 01/12/2008 12:10)
Za dia efa saika tafiditra t@ atao hoe fisarahana,fa refa tena nieritreritra za dia hoe hisaraka,dia ho aiza? Dia ahoana ny ho fijerin'ny manodidina,hoe,tsy nahazaka tokatrano !Dia ahoana ny fianakaviana,dia ahoana ny ankizy,Bdb ny fanotaniana nifamahofaho tao andoha.Ny niafarany dia nipetraka niaritra ihany,saingy novaina ny fomba fitondrana ny tokatrano.Ary nananosarotra ihany vao nahafolaka ilay vadiko satria efa zatra ny teo aloha.
Ny antony:
Nahatsapa ny tenako ho toy ny mpiasa ao atrano fotsiny aho,raha ny vola dia azo lazaina fa manana ny ampy izahay fa kosa eo @ ara pitiavana dia toa tsy misy affection mihitsy.Rangahy vao avy miasa dia etsy @ gazety sy ny telé.Misakafo,dia mamaky boky sns....
Amiko tsy dia ny vola ihany no ilaina fa mba mila ny tamitamby koa indrindra fa isika vevavy.
Be t@ reo namako no niteny ahy hoe refa azondry ny vola de aza miraharaha zay ambiny any ,nefa tsy mety satria raha resabola no anambadiana,amiko afaka miasa tsara isika vevavy na asa inona na inona fa tsy hoe hanambady olona manambola akory dia zay dia ampy.Ny fitiavana ilaina ihany koa eo @ tokatrano .
20. heidi ( 01/12/2008 12:41)
xxx:

azo lazaina fa manapotika fiainana anie ny fiasaraham-panambadiana e!
ary indrindra tsy ho hainao ilay olona hidiranao fanindroany io na haharitra aminao na tsia....
KA raha mba azo avotana sy hoe tsy dia olana gravy be manadàla dia aleo ihany no kely hanana no kolokoloina hatao izay hampandroso azy,
ny hamaivanan-doha sy ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy ampieritreretana ndray ndray mampivarina an-kady

:°)
ny fitiavana be toy ny tam vlou ngaha haharitra hoatra an'iny foana fa mba miova kely aty aoriana fa tsy midika izany fa tsy mifankatia na hoe tsy tiany tsony ianao na koa tsy tinao tsony izy, ny fahaizana miara-miaina ampilaminana no tena zava-dehibe....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0995