Olan’ny lahy sy ny vavy
21. Rafahafahana
(
01/12/2008 15:02)
xxx:
mba entiko eto ity dinika ROHY nampidirin'i namana iray tany amin'ny dinika manokana, laha-tsoratra notsoahina tao amin'ny Madagascar TRIBUNE, misy tsy mahita ny any mantsy dia mba nentiko eto indray. dia ahoana indray ny fahitànao an'io ?
Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana
jeudi 20 novembre 2008, par Penjy R.
zay tia adala. Toa tsy mitombina intsony io ankehitriny, fa ny hita dia ny vola no maha-tokantrano. Fiainana tsy misy vola izany tokoa inona no hiafarany ? Raha mahita ny fomba fiainan’ny Malagasy ankehitriny tokoa, dia manjaka io vola io, ka na tsy mifanahatsahana aza ny endrika amam-bika sy taona eo amin’ny lahy sy ny vavy dia lasa izao. Ny vola no mibaiko.
Raha ny atotan-taratasy fisaraham-panambadiana eny amin’ny fitsarana, dia hita fa ny vavy no maro mangataka io fisarahana io. Ny antony, dia ny lahy hambara ho mijangajanga. Eo ihany koa ny tsy fampidirana vola ao amin’ny tokan-trano, na mamo lava. Na efa lehibe aza ny zaza, dia mitombina ilay oha-pitenena hoe" zaza fito tsy maha-fehy trano".
Ny olona misaram-panambadiana, dia voalaza fa ny 20% ny tafasaraka ihany no lasa manambady. Ny ambiny, dia manao fiainana selibatera. Tsy manakana azy ireo tsy hitia olon-kafa kosa anefa izany. Mananika ny 32 taona no mizotra amin’ny fisaraham-panambadiana, ka tsy manambady intsony. Manana olon-tiana kosa anefa izy ireo, ka lehilahy efa manambady avokoa no mamelona azy ireny. Tia fiainana milamina ny olona eo amin’io taona io, ary mila filana ara-nofo matetika. Voalazan’ny mpanao fanadihadiana, fa ankoatry ny filana ara-nofo, dia tia mandeha ho entina mankany amin’ny trano filanonana ihany koa izy ireny. Eo no mitarika ny vehivahy hanala azy amin’ny fisotroana sy fifohana sigara. Ny sipa kely araky ny fomba fiteny koa, maro be ka mila mihetsika, sao lasan’ireny ny olona izay nitia ny tena. Telo volana ny aorian’ny fisaraham-panambadiana vao afaka misoratra amin’olon-kafa indray ny ilay mpivady. Enim-bola io teo aloha. Miha-mafy ny fiainana eto amintsika, ary maro no te-hiadana nefa tsy maharaka ny filana ny vola miditra. Tsy ho gaga isika raha be ireo mampirafy ny tokantranony. Ny lehilahy 45 taona ka hatramin’ny 60, dia vehivavy eo amin’ny 30 ka hatramin’ny 45 taona no tiany. Ny mihoatra an’io kosa ny taonany, dia tovovavy 13 ka hatramin’ny 23 taona no mahafinaritra azy ireo. Ny 65% ny ankizy mihoatra ny 14 taona no voalaza fa tsy virjiny intsony. Ny lehilahy kosa dia mahatratra 85% ny mampirafy ny vadiny.
Tsy misy ohatry ny fifanajana ihany, ary ilaina ny fifampiresahana sy ny fifandeferana raha te-hiadam-pinaritra ao anatin’ny fianan-tokantrano isika mianakavy. Sa raha tsy be vola tsy milamina io ?
Mieritreritra tsara vao miditra @ fanambadiana mba tsy hisian'ny olana.
22. kotobekibo
(
02/12/2008 00:55)
Ny tokatrano fifandeferana ka raha misy iray tsy mandefitra d aleo milamina . Iza no ho faty ao ? Aleo irery toy izay ratsy namana . :D
23. Papoose
(
02/12/2008 03:36)
KA raha mba azo avotana sy hoe tsy dia olana gravy be manadàla dia aleo ihany no kely hanana no kolokoloina hatao izay hampandroso azy,
ny fahitako azy aloha dia ny ankabeazan'ny olana dia efa mitranga dieny mbola samy tia iny le couple, fa mbola mandefitra satria mbola tia e dia mbola tsy te hanakotaba an'izay la vie est belle zay! fa tonga kosa ny fotoana hoe ny ray ohatra tena tsy mahatanty intsony de mivaky ny hisaraka ohatra!!
dia amiko ny base-ny hoe maka fotoana tsara ianarana an'ilay mombamomba an'ilay olona( fotoana zay hitanao fa ampy)zay vao manambady an'iny..au moins enao na sanatria hisaraka @iny aza any aoriana dia tsy hanenina enao satria tany aloha enao dia efa niezaka fa tsy hoe ao anatin'ilay fanambadiana daholo vao hahita an'izao surprises ratsy rehetra zao dia galere lava no iainana!!! le fahatanorana mantsy tsy imbedebe miverina koa!
tsy misy tsara noho ny hoe ny fotony de efa hatsaraina fa tsy le izy efa maniry iny vao vonjivonjena tsy halazo!
24. heidi
(
02/12/2008 16:21)
tsy misy tsara noho ny hoe ny fotony de efa hatsaraina fa tsy le izy efa maniry iny vao vonjivonjena tsy halazo!
bien dit :-P
25. kotobekibo
(
02/12/2008 19:00)
heidi:
tsy misy tsara noho ny hoe ny fotony de efa hatsaraina fa tsy le izy efa maniry iny vao vonjivonjena tsy halazo!
bien dit :-P
Ka misy ny mpivady no mimenomenona hoe efa 10taona aty aoriana vao mipoitra dôly ny toetra ratsin'ny sasany :o
26. Papoose
(
03/12/2008 03:35)
heidi :°) :-P
kotobebain, ka satria tsy tsara tondraka hatrany @ fotony!!! "tsara" tena "tsara" fa tsy tsara amaivanina ne e
kotobebain, ka satria tsy tsara tondraka hatrany @ fotony!!! "tsara" tena "tsara" fa tsy tsara amaivanina ne e
27. kotobekibo
(
03/12/2008 12:15)
mety tsara tondraka ihany fa misy koa anie ny ahi-dratsy e! mila sorohina , na ny zezika no tsy tsara . :roll:
28. Papoose
(
03/12/2008 21:39)
de mila mivonona @ angady sy n harona ndray @zay datoa a!!!dia asirina aby ny ahidratsy koo :-P
29. simplex
(
03/12/2008 22:10)
ny tena marina koa misy vevavy tena manao fankam-panahy be mintsiny... tsy hita tsony zay aleha... aza mitondra anay @ fakam-panahy...
vavaka nampianarin'ny tompo :P
31. heidi
(
04/12/2008 06:24)
:-D :-D :-D :-D samh mahay zany, raha ireo no mifanojo de mitora-jofo mitsy ny terrain :-D
33. sakaizakely
(
04/12/2008 11:05)
kotobekibo:
Ka misy ny mpivady no mimenomenona hoe efa 10taona aty aoriana vao mipoitra dôly ny toetra ratsin'ny sasany
marina mitr
misy efa 10 taona aty afara vo mipotra doly ny kibony sy ny taviny de enao no potsipotsitra fotsiny eo raha tsy maharaka ny dilatasion-ny :-P :-P :-P :-P
36. kotobekibo
(
05/12/2008 23:47)
sakaizakely:
kotobekibo:
Ka misy ny mpivady no mimenomenona hoe efa 10taona aty aoriana vao mipoitra dôly ny toetra ratsin'ny sasany
marina mitr
misy efa 10 taona aty afara vo mipotra doly ny kibony sy ny taviny de enao no potsipotsitra fotsiny eo raha tsy maharaka ny dilatasion-ny :-P :-P :-P :-P
ka iny indray noho ny ahabetsahan'ny lab's nosotroina hatrizay kouh!
:-D :-D :-D
38. kotobekibo
(
13/12/2008 21:18)
simplex:
ny tena marina koa misy vevavy tena manao fankam-panahy be mintsiny... tsy hita tsony zay aleha... aza mitondra anay @ fakam-panahy...
vavaka nampianarin'ny tompo :P
Tsy haiko lisany fa zà raha vao misotrosotro d tena mitombo b ilay faka-panahy @ vhv :-D :-D :-D
Papoose :arrow: Ka ilay taoka mihitsy no mampatavy kouh! :D :D
39. ikaretsaka
(
13/12/2008 23:20)
kotobekibo:
Ny tokatrano fifandeferana ka raha misy iray tsy mandefitra d aleo milamina . Iza no ho faty ao ? Aleo irery toy izay ratsy namana . :D
Tokatrano fifandeferana
Ny vadinao sy enao tsy fanaperana
