Fa tsy menatra ny filzantsara aho

1. niryna ( 30/10/2008 13:11)
Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa. Romana 1:16

Andriamanitra dia manome fahasoavana izay rehetra manome voninahitra Azy ary Atra mamaly ratsy izay mamingavinga ny teniNy koa izy .
Dia tsy misy indra-fo ve Atra raha izany ?
Ny taranaka aman-dimby rehetra no omeny indra-fo ary ny taranaka aman-dimby ihany koa no voahozona ,soa ihany fa isika no manapaka izany tady fanangejana izany ka tapaka ny fatotra nangeja.

Isaky ny mitoriteny ity mpitandrina dia tonga eo foana ity rangahy mamo.
Toheriny foana ny teniny no sady mivazavaza izy .Mahagaga anefa dia tonga indray izy rehefa mamo .Naharitra fotoana maromaro izany ,tsy niteny ity mpitandrina fa notohizany foana ny fizarany ny vaovao mahafaly
Indray andro rehefa sendra mamo iny ity ranamana dia nanatona ny pilipitra indray,tampoka nianjera tamin'ny tany izy ary dia maty teo Niato ny fitoriana ny filazan-tsara.Niantso vonjy ny mpiangona ary tonga ny polisy sy ny ambulance nitondra azy tany amin'ny hopitaly.Rehefa natao ny antony rehetra dia voaporofo fa voan'ny herim-baratra ilay rangahy.Nojerena anefa ny fiangonana tsy nisy taribia tapaka na nirehitra na nifandrirotra . Hmm !

Ny anatra azoko ho raisina amin'izany ? rehefa nomena anao ny tenin'Atra dia zarao izay kely fantatrao ary aza menatra na miafina mizara ny fitiavan'ilay kristy .
Raha toa ka tsy mino koa dia tsy maninona fa tsara kokoa ny mihaino sy mijery fotsiny toy izay manompa na manozona na manao teny tsy mendrika ireny mpanompon'Atra ireny.Tsy izy ireny no nifidy hanaraka an'Atra fa Atra no efa nifidy azy ireny ary efa nomena azy ireny koa ny teny mba ho zaraina
sa ahoana ny hevitrao ?
(l)niryna
répondu par niryna le 22/11/2008 02:05
2. rahery08 ( 30/10/2008 13:33)
marina izany!
3. bobone ( 30/10/2008 14:02)
rahery08: tena marina tokoa moa zany !!!
4. kavia ( 30/10/2008 14:13)
Ny finoana tokoa dia tena zava-dehibe eo amin'ny fiainana ny fananana azy. Hevero anie i Mosesy sy ny zanak'Israely raha niampita ny ranomasina mena. Na teo aza ny fikapohana ny rano tamin'ny tehina, raha tsy teo ny finoana dia tsy nisy ny fisarahan'ny rano. Santionany ihany io fa isika tsirairay samy mahafantatra ny asan'ny finoana amin'ny fiainantsika
5. ikaretsaka ( 30/10/2008 16:25)
tsy menatra ny filazantsara raha tena fantatrao hoe inona no torianao fa tsy ny famerimberenana toko sy andininy fotsiny, na hoe nahazo an'ity aho dia zaraiko... nefa tsy manana clue akory ianao ary out of context le tsimponannao sy le situation tokony hilazana azy
(mpitranga be ato io)

Raha za izaho no teo @ placen'i dadapasy t@ io dia ny nitady vahaolana ho an-dramamolava aloha no nataoko voalohany fa tsy niandry azy ho faty mihitsy akory... mainka aza izay vesatra ho an'ny konsiansiko

le t@ vao niseho voalohany izy ka nanohitra dia au moins nandrasako taorianan'ny fitorianteny dia teo aho no nitady fika hahalalana hoe fa maninona izy no nanohitra ahy, inona no ilainy sy tadiaviny, inona @ points nolazaiko teo no tsy azoazony ka afaka hifampidinihanay... dia mijery izay azo hanampiana hanafahana ny maha mamolava azy aho ohatra!

fa le tranga eto dia hoe wawawa foana na misy migafy aza.. tadidio fa ao @ asan'ny apostoly sy ny evanjely ao (jereo ny cas an'i bartimeo nimenomenona sy ireo olona nipetrahana leziona niantsoantso an'i jesoa... na ilay bandy natory t@ toriteny ka lavo avy any eny ambaravarakely ) fa ny nitsabo sy ny nanasitrana an'ireny aloha no nataon'i Jesoa sy i paoly sns... ary najanona mihitsy aza ny toriteny...

raha tonga ny fariseo sy ny sisa maka fanahy ny Tompo dia najanony mihitsy aloha ny toriteniny, fa ny miresaka sy manazava amin'ireny aloha no nataony fa tsy heo eo aby ianareo re'olona fa ny ahy ihany no asesiko aloha.

Toy izany kao raha noana ny olona tany an'efitra: nampitomboiny aloha ny mofo sy ny hazandrano namahanany olona.


Amiko raha tena te hiteny hoe tsy menatra ny filazantsara sy hanaraka ny contexte sy hiaina araka ny soratra masina sy ny esprit kristianina dia izany no atao.... fa i pasitera eto manao esprit fariseo....



6. rakapy ( 30/10/2008 17:08)
:-D :-D :-D Inona moa no tokony ahamenatra anao @ filazan-tsara?
Sa misy zavatra tsy tsara tsapanao na tsy atokisanao @ filazan-tsara ka aleo atao size?
Ny makorelina aza tsy menatra @ zava-bitany koa filazan-tsara indray ve no ahamenatra.
7. ikaretsaka ( 30/10/2008 17:22)
ialahy hoa rakapy aza menatra manisy transistor ny retrovizara fa tssss
8. rakapy ( 30/10/2008 19:44)
Ika> Efa nasiako rezistansy sy sirkoii mihintsy ny retrovizera fa efa fay ny tany Andalatanosy farany teo aho :-D :-D :-D
9. rakaroka ( 30/10/2008 21:30)
[quote=niryna]
Fa tsy menatra ny filazantsara aho


Ka ny "blem" am lé izy dia ny hafa no manongo-tena @ tsy fahatsapana fa
tsy ao @ tokony ho izy ilay "fijoroana"

Andriamanitra dia manome fahasoavana izay rehetra manome voninahitra Azy ary Atra mamaly ratsy izay mamingavinga ny teniNy koa izy .

Ny fanambarana toa izao dia tokony "AHAMENATRA" satria Atra dia mampiposaka ny masoandrony ho an'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy.
Dia toetra tahaka ny ahoana kay no mba voizina am fampianarana toa izao?...

Dia tsy misy indra-fo ve Atra raha izany ?
Ny taranaka aman-dimby rehetra no omeny indra-fo ary ny taranaka aman-dimby ihany koa no voahozona ,soa ihany fa isika no manapaka izany tady fanangejana izany ka tapaka ny fatotra nangeja.

Dia mba novakianareo ve wa ny tenin'ilay Jehovah hoe "Avia hifandahatra isika,na tahaka ny jaky aza ny fahotanareo...f'angaha Izy nanakipily olona izany?....
Isaky ny mitoriteny ity mpitandrina dia tonga eo foana ity rangahy mamo.
Toheriny foana ny teniny no sady mivazavaza izy .

Marina loatra ny voambaran'i Ika hoe mi-jouer "rôle"n'ilay fariseo ilay mpitandrina, dia misy zavatra tsy normaly miseho v ao anaty sehatry ny fiangonany dia tahaka ny odiana tsy fantatra akory? Tsy mety anie izany e!
10. ikaretsaka ( 30/10/2008 21:59)
ka betsaka nymihevitra azy ho kristianina no manadino sy/na mbola mihevitra hoe ny fandraisana ity bokin-tsoratra sy toriteny ity ho toy ny t@ andron-dramosesy ihany ry rakaroka an.. hoe famerenandesona no dikan'ny toriteny de rehefa mahay mamerin-desona no hoe "mpakamamy tenin'Atra" sy ny hoe "mizara ny tenin'Atra"
adinony anefa fa fomba nampiasaina nannkan'ny fahavalo (na ny tany an'efitra na ny mpanora-dalana sy ny fariseo) fanahy an'i Jesoa io tanisa tanisa teny io fa ny tena vaovao mahafaly sy tenin'andriamanitra nampianarin'i Jesoa dia ny fampiharana ilay izy @ fitiavana sy ny fanasoavana ny madinika aloha!

adino le hoe Tiavo ( izany hoe =hasoavy ,karakarao raiso ho toy ny tenanao) ny namanao sy ny madinika!
fa ny hitovy tena @ 'mpamafy" no imatimatesany!

Asa: le ignorance ihany angamba no mahatonga izany
11. rakaroka ( 30/10/2008 22:37)
Ny tena "blem" ry Ika dia ilay "fanasesefana ao an-tsain'ny maro"
"fiteny maro" mampandry adrisa => dia "mandry tokoa moa ny "adrisa" e!"
Dia izay no "abahana" eo @ fiainana: mazava ho azy fa tsy miditra intsony ny zavatra hafa : dia bonjour l'IGNORANCE" ! Dia na ilay saina , fitaovan-tsarobidy
nomen'atra aza lasa tsy miasa firy intsony vokatry ny fanapepoana hoe : tsy ny sainao e sns...mba iza aza no fototr'izao fampianarana SANDOKA itompoana sy arahana izao e :roll: :?: 8O 8O 8O 8O 8O 8O :? :? :?
12. ikaretsaka ( 30/10/2008 22:55)
izay mantsy
Il y a deux manières d'ignorer les choses : la première, c'est de les ignorer ; la seconde, c'est de les ignorer et de croire qu'on les sait. La seconde est pire que la première.
13. dalie ( 31/10/2008 07:53)
Marina tokoa izany tsy mahamenatra ny filazantsara
14. ikaretsaka ( 31/10/2008 14:02)
rehefa hay ny mampiasa azy fa tsy fahatany fotriny
15. rakaroka ( 31/10/2008 21:27)
Ny tena mampmé ahy mantsy dia eto am sera sy any Dago dia hoe "tsy menatra" :roll: 8O :wink: :-w :-w :-w :-$ fa mandana kely hoe mitory any Inde na Chine na am rizareo Silamo hijerena izany tsy menatra izany 8O 8O
Rizareo ireo koa anie mbô tsy menatra ny boky inoany aby any @ taniny :wink:
16. ikaretsaka ( 31/10/2008 21:31)
:-D :-D :-D ka izay le tsy mijery afa tsy ny tenany ihany ry rakaroka a
17. rakapy ( 31/10/2008 22:26)
Angamba tsy henatra fa "TAHOTRA" no tena marina.
18. niryna ( 01/11/2008 02:02)
ikaretsaka:

tsy menatra ny filazantsara raha tena fantatrao hoe inona no torianao fa tsy ny famerimberenana toko sy andininy fotsiny, na hoe nahazo an'ity aho dia zaraiko...

Raha mampianatra ve ry ika tsy efa nandalo fianarana vao afaka mampianatra e,
Ny tenin'Atra koa dia toy izany ,izay rehetra voafidiny dia afaka mizara izay kely fantany ary izay rehetra manana finoana koa na dia kely dia kely aza hoy ny soratra masina ka mamafy izany voatsiperifery izany dia lasa ho toy ny hazo lehibe indrindra ho fialofana ilay finoana ka
Atra mahafantatra ny olona nofidiany ka hay ve tsy isika ity no nieritreritra hoe andeha aho hamaky baiboly na andeha aho anatona an'Atra e ?
Izy no nifidy antsika fa tsy isika no nifidy Azy

19. niryna ( 01/11/2008 02:03)
kavia:

Ny finoana tokoa dia tena zava-dehibe eo amin'ny fiainana ny fananana azy. Hevero anie i Mosesy sy ny zanak'Israely raha niampita ny ranomasina mena. Na teo aza ny fikapohana ny rano tamin'ny tehina, raha tsy teo ny finoana dia tsy nisy ny fisarahan'ny rano. Santionany ihany io fa isika tsirairay samy mahafantatra ny asan'ny finoana amin'ny fiainantsika



^:^ =D
20. niryna ( 01/11/2008 02:08)
rakapy:

:-D :-D :-D Inona moa no tokony ahamenatra anao @ filazan-tsara?

marina izany ka tsy atao mahamenatra mihitsy indrindra moa ilay fijoroana vavolombelona .
Misy antony avokoa no nahatonga antsika tety !
dia izay hoe mandehana amin'izao tontolo izao ka ataovy mpianatro ny firenena rehetra .



^:^ ^:^ ^:^ misaotra ny serasera fa maro ankehitriny ny malagasy eran-tany afaka mizara izany tenin'Atra izany sy afaka mianatra sy mandray ny tenin'Atra omeny antsika eto =D =D =D

Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ,ny fahasoavaNy anie hirotsaka ao amintsika tsirairay hatrany .Amen!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1291