Fa tsy menatra ny filzantsara aho

21. niryna ( 01/11/2008 02:09)
dalie:

Marina tokoa izany tsy mahamenatra ny filazantsara



^:^ ^:^
22. ikaretsaka ( 01/11/2008 19:31)
niryna:


tsy menatra ny filazantsara raha tena fantatrao hoe inona no torianao fa tsy ny famerimberenana toko sy andininy fotsiny, na hoe nahazo an'ity aho dia zaraiko...

Raha mampianatra ve ry ika tsy efa nandalo fianarana vao afaka mampianatra e,
Ny tenin'Atra koa dia toy izany ,izay rehetra voafidiny dia afaka mizara izay kely fantany ary izay rehetra manana finoana koa na dia kely dia kely aza hoy ny soratra masina ka mamafy izany voatsiperifery izany dia lasa ho toy ny hazo lehibe indrindra ho fialofana ilay finoana ka
Atra mahafantatra ny olona nofidiany ka hay ve tsy isika ity no nieritreritra hoe andeha aho hamaky baiboly na andeha aho anatona an'Atra e ?
Izy no nifidy antsika fa tsy isika no nifidy Azy





ka izay .. raha mampianatra dia ny mi maitriser ilay zavatra ampianariny no tena mpampianatra... fa tsy ny mamerimberina ny ao @ boky fotsiny... fanampiny fotsiny ny ao @ boky!
autant miteny hoe vidio ny boky de samy midebra dia @ exam mifampotoana!... inona no maha mpampianatra anao @ zany?
23. rakapy ( 01/11/2008 19:48)
Fa maha menatra kosa ny fitoriana ny filazan-tsara raha toa ka io no andanianao ny andronao.
Misy mantsy ireo izay miandrahandra mafy ilay paradisa ka lasa manao fitoriana sy vavolombelona etsy sy eroa nefa ny vady aman-janany dia tsy mihinana na mijaly na koa mila azy amin'ny fifanampiana ao an-tokatrano. Izy mba nantenaina indray no lasa mandany andro any ivelany.
24. rakaroka ( 01/11/2008 20:34)
rakapy:

Fa maha menatra kosa ny fitoriana ny filazan-tsara raha toa ka io no andanianao ny andronao.
Misy mantsy ireo izay miandrahandra mafy ilay paradisa ka lasa manao fitoriana sy vavolombelona etsy sy eroa nefa ny vady aman-janany dia tsy mihinana na mijaly na koa mila azy amin'ny fifanampiana ao an-tokatrano. Izy mba nantenaina indray no lasa mandany andro any ivelany.




Tsy diso ny "fanamarihan"-dRakapy an! Tsy vitsy ny laniandro mitory,anefa
ny "fiahiana ny ao an-trano aza tsy noefainy akory, fa dia manemitra ivelany e:
"MAHAMENATRA tokoa! 8O 8O 8O
25. rakaroka ( 01/11/2008 20:38)
Dia maro koa ireo tsy tsara fihavanana @ rahalahiny akory dia "miseho ho mivavaka" anefa ny baiboly manao hoe "mihavana aloha"!
26. coopsal ( 06/11/2008 08:37)
rakapy:
Fa maha menatra kosa ny fitoriana ny filazan-tsara raha toa ka io no andanianao ny andronao.
Misy mantsy ireo izay miandrahandra mafy ilay paradisa ka lasa manao fitoriana sy vavolombelona etsy sy eroa nefa ny vady aman-janany dia tsy mihinana na mijaly na koa mila azy amin'ny fifanampiana ao an-tokatrano. Izy mba nantenaina indray no lasa mandany andro any ivelany.

==> Hatramin'ny ninoako an'i Jesosy no nanomboka nampazoto ahy ny namaky baiboly. Tsy nihevitra ny hitory filazantsara aho saingy ny zava-nitranga tamiko sy iainako no nanosika ahy hazoto hitantara @ olona ny fahatsapako ny amin' Andriamanitra, sy ny namalian'i Jesosy ny vavako hoe "raha misy marina ianao dia lazao amiko ny anton'izao".
Izaho manana asa tsara (araka ny fijerin'olombelona), ary afaka mitaky karama b sy toerana ambony! Afaka ny miasa tena koa ary mahazo vola be! Saingy rehefa nasehon' Andriamanitra ahy ny bibilava tao ambadik'izany tehina fivelomako izany dia tsy te hanao io asa io intsony aho! Nolazaiko t@ reniko sy olona sasany akaiky ahy ary dia nihevitra ahy ho adala izy ireo! Saingy aleoko lavitra tsy manana nefa voavonjy toy izay manana izao tontolo izao kanefa very any @ afobe! Afokely eto an-tany aza tsy tantiko itoerana ela.

Ny fiainako ao @i Kristy kosa anefa no ahatsapako fa diso izay milaza fa ny mpanompon' Andriamanitra dia fadiranovana! Efa niteny tamin'ny mpianany Kristy hoe
- "homen'ny Ray anareo ho fanampiny izany rehetra izany" [Matio 6:33], sy hoe
- "Vao tsy mangataka ianareo dia efa fantatry ny rainareo izay tokony ho anareo"[Matio 6:8], ary koa hoe
"Fa izay rehetra nahafoy trano na tany na vady na zanaka ... dia hahazo zato heny @izao fiainana izao, ary @ fiainana ho avy dia ny fiainana mandrakizay".[Marka 10:30]
Averiko indray fa hevitry ny tsy mahalala sy fitaka (illusion) asehon'ny fahavalo (satana) sy aparitak'izao tontolo izao miaraka amin'ny ny mpaminany sandoka [Apokalipsy 16:13] ny filazana fa izay mpino an'i Kristy dia mahantra.
Ao @ testamenta taloha koa dia be ny efa voasoratra, fa ireto no tanisaiko :
"Fa izany rehetra izany dia omeny ny malalany na hatory fotsiny aza izy" [Salamo 127]
"Fa ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany" [Isaia 54:11]
Tsy haiko izay fahafantaranareo an' Andriamanitra, fa @ fifandraisako amin'i Kristy no ahatsapako fa manana ny zavatra rehetra aho, miaraka amin'ireo rahalahiko (izay mino marina an'i Kristy hafa), na dia tsy eo am-pelan-tanako aza izany rehetra izany amin'ny fotoana rehetra, fa isaka ny misy ilaiko, na mangataka aho na tsia dia omen'ny Ray ahy izany.
Indraindray aho dia tsy te hanao afa-tsy fitoriana ny filazantsara! Saingy napetrany ho amin'izao asa ataoko izao aho, satria misy olona mila vonjena koa eto @ internet ohatra! Ary misy rahalahy mila ampaherezina ihany koa eto!
27. coopsal ( 06/11/2008 09:08)
ikaretsaka:
raha mampianatra dia ny mi maitriser ilay zavatra ampianariny no tena mpampianatra

==> Izaho mino izay voasoratr'i Jaona ao @ epistily hoe :
"Izay mino ny Zanaka no manana ny fanambarana ao anatiny" [I Jaona 5:10] Izany hoe rehefa mino an'i Kristy ho zanak' Andriamanitra ny olona dia manana ny fanambaran' Andriamanitra (izay ambaran'ny baiboly) ao anatiny mihitsy, ka tsy voatery hitanisa toko sy andininy.

FANOHARANA
1- @ Maths tsy misy démonstration @izao fotoana izao ka tsy mampiasa hoe "d'après le théorème de ... ", "Le lemme de ... nous dit que ...". Inoako fa @ taranja hafa koa tahaka izany ihany ny citation isan-karazany.
2- Ny forme omena ny fanafody indraindray dia tsy zavatra takiana mba hahazoana fahasitranana, fa ohatra hoe, mba tsy handavan'ny zaza ilay nivaquine mangidy b dia nofonosina mamy kely ilay izy! Satria ny tanjona dia ny hahasitrana fa tsy ny hanome fanafody.
Ny citations bibliques amiko dia ilaina indraindray mba hinoan'ny olona izay manaiky ny baiboly ho tenin' Andriamanitra. Voasoratra fa satana koa mba nampiasa andinin-tSoratra Masina rehefa haka fanahy an'i Kristy, ary mba hanoherana azy dia isan'ny nampiasain'i Kristy ny Soratra Masina.
Nampiasa ny Soratra Masina (t@izany ny Torah) Kristy hitoriana fahamarinana tamin'ireo tsy nino afa-tsy ny Torah! Satria tsy ny hizesta no tanjony fa ny hamonjy.
Faharesen-dahatro ity fa asa ny anareo : tsy ny fitanisana na tsia tsimpona no zava-dehibe na problema, tahaka ny hoe tsy ny pasitera na mopera na i ranona izay mitory, fa ny fo mihaino an' Andriamanitra mba handre ny feoNy marina. @izay dia tsy voafitaka mihitsy izay mihaino.
28. prime ( 06/11/2008 10:37)
"Fa tsy menatra ny filazantsara..." tokoa dia hery goavana avy amin'Andriamanitra...

Misaotra...

Andriamanitra anie hanafy hery anareo... :) ^:^
Mahereza aby fa sady mahasoa no mahafinaritra ny fijoroana vavolombelona ataonareo mba ho voninahitr'Andriamanitra...
29. ikaretsaka ( 06/11/2008 17:08)
rakapy:

Fa maha menatra kosa ny fitoriana ny filazan-tsara raha toa ka io no andanianao ny andronao.
Misy mantsy ireo izay miandrahandra mafy ilay paradisa ka lasa manao fitoriana sy vavolombelona etsy sy eroa nefa ny vady aman-janany dia tsy mihinana na mijaly na koa mila azy amin'ny fifanampiana ao an-tokatrano. Izy mba nantenaina indray no lasa mandany andro any ivelany.




zay koa aloha 1


30. prime ( 07/11/2008 08:08)
Dia ny tenin'Andriamanitra no mitondra hery manazava hoe amin'ny anaran'i Jesosy :

"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." Matio 6:33
31. ikaretsaka ( 08/11/2008 04:15)
manodidina io tsimpona matio io ihany dia tsara angamba raha vakiana hatramin'ny voalohany ilay matio toko faha 6 toko faha 5 ary
32. prime ( 14/11/2008 11:43)
Efa voavaky... fa ianao ve mba efa namaky?

Fa raha namaky tsara ianao dia ho azonao ny fampianaran'i Kristy : efa nomanin'Andriamanitra ho anao avokoa ny haren'ny tany sy izay eo aminy saingy tsy izany no sitrak'Andriamanitra heverina sy katsahana mialoha raha tena te-handray ilay famonjena fa ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany...
33. ikaretsaka ( 18/11/2008 02:43)
za mamaky fa tsy mitsimpona
34. prime ( 18/11/2008 11:45)
Raha namaky fa tsy nitsimpona ianao dia "tokony" hahazo tsara ny tian'Andriamanitra nambara nanao hoe amin'ny anaran'ny Tompo :

"Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany." Matio 6:33 :)
35. niryna ( 22/11/2008 02:05)
ikaretsaka:


ka izay .. raha mampianatra dia ny mi maitriser ilay zavatra ampianariny no tena mpampianatra... fa tsy ny mamerimberina ny ao @ boky fotsiny... fanampiny fotsiny ny ao @ boky!

mety mitombona ny tenanao fa ahoana moa no ampianarana raha tsy efa eo aminao ilay fahaizana nampianatra ?
ahoana tokoa moa no ahaizana mandalina ny tenin'Atra raha tsy izy no nifidy anao ka hianao koa no nangetaheta ny teniny ? Raha mino azy tokoa anefa isika dia anao asa maro mihoatra noho ny nataony hoy i kristy ...ary tsy matahotra fa manana an'ilay fanahy masina itaridalana antsika, Andramo fa izay mitady dia ahita ary raha mandom-baravana Azy hianao dia hio vohainy,raha mamoa varavarana azy koa hianao dia hiditra ao aminao izy ,ataovy ny fanandramana woa

autat miteny hoe vidio ny boky de samy midebra dia @ exam mifampotoana!... inona no maha mpampianatra anao @ zany?


ie, farany azon'i toi ihany ny teny,izay ilay famakiana ny soratra masina ,io ilay fitaovana mahomby hiadiana amin'ny fandrika rehetra,ny famakiana an'io ,ny fampiharana izay teny nomeny ao dia ampy itarihana antsika andeha amin'ny fahamarina sy anampiantsika ny hafa ihany koa

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0854