Ary ahoana ny any Madagasikara?

1. nofinofy ( 06/10/2008 16:51)
Efa sahy manambara ampahibemaso ny zavatra tsy mety ataon'ireo izay heverina hoe finoana lehibe ny any ampita. Ny any Madagasikara anefa toa mbola atao ramatahora foana ny vahoaka ka tsy sahy milaza raha misy zavatra mahazo azy, fa ny gazety, toy ilay tamin'ny pasitera nanolana ny zanany sy ry masera tratra nifraody tamin'ny bac, no sahy milaza izany. Mampalahelo ny malagasy fa toa tampenambava foana ary aty amin'ny forum sisa ny sasany no mifampihantsy. Jereo anefa ny mangaraharaha any amin'ny firenen-dehibe:
http://tf1.lci.fr/infos/tag/affaire-pretres-pedophiles/affaire-pretres-pedophiles-1.html
répondu par nofinofy le 25/10/2008 05:14
2. xxx ( 06/10/2008 18:20)
Ka io anie ry namako mazava be e ! ilay firenena lehibe mbola manindry an'ilay kely de tsy afa manohatra e ! fa aza matahotra toa fa mbola hare ny sofiny sady jereo fotsiny fa naeto @ sera fotsiny aza ne defa ahitanao ny taratr'ilay fandehany e ! ny zavamisy ao anaty baiboly no lazaina eto de fanaratsina sy fanenjehana no handraisa'ny sasany azy , nefa baiboly mitovy zao ihany a! fa mety mbola tsy tonga angamba ny fotoana hilazana azy e!
3. hery ( 06/10/2008 18:45)
nofinofy> Rehefa tsy misy mitaraina ve dia hoe matahotra? :-) Maninona raha heverina hoe tsy misy zavatra toa izany any? Sa dia tena faly ny hisian'ny zava-doza toa izany?
4. ravatorano ( 07/10/2008 07:16)
na ianao no tsy mahare vaovao momba izany na tena tsy misy arak'ilay voalaza eo ambony io zany !
:wink:
5. tywa68 ( 07/10/2008 08:59)
nofinofy sy xxx : eran'izao tontolo zao d feno ny mijaly sy mizàka zay mianjady aminy, fa tsy ho ary aseho eto daholo, d inn no azo atao anefa ? :lol:
6. fijo ( 07/10/2008 21:06)
toa misy sahy mitaraina heno ihany ko.
fa marina aloha fa mbola matanjaka ny ramatahora e.tsy lavina ny fisian'izany.
7. fahamarinana ( 08/10/2008 03:27)
:arrow: ho voatery ramatahora ve ohatra satria isika gasy koa somary tsy dia tia manaparitaka ny olana ao an-trano sns..sns..raha tsy efa gravissime ka tsy voasarona intsony.Hevitro zay. (l)
8. fijo ( 08/10/2008 20:30)
samy misy sy marina ireo hevitra roa ireo.
9. tywa68 ( 10/10/2008 05:10)
matoa tsy mitaraina d mahari-pery na be fandeferana :°)
10. fahamarinana ( 10/10/2008 05:19)
:arrow: zay koa iray.. :) (l)
11. fijo ( 10/10/2008 20:57)
tsika aloha malaza maharipery e;ka asa
12. nofinofy ( 11/10/2008 12:26)
hery:

nofinofy> Rehefa tsy misy mitaraina ve dia hoe matahotra? :-) Maninona raha heverina hoe tsy misy zavatra toa izany any? Sa dia tena faly ny hisian'ny zava-doza toa izany?

Azo atao ihany aloha ny mihevitra izany, fa ny zavatra tsapa matetika na dia zavatra madinidinika aza dia efa ezahina afenina, ka vao maika moa zavatra mety hanaratsy endrika ilay antokompinoana dia tampenana amin'ny FOMBA REHETRA (ny tokantrano tsy ahahaka), kanefa rehefa mifanerasera amin'ny olona amin'ireo firenena mandroso aho toa tsy izany loatra, fa ry zareo dia miezaka hampisy ny mangarahara sady mamoaka ny marina, ary miezaka mi-reconnaitre raha misy ny fahadisoana(misy ondry mania), fa ny any Madagasikara toa tsy dia izany loatra. Nisy zavatra vitsivitsy izay tena niainako nefa tsy ho tantaraiko eto, fa ny conclusion-ko fotsiny de hoe mbola lavitra be ny transparence, liberté d'expression indrindra fa raha vao resaka fivavahana no resahina.

13. fijo ( 15/10/2008 20:52)
izay koa marina.fa io ny rafitra misy rehefatra no tia io manafinafina zvatra io.fa tsy ny fiangonana ihany
14. tywa68 ( 16/10/2008 07:53)
Nisy zavatra vitsivitsy izay tena niainako nefa tsy ho tantaraiko eto, fa ny conclusion-ko fotsiny de hoe mbola lavitra be ny transparence, liberté d'expression indrindra fa raha vao resaka fivavahana no resahina.

Ka tena izy sa nofy aloha e :-D :lol:
15. fahamarinana ( 16/10/2008 11:34)
:arrow: :) (l)
16. nofinofy ( 16/10/2008 17:40)
tywa68:

Nisy zavatra vitsivitsy izay tena niainako nefa tsy ho tantaraiko eto, fa ny conclusion-ko fotsiny de hoe mbola lavitra be ny transparence, liberté d'expression indrindra fa raha vao resaka fivavahana no resahina.

Ka tena izy sa nofy aloha e :-D :lol:


Nofy ratsy sisa ankehitriny fa efa lasa ny zavatra taloha tena nisy, de mampalahelo ireo izay mbola miaritra ny fanampenan-davaka ataondry zalahy sy zavavy izay tsy mahatanty tsikera ry tywa 69 (de rapitso tywa70)
17. ikaretsaka ( 16/10/2008 18:43)
izya izany le izy e...
na tsy misy
na manao tokatrano tsy ahahaka
18. tywa68 ( 16/10/2008 18:57)
nofinofy : tantarao eto mihitsy ny nofy ratsy nanjò anao fa mety hanamaivana anao :°) :°)
19. fijo ( 16/10/2008 19:39)
nofinofy an,avy aloh amikofesy aty,fa tssssss.

io le manafina io letsy hianarana io rehefa mianatra administration an.ny miaramila ohatra dia hilaza foana fa tsy fanahiniany ny nampipoak ale basy.ary amin'izao fotoan aizao,vao miha mahazo vahan any "relation publika"io nefa dia fomba mihaja hatao hanafenana ny zavatra misy.
20. niryna ( 17/10/2008 23:13)
hery:

nofinofy> Rehefa tsy misy mitaraina ve dia hoe matahotra? :-) Maninona raha heverina hoe tsy misy zavatra toa izany any? Sa dia tena faly ny hisian'ny zava-doza toa izany?
nofinofy:

Azo atao ihany aloha ny mihevitra izany, fa ny zavatra tsapa matetika na dia zavatra madinidinika aza dia efa ezahina afenina, ka vao maika moa zavatra mety hanaratsy endrika ilay antokompinoana dia tampenana amin'ny FOMBA REHETRA (ny tokantrano tsy ahahaka), kanefa rehefa mifanerasera amin'ny olona amin'ireo firenena mandroso aho toa tsy izany loatra, fa ry zareo dia miezaka hampisy ny mangarahara sady mamoaka ny marina, ary miezaka mi-reconnaitre raha misy ny fahadisoana(misy ondry mania), fa ny any Madagasikara toa tsy dia izany loatra.


misy kosa aloha miezaka mitory ny fahamarinana ny mpitory e fa moa ve mahazaka ilay fahamarinana ny olona ? tsia no valiny.
Misy ny fiangonana izay mahafinaritra sy mifanaraka ny mpiangona ao aminy ihany no ataony koa ka . Nisy tantara toa izao,rehefa nitory ilay mpitandrina dia nanome fampitandremana ilay mpanankarena tao amin'ny fiangonana fa eo ambany fahefany avokoa ny fiainan'ity
mpitandrina"tsy fantatrao fa izaho no mamatsy anao ?" misaotra hoy
ilay mpitandrina fa aoka tsy ho adinontsika fa izay voalaza ao amin'ny soratra masina no toriko. Farany moa dia niala tsy ho mpiangona tao intsony ilay rangahy ary taty aoriana izy dia nifona tamin'ilay mpitandrina fa very avokoa ny fanany rehetra(ny vady aman-janany,ny asany,ny harenany) .Mampalahelo izany hoy ilay mpitandrina ary mamela ny helokao koa aho hoy izy fa ny mahafaly dia mbola afaka mamonjy ny fanahinao hianao raha miverina amin'ilay mpamonjy antsika dia i kristy izany
:cry: :oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1786