Fitantanam-bola

1. ni81 ( 23/08/2008 11:52)
Misy toetran'olona vitsivitsy ireto eo @ fomba fitantanam-bola:
- mirobaroba
- kahihitra
- mitsitsy
Mbola mety misy karazany hafa fa ireo aloha. Ahoana no fahitanareo ireo?
répondu par 08051972 le 02/09/2008 20:12
2. fahamarinana ( 23/08/2008 11:57)
:arrow: -mangalatra
-misoloky (l)
3. ni81 ( 23/08/2008 12:01)
Tsy dia nazava loatra angamba ilay hevitra tiako ahatongavana. Ny tiako ambara dia hoe: ahoana no fomba fijerinareo ny olona mirobaroba, kahihitra, mitsitsy sns...
4. fahamarinana ( 23/08/2008 12:38)
:arrow: aoka marina fa diso be,za koa no mety nandray vilana...dia inona ndray no avaliko izay re ?ndraso aloha hieritreritra kely... :) (l)
5. Herimiafina ( 23/08/2008 13:40)
Ny mirobaroba1 hitako matetika dia karazana olona tia managala-tahaka ny hafa, tia mifaninana, ohatra, nividy BMW ilay ranamana atsy andeha hividy Merc koa izaho.
Ny mirobaroba2 indray dia manao compensation, satria leo ny miafy loatra foana amin'ny fitsitsiana ka vatany vao bebe parotsa dia manary ambaravarakely.
Ny kahihitra1 kosa dia olona efa nanana fahiny ary nirobaroba ka very fananana ary nahatsiaro ilay fijaliana tamin'ny tsy fananana hany ka lasa katity.
Ny kahihitra2 dia olona manana tanjona, misy depense be tsy maintsy hatao ao aoriana kely ao ka aleio aloha miafy.
Ny kahihitra3 dia olona mahatadidy ny fivoahambolany sady aferista gravy be ka mahafantatra fa ny fanomezana roapolo ariary mpangataka iray ohatra raha averimberina isan'andro dia efa mahatratra eninjato ariary ao anatin'ny volana, maika fa mpangataka folo isan'andro.

Taloha izaho nolazaina foana hoe "tiakely ny gasy" na hoe "gagne peu" ka tsy hanankarena mihintsy, sns, fa taty aoriana rehefa mahita ireo mpanana sy tena mpanana tany amerika dia nahita fa mitovitovy toetra amin'izay ihany. Hoy izy ireo raha adika teny frantsay hoe "C'est par les petites différences qu'on fait les profits"..... :^)
6. ni81 ( 23/08/2008 15:38)
Ny hitako @ olona tia mirobaroba dia ireny tsy dia mba mitsinjo ny vody andro ho merika ireny mihitsy fa dia ny androany ihany, izay lalany dia lalany fa mitady indray rahampitso! 8O
7. veromahefa ( 23/08/2008 17:05)
Ny hevitro? : Io fitantanam-bola io dia mila ianarana toy ny zavatra rehetra.
Hihomehy angamba ianareo na hihevitra ahy ho kely asa, fa nanomboka tamin'izaho niasa ka hatramin'izao dia manoratra isanandro ny vola mivoaka sy miditra aho. Tombontsoa azoko : hitako avy hatrany hoe aiza no fandaniana nihoatra ny mety ? inona no zavatra tsy ilaina nefa nandaniam-bola? lasa rovidamba daholo ve ny vola ?sns...dia arakaraky ny valiny mivoaka eo no hamaritana hoe "tokony hahavita tahiry toy izao aho zany" .(HS kely za amin'iny)

Za aloha ao anatin'ilay kahihitra 2 ambony io (zany hoe manan-tanjona dia mitsitsy), kanefa kosa tsy manao ambanin-javatra ny adidy ary manome ireo sahirana raha hita fa olona vonona hiezaka koa fa tsy ho toloram-potsiny foana.
8. fasaly ( 23/08/2008 17:08)
ny olona kahihitra aloha tsy voako e! manahirana be ny miaraka manao zvtr aminizy ireny tena manahirana aleo tsy manao eny na miaraka miantsena fotsiny aza dia mampisenerva

mirobaroba: io kosa dia otran' ny hoe aretina indraindray! tsy mahay manana vola fa vao misy vola dia ny handany azy rehetra

ny mitsitsy : io indray dia tena tsara satria mahay mitsinjo ny ampitso

9. endrika01 ( 23/08/2008 18:21)
ni81:
Misy toetran\'olona vitsivitsy ireto eo @ fomba fitantanam-bola: - mirobaroba - kahihitra - mitsitsy Mbola mety misy karazany hafa fa ireo aloha. Ahoana no fahitanareo ireo?
le kahihitra alou zah mitovy hevitra @fasaly. Veromahefa,zah koa mpanao calcule hoatran toi,na ny adidy andraisana anjara eo @fianakaviana aza .Zah angamba le be fiantrana,ndray mande zay tena tsisy vola tany amiko,de mba natsipy ny resaka fa tena zany wa 500fmg no notadiaviko t@reo zay notolotolorana fa tena tsisy namoaka na ny Ariary aza;teo @zay no nanomboka ny calcule!De kahihitra hono zah @zany! :P
10. Herimiafina ( 23/08/2008 20:26)
Miankina amin'ny olona sy ny tantarany ara-bola ihany koa io.
Misy ihany koa izao olona sady katity velona kanefa koa sady mirobaroba.
Ohatra, ilay akamako fahiny izay, cheap ery ileiry amin'ny 1dolara na 2dolara, manangona izao ticket rehetra hazahoana rabais any amin'ny magazay, na dia 50 cents fotsiny aza. Kanefa i takaka rehefa any amin'ny Casino tena robinet be mihintsy, flambeur dirandoza. :-D :^)
11. veromahefa ( 24/08/2008 05:15)
endrika 01> ka zay indrindra manko, za koa efa tratra toa an-dry foana.
12. endrika01 ( 24/08/2008 11:20)
Zah tsy mahatam-bola mintsy taloha,dia novaiko ndray ny feeling.
mividy zavatra azo avadika vola fa tsy lay lasa lavenona sy chiffon ntsony,hi hi hi.

Nisy namako izay ny azy volamena foana no vidiany!rojo na 100dollars
t@ zany lafony in-2 noho io,nefa izy lazainy ankizy we,tia robaroba
mpandany lany vola,tsy hita e,fa tena mahomby aloha lay manao
hoatry i Veromahefa e,tena mbola misy azo anaovana Vacance kou aza refa tena.... :wink: :wink: :wink: =D> =D> =D> =D>
13. imbatake ( 24/08/2008 11:23)
zao ndray zany e,
ny mirobaroba dia ola mahita fa tsy maintsy ataony le izy, satri ataovy hoe ahoana moa ra tsy ampy ny kaly ao ami toby miaramila, ra tsi miroborobo maty na lasa adala noho ny kotrana mafy loatra, ka ataoko mandainga izay tsi miroborobo ami tsika rehetra.
ny kahihitra dia fitiavan tena tsotra nefa ilaina ndraindray.
Io tsisy concurrence fa zay matsaqpa hoe concurence le miroborobo dia izy mitsy no tsy manjary, fa tsara lo le famelabelarana e, misaotra
14. fasaly ( 24/08/2008 13:11)
ilay mirobaroba anie ny dikany manao fanadaniambe loatra tsy voafetra e! ka tsy ekeko ilay hoe:]
ka ataoko mandainga izay tsi miroborobo ami tsika rehetra.
:-P :-P
ny mahay manaoa calcul ihany no tsara manao comptable kely ao atrano hoe otrinona no vola miditra amiko dia otrinona no tsy maitsy mivoaka isam-bolana , mety hisy ambiny hanaovako anzao sy izao ve????
hatramzao ihany no fetra-bola azoko ampisaina ankoatra ny depenses tsy maitsy mivoaka amiko isam-bola sinon tsy tafavoaka aho fa midi-trosa...
raha tafiditra am trosa be loatra tsy ho tafavoaka lmitsy ary io no olana maro mahatonga ny fahakiviana am olona sasany...izay karama tonga dia hanonerana ny trosa satria diso mirobaroba loatra dde
ka mahaiza mitantana e! mahaiza mitsinjo ny vody andro merika tsy haiko ny manoratra azy
15. fasaly ( 24/08/2008 13:14)
voalaza teo:
Nisy namako izay ny azy volamena foana no vidiany!rojo na 100dollars
t@ zany lafony in-2 noho io,nefa izy lazainy ankizy we,tia robaroba
mpandany lany vola,


io ndray kosa efa resaka bizna ...azo hatao raha mandeha karazana mampitombo ny kely hanany izy izany...fa raha tsy mande ny bizena dia manao fanadaniam-poana am tsy antony....
16. tsiambaratelo ( 24/08/2008 13:55)
zah tsy mba mpandanilany foana,fa tia mividividy,hi hi hi,tsy mitsinjo ny vody andro merika :-D :-D :-D :-D :-D
17. fasaly ( 24/08/2008 14:52)
tsiambaratelo:

zah tsy mba mpandanilany foana,fa tia mividividy,hi hi hi,tsy mitsinjo ny vody andro merika :-D :-D :-D :-D :-D


ka ny fitiavana mividividy ve tsy fitiavana mandany vola ihany e! donko mandanilany foana, fa io miakina am zvtr vidina , raha zvtr ilaina eo am fiainana tsy koi fa raha haingitriangitra sy tsy misy ilaina azy firy am fiainana andavan'andro dia horera


:-P
18. Herimiafina ( 24/08/2008 15:33)
Zah klou tia mirobaroba be mihintsy e, saingy ny stratejiako dia firobarobana matotra, izany hoe pertinente tsara mihintsy.
Jereko aloha hoe assuré ve ny ho avy, jereko koa ny economie efa vita, dia manangana caisse noire kely aho dia iny no hirobarobako tsara mihintsy.....Taiky, aleoko mi-profite de la vie fa efa afaka kelikely dia any ambany rangolahy knou! :-D :^)
19. ssendra ( 24/08/2008 16:20)
ka ao anatin'ny lazaiko ihany anie ilay hoe mi profite la vie e! raha ilaina ny manao vacs ohatra ka ampy ny enti-manana ! ieka marô andao hi profite de la vie....fa raha kely ny enti-manana hiditra trosa hanao vakansy dia itako euh! sarotra ihany ny ho tafavoaka amzany raha izany foana de toy izay hatrany :°)
io koa arakaraka ilay hoe profite la vie hoe inona ny anao, inona ny ahy inona ny azy :°)
ilay resaka ho avy assuré ndray alou tsy maitsy tsinjovina iny vao afaka mirobaroba....
fa inona lay caisse noire fa mbola tsy naheno izany aho sao lay caisse entina any ambany rangolahy :-D
20. fasaly ( 24/08/2008 16:23)
hoy i Herimiafina

saingy ny stratejiako dia firobarobana matotra


hazavao kely hoe ilay firobarobana matotra risé fa tsy haiko tsara :wink: :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799