Tsy zakan'ny saina ny tsy hody an-tanindrazana

1. ni81 ( 15/07/2008 06:44)
Sendra nandeha teny an-tsena izahay omaly tolakandro dia nisy vazà mivady nivarotra entana isan-karazany vita malagasy.
Dia nanoro ilay olona niaraka tamiko aho hoe vita t@ kapoaka ireny fiarakodia kely ireny.
Dia nanomboka niresaka taminay ireo mpivady ireo. Dia nilaza izy hoe ianareo malagasy tena tsy manaiky mihitsy hoe: "raha maty dia tsy maintsy entina any M/car". Arakarak'ilay toe-tsain'ilay olona io hoy aho taminy, raha toa izy te hilevina any na aty. Misy afaka milevina aty, ary misy koa tsy afaka alevina aty fa efa niomana @ zany.
répondu par fahamarinana le 01/08/2008 06:33
2. LazaDaddy ( 15/07/2008 07:19)
Izaho raha toa ka maty aleoko mankany an-danitra :)

"Fa Kristy no anton'ny hahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony" Filipianina 1:21
3. simplex ( 15/07/2008 10:48)

satria izay no maha malagasy antsika :)

very faty na koa hoe tsy miditra fasan-drazana no zavatra faran'izay ratsy indrindra amintsika... zany hoe ra tsy mahatsapa an'izay ilay ol na du moins hoe malahelo ra ohatra ka tsy afa-manoatra @ zava misy dia efa tsy malagasy intsony izy izay :(
tsy hoe ratsy akory izany fa mba hoe izay no maha enao anao ee. Fahasoavana ny mahamalagasy, ary tsy ny rehetra no toy zany koa hireharehako ny ahy fa za hirara :°) ;-)
4. tess ( 15/07/2008 10:56)
simplex: oupssss! za lou malagasy ary malagasy foana fa mba marina fotàna raha mivaky loha amzany aho :-P
izay hafatesako any amizay misy ahy any tsy maninona daholo....
tsy hampanahirana olona aho hoe mba alefaso any antanindrazana ny fatiko raha maty aho , raha sendra maty antanin'oul aty....mazava waz...

MIANKINA AM OLONA tsirairay sy ny fisainany marina io aloha e_!
5. Noue ( 15/07/2008 11:05)
simplex:


satria izay no maha malagasy antsika :)

very faty na koa hoe tsy miditra fasan-drazana no zavatra faran'izay ratsy indrindra amintsika... zany hoe ra tsy mahatsapa an'izay ilay ol na du moins hoe malahelo ra ohatra ka tsy afa-manoatra @ zava misy dia efa tsy malagasy intsony izy izay :(
tsy hoe ratsy akory izany fa mba hoe izay no maha enao anao ee. Fahasoavana ny mahamalagasy, ary tsy ny rehetra no toy zany koa hireharehako ny ahy fa za hirara :°) ;-)
dia ahoana ny hevitrao raha manambady vaza ilay olona sady aty ivelany ? dia tsy hanara-bady zany ?


6. ni81 ( 15/07/2008 11:10)
dia ahoana ny hevitrao raha manambady vaza ilay olona sady aty ivelany ? dia tsy hanara-bady zany ?
Tokony hilevina hanaraka ny vazà vadiny izy raha ny hevitro.
Raha izaho manokana aloha dia tsy mba mivadika ati-doha @ zany hoe alevina any dago na alevina aty frantsa izany aho na dia malagasy ray sy reny aza e. Mitovy foana rehefa maty na aiza na aiza ny toerana ilevenana.
7. vale ( 15/07/2008 11:24)
...ny vatanao fotsiny no alevina fa ny fanahinao velona foana, donky izaho koa tsy de miraharaha lotra an'izany... :°) ...mety dol amiko na zà alevina aty na any m/car!! ary raha tia ahy ny oul na aiza na aiza ilevenako tsy maintsy tonga mamangy ny fasako any izy ee, na maka ny fatiko rehefa tonga ny fotoana hanaovany an'izany...rehefa maty angah mandre in'in tsony?! mety any am fiainana hafa any indray ny fanahy am'zay kohhh!!!!!!
8. simplex ( 15/07/2008 11:57)

:D :D :D

euh
zany hoe tsy nazava tsara nga ny nolazaiko eee.
Tsy dia ianareo, en personne, no nolazaiko fa izay akaiky anareo ra ohatra hoe nareo no jokotra. Ianareo izany ra hoe ny akaiky anareo no jokotra :roll:

:arrow: ny mahagasy anao dia ny hataonao ra hoe enao no eo @ toerana misy fahoriana... mazava hoazy fa ra enao no jokotra tsy misy zavatra idiranao intsony fa izay manodidina anao indray no mijery

mikorotana be le izy fa zao ee:

* vaza:
ra vaza ny vadinareo, izy no jokotra, dia tsy mi-appliquer aminareo le izy satria izy ary vaza kou, zay revin'ny vaza no atao zany :)
ra nareo no jokotra dia ny vadinareo vaza dia tsy mampiova in in fa alevina any @ cimetiere nareo zany. Ra tsy hoe nanafatra azy nga nareo (izay absurde entre pas satria refa nanambady azy nareo dia nanambady ny culture-ny koa) ka nanaiky izy ny hoe hampodiana dia mety :)
Fa aza manafatra an'zany fa na ny fianakams aza wain @ zany hoe ol manambady nefa dia alevina any @ fasany ihany pas bien, pas bien du tt 8O


* gasy:
za ohatra
na vazah ny vadiko na gasy, izy no jokotra, tsy mipetraka akory ny fanotaniana fa tsy maintsy mody ny razana na iza faly na iza tsy faly. ;-)
Ny zanako koa ra mbola velona aho dia tsy maintsy mody... ra tsy hoe efa nanabady nga, dia anjaran'ny vadiny indray zany no mahita ze tokony atao fa efa tsy andraikitro izany

:arrow: izay le hoe gasy ah

ra za no jokotra, poinsa tsy maintsy mody ihany alou satria ny fianakams tsy hanaiky an'zany ee... ra tsy hoe fopla nga ny vadiko mais bon...
fa tsy misy idirako intsony ngamba izany :)

kopy doly @ zay :?:

ok ok
9. diamondra27 ( 15/07/2008 13:02)
simplex: inona ny dikan'ny hoe: jokotra, tsy maharaka za

tena tsy haiko y ahy na ahonao na ahona fa tokony mba andeha amin'ny lojika ihany ilay izy na koa hoe: tokony voriana ny mpiray tampo sy ny RAR mbola velona refa tonga any an-tanindrazana dia lzaina we inona ny hevitrareo @io fa lojika raha toa ka any amin'izay misy ahy aho no maty de milevina any mba hanamaivana ny charges-nareo

Ny tiako lazaina dia izao: volabe no aloa rehefa mandefa razana any an-tanindrazana , ka raha samy manana io vola io ihany tsy aleo hanasoavana izay mbola velona any ilay izy toy izay lany frais fotsiny

Asa na fantatrareo fa ny eto france aloha , raha any amin'ny province na campagne lavitra ny paris no misy anao dia tsy maintsy angatahina droit ny fitondrana ny razana manivatsiva iny autoroute na RN iny fa tsy we maty de mande ho azy, ary tsy vola kely ilay izy fa vola misimisy ihany (aty paris no direction satria aty no depart :orly na CDG raha tsy we marseille sns ngah)
Dia manaraka izany indray zany dia mbola hiala vola koa ny velona hanatitra anao any an-tanindrazana, vatana mangatsiak no vantanin'olona any , mety efa tsy azo jerena intsony ianao hoe: ohatry ny ahoana ny fiafaranao fa de cercueil zany no tonga any...
ka raha samy tsy hita ihany amiko de aleo izay mahasoa ny fianakaviana no ataoko, mbola depenses ho an'ny RAR sy mpiray tampo koa ange ny fandevenana anao any e, fiandrasana ny razana sns...

Ny mety ngamba dia hoe: mba maka souvenir regulierement ianao dia mandefa zany any am fianakaviana de mba fantatra we aona sy aona ny fiafaranao( amin'ny endrikao sy fahanteranao...)mba hahafahan'ireo mamisavisa we hay ve ohatr'izao izany izy any...


Any Tana koa nge ry reto efa misy ty fasan'ny karana ty fa tsy karana ihany no dorana ao fa gasy koa e

10. tess ( 15/07/2008 15:16)
:-D :-D :-D zà kou velompantaniana hoe in aza ity jokotra fa ela vao kopy hoe "maty" aky io ry diamondra ah!
ny ahy ndray zay tsy hampanahirana olona mitsy no hataoko! raha tsy maitsy dongisan'ny fianakams de hoy aho hoe dory aho refa maty de mora kokoa ny mandefa ny vovoka any, na resaka ara-bola na resaka fandefasana ny razana...
Izaho manokana tsy dia tia manangy fasana...;rehefa maty dia maty amiko avela handry ampiadanana izy, zà koa tsy dia tia an'ilay mamadika loatra.
11. sipagasy ( 15/07/2008 15:48)
tsotra fotsiny e!!! ary tsy leo aho manantitra fa rehefa tsy tianareo ny ho very faty dia tsy olana sady tsy lafo akory fa tongava namana ato !!!! http://www.mutuelledemadagascar.com/

tsy lafo hoy aho, koa nahoana no hampijaly fianakaviana?? efa fombatsika ny mandevina, miandry faty sns http://www.mutuelledemadagascar.com/
12. tess ( 15/07/2008 15:56)
MISAOTRA an'i sipagasy tam info fa mba misy hatoro ireo olona liana amin'ilay izy...izaho manokana tena tsy resy lahatra amin'ilay tsy maintsy fampodiana ny maty.....raha ny amiko an! fa tsy ny fianakams akaiky ahy! izay tiany ihany no hatao.....
13. ni81 ( 15/07/2008 16:16)
Famintinana ny resaka izany dia io lazain'i sipagasy io, satria efa imbetsaka mihitsy izy no nanao antso ho an'izay vonona ny hody an-tanindrazana rahatrizay; indrindra moa t@ ireny loza maromaro niseho taty Frantsa ireny ka nampodiana ireo olona niaram-boina. Izay mieritreritra fa hilevina aty moa izany dia efa mivonona koa ho @ zay fodiamandriny aty rahatrizay e.
14. yonikafopl ( 15/07/2008 20:34)
betsaka ihany ny mitovy hevitra amiko ato,
rehefa maty, na hanafatra be otran inn aza enao nga mahatsapa intsony izay ataon'ny hafa am vatanao????
le we very faty kalou, tsy mitombona amiko eeee, io fombafomba gasy io ihany no mahatonga ny fahantrana sy fandaniambola am tsisy antony,eritrereto we raha maty antanin'olona enao, vola tsy toko tsy forohina vao hahatafody anao any Dago. ka tsy aleo ve ireo vola ireo marina hanasoaavana ny velona???
Samy manana ny safidiny nefa io, fa tsy ekeko ilay tenin'i simplex we
very faty na koa hoe tsy miditra fasan-drazana no zavatra faran'izay ratsy indrindra amintsika... zany hoe ra tsy mahatsapa an'izay ilay ol na du moins hoe malahelo ra ohatra ka tsy afa-manoatra @ zava misy dia efa tsy malagasy intsony izy izay

Za ze anaovan'ny olona ny fatiko tsy misy ivakiako loha,
Za kou mitovy am Tess tsy tia mamangy fasan'ny efa maty, rehefa maty de maty, inn no hamangiako azy?? nga izy mahita akory we io eny misy olona mamangy?????
15. fahamarinana ( 16/07/2008 07:30)
:arrow: marina tokoa fa vola be ny mandefa ny razana any antanindrazana,samy manana ny tiany anefa fa ny milevina eto an-toerana koa anie ry reto mbola vola be koa,eny na dia ho dorana aza dia vola hatrany hatrany no avoakan'ny fianakaviana mbola velona.Ahoana moa no hijery fontsiny eo...Ny ahy manokana dia samy manana ny choix-ny daholo ny tsi11 fa kosa tokony hoeritreretina ny vola hikarakarana anao dieny mbola velona izany dia mi-prévoir vola e : oh raha hody any dago dia manao mutuelle de mada,raha eto an-toerana dia afaka maka mutuelle koa misahana ny deces ,mba tsy ho charge ho an'ny vady aman-janaka sy ny fianakaviana.Marina fa rehefa maty dia izay ataon'olona anao fa tena nahita fianakaviana nidi-trosa mihintsy aho taty nefa aza tsy nalefa nody ilay razana fa nodorana.Nampalahelo be fa ny fahoriana sy alahelo tetsy andaninyefa mila tsy ho zaka nefa ny crédit (raha azo lazaina toy izany koa...) mbola efaina hatrizao,ny tena anefa efa sahirana satria tsy teo tsony lay nantenaina... (l)
16. tess ( 16/07/2008 10:06)
MIsy fomba tsotra mora be tsy de manao fandaniana be ka!
ohatra ilay dorana dia haparitaka avy eo.....
raha maka assurance ho an'ny fahafatesana raha hatrizay dia mi assuré ny rehetra ihany koa refa maty.....
misy fomba bdb azo hatao fa ny tsy mandresy lahatra ahy ilay hoe tsy maintsy alefa midy any dagony razana, zà manokana tsy hanafatra ny fiankams anzany fa zé hanaona ahy eo am fomba tsotra indrindra tsy hanahirana ny hafa . :P
17. diamondra27 ( 16/07/2008 10:11)
fahamarinana: za akia nahalala gasy a efa taty france izy tamin'ny fahatanorany, maty izy tamin'ny faha 57 ans -ny, manambady vazah +zaza, de nisaraka ry zareo , noho izy efa ela loatra taty de tsy dia nifandray loatra tam fianakavina tany dago , ny fianakaviany taty france koa zany tsy de nisy satria ny famillen'ny vadiny nefa zareo nisaraka, tsy nidorana zany izy fa nampidirina tam fasana tao amin'ny ville-ny fa tsy tany amin'ny fasan'nyvadiny, tsy de volabe satria efa fantany fa ho faty izy de tsy nandende firy intsony de zay...


dia izao koa : asa ohatry ny ahoana ny any amin'ny fasandrazanareo fa ny anay dia hoe: mila manao adidy any dago na dia aty an-tany lavitra aza, raha tsy zany de tsy manaiky ry zareo valala mpiandry fasana hanokatra ilay fasana





18. tess ( 16/07/2008 10:21)
diamondra :-D henoko matetika mitsy amity resaka tantara fasandrazana fansrandrana
any dago ity, mampiady ritra ny fianakams.....amin'io fasana ngedabe tsara tarehy be no handoavana volabe....juste hanasitrihana ny olona maty fotsiny anefa ny velona aza misy tsy homankanina.....
19. fahamarinana ( 16/07/2008 10:42)
:arrow: diam's :ka zay indrindra aky ,ilay fasana aty koa manko misy efaina par mois dia ilay cas hitako aloha no lazaiko an dia nandoa ny 10ans izany ny fianakaviana dia avy eo ndray rehefa tonga ilay andro dia mandoa ihany koa na raha tsy mandoa dia alefa amin'ny fasan'ny commune,ka tsy haiko io na aiza na aiza fa zay no details azonay tamin'izany.Vola ihany koa satria ilay famille somary antonony no tsy maro mpiray tampo ka nizaka irery ny vola rehetra plus izay mba azo tamin'ny famangiana nataon'ny tapaka sy namana...
Momba ny fasana any amintsika ihany koa dia mbola tantara hafa io voalazan'ny diam's io fa dia rehefa te hody zany dia miomana e...Ilay mutu mada anie ry reto tsy dia lafo ho an'ireo tsy mety amin'ny sainy fa mila ampodiana...Za manokana aloha dia ny hikarakarana ny momba ahy no efa homaniko satria tsy maintsy hody ihany indray andro :ny fotoana no samihafa..Rehefa mieritreritra ireto vady aman-janako aho dia aleoko omanina satria ontsa ihany izany fahoriana omban'ny olana ara-bola izany.Marina fa eo ny fianakaviana fa tsy ahavita hoe hisahana ny rehetra koa..Tsy manamaivana ny fahoriana fa mba tsy misy souci-mbola e..Hevitro moa iny fa na aty na any dago dia mety daholo. (l)
20. xxx ( 16/07/2008 10:55)
raha misy ilay fananana hamerenana any tsy quoi fa raha tsy misy, tany mena ve hirehitra, hidi-trosa @ vatana mangatsiaka ve ?

Aleoko laniana dieny izao ny vola hamangiana an-drizareo any toy izay efa faty sisa vao hody ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2942