Eritreritra fanatsarana site

1. hery ( 30/06/2008 10:35)
Hanana fotoana kely aho amin'io vakansy io ka misy eritreritra vitsivitsy hanatsarana ny namana serasera ireto. Dia asa raha azo tanterahina :-)
Ny fiovana tiana hapetraka indrindra dia hoe mifototra amin'ny maha mpinamana amin'izay ny zavatra rehetra.

- Tsy mahita ny mombamomba ny namana raha tsy efa naman'io mpikambana io.
- Mila manaiky ilay namana angatahina vao afaka miditra ho namany.
- Tsy afaka mandefa hafatra amin'ny namana raha tsy efa nekeny ho namana
- Tsy afaka mahita ny sarin'ny namana raha tsy efa namany (izany hoe tsy hisy intsony ny resaka hoe ho an'ny namana manokana ny sary fa fantatrao daholo hoe iza no hahita ny sarinao)

Izany hoe mpinamana aloha vao mifandefa hafatra sy mifampijery mombamomba sy mifampijery sary.

ahoana ny hevitrareo?
répondu par ari.malala le 15/07/2008 14:47
2. happy ( 30/06/2008 10:49)
Zany hoe: mila mifankahalala aloa...dia mifanome n° portable...dia zay vao ...mpinamana serasera ?


3. kelly13 ( 30/06/2008 10:51)
:roll: tsy ahita sary tsony zany za kou :(
4. elyzo ( 30/06/2008 10:56)
Misaotra anao nieritreritra fanatsarana fa raha ny hevitro no anontaniana dia toa tsy mankasitraka izany rehetra izany aho. Ny antony dia izao:1) raha tsy fantatro ny mombamomba ilay namana dia tsy manam-panirina hifandray amin'iny namana iny aho eny fa na dia mitady namana hiresahana aza aho; 2) "Mila manaiky ilay namana angatahina vao afaka miditra ho namany" izany hoe lasa ohatra ny amin'ny messenger ndray izany? 3) Za ko nefa mahita fa tsara ihany ilay mahita ny sary rehetra na dia tsy namako manokana aza ilay olona! Mba mahafinaritra ery ny mahita ireo namana rehetra eran'ny vazan-tany e!
Dia tsy haiko aloha izay hevitrareo namana hafa fa izay no mba avy aty amiko e!
Misaotra ny mpikarakara
5. hery ( 30/06/2008 10:57)
happy> non kah. Mitady namana eto @ serasera ianao, mbola hisy ihany ilay hoe hitady namana, dia rehefa mahita ilay namana ianao (tsy misy mombamomba manontolo fa famintinana kely fotsiny) dia avy eo mangataka ny ho namany.
Rehefa ekeny vao afaka mandefa hafatra ho azy.
Amin'izay mantsy dia mba sérieux kokoa ilay fifandraisana fa misy ny sasany vao miditra dia totofany hafatra feno "je t'aime" sy "seksa" ny olona kanefa mbola tsy nanaiky hiresaka aminy an'izany akory :-)

kelly13> afaka mahita sary kah. Rehefa manaiky hojerenao ny sariny. Izany hoe manaiky ho namanao izy.
6. mirianah ( 30/06/2008 11:07)
salut,
ko tsy ho lasa meetics iany ny hiafarany ty serasera ty ve raha izany 8O
7. xxx ( 30/06/2008 11:45)
hery:


- Tsy mahita ny mombamomba ny namana raha tsy efa naman'io mpikambana io.
- Mila manaiky ilay namana angatahina vao afaka miditra ho namany.
- Tsy afaka mandefa hafatra amin'ny namana raha tsy efa nekeny ho namana
- Tsy afaka mahita ny sarin'ny namana raha tsy efa namany (izany hoe tsy hisy intsony ny resaka hoe ho an'ny namana manokana ny sary fa fantatrao daholo hoe iza no hahita ny sarinao)

Izany hoe mpinamana aloha vao mifandefa hafatra sy mifampijery mombamomba sy mifampijery sary.

ahoana ny hevitrareo?
-ka ahoana no fomba atao ho namany na ho namako raha tsy fantatro ny mombamomba azy aloha ?

-ahoana no ahafahana mandefa hafatra ho azy nefa mbola tsy nisy fanekena ?

-zany hoe ohatra zao: tiako ho namana i Hery...mila faneken'i Hery zany hoe ok ! ekekeo enao ! fa alohan'io @ fomba ahoana no handefasako hafatra na fangatahana @ hery mba ho naman'Hery zah ?
"Hery":
Izany hoe mpinamana aloha vao mifandefa hafatra sy mifampijery mombamomba sy mifampijery sary.
ka @ fomba ahoana no hi-mpinamana raha tsy mifandefa hafatra aloha ? nefa io njay tsy mety koh raha tsy efa mpinamana sy efa nisy fanekena ?


8. hery ( 30/06/2008 12:04)
mirianah> Tsy meetics kah. Euh ny site namana.serasera.org efa nitadiavana namana foana hatramin'izay. Ny tiana hialàna fotsiny dia ilay tonga dia mandefa hafatra be fahatany amin'ny olona tsy fantatra.

xxx> Efa détails techniques izany :-)
Techniquement otran'izao ilay izy. Raha te hijery ny mombamomba ahy rehetra ianao dia tonga dia misy hoe "Tsy afaka mijery ianao raha sy namany, Ekenao ve ny ho namany?" Dia manao hoe Ekena ianao, dia misy hoe, ampidiro eto ny hafatra fangatahana sns, izany hoe karazana presentation kely, dia misy bouton ery ambany hoe "Mangataha ho namany". Dia voarain'ilay namana ilay fangatahana dia raha resy lahatra izy hoe namana milay dia ekeny :-)

9. tess ( 30/06/2008 12:07)
izaho koa somary miray hevitra amin'y elyzo 8)
ilay izao ihany no toa mahafinaritrra ilay mijery sary
izaho manokana raha misy manoratra ka tsy tiko valinaa ilay olona sy tsy tiako hifaneraseràna dia tsy vakiko akory ilay hafatra na tsy valiko avy hatrany....

mirianah: ny any am meetic une fois ianao mpikambana ao dia afaka mijery ny sary sy ny mombamomba ko! mandoa vola vao mpikambana mazava ho azy ny ao....fa izay tsy mandoa vola fa lany contrat afaka mijery sary fotsiny fa tsy afaka manoratra sy tsy afaka mijery ny mombamomba :-P
10. happy ( 30/06/2008 12:25)
marina alou fa tsy tokony hiteniteny fahatany sy hanoratsoratra zava-mamoa fady. Tokony hasiana liste noire angamba!
Fa ny famerana zava-maro tahaka ny soso-kevitra ery am-boalohany dia mety hanala ny charme serasera ary hampihena ny fahazotoana hitady namana eto satria manjary...parcours du combattant ???
Izany no tsy nandehanako tany @ ireny site vahiny Meetic, ...sns ireny.
11. mirianah ( 30/06/2008 12:28)
Hery, azoko tsara zany fa fomba fiteny ilay meetics ka, fa refa tena mandinika nge d ny ankizy ato toa manao tanalahy doly dia raha io hevitra io ve no hatao dia hisy fiovana izany ???? Amiko mantsy ny tena olana d io fananana pseudo maro io . Rah ny fahazoana hafatra hafa² amiko , refa tsy tiako d tsy valiako tsotra zao na tonga de lazaina tsotra ny mpanoratra fa tsy mety d point final kou .

tess, hihihi aza mampmé eo an !!!! tena zany marina mou lé meetics , ny ahy lovelee mantsy no haiko tsara :-P
12. tess ( 30/06/2008 12:28)
ilay ao am namana serasra aloha tsy dia hitako izay maharatsy ny ka hoe tokony ho hatsaraina.... toa impekable ilay izy....
efa misy ilay hoe namana nosakanako sns
fa ny hoe namana nosakanako angamba hatao hoe tsy mahita ny mombamomba anao otran'ny tsy ahafahany mametraka tsikera am sarinao ihany ary tsy ho afaka hijery ny sarinao, izay angamba no mety ô!
13. tess ( 30/06/2008 12:32)
mirianah: marina mlitsy, azony hataony marina ny manana ps maroa be toa ny fampiasàny izany ato am forum ihany dia tsy de mitondra vaha-olana loatra...
sady mamitaka ireny namana ireny ny sasany fa amin'ny voalohany izy manoratra tsara fanahy fa aoriana izy refa mangataka zvtr ka tsy mifanaraka aminy intsony ny fifandraisana tedaviny aminao dia raikitra ra ompa teny ratsy sns...dia amin'iny izy no sakanana t ho namana tsony de raha io lazaiko io tsy hahita ny sarinao sy ny mombamomba anao itsony raha voasaka izy
:P

mirianah! hay ve neveriko fa tena i meetic site de rencotre iny anie no lazainao e!...ny any mantsy site mandoa vola ny mpikambana, dia io lazaiko io.
14. Bazily ( 30/06/2008 12:34)
De lasa misy fitsitokotokoana eto raha izay no tanteraka, De inn zany no maha namana serasera azy ? Satria raha tsy fantany aho mety tsy hekeny ho namana na de te hifandray aminy aza. Reo namana vaovao koa amizay de hanao ahoana ny hifandraisany voalohany @ efa tranainy?
15. xxx ( 30/06/2008 13:04)
Bazily:

De lasa misy fitsitokotokoana eto raha izay no tanteraka, De inn zany no maha namana serasera azy ? Satria raha tsy fantany aho mety tsy hekeny ho namana na de te hifandray aminy aza. Reo namana vaovao koa amizay de hanao ahoana ny hifandraisany voalohany @ efa tranainy?
miombon-kevitra @ nao zah @ io !
"Bazily":
De lasa misy fitsitokotokoana eto raha izay no tanteraka
arytena sur fa lasa misy ny ekipan'i..sy ny ekipan'i...

fa tena marina io nolazain' i Happy io hoe:
ary hampihena ny fahazotoana hitady namana eto satria manjary...parcours du combattant ???

amiko aloha de ohatran'sarotra be le fitadiavana namana raha izany an !

ohatra ftsn zao hoe: misy namana vao2 vao tonga ! de nijery ny sary rehetra izy ! de hitany ao i......io avy de andefasany hafatra hoe mba te-ho namanao aho...sady mahita ny mombamomba azy izy !

raha lé sosokevitra io aronao io ry Hery , raha ny hevitro manokana de ho sarotra ny fahazahoana namana raha izany !

lé fahitana an'lé mombamomba anié tena ilaina eh ! raha misy sary moa zany vao maika tsara !

vao mahita an'lé mombamomba enao surtout raha misy sary avy de vita eo ny choix-nao hanaovana an'le fangatahana ho namana !


16. tess ( 30/06/2008 13:14)
ny ahy aloha tao am sary tao no nahitako namana mahafinaritra amini'lay ambiansy tsikera am sary na sarin'iza na sarin'iza.....
zà anisan'ny mpakafy mijery sary de raha tsy ahita afa tsy ny sarin'i namana de lasa mihena ny fahazotoana angamba :-P
ny ankabeazan'ny namana tsy de mametraka sary koa anefa na miafina aza
17. diamondra27 ( 30/06/2008 14:01)
ohatry ny tsy azon'ny namana ilay tianao ampitaina ry hery a

asio fanazavana bebe kokoa

resaka momba ny fandefasana hafatra ange no tiany tenenina e,

mila miera izany hoe afaka mifanoratra aminao ve aho , satria misy ny olona tonga de we zetem sns sy manompa be vary raraka , dia mba ialana amin'izany dia mila miteny ianao hoe ekeko namana ianao , vao afaka mifanoratra foana sy mijery sary ...

ohatra: za zao te hifanoratra amin'i tess de manoratra any amin'i tess we afaka mifanoratra ve isika sns de miadry valiny avy aty amiko iny vao afaka mijery ny sariko, za ndray zany amin'io de mijery ilay we mombamomba anao aloha ka raha hitako we azoazoko ianao de ekeko ho namana , raha tsia de tsy namako de tsy afaka manoratra amiko na mijery ny sariko

ahitsio raha diso
18. diamondra27 ( 30/06/2008 14:08)
de raha any aoriana zany nahatsikaritra i tess fa nisy fiovana aho dia azony halana ilay we "namany" iny aho dia sakanany dia tsy afaka mijery ny sarin'i tess sy tsy mifanoratra aminy itsony aho


raha ny fahalalako azy dia mba ialana amin'ny fitarainana misy ny mahatonga izany sy fanatsarana hatrany ny site.

Amin'izay fotoana izay dia mora ny fanarahana ireny olona tsy azo antoka ireny e

asa aloha fa mety diso ihany ny hevitro
19. ainaheri ( 30/06/2008 14:14)
hery:
voarain'ilay namana ilay fangatahana dia raha resy lahatra izy hoe namana milay dia ekeny


Ahoana ny ahafantarana oe namana milay ity na sarim-bavy na sarin-dahy??
Toa enjana ihany le izy kou
20. diamondra27 ( 30/06/2008 14:29)
ainaheri: tsy misy hamatarana an izany e
fa raha au fur et a mesure ianao mahalala de sakananao izy tsy atao namana tsony
de zay le tedavina

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.255