Eritreritra fanatsarana site

21. booboo ( 30/06/2008 14:53)
Momba lay 1-, ny hevitro dia hoe aleo hijanona afaka mahita ny momba² ny namana aby ny mpikambana raha azo atao eee. Ny antony manko dia araka² zay infos hita ao no hanoratana any @ ilay oul ( toerana hipetrahany, raha tiany, truc original soratany sns ) no manosika hanoratra any @ ilay namana ( na lainga vary raraka aza ny an'ny sasany ). Ilay endriny @ zao aza efa pitsony² no hita ka raha mbola ny pitsony @ pitsony no aseho klou dia :^)

Avy eo lay namana rehefa te hiresaka @ xxx na yyy na zzz dia afaka mangataka ho namany sns araka reo soso-kevitr'i Hery hatao ireo.

Momba ilay 4-, hitako tena mety ilay fomba @ zao ( natokana ho an'ny namana manokana ihany na hitan'ny be sy ny bobaka ). Ndray² sendra mijery sary dia kay kay namana fantatra taloha i xxx na yyy, na sendra mifanena tampoka eny an-dalana dia hoe i anona kay ianao dia zà i anona ao @ serasera ( raha tsy mpihafa² ohatra anà ) na rehefa misy fihaonana reny dia mba efa fantatra ny endrik'ilay namana.

Mazotoa sy misaotra mitondra fanatsarana hatrany ô



22. ikaretsaka ( 30/06/2008 15:25)
mety e
23. mbaliana ( 30/06/2008 15:31)
za koa aloha tsy dia miombon-kevitra @ i Hery, satria tsy voatery hifanoratra hafatra vao lasa mpinamana , le mifanoratra hafatra mantsy ohatry ny fanamafisana fotsiny ny finamana efa hita tao amin'ny dinika ecc... misy kokoa ny liberté ho an'ireo zay te hampiseo ny sariny ho an'ny olona rehetra sady efa misy koa anie le choix hoe ny namana manokana ihany no mahita n blaogy sasany hoan'izay tia an'izay... sady efa misy ny fisakanana araky ny tenin'i Tess amin'ny olona tsy tiana hanoratra ho azy

Dia ireo mpidinika bdb ireo zao dia imaginer-o hoe tsy maintsy mahazo alalana daholo vao afaka hanoratra ho ahy na hoe tsy mba afaka hanoratako satria tsy voafidy ... tsy ho araka , misy ny hadino nefa sady tsy hoe mpinamana be doly mihitsy fa juste hoe mpiresaka eto fotsiny dia mifankazatra .. tsy hahazo namana any dago ihany fa dia ho eto europe eto foana :-P :-P
asa aloha hevitro iny :P
24. Kapistra ( 30/06/2008 15:38)
hery:
- Tsy mahita ny mombamomba ny namana raha tsy efa naman'io mpikambana io.
-Tsy afaka mahita ny sarin'ny namana raha tsy efa namany

Tsy afaka mahita ny sarin'ny advé (tsy mitovy hevitra) sy ny mombamomba azy intsony zany.Nefa ilaina ihany ny mahafantatra azy ireo hoe i an izany manana hevitra sahala amin'izao ,ilaina ihany mantsy ny mifankafantatra na dia tsy mpinamana aza fa mba ohatra hoe ian sy ian mitovy hev amiko
ian sy ian tsy mitovy hevitra amiko.
Ny any @ hafatra moa dia araka ny voalzan'ny sasany hoe azo tsy valiana fotsiny raha mandefa hafatra hafahafa.
Izay ny ahy ny mba hevitra arosoko.
Misaotra ny rehetra.

25. Koditra ( 30/06/2008 19:13)
Hery> d kivy be ny tenanay @zany kléaza, za ve rangah efa mba nanana projet milailaindoza oe mba anokatra ps vaovao hatao milay be miaraka @ sary, defa lany andro mitsy nikaroka sy nifidy zé sary faran'zay bonaikabe apetraka aminy, tsy manao politika, tsy mananiany eran'ny forum tsony fa matotrabe tsy mitovy @ koditra, azon'ny daolobe jerena.

Hevitra : tsara raha avela @zao ihany, raha tena tsy maintsy na mety nisy olona nagataka ilay fanovàna dia mety v raha hatao option ilay izy, zany hoe ny tompony ihany no afaka mifidy na tiany ho hitan'ny rehetra ny mombamomba azy manontolo , na izay namany ihany. Mbola azon'ny tompony fantenana ihany koa aza hoe ireto avy no tiako affichéna ho an'ny daholobe d ireto hoan'ny namana, hatao "case à cocher" tsirairay avy izany.

Ny tsara alo d tsy miova e.
Misaotra.
26. ainaheri ( 30/06/2008 20:15)
Diam's ,,,za zany tsy ahita ny sarin'là tsony ve?? :-P :-D :lol:
27. tess ( 30/06/2008 20:22)
ka tsy mitovy amin'ilay amin'izao ihany ve ilay hoe ny namana ihany no afaka mahita ny sary...ohatra misy namana tsy mampiseo sary ary am sary rehetra fa sary manokana dia izay namana ihany no mahita azy, de ho lasa otrzay dool zany raha ohatra ka tanterahana ity :-P tsy misy ambiansy ndray :°)
28. xxx ( 30/06/2008 20:23)
hery:

Hanana fotoana kely aho amin'io vakansy io ka misy eritreritra vitsivitsy hanatsarana ny namana serasera ireto. Dia asa raha azo tanterahina :-)
Ny fiovana tiana hapetraka indrindra dia hoe mifototra amin'ny maha mpinamana amin'izay ny zavatra rehetra.

- Tsy mahita ny mombamomba ny namana raha tsy efa naman'io mpikambana io.
- Mila manaiky ilay namana angatahina vao afaka miditra ho namany.
- Tsy afaka mandefa hafatra amin'ny namana raha tsy efa nekeny ho namana
- Tsy afaka mahita ny sarin'ny namana raha tsy efa namany (izany hoe tsy hisy intsony ny resaka hoe ho an'ny namana manokana ny sary fa fantatrao daholo hoe iza no hahita ny sarinao)

Izany hoe mpinamana aloha vao mifandefa hafatra sy mifampijery mombamomba sy mifampijery sary.

ahoana ny hevitrareo?


Tonga dia tsorina fa tsy mbola novakiako ireo hevitra eo alohako ireo. Aza bedesina hi hi hi.

Mety ! Ankoatra ilay hoe tsy afaka mifandefa hafatra raha tsy efa namana. Satria raha tena namana dia ohatra ny namana tsato-piso be fa tsy fantatra akory. Efa misy ihany ny hoe sakano ny hafany, ka mety azo atao amiko hoe mahazo mifandefa hafatra na dia tsy mahita ny mombamomba sy ny sary aza aloha. Rehefa miporina be ny hafany dia blokena fotsiny.
29. yonikafopl ( 30/06/2008 20:33)
nena kou de io fandraisan'i Diamondra azy io no fahazoako ilay hevitr'i hery.
Hevitra : tsara raha avela @zao ihany, raha tena tsy maintsy na mety nisy olona nagataka ilay fanovàna dia mety v raha hatao option ilay izy, zany hoe ny tompony ihany no afaka mifidy na tiany ho hitan'ny rehetra ny mombamomba azy manontolo , na izay namany ihany. Mbola azon'ny tompony fantenana ihany koa aza hoe ireto avy no tiako affichéna ho an'ny daholobe d ireto hoan'ny namana, hatao "case à cocher" tsirairay avy izany.
:)

io hevitra io koa mety tena hety ,tsara ilay fanovana zany fa mba atao option ilay izy,na tiany ho hitan'ny be sy ny maro ny mombamomba azy na tsia, raha tiany ny handefasan'ny olona rehetra hafatra ho azy, na mila fangatahana manokana vao mahazo, izany hoe ny profile nao zany no mila hamaritanao ilay izy.

De eo am le resaka sary, mety koa ngamba we avela hahita ilay sary ny daholo be raha izay no mampazoto miditra namana, fa kosa eo am le we tsy navelan'ny tompony hasiana hafatra ohatra ve azo soloina an le we mbola tsy namany ianao ka tsy afaka mametraka hafatra, de eo no mihatra ilay we mila nekena ho namana vao afaka mametraka tsikera mba tsy hisian'ny ady ao am sary ao.

Dia mbola tazomina ilay manakana tsy ho namana intsony, satria ny ela maharay ny roa, ka raha eny anmpandehanana eny no mahita fa tsy mendrika ny ho namana ilay olona hifaneraseranao dia tonga d eazonao sakanana, de amin'izay fotoana hanakanana azy tsy ho namana zay no tsy ahafahany mijery ny mombamomba anao na ny sarinao intsony ankoatra ny tsy fahafahany mifandray aminao.

Sosokevitra moa ny eto ka dia mba maneho ny hevitro aho.

30. tess ( 30/06/2008 20:55)
mbola tsy namany ianao ka tsy afaka mametraka hafatra


yonika: io tsara hatao option kou raha mety satria misy namana tampoka te hametraka tsikera anefa tsy namanao de mampalahelo ndray
ginagina be nge lay maika ery hametraka tsikera anefa hoe tsy azo ametrahana tsikera ny sary :^)
31. tess ( 30/06/2008 20:57)
amiko aloha efa mety amin'ny ara-dalàna dool ny ao fa ampiana option fotsiny mba ho safidy amin'ny fampiasàna azy fotsiny angamba .
32. tafita ( 30/06/2008 20:57)
Mpinamana vao hiresaka izany fa tsy hoe miresaka mba ho tonga mpinamana ???
33. diamondra27 ( 30/06/2008 21:07)
efa nisy taloha ange zany we tsy afaka manao koms ianao fa nosakanan'io tompon'ny sary io

de amin'zao fotoana le izy we: tsy navelan'ny tompony asiana koms ity sary ity


zay ny amin'ny resaka sary

resaka naman ndray de mandondona aloha vao afaka mifanoratra



:-D :-D
34. vale ( 01/07/2008 00:24)
cf booboo, dia amiko kely oe tena mety indrindra ilay mangataka ho namana fa misy ilay namana tezitra rehefa tsy valina de lasa amin'izay ny hafatra mandragitra , na koh tonga dia mandefa hafatra miendrika fanaratsiana, sy ny sisa, anefa ny tena tsy mbola namaly akory ary tsy hainy akory ny antony tsy namalina, mety narary, sahirana, sns, betsaka ee, ny tena angatahako aloh raha izaho manokana dia ilay mi-valider oe ho namana ilay olona mangataka na tsia io , hitako hahatsara zavatra mantsy amin'izay, ary ho tena sérieu araka ny voalazan'i Hery ilay fifandraisana satria samy nifanaikysa ahoana hoy nareo? ^:^ , mankasitraka hatrany amin'ny fanatsarana ôooo! (l) ^:^ ^:^ ^:^ :-*
35. vale ( 01/07/2008 00:25)
oops: ampiko kely** no tiako holazaina fa tsy **amiko kely!! lol...
36. xxx ( 01/07/2008 00:28)
Mety!

Miombon-kevitra amin'i xxx27

Mety ho hevitra tsara ihany koa ilay option raha tian'ny tompony ho public ny mombamomba azy sy ny sariny, kanefa tsara raha atao réglage par défaut ilay hoe privé ny mombamomba sy ny sary. Amin'izay fotoana izay dia safidin'ny tompony manokana izany ny maha public azy.
37. tess ( 01/07/2008 05:00)
vale: raha resaka virtuel indray anie tsy ho hainao hoe ho tsara ilay namana na ratsy e!, ka amiko tsy dia midika inona ilay fangatahana ho namana aloha vao ho lasa mpinamana, misy aza ny hoe namana fa mahavita ihany zavatra ratsy ho anao...tsy hainao daholo izany. Amiko io namana nosakanana sy namana manokana io dia efa ampy.
satria efa impiry aho taloha misy manoratra mody tsara resaka sy mahafinaritra fa après rehefa tsy mifanaraka am ilàny azy dia ompainy amizay....he he he he , fa hevitra mety ilay validéna vao ho tafiditra namana koa anefa...
38. yonikafopl ( 01/07/2008 05:11)
tess hihih de inn ihany aza zany :wink:
za kou manohana io hevitr'i vale io
de araka ny nolazain'i Diams we mandondona vo miditra fa tsy misosososo otran vinanto tsy mahare fosa, de anjaran'ny tompontrano ny mampandroso na tsi anao, afaka ampidiriny ianao fa raha hitany fa olona tonga hangalatra sy hanaratsy de azony tonga de roahina :-D :-D :-D
39. tess ( 01/07/2008 05:41)
yonika
fehiny, amiko ilay namana amzao efa impec amiko fa ampina option ho an'ni olona mora sensible fotsiny de ireo efa voalaza ireo, option am ito sy ito :lol:
40. RATOVOARY ( 01/07/2008 05:49)
De hihena zany ny ho namana azo jerena ny sariny? Nefa mahafinaritra nage mahita reo karzan-tsarin'ny namana reo na de tsy hametraka tsikera aza e!
De iza zany nareo no hinamana amiko dieny zao fa ho ferana ny toerana? :-* :-* :-* :-* :-* :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1715