Ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro;

1. niryna ( 27/06/2008 03:26)
1 Izaho Nebokadnezara niadana tao an-tranoko ary faly finaritra* tao an-dapako.[Ar. maitso]

2 Nanonofy zavatra nahatahotra aho ka nieritreritra teo am-pandriako, ary ny fahitan'ny lohako dia naharaiki-tahotra ahy.

3 Ka dia nandidy aho mba ho entina eo anatrehako ny olon-kendrin'i Babylona rehetra hilaza amiko ny hevitry ny nofy.

4 Dia niditra ny ombiasy sy ny mpisikidy sy ny Kaldeana ary ny mpanandro; ary nambarako teo anatrehany ny nofy, kanjo tsy nahalaza ny heviny tamiko ireny. Daniela 4

" Therefore I issued a decree to bring in all the wise men of Babylon before me,that they might make known to me the intrepretaion of the dream..
Then the magicians, the astrologers,the chaldeans,and the southsayers came in ,and I told them the dream ; but they did not make known to me its interpretation "
----------------------------------------------------------------------------

5 Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela,izay atao hoe Beltesazara, araka ny Anaran' Andriamanitro, sady misy Fanahin'ireo Andriamanitra Masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:

6 Ry Beltesazara, lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy Fanahin'ireo Andriamanitra Masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.

"But at last Daniel came before me(his name is Beltheshazzar;
according to the name of my God;in him is the Spirit of Holy God
,and I told the dream before him saying :
Beltheshazzar, chief of magicians, because I know that the Spirit of Holy God is in you ,and no secrets troubles you ,explain to me the wisdom of my dream that I have seen ,and its interpretation .

Inona no mahasamihafa izany hoe ombiasy,mpisikidy ary mpanandro izany ?
Inona izany hoe lehiben'ny ombiasy izany ?

Ary inona no nampiavaka an'i Daniela eto ? hoy ny teny hoe ary farany....nety nahalala ny hevin'ny nofy iizany Daniela e ?

misaotra betsaka anareo mandray anjara

(l) niryna
répondu par niryna le 01/08/2008 20:41
2. Koditra ( 27/06/2008 06:10)
Araka ny fahalalako azy :

- Ombiasy : Olona mpitaiza sy mpanome tambavy ireny (plantes médicinales)
- Mpisikidy : Olona mpanoko vatokely sy mpijery karatra, milaza mahay sy
mahafantatra ny hoavy sns ...
- Mpanandro : Olona mpahay sy mpandinika ny planeta (volana, masoandro, kintana ...) sy ny effet-ny eo @ fiainatsika (astrologue).

Ny momban'ny ngahy daniela zany d tsy haiko indray, mpaminany angamba, ny mpaminany mantsy tsy mila manoko sikidy, tsy mila mijery ny firafitry ny planeta fa mety fahasoavana avy @ A/tra.

Vita tompoko. Ahitsio raha misy diso.
3. Ilo ( 27/06/2008 13:15)
Niaro ny tenany tsy ho voaloto i Daniela ary nomen'A/tra fahaizana mamantatra ny dikan'ny nofy.
Daniela 1.17 : "Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra."
4. ikaretsaka ( 27/06/2008 14:56)
amiko manokana raha mbola mampiasa zava-boahary (izany heo zavatra noharin'Atra toy ny astres sy sikidy sns....) mba hanasoavana olombelona fa tsy hamonoana azy dia tsy hitako loatra ny olana rehefa hainao ny mampiasa azy...
natao ho ampiasaina ireny matoa nohariana fa tsy natao haingon-danitra akory
5. niryna ( 28/06/2008 04:36)
Koditra:

Araka ny fahalalako azy :

- Ombiasy : Olona mpitaiza sy mpanome tambavy ireny (plantes médicinales)
- Mpisikidy : Olona mpanoko vatokely sy mpijery karatra, milaza mahay sy
mahafantatra ny hoavy sns ...
- Mpanandro : Olona mpahay sy mpandinika ny planeta (volana, masoandro, kintana ...) sy ny effet-ny eo @ fiainatsika (astrologue).

Ny momban'ny ngahy daniela zany d tsy haiko indray, mpaminany angamba, ny mpaminany mantsy tsy mila manoko sikidy, tsy mila mijery ny firafitry ny planeta fa mety fahasoavana avy @ A/tra.

Vita tompoko. Ahitsio raha misy diso.

misaotra koditra.
Mpanandro ? olona mianatra mijery ny kintana ,ny volana ,ny masoandro ka maninona no ataony kilasy miaraka amin'ireo ombiasy sy mpisikidy ?
oops ,aza atao hoe jereo ny baiboly an .ok

:-*
6. niryna ( 28/06/2008 04:39)
Ilo:

Niaro ny tenany tsy ho voaloto i Daniela ary nomen'A/tra fahaizana mamantatra ny dikan'ny nofy.
Daniela 1.17 : "Ary ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahalalana sy saina ny amin'ny taratasy sy ny fahendrena rehetra; ary Daniela nahafantatra ny amin'ny fahitana sy ny nofy rehetra."


Daniela izany eto tsy mitovy ireo karaza manokotoko vato na mamatapatatra ny vitana? fa fahasoavana hafa mihitsy no azony ary avy any amin'ATra? ireo ambony ireo izany tsy miaraka amin'Atra ?
misaotra llo a
:D
7. niryna ( 28/06/2008 04:40)
ikaretsaka:

amiko manokana raha mbola mampiasa zava-boahary (izany heo zavatra noharin'Atra toy ny astres sy sikidy sns....) mba hanasoavana olombelona fa tsy hamonoana azy dia tsy hitako loatra ny olana rehefa hainao ny mampiasa azy...
natao ho ampiasaina ireny matoa nohariana fa tsy natao haingon-danitra akory
misaaotra anao,dia ahoana no eritreritr'ika eto amin'ireo olona telo karazana ireo ary natokana Daniela ?


8. rovaspirine ( 28/06/2008 07:12)
Ny ombiasy dia teny azo rasaina tsara:"Ona-Be-Hasy";tenim-paritra izy io:izany hoe raha adika dia olona manan-kasina,manan-jina ngah raha ny filaza azy..mazava ho azy alo fa manana ny hery miafina mampiavaka azy amin'ny mpiara-belona @ mihitsy izy io e! :evil: mahita ny tsy hita maso..mahafantatra ny zava-miafina sns fa ny tsy hay hoe hery avy aiza marina no hahazoany manao ireny rehetra ireny??
Ny mpisikidy dia lasitra iray amin'ny ombiasy ihany angaha?fa fantatra kokoa izy amin'ny fahaizany mijery ny ho avy sy mamantatra ny tonon'andro mety sy tsy mety amin'ny maha malagasy moa io ...tsy idiran-tsika lalina ny amin'zay!
Kaldeana:antokon'olona manana hery hafakely tam'zany andro zany angaha??
Mpanandro:manam-pahaizana manokana mijery ny tonon'andro..mizaha ny andro mety sy tsy mety otran'lé mpisikidy ian ....
Lé izy koa anie otran mitovitovi daholo e!!!
Fa i Daniela ndray dia mpaminanin'i Jehovah tam'zany andro izany..nahazo fanomezam-pahasoavana manokana mamantatra ny hevitry ny nofy izy io fahizay..ary ny azy dia fantatra mazava fa Jehovah Andriamanitra mihits no loharano nipoiran'izay hery miafina nananany izany...
Asa izany na marina,asa izany na tsy marina fa mbola saro-pantarina...raha misy diso ny zavaboalazako dia mba hahitsio azfady e!!!!
Siiiiixxxxxxxxxxxxxxx!!!
9. ikaretsaka ( 28/06/2008 15:28)
niryna:


amiko manokana raha mbola mampiasa zava-boahary (izany heo zavatra noharin'Atra toy ny astres sy sikidy sns....) mba hanasoavana olombelona fa tsy hamonoana azy dia tsy hitako loatra ny olana rehefa hainao ny mampiasa azy...
natao ho ampiasaina ireny matoa nohariana fa tsy natao haingon-danitra akory
misaaotra anao,dia ahoana no eritreritr'ika eto amin'ireo olona telo karazana ireo ary natokana Daniela ?



i daniela no nahay nampiasa ilay elements nomena azy kokoa ka nahafahany namantatra ny tiany ambara


10. arialy ( 29/06/2008 08:07)
ary aiza ny médium am zany?
mpaminany koa ve sa mpahalala inona indray ?
11. ikaretsaka ( 29/06/2008 16:29)
ny ahy izao fotsiny amin'io alohan'ny hitsarako be fahatany (tokony mba manana raison koa ange vao manaratsy na mi condamne an'ilay zavatra e)

:
-Inona ny fitaovana ampiasain'ilay olona hanaovany ny ataony : zava-boaharin'Atra ve?
-hainy ve ny mampiasa ilay zavatra nomena ho ampiasainy io ?
-Inona no tanjona ampiasainy ilay izy: ampiasainy hanasoavana ve le izy sa hanakorontanana sy handripahana? ny tenany, ny manodidina azy, ny sasantsasany amin'ireo namana ihany?
12. prime ( 30/06/2008 12:31)
13. rijadolly ( 30/06/2008 17:13)
Eto am-piandohana aho dia manamarika fa tsy contre ny Kristianina,averiko tsy contre ny Kristianina na ny Baiboly izay tenin'Andriamanitra ny ao anatiny.

Tsika Malagasy dia efa nahalala an' Andriamanitra(Andriamanitra Andriananahary Izay Nahary izao rehetra izao) talohan'nidiran'Baiboly,ary ny fanompona an'Andriamanitra tamin'izany dia tsy mifakaiza ny Testameta Taloha,ny fiobiana amin'zava-maneno,amponga,valihy,lamako,...;Fanaovana sorona,famafazana ràn'ilay sorona amin'alitara,...;fiakarana eny amin'tendrombohitra avo miresaka an'Andriamanitra sns,sns...Niditra ny Baiboly Nanaiky mora ny Malagasy satria mifandray ny tadin-dokanga.Nisy noraisina ny teny fampiasan-tsika eo am-pisoronana ary nisy kosa anefa ny navela tamin'fandikan-teny ny Baiboly.Mialatsiny aho miteny ity fa izay no nahatsapako azy:Ny tao an-dohan'izay nitondra ny Baiboly dia mahafantatra izireo fa Marina ny ao anatin'ny Baiboly fa kosa tsy nahafantatra izireo hoe tena Andriamanitra Ilay Nahary izao rehetra izao marina ve no topoin'ireto Malagasy ireto.Ary akaotra izay nahita ny fanompoan-tsapy ny malagasy sasany izireo(ohtra ao anaty Baiboly ihany)dia nanamafy tanteraka fa tsy izy ny fisoronatsika:cry:.Nanomboka teo ny fizarana,ary napetraka ho any amin'fandikan-teny manompo zavatr'afa ny Mpitaiza,Ombiasy,..izay nanana ny Heriny tokoa sy Fahendrena ary Fahalalana izay katsahantsika Kristianina ankehitriny.Etsy andanin'izay anefa nisy ny toetra tsy nety nataon'andaniny sy ny ankilany dia ny fifanaratsiana sy ny mi-contre be fahatany.Izany rehetra izany no nitarika fikorotanana tsy am-piheverana.
Tsy ambanin'izany koa anefa ny fahatakaran'Mpitondra fanjakana ny hevitra am-badika,izay niafina taorian'Famafazana ny Filazantsaran'Kristy izay tamin'fo feno fitiavana tokoa,ka nahatonga ny mpitondra nandray fepetra sy nampitodika ny vahoaka hanompo zavatr'hafa.Izany ihany koa anisany nahavery tanteraka Ilay Fanopoana,izay sahiko milaza fa Fanopoana an'Andriamanitra tokoa ka nahatonga ny Malagasy ho maivana ny heriny noho ny fizarazarana ara-pinoana,tafiditra ny baolin'Mpanjanaka.Namafisina ny maha fanompoan-tsapy ny Fivavahana Malagasy.Nanamafy ny tia tanindrazana mafana fo fa Andriamanitr'vazaha Jesoa Kristy :cry:.
FEHINY: Any aminao.Izay ny lalana.Efa nandresy ireo Malagasy tsy nanaiky sy ireo vahiny mpanararaotra Jesoa Kristy. (l) (l) =D> =D> =D>
14. niryna ( 01/07/2008 02:04)
rovaspirine:

Ny ombiasy dia teny azo rasaina tsara:"Ona-Be-Hasy";tenim-paritra izy io:izany hoe raha adika dia olona manan-kasina,manan-jina ngah raha ny filaza azy..mazava ho azy alo fa manana ny hery miafina mampiavaka azy amin'ny mpiara-belona @ mihitsy izy io e! :evil: mahita ny tsy hita maso..mahafantatra ny zava-miafina sns fa ny tsy hay hoe hery avy aiza marina no hahazoany manao ireny rehetra ireny??
Ny mpisikidy dia lasitra iray amin'ny ombiasy ihany angaha?fa fantatra kokoa izy amin'ny fahaizany mijery ny ho avy sy mamantatra ny tonon'andro mety sy tsy mety amin'ny maha malagasy moa io ...tsy idiran-tsika lalina ny amin'zay!
Kaldeana:antokon'olona manana hery hafakely tam'zany andro zany angaha??
Mpanandro:manam-pahaizana manokana mijery ny tonon'andro..mizaha ny andro mety sy tsy mety otran'lé mpisikidy ian ....
Lé izy koa anie otran mitovitovi daholo e!!!
Fa i Daniela ndray dia mpaminanin'i Jehovah tam'zany andro izany..nahazo fanomezam-pahasoavana manokana mamantatra ny hevitry ny nofy izy io fahizay..ary ny azy dia fantatra mazava fa Jehovah Andriamanitra mihits no loharano nipoiran'izay hery miafina nananany izany...
Asa izany na marina,asa izany na tsy marina fa mbola saro-pantarina...raha misy diso ny zavaboalazako dia mba hahitsio azfady e!!!!
Siiiiixxxxxxxxxxxxxxx!!!

misaotra e,izay tokoa ilay izy ka izany no mahatonga ahy hanontany.Daniela dia voasoratra ao anatina'ny soratra masina ary fahasoavana avy amin'Atra no azony. Ireo ambony hafa indray dia nantsoin'ilay mpanjaka fa tsy nahafantatra ilay nofy

:oops:
15. niryna ( 01/07/2008 02:09)
ity ilay voasoratra rovaspirine a >

5 Fa nony farany dia niditra teo anatrehako kosa Daniela,izay atao hoe Beltesazara, araka ny Anaran' Andriamanitro, sady misy Fanahin'ireo Andriamanitra Masina ao anatiny; ary ny nofy dia nambarako teo anatrehany hoe:

6 Ry Beltesazara, lehiben'ny ombiasy, fantatro fa misy Fanahin'ireo Andriamanitra Masina ao anatinao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao, koa ambarao ahy ny fahitana izay hitako tamin'ny nofy mbamin'ny heviny.
16. ikaretsaka ( 01/07/2008 02:09)
ny tsy azoko de rehefa inona ilay don no atao hoe hoe fanomezam-pahasoavana?
tsy rehefa manasoa ve?
raha manasoa ilay "hery miafina" dia inona no atao anarany ary raha izany?
17. niryna ( 01/07/2008 02:10)
ikaretsaka:


i daniela no nahay nampiasa ilay elements nomena azy kokoa ka nahafahany namantatra ny tiany ambara

izany ve ?


18. niryna ( 01/07/2008 02:12)
arialy:

ary aiza ny médium am zany?
mpaminany koa ve sa mpahalala inona indray ?


inona indray ry arialy izany medium izany ?
misaotra :-*
19. ikaretsaka ( 01/07/2008 02:18)
niryna:



i daniela no nahay nampiasa ilay elements nomena azy kokoa ka nahafahany namantatra ny tiany ambara

izany ve ?


porofoy ny tsy maha izany azy ara


20. niryna ( 01/07/2008 02:35)
ikaretsaka:

ny ahy izao fotsiny amin'io alohan'ny hitsarako be fahatany (tokony mba manana raison koa ange vao manaratsy na mi condamne an'ilay zavatra e)
io indray ika sy ny HS :oops: :oops: misy mi-condamne angaha hono eo ry rekany e hi,hi,

:

-Inona ny fitaovana ampiasain'ilay olona hanaovany ny ataony : zava-boaharin'Atra ve?
ahoana izany?

-hainy ve ny mampiasa ilay zavatra nomena ho ampiasainy io ?
tahaka ny ahoana ohatra?Ampiasaina amin'inona ? Raha kristiana mantsy dia tsy tokony andeha amin'ireny mpanao ody ireny fa tonga dia mivavaka amin'Atra sa misy mandeha ihany ? manandro alohan'ny amoahana ny fasana ?


-Inona no tanjona ampiasainy ilay izy: ampiasainy hanasoavana ve le izy sa hanakorontanana sy handripahana? ny tenany, ny manodidina azy, ny sasantsasany amin'ireo namana ihany?
ka angaha izy hono hiteny hoe o re olona a,ity aho handrindra fihavanana :P , fa mety manatsara ny ataony izy (asa aloha fa mbola tsy nandeha tamin'ireny aho ary tsy andeha amin'ireny mihitsy),efa henoko fotsiny ny teny ombieny ombieny na aty ivelany aza miteny hoe mahay manala ny vitan-dratsy hono (curse oops, kely ny finoako ) dia lany vola aman-karena izay mitonatonana. Asa aloha fa mba te ahafantatra fotsiny aho. Ary rehefa mandalo eo amin'ireny toerana ireny ny tena dia mikopa-tanana ry zareo ary mitovitovy ny karana fa fotsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0495