vision

1. diamondra27 ( 01/06/2008 15:21)
misy afaka manazava kely ny momba ny resaka vision ve eto
répondu par diamondra27 le 02/09/2008 12:23
2. ikaretsaka ( 01/06/2008 17:36)
malalaka be ilay fanontaniana vision tahakan'ny inmona no tian'i diams ho fantatra..
ity cas ity izao manko ohatra hoe manana vision..

raha atao hoe architecte na artiste na musicien fotsiny ihatra dia le tonga de kopy izy raha vao omenao hira na tany na tableau heo izao no ahitany sy asa avoakany eo sy heo izao no potemtial vita amin'ireo zavara omenao azy ireo.

toy izany koa ny mpamboly, mpi bizna sy ny mpanao baolina sns... heo izao ny vision @ ity saison ity!

ka sarotra ihany hoe ao @ sehatra inona no tian'i diams ho fantatra aloha?
izay angamba vao afaka mamaly ny olona
3. diamondra27 ( 01/06/2008 21:17)
ikaretsaka: vision amin ny resaka fivavahana no tiako lazaina

ohatra we misy olona 1 milaza fa nahita vision de miteny amin ny mpino hafa izy milaza ilay vision ny
nisy vevavy zay manko nilaza tam tv we raha manan vision ianao de aza ialana ilay izy fa mahareta am fivavahana fa Atra hanampy anao amin zany ary mila fotoana elabe ny fahatanterahan 'ilay izy indraindray

dia mombamomba an ' zay zany no tiko fantatra na cas similaire am zay e

ka inona sy ohatran ny inona marina zany no atao hoe:vision
4. kiadi ( 01/06/2008 22:31)
raha tany @ dinika hafa ty de nazoto zah namaly fa zah tsy de miditra lôtra @ resaka fivavahana ! :wink:
5. niryna ( 02/06/2008 04:27)
samihafa ny atao hoe fanomezam-pahasoavana na gift na koa hoe don , na talenta sy ny fahitana
Ireo tenenin'ikaretsaka ireo dia fahaizana na don'ilay olona fa tsy fahitana mihitsy raha ny fahalalako azy a,

.Misy olona na dia tsy mijery notes aza dia mahay mitendry zava-maneno.Efa talenta nomen'Atra azy io ka anjarany no mampiasa izany.Fivavahana no resahiko eto a. Tsy ho voatery ho mpivavaka ihany anefa dia manana talenta,fa na tsy mpino aza,saingy mety tsy fantany hoe nomen'Atra azy iny.

Raha resaka fivavahana indray dia maro ny karazana fanomezam-pahasoavana nomen'Atra ny mpino tsirairay ary ao no manambe ary ao no manana iray toy ny fitenenana amin'ny fiteny tsy fantatra,fiteny vahiny,fandikana ny teny tsy fantatra ,ny fifaminaniana na prophet,ny fananana finoana izay afaka mamindra ny tendrombohitra(faith that moves mountain) izay manao fahagagana tsy takatry ny saina,ny fahalalana fahendrena,fanomezana hery manasitra olona,mandroaka demonia,fahalalana ny tenin'Atra sns
http://baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&toko=12&andininy=7-11&dika=
Ny fahaizana mitory ny tenin'Atra dia fanomezam-pahasoavana iray ihany koa fa tsy izay rehetra te hitory akory dia ahay an'izany raha tsy nomen'Atra.
Izany fanomezana izany dia avy amin'ny Fanahy Masina
4 sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony Heb 2:4

Ny fahitana indray raha araka ny fivavahana dia ....
mbola hitohy
6. niryna ( 02/06/2008 05:25)
Ny vision na fahitana indray dia hita ao amin'ny TT sy TV ,toy Joela izao manambara izany1 Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, Ny lahi-antitrareo hanonofy,[ Ary ny zatovonareo hahita fahitana; Joela 3:1...any amin'ny baiboly anglisy izy dia hita ao amin'ny Joel 2:28...
http://baiboly.org/toko.asp?boky=ASA&toko=2&andininy=17-17&dika=
9 Ary nony alina dia nisy fahitana niseho tamin'i Paoly, koa, indro, nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankaty Makedonia, ka vonjeo izahay Asa 16:9

Izany hoe ny resaka fahitana izany eto dia zavatra hita ao anatin'ny nofy na sary ao anaty nofo koa izany, na zavatra hita miharihary ka misy baiko am-panaovina avy eo,na mampita zavatra (mahita afo mirehitra kanefa toa tsy may,tamin'ny andron'i Abrahama rehefa niresaka azy Atra ),sarotra be izany ny mampiseho ny mahasamihafa ny nofy sy ny fahitana ,nofy ve sa fa fahitana? hoy ny fiteny..be dia be izy ao Isa 1:1, 2 Sam 7:17...ary misy ny voasoratra ao amin'ny tantaran' Isaia,Eze,Hosea,Mika,Daniela ary Jaona
Jereo ihany koa ireo mpianatra tamin'ny andron'ny pentekosta
http://baiboly.org/toko.asp?boky=ASA&toko=2&andininy=1-3&dika=
Ary ny kristiana ihany koa dia mbola omen'Atra an'io fahitana io,na dia eo am-pivavahana aza hianao na matory dia mahita omen'Atra fahitana avy amin'ny alalan'ny nofy ary dia tanteraka tokoa iny saingy misy ihany koa omen'Atra fahalalana handika ny nofy ary dia afaka miresaka ireny olona ireny ihany koa ilay manofy raha mahatadidy izany nofy izany hatramin'ny niandohany ka hatramin'ny fiafarany.
Misy izay tsara ary misy izy didy mibaiko,ary misy koa izy fampitandremana ka misy lafiny mahatsara azy sy maharatsy azy( indrindra rehefa vaovao ratsyi,tazana mialoha ny zavatra hitranga ka tonga dia mivavaka sy mangataka aminy mba omeny fo ahay hanaiky )..
Ohatra hoe misomebiseby ny fianakaviana manao akanjo tsara daholo saingy maizina daholo ilay akanjo anaovany dia eo an-tokontaninao ilay fisehoana ao anatin'ny nofy ,vao mifoha hianao tonga dia kivy be izany ary misy zavatra manelingelina anao,toa malahelo,toe te hitomany kanefa tsy mahafantatra na inona na inona ary nahatadidy ilay nofy rehetra aho izany a..dia tonga aho dia mivavaka ka mangataka amin'Atra ny mba omeny fahala lana ny dikan'izany sy mba omeny saina hionona sy anaiky izay lahatra...inona no mitranga hoy hianareo ? ........

*** tsy izay nofy rehetra akory dia ho marina avokoa a,misy ny nofy ririnina,misy ny vokibe ka tonga dia matory dia manofy ratsy ,ary misy koa ny ao anatin'ny nofy no asehon'Atra ny fampiasana ilay olona sy ny zavatra mety hitranga na nitranga na vao hitranga...Aza afangaro an'ireo dada Rabe sy ireo mpamaky tanana na ireo mpamaky karatra na ireo milaza fa mahalala ny
aveniranao na ireo mijery ny horoscope a,ireo dia herin'ny satana avokoa ary tsy mahalala ny ho avintsika izany ireny,mety mahafantatra ny lasa na ny past izy hoy ilay olona iray izay saingy raha nahalala ny ho avin'ireo olona mitanjozotra mankao aminy ireny ilay mpijery karatra,mpamaky tanana,mijery kristal.... maninona no mbola mahantra mitsipozipozy,raha mahalala ny avenir-ny hafa tsy ny azy ve no fantany mialoha...dia anjarantsika ary no mieritreritra .
Misaotra naharitra namaky ary hialako tsiny fa lavabe ny fanazavana.
7. fahamarinana ( 02/06/2008 06:34)
:arrow: Diam's :tongasoa ry kala a... :-*
Niryna : ka eto indrindra akia,mi-rejoindre ilay resaka ao ambadika mikasika ny fanahy iny e,azo lazaina ary ve hoe fahitana no ananan'ireo RAR lazaiko ireo ka izay no antony hanantonan'ny olona azy ireo manontany zvtr ,peu importe na avenir na fitadiavam-bady na fitadiavana zvtr hafa ? Satria araka ny voalazanao io hoe:
" ary misy koa ny ao anatin'ny nofy no asehon'Atra ny fampiasana ilay olona sy ny zavatra mety hitranga na nitranga na vao hitranga... ".
Izany hoe isan'ny fanomezam-pahasoavana azon'izy ireo avy amin'Andriamanitra izany.Sa diso be aho eto?
Hoy diam's ery ambony ery :
"raha manana vision ianao de aza ialana ilay izy fa mahareta am fivavahana fa Atra hanampy anao amin zany ary mila fotoana elabe ny fahatanterahan 'ilay izy indraindray" .
Amiko manokana aloha ry reto dia sarotra ho ahy ny hino an-drakoto na rabe na iza na iza ankoatran'ny Andriamanitra izay telo no iray (A,JK ary FM ),misy danger be amiko ny fihenoana olona na manana vision iny na manana dons sns,tsy misy mampiavaka aminy amin'ny mpisikidy na dada rabe,etc... Ahoana no ahalalanao fa avy amin'Andriamanitra marina izany fahitana izany na avy aiza? Sa i Jesoa mivantana no miteny ? Zay angaha mbola azo dinihana ihany .Za manokana io dia aleoko miezaka mandala ny soratra masina,mitandrina ara-pitondra-tena,manaradia any Kristy na am asa na fiteny na fihetsika na fomba rehetra.Rehefa vita tsara ireo dia miditra lalina kokoa.Izany akory tsy midika hoe tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavana fa samy manana ny anjarany tokoa araka ny voatsindrinareo teo.Hatreto aloha dia tsy manana aho afatsy fitiavana lehibe ny rehetra,et encore!!!! :( ,mbola tsy voatandrianaza satria mora misendotra sy tezitra ary tsy mamela.
(l)

8. deric ( 02/06/2008 07:04)
Tsy fantatro aloha izay antony hametrahan'ny diamondra ny fanontanina, nefa mahafinaritra ahy ihany ny mamaly azy.
Zavatra nofinofisinao ho tanteraka na irina mba hitranga, na kasaina hovitaina no heveriko fa vision.
Oh:Raha mikarama hianao dia mety manana tanjona amin'ilay karama, ka ny tanjonanao dia hanao trano "villa diamondra". Na dia mbola 1000 Ar fotsiny aza anefa ny vola voatahirinao ho amin'izany dia efa ao amin'ny nofinofinao sahady ny endrik' ilay villa sy ny hakantony ary ny habeny sns. Azonao avy hatrany fa manana vision ianao dia vision Villa Diamondra.
mandra-piserana indray.
9. ikaretsaka ( 02/06/2008 21:38)
ireny olomasina ireny kao toa maro no manana vision an
10. diamondra27 ( 03/06/2008 05:55)
niryna, fahamarinana ika deric: ny tena tsy azoko izany dia ilay mamatatra we vision ve ilay izy

hafa manko ny premonition
hafa koa ny hoe; zao ny projet tiana hatao de we zay ilay vision

fa ny hamantarana we ilay olona nilaza fa manana vision , niteny taminy Atra hoe;zao na zao , araka ny voalazan i fahamarinana we aleo mivavaka de mihazona tsara izay fampianarana azo
nefa tokony tsara ho fantatra ihany tokoa raha tena nomen i tompo vision ny olona > I zany oe: izaho na ianao io izao mety nomen i Tompo izany fa tsy hay hoe ahoana no hamantarana azy dia izany no tiako fantarina

ohatra 1: samy naheno toriteny daholo isika momba ny hoe mandehana mitory ny filazantsara ianareo de ataovy mpianatry ny firenena rehetra ... hatrany am faran ny tany. Ny fiasan izany ao amin ny tsirairay anefa dia samy hafa, dia eo izao ohatra mety misy vision ho an ny olona 1 hoe: efa nomen Atra don izy hitory araka ny voalazani niryna, efa nataony izany fa tokony hanohy izany izy nefa ny fomba fanatanterahany no tsy hainy ( tokony hijoro izy fa tsy taritina foana). Misy ny fotoana mahamangatsiaka dia lasa tsy nahatory intsony
Vision ve izany eto ilay hoe: niantefa ary latsaka tao ampon ilay olona ny hoe andeha hitory na aiza na aiza misy azy
araka ny voalazan ilay olona tam tv ho aho dia hoy izy hoe: fikiro ny vision azonao dia mivavaha foana mba hahatanterahan izany fa hanampy anao Atra am fanantontosana izany, ka izay no nahalasa ny eritreritro

Mety hisy ihany koa ohatra vision hafa ho an ny sasany hoa: hanorina fiangonana izy ka handia fitsapana vao tafaorina io fiangonana io> A min izao fotoana izao manko dia tsy hay insony ny marina sy ny tsy marina fa lasa bizna ny fivaavahana, koa raha mba misy manana na nahita vision de mba ilazao hoe: ahoana ny fipetrany
11. fijo ( 03/06/2008 20:39)
izany hoe olona nanofy izany ilay izy raha ny tena marina
12. majesty ( 05/06/2008 06:07)
hoy ika:
ireny olomasina ireny kao toa maro no manana vision an


Ireny mpimasy ireny koa toa manana vision.


hoy fijo:
izany hoe olona nanofy izany ilay izy raha ny tena marina

Nofy,tsindrimandry,mety azo ilàzana azy avokoa :D

diam's: malalaka be io vision io,raha ny voarakitra ao @ ilay pejy voasoratra zao dia Atra no nanome fahitana ny olony ilazany izay zavatra hitranga eo amin'ny firenena iray sns
fa ity lazain'ilay olona t@ télé ity indray dia toa ny hoe manana vision ao an-tsaina ny amin'ny hanatanterahana drafitra iray izay novolavolainao,araka io volazan'ny namana eo ambony io hoe manana vision fa hanangana entreprise sns
13. fijo ( 05/06/2008 20:41)
ka tsy ho olon abe torimaso ve letsy izany kle.
14. niryna ( 06/06/2008 05:30)
fahamarinana:

:arrow: Diam's :tongasoa ry kala a... :-*
Niryna : ka eto indrindra akia,mi-rejoindre ilay resaka ao ambadika mikasika ny fanahy iny e,azo lazaina ary ve hoe fahitana no ananan'ireo RAR lazaiko ireo ka izay no antony hanantonan'ny olona azy ireo manontany zvtr ,peu importe na avenir na fitadiavam-bady na fitadiavana zvtr hafa ? Satria araka ny voalazanao io hoe:

asa aloha aky ry fahamarinana fa raha ohatra ka resaka fanasitranana,
fanalana ny asan'ny maizina,mivavaka mba omeny hery ,na manampy mihaino ny olana amin'ny fiainana dia mino aho,fa raha resaka hoe fitadiavam-bady izany,dia ahoana? olona aiza no alaina? olona iza no samborina .sangisangy ny ahy fa tena kely ny finoako.
Toy ny tanora rehetra ny tena nandalo fitiavana ary dia niara nivavaka hoe raha mahasoa ka mahatsara anay ny hiaraka ,dia nataon'Atra tanteraka tokoa izany.I
zany hoe ny fanambadiana dia basena amin'ny fanajana an'Atra aloha,dia mangataka Aminy raha mahasoa an'ilay olona roa no hiaraka.Apetraka eo am-pelantanany izany ilay izy ary na inona na inona no ataonao toy izany dia asehony aminao tokoa izany ..Andramo ny mivavaka alohan'ny anaovana zavatra ,ataovy direct,Atra dia hianao na Kristy dia hianao
.

" ary misy koa ny ao anatin'ny nofy no asehon'Atra ny fampiasana ilay olona sy ny zavatra mety hitranga na nitranga na vao hitranga... ".
Izany hoe isan'ny fanomezam-pahasoavana azon'izy ireo avy amin'Andriamanitra izany.Sa diso be aho eto?

io ilay fahasoavana izay nomen'Atra ny kristiana ,tsy ny rehetra fa raha hianao no omeny dia fantatrao daholo tokoa ny karazana zavatra mitranga ,nitranga ary mbola hitranga ,mila mivavaka ary mangataka aminy ihany koa ny omeny ny dikany.Santionany fotsiny io,fa mbola betsaka,ary rehefa tena mino Azy hianao dia maheno ny Fanahy Masina miteny aminao mihitsy koa,inona indray re ity lazain'i niryna e.
e ! adino ny lakileanao ! io tokony fa adino eo ambon'ny latabatra fa maika loatra satria variana teto amin'ny serasera ...Ary dia misaotra aho avy eo ..Mino an'izany hianao fa miresaka amintsika koa ny fanahy masina ?

Hoy diam's ery ambony ery :
"raha manana vision ianao de aza ialana ilay izy fa mahareta am fivavahana fa Atra hanampy anao amin zany ary mila fotoana elabe ny fahatanterahan 'ilay izy indraindray" .

izay no mahatonga miteny hoe fantaro izay fahasoavana nomen'Atra anao dia ataovy,na dia hoe mampihomehy,mampahery olona,mihaino olona,mamangy marary,mitsidika ny any am-ponja,mivavaka ny mpiara -misera ohatra ,mizara ny tenin'Atra eto amin'ny serasera...
Raha ao aminao ilay izy na iza andavo na hanome soketa na hanome toetra tsy ampandeha ny tenin'Atra tsy tafavoakan'ilay fahavalo izany satria Atra izay nanome ilay fahasoavana no miaraka aminao,ary arakaraky ny maha be ny fahavalo koa no vao maika mampahery sy mampantanjaka ary mampazoto anao hitory ilay tenin'Atra ,hi,hi..
Fantaro,mivavaha ary na dia faran'izay kely indrindra aza ,ataovy foana ny fanandramana,tia mahandro hianao? manaova dia omeo ireny mahantra na antitra eo an-tanana ireny,na ho ento any am-piangonana raha kely ny fiangonanao na any am-pianarana na any am-piasana ,ohatran'izay ilay izy
fahamarinana:

Amiko manokana aloha ry reto dia sarotra ho ahy ny hino an-drakoto na rabe na iza na iza ankoatran'ny Andriamanitra izay telo no iray (A,JK ary FM ),misy danger be amiko ny fihenoana olona na manana vision iny na manana dons sns,tsy misy mampiavaka aminy amin'ny mpisikidy na dada rabe,etc...
marina izany ka izany no mahatonga ny teny hoe aza mino ny fanahy rehetra fa zahao toetra,mivavaha foana vao mandeha eny fa na dia ataonao hoe fiangonana hiangonanao aza,mangataha amin'Atra raha misy fanahy masina ao.

Tena misy samy hafa tokoa ,ny iray avy amin'Atra ny iray avy amin'ny fanahy ratsy.
Andriamanitra ve dia hanoro voana ohatra? dia mila mamaky ny tenin'Atra koa isika ,ny famosaviana olona avy amin'Atra ve izany,ny mivavaka amin'ny maty avy aminy ve izany? ny teniny anefa manambara fa tsy misy intsony ny fahatsiiarovana ny maty.
Ny maka odi-fitia ,toa misy tonga dia fantatra ihany ry fahamarinana a,
Atra ohatra no nanao ny zavatra rehetra ,dia misy olona mino ny zavatra namboarin'Atra fa tsy mivavaka mivantana amin'ilay nanao ny zavatra rehetra .Ny iray Creator,ny iray creatures....volana ,kintana ,masoandro,mijery horoscope,mijery vitana,sns efa nolazaiko tery aloha .
fahamarinana:

Ahoana no ahalalanao fa avy amin'Andriamanitra marina izany fahitana izany na avy aiza? Sa i Jesoa mivantana no miteny ? Zay angaha mbola azo dinihana ihany .

marinal izany mety tsy ho fantatrao ilay izy raha tsy nomeny ka.Toy ny olona mitoriteny ihany io,raha tsy ny fanahin'Atra no miasa ao anatin'ilay olona,miva
vaka vao mandray anjara eto dia hivoana ilay izy ary ny voa hafafiny koa no manambara an'izany ka,tsy izay rehetra te hitory akory dia hitory raha tsy nomeny.
Ohatra hoe nomeny hery hihaino olona i fahamarinana dia mihaino tokoa ary mahavita mandany fotoana hiainoana ilay olona...izay nomeny antsika ihany no vitantsika raha mino isika ary mila mivavaka foana ,mila mandalina ny tenin'Atra koa.Izany no mahatonga hoe ,olona hendry an'izao tontolo izao,olona adalan'izao tontolo izao.Ny hendry amin'ny olona dia ireo mihevitra azy fa manana fahalalana amin'ity fiainana ity,ka rehefa tonga amin'ny tenin'Atra koa izy ka tsy mino an'Atra dia mbola mihevitra ihany koa izay fa fantany daholo ilay tenin'Atra...Ny antsoiny olona adala indray dia ireo olona izay mahay sy nomen'Atra ny teniny ary fahadalaona ho an'ny olona izany kanefa ireny no ampiasan'Atra ....mety ho azonao,mety ho tsia fa lazao aho raha lalina loatra ...

Za manokana io dia aleoko miezaka mandala ny soratra masina,mitandrina ara-pitondra-tena,manaradia any Kristy na am asa na fiteny na fihetsika na fomba rehetra.
tsara tokoa izany tanjonao izany,dia mivavaha an'i kristy manokana,aza asiana mpanelanelana mihitsy fa tonga dia ny fonao no mitalaho Aminy,minoa Azy fa mahavita zavatra tsy takatry ny saintsika Izy.Midira ato am-poko hoe fa miandry anao ny mpanomponao,ampio aho,omeo hery aho mba ahalalako ny sitraponao,ny antso izay tianao ampanaovina ahy. s

Rehefa vita tsara ireo dia miditra lalina kokoa.Izany akory tsy midika hoe tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavana fa samy manana ny anjarany tokoa araka ny voatsindrinareo teo.Hatreto aloha dia tsy manana aho afatsy fitiavana lehibe ny rehetra,et encore!!!! :( ,mbola tsy voatandrianaza satria mora misendotra sy tezitra ary tsy mamela.
(l)
bravo fahamarinana ,io izao dia efa fanomezam-pahasoavana iray nomen'Atra anao ,dia tohizo,mety tsy tandritandrinao ilay teny kanefa koa mety nangetaheta hianao hoe inona re ny fanomezam-pahasoavana nomeNy ahy e,io tsy manana afatsy ny fitiavana lehibe ny rehetra .azonao ampi
harina amin'ny fiainana izany,tena maro be tokoa ny olona no tsy mba manana fitiavana, mihevitra izy fa tsy misy mpitia,na ny fiitsikina,ny fiarahabana,ny firesahana ireny olona menamenatra ireny,na olona tezi-dava ireny izao dia efa azonao am-piasaina amin'ilay fahasoavanao nomena anao.

mahereza e ,ny tompo anie homba antsika tsirairay avy ary hanome antsika ny talenta sy fahasoavana hampiroboroboana ny voninahiny.

(l) niryna
15. niryna ( 06/06/2008 05:41)
fijo :D
mitombona avokoa ny eritrerintsika e.Sarotra ny manazava azy satria mety ho azonareo na mety hafangaronareo amin'i dada Rabe ilay izy.
Toy ny teny ery ambadika dia hoe fantaro ny fanahy miasa ao amin'ny olona ,mbola anao io resaka io koa isika fa aleo aloha andeha tsikelikely .
Ny asan'ny maizina dia avy ao amin'ny maizina ary ny olona ao anatin'ny miazina ihany koa no hiasany sy mitady azy.
Maizina resahiko eto dia tsy hoe tsy misy jiro ampoule.Satana tsy miasa ao anatin'ny olon'ny fahazavana ,ny olona tsy manana an'i kristy no hiasany satria kristy mahery ny heriny ka raha olon'Atra dia tsy mandaitra azy fa mandositra izy.Ny dikany,ny olona rehetra milaza hoe mpino an'Atra akory dia tsy midika izany fa tena mino tokoa izy.Misy olana mahazo azy? tsy mivavaka amin'Atra izy fa lasa mijerijery tanana kely,mivavabavaka kely,mijerijery karatra kely,mijerijery hoe manao ahoana ny vitako.Izany hoe ny tongony iray ao amin'ny tranon'ATra ary ny tongony iray any ivelany.Ka raha vao izay no mitranga ho an'ny kristiana dia moramora ho an'i satana no mampiditra ny baolina.
16. niryna ( 06/06/2008 05:50)
ny vision teneniko eto dia fahitana ary maro be izy ao anaty baiboly.Tadidio fa izay zavatra voasoratra ao anaty baiboly dia niantra,miantra ary mbola hiantra ihany koa.
Ao ny miresaka mivantana tamin'Atra,tao ny anjely no niresaka ary tao ny nofy.Nanantanteraka izany avokoa ireo voalaza ao anaty baiboly.
Mbola niteny ihany koa ny sm fa haminany ny zanakaolahy,sns,manofy efa ary aloha ary io fa tsy averiko intsony.
Araka ny nolazaiko ary ambadika ary ihany koa fa isika rehetra (kristiana rehetra izany na iza na iza dia nomen'Atra fanomezam-pahasoavana avokoa,misy ny tonga dia mivoaka,toy ireny mihira ireny,mitendry zava-maneno,mahandro sakafo,mametran-tanana olona,mivavaka olona ,mampifaly olona,feno fitsikiana foana ny fiainany ary izay olona manodidina azy dia lasa voatarik'izany koa,izay zavatra teneniny dia mampihomehy ary mahafinaritra fa manana toetra tsara sy madio fo,tsy tonga ho azy ireo fa nisy ezaka tao ary nisy koa ny tonga dia nomen'Atra an'ilay olona.Anjarantsika no mivavaka mba omeny an'izany.Ny ahy izao dia efa fantatro miandalana eny fa mbola misy koa ny tsy fantatro ..
Mikasika ny vision indray dia hoy aho hoe fantaro ny fanahy fa misy fanahy mamitaka.
Anareo no mandray azy.Ilay vision dia nomen'Atra io ,tsy ny rehetra hoy aho .

mbola hitohy ..
17. fijo ( 06/06/2008 19:51)
azavao aloh ailay "maizina"fa tena tsy azoko mihintsy.rehefa inona de asan'ny maizina?
i mopera izao ,raha mikarakara sy manadio ny "sarivongan'i masina maria"dia asan'ny maizina izay sa asan'ny mazava????

i dadarabe koa raha mba manisy menaka ilay sarivongana kely ao aminy sy mamafy rano ,dia ahoana?
18. niryna ( 06/06/2008 21:16)
fijo:

azavao aloh ailay "maizina"fa tena tsy azoko mihintsy.rehefa inona de asan'ny maizina?
i mopera izao ,raha mikarakara sy manadio ny "sarivongan'i masina maria"dia asan'ny maizina izay sa asan'ny mazava????

i dadarabe koa raha mba manisy menaka ilay sarivongana kely ao aminy sy mamafy rano ,dia ahoana?

dia mampiditra ahy ao anaty lavaka i fijo izany.Izaho tsy te hifamaly na te hiresaka sary vongana intsony,efa nomena ny teny ary dia tsy miverina any amin'ilay nanome azy intsony.
Eksodosy 20
1 DIA nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe:

2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.

3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.

4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.

5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;

dia avelao izay mahalala sy miresaka an'izany dada rabe izany sy mompera mikarakara ny sarin-vongana no hanazava azy fa efa nomeko io ny teny ao amin'ny soratra masina.
Sady HS koa izany fijo a,inona no hidiran'ny vision eto tsssss
:wink:
19. fahamarinana ( 07/06/2008 08:58)
niryna:

dia mampiditra ahy ao anaty lavaka i fijo izany.Izaho tsy te hifamaly na te hiresaka sary vongana intsony,efa nomena ny teny ary dia tsy miverina any amin'ilay nanome azy intsony.

:arrow: hi!hi! efa hitako mihintsy fa raikitra ndray ny discussion-nareo dahy raha hiditra amin'io resaka io. :) (l)
20. ikaretsaka ( 07/06/2008 23:24)
ka tsaratsara aloha iznay raha velabelarin'ny mpanokatra sizet ny tiany tenenina @ le vision.. satria toa malalaka be ilay izy..
vision tahaky ny inona.. tsindrimandry ve sa faminaniana (prophecy) sa vision (Vue de loin sa misy cataract) snbs... sa television masina sa....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3361