Ireo mpitory ihany no nanimba ny hasin'ny baiboly

1. rakapy ( 30/04/2008 08:20)

Notoriana sy novakina ary nodradradraina eran-tany sy ny elakela-trano , gazety, internet eny na any @ toerana tsy tokony hitoriana azy aza dia ahitana ny teny avy @ baiboly. Natao toy ny tracte sy publicite sy toy zavatra tsy misy hasina ny fitoriana azy.Noresahina @ tsy misy antony.Natao hifaninana. Natao hifandresena lahatra. Eny natao hifanaratsiana aza matetika.
Vokany lasa mitovy @ boky rehetra ilay baiboly. Tsy fantatry ny olombelona intsony ny fahamasinany. Very ilay hasiny satria tsy mba nokajina ny fahamasinany. Toa lasa boky populaire fotsiny sisa.
répondu par xxx le 10/05/2008 13:53
2. majesty ( 30/04/2008 08:34)
:roll: :roll: :roll:
3. Ilo ( 30/04/2008 11:28)
Ka izao kosa anie e! "Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,"IITimoty 3:16
:roll: :roll: :roll:
4. razaordira ( 30/04/2008 12:12)
T@ andron' ny fanjanahan-tany moa dia niaraha-mahalala fa io no fomba nentin' ireo mompera nahazoana ny confiance-n' ny gasy, ka nahafahany nanao tsara ny asana espion izay nosahanin'izy ireo ho an'ireo vazaha mpanjanaka. 8)
Amin' ny andro ankehitriny kosa, ... samy milaza azy ho "manana ny marina" daholo ny vondrona (dénominations) isan-karazany ary miezaka mafy manaratsy ny dénominations hafa hoe "manao interprétation fausse -n'io boky io". :}
Ka asa re ...
Nefa na izany aza, dia ataoko fa naleo ihany nisy ny Baiboly toy izay hoe tsy nisy.
Maro ny antony, tsy ho voatanisa eto daholo.
5. Veloo ( 30/04/2008 12:53)
Devoly lety ry rakapy tsy kely lalana, tadiaviny foana-
1. hisy confusion
2- tsy hanakakaizan-draolombelona an'Antra
3 -hapotehany antsika tsy ho voavonjy
6. rakaroka ( 30/04/2008 13:03)
[quote=razaordira]

Ka asa re ...
Nefa na izany aza, dia ataoko fa naleo ihany nisy ny Baiboly toy izay hoe tsy nisy.
Maro ny antony, tsy ho voatanisa eto daholo.


izao no antsoina hoe: "affirmation gratuite". Eto amin'ny misy anay aloha
tsy misy trace na resaka baiboly izany fa mizotra tsara koa ny fiainana!




7. ervet7 ( 30/04/2008 13:18)
Tena ilaina ary tena ilaina tokoa ny Baiboly na de betsaka aza no manao tsinontsinona azy,ao ihany no vahaolana ,marina fa betsaka no mitory mivilana ny Baiboly ,ka toriny arak"izay fantany sy mahamety azy kanefa ,ny tanjony dia tena zavatra hafa mihintsy,
tsy misy mahatakatra ny tena hevitry ny Baiboly fa ny tokony hatao dia tokony hitondra tena tsara mifanaraka @ izay voalaza ao
ny tena mampalahelo ankehitriny de ny fanaovan"ny sasany fitaovana hoentina hahazoana tombotsoa manokana ny Baiboly
entiny hanaratsiana ny hafa sns
mahereza daholo mamaky dia saino tsara e
8. rakaroka ( 30/04/2008 13:23)
Ka efa ho raha ho atsy amin'ny bibliothèque aza isika 'ngaha misy baiboly ao e. :roll: :roll: :?: Raha nilaina ilay izy dia ho nisy azy tao.
9. Veloo ( 30/04/2008 13:34)
Eto amin'ny misy anay aloha
tsy misy trace na resaka baiboly izany fa mizotra tsara koa ny fiainana!


ka zay ny olana ka mizotra tsara ny fiainana....

bibliothèque aza isika 'ngaha misy baiboly ao e. Raha nilaina ilay izy dia ho nisy azy tao.


ataoko fa misy baiboly tokoa ao parmi tant d'autres
10. ikaretsaka ( 30/04/2008 14:40)
le zavatra raha vao tapatapahana sy atao pli vava de mivaona foana amikoe..
eritrereto hoe toy ny lakroa io na sarivongana dia ny ratsantanany na ny orony no entin'ilay olona mandehandeha..sy itoriany heo ity ra anona sy ra anona
tsy poinsa
11. rabilabila ( 30/04/2008 15:20)
Amiko indray ny olana dia ny fomba famaky an'io boky io ; boky hoy aho satria amiko dia toy ny boky rehetra ihany izy io ,ary fomba maro no tokony hamakiana sy hi-interpreter-na azy :historique ,allégorique , morale,analogique .
Toy ny boky rehetra ihany koa satria misy azo tsongaina ao ,toa ny bokin'i Spinoza , na i Lucrèce ,na i JK Rowling.............................sns.Misy anatra azo raisina ho an'ny tena ,na hanampiana ny hafa .....................................

Rehefa mandinika anefa aho , na eto amin'ny serasera fotsiny , na eo anivon'ny fianakaviana , na aiza na aiza , dia eo amin' ny fandraisana azy ho "fahamarinana " TOKANA no mipetraka ny olana ,ka na misy fahendrena hafa aza ,azo tovoizina any amin'ny boky hafa aza dia tsy ekena ankitsirano nefa raha ny votoatin'ilay fahendrena mitovy ihany ;ary maro ny "kristiana" (pour ne pas dire hoy ny tontalibe-ny ) no tsy manaiky ireo fomba famakiana sy fomba fi-interpreter-na ireo fa manaiky an-jambany izay voarakitra ao .

Amiko manokana dia tsy ampy raha fomba fijery tokana no hanorenana ny maha-izy ny tena satria ny olona manao izay fomba izay dia dans l'incapacité hijery ary indrindra hanaiky ny hafa .
Ohatran'ny olona ao anaty burqa ( efa voatery nanao tany Afghanistan ) ,tsy manana vision afatsy izay ao anatin'ny "champ" ,kanefa ny tontolo midadasika ary maro dia maro ny zavatra mahaliana sy mahafinaritra .
Andramo ange ny manao burqa e!! dia ho hitanareo ny fahafohezan'ny tontolonareo .
12. ratonga ( 30/04/2008 15:28)
i rabilabila ngà efa nanao burqa :-D :-D mba asio sary kely wé jerena :lol:
13. fahamarinana ( 30/04/2008 15:36)
:arrow: H S kely fontsiny fa azafady indrindra,ilay misy makarakara carré kely eo am maso ireny moa ilay atao hoe burqa ? (l)
14. rabilabila ( 30/04/2008 15:38)

Ratonga.
Ie , Voatery nanao burqa !!( talohakelin'ny setrasetran'ny taliban ) tsssss mampalahelo fa tsy atao eo imason'ireo miaina azy isan'andro ,kanefa rehefa tafaraka samy vehivavy ,any an-trano ,ary rehefa esorina ilay izy dia tena variana amin'ny fahatsaran-tarehiny , tsara bika ,no sady feno firavaka ,manao manjamaso sy lokomena .
[size=09px]Ary aok'izay fa sao dia misy mi-cadrer eo isika fa hors sujet[/size]
15. rabilabila ( 30/04/2008 15:40)
Fahamarinanana : ireny indrindra .
16. ikaretsaka ( 30/04/2008 15:58)
ratonga> maninona izao raha manao boorkah

Rehefa mandinika anefa aho , na eto amin'ny serasera fotsiny , na eo anivon'ny fianakaviana , na aiza na aiza , dia eo amin' ny fandraisana azy ho "fahamarinana " TOKANA no mipetraka ny olana ,ka na misy fahendrena hafa aza ,azo tovoizina any amin'ny boky hafa aza dia tsy ekena ankitsirano nefa raha ny votoatin'ilay fahendrena mitovy ihany ;ary maro ny "kristiana" (pour ne pas dire hoy ny tontalibe-ny ) no tsy manaiky ireo fomba famakiana sy fomba fi-interpreter-na ireo fa manaiky an-jambany izay voarakitra ao Amiko manokana dia tsy ampy raha fomba fijery tokana no hanorenana ny maha-izy ny tena satria ny olona manao izay fomba izay dia dans l'incapacité hijery ary indrindra hanaiky ny hafa .
..


mitovy hevitra isika eto
17. rakapy ( 30/04/2008 16:22)
Ny tena tiako asongadina eto @ ity hevitra ity dia ny hoe:
Mialaza ireo xana mitono tena ho mpadala ny baiboly fa manakorotana sy tsy manisy hasina ny baiboly ny olona izay lazain'izy ireo fa Satana na devoly.
Ka nefa ny marina dia ireo xana milaza tena ho mpandala ny baiboly ihany no nanimba sy manimba ary mbola hanimba ny fahamasinan'io boky io.
Nahoana?
Satria raha vao ny zavatra iray no atao miparitaka maro be tsy ampiheverana dia very ny hasiny.
Very hoy aho ny hasin'ity boky ity nohon'ny tsy fandinihana sy fandraisana an-tendrony ary ny tsy fahazaona mazava ny zavatra voalaza ao.
Ohatra iray izay hitako. Raha sendra niditra hotel ny tenako dia efa milahatra @ kapoty sy ny baiboly eo ambonin'ilay latabatra kely eo andoha-pandriana ao @ ilay efitrano izay natoriko. Asa aloha na inona na inona no hevitra ao ambadik'izany fa dia somary gaga ihany ny tenako hoe efa mitovy lanja ve ireo zavatra roa ireo sa???
18. ikaretsaka ( 30/04/2008 16:39)
Ilo:

Ka izao kosa anie e! "Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana,"IITimoty 3:16
:roll: :roll: :roll:

aza adino ilay "rehetra" sy ilay tsindrimandrin'Atra..

de eo @ ilay "rehetra" no problematique izao.... farito ny hoe rehetra.....


19. rabilabila ( 30/04/2008 16:57)

Rakapy:
Asa aloha na inona na inona no hevitra ao ambadik'izany fa dia somary gaga ihany ny tenako hoe efa mitovy lanja ve ireo zavatra roa ireo sa???


Raha io situation anakiray io ,raha ny fijeriko azy ,dia ilay tompon'ny hotely no mahalàla ny karazan'olona miditra ao amin'ny hoteliny .
Mitovy lenta izy eo satria raha ny fijeriko azy satria :
Ny baiboly mety miaro amin'ny aretim-panahy.
Ny kapoty mety miaro amin'ny aretina sida.
Donko , endrika fiarovana izy roa ireo eto .
Par conséquant
masina ny fanahy ; ary resarobidy ny aina .
20. ikaretsaka ( 30/04/2008 17:09)
rabilabila:


Rakapy:
Asa aloha na inona na inona no hevitra ao ambadik'izany fa dia somary gaga ihany ny tenako hoe efa mitovy lanja ve ireo zavatra roa ireo sa???


Raha io situation anakiray io ,raha ny fijeriko azy ,dia ilay tompon'ny hotely no mahalàla ny karazan'olona miditra ao amin'ny hoteliny .
Mitovy lenta izy eo satria raha ny fijeriko azy satria :
Ny baiboly mety miaro amin'ny aretim-panahy.
Ny kapoty mety miaro amin'ny aretina sida.
Donko , endrika fiarovana izy roa ireo eto .
Par conséquant
masina ny fanahy ; ary resarobidy ny aina .




raha eto tokao dia samy fitaovana ny andraisako azy.. ny 1 fitaovan'ny ara batana moa ny 1 fitaovan'ny ara panahy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1679