miaraka amina vadin'olona
1. mamafara
(
17/04/2008 11:33)
sali daholo nareo.
zao no olana. Efa enimbolana zay dia niaraka tamina vadin'olona ny tenako. IO situation io dia efa fantatro hatreny ambolohany nefa izy tiako. Fiarahana miafina mazava hoazy ny anay. Rehefa tsy hitako izy dia manao izay fomba rehetra hihaonana aminy aho. Afatsy ny alahady izay samy mihatsaravelatsihy any ampiangonana.
Hatreto aloha dia tsy mbola fantatry ny vadiny ny fisiako. Ny alina dia samy any antranony any zahay roa. Manetsetra ny tenako eo fotsiny aho satria tsy afa-manoatra. izy any zao sambatsambatra ery........
Efa nisy fotoana nilazako taminy hoe tsy mety intsony izao, nefa izy tsy manaiky fa rehefa mahita ahy miaraka amin'olonkafa hono izy vao miala. De inona no hatao, hisambotra lehilahy eny andalana ve hisandohako hoe ity no miaraka amiko. Dia ahoana no mety ho tohiny?

répondu par inala le 29/05/2008 12:22
2. mangidy
(
17/04/2008 12:03)
Tsara angamba raha dieny izao: dieny mbola tia azy ianao, hoy aho we ny mety atao de ny mifandao..... sao de ho ataony sary indray Mipika!!!!!
nefa anao sy Safidy!!!!
nefa anao sy Safidy!!!!
3. ari.malala
(
17/04/2008 13:07)
mamafara, raha tsy mahadiso ny manontany, tsy misy olona miaraka aminao angaha? fa tsy voatery hanaraka izay tiany anie ianao e! azonao atao ny miala azy izany hoe misaraka aminy na mbola tianao aza izy sy tsy manaiky, fa maninona moa no hoe tsy manaiky izy? misy farany daolo ny zavatra rehetra, ary indray andro any mety hiafara amin'ny fahafantaran'ny vadiny ny fisianao, ka tsara raha dieny izao marina dia miala ianao! Mahereza
5. kiadi
(
17/04/2008 13:54)
zah tsy bandy be moral fa zao fotsiny ba zavatra tajoko! tsy manakorotana tokantranon'ol zany
7. pskl
(
17/04/2008 14:17)
Tsy mety zany akia ry mamafara a, lé miaraka am vadin'olona.
Dieny zao dé ndana miala. Manana orgueil kely :dé aninona nefa izy raha hiala indry? ngah ndry anazy sa andevony?
Sady eo ianao marary ftsn eo mieritreritra oé : any izy zay sambatsambatra ery....
Refa tsapandry fa tsy mety lé situation dé efa bon départ zay. Mila détermination ftsn sisa sy fermeté dans ta décision.
D trouves toi une autre occupation mahasoa anao sy ny fiainanao ho avy mba tsy ho tafalatsaka iverina aminy intsony.

8. lemenakely
(
17/04/2008 14:31)
mamafara:
sali daholo nareo.
zao no olana. Efa enimbolana zay dia niaraka tamina vadin'olona ny tenako. IO situation io dia efa fantatro hatreny ambolohany nefa izy tiako. Fiarahana miafina mazava hoazy ny anay. Rehefa tsy hitako izy dia manao izay fomba rehetra hihaonana aminy aho. Afatsy ny alahady izay samy mihatsaravelatsihy any ampiangonana.
Hatreto aloha dia tsy mbola fantatry ny vadiny ny fisiako. Ny alina dia samy any antranony any zahay roa. Manetsetra ny tenako eo fotsiny aho satria tsy afa-manoatra. izy any zao sambatsambatra ery........
Efa nisy fotoana nilazako taminy hoe tsy mety intsony izao, nefa izy tsy manaiky fa rehefa mahita ahy miaraka amin'olonkafa hono izy vao miala. De inona no hatao, hisambotra lehilahy eny andalana ve hisandohako hoe ity no miaraka amiko. Dia ahoana no mety ho tohiny?
Ny hamaliako azy dia ny tenin i SARKOZY raha nampitandrina ny FARC(antokon olona miazona ankeriny an i INGRID BETANCOURT) ao COLOMBIE:"Alors messieurs vous êtes des grandes personnes et resonsables mais maintenant il faut assumer! "Mazàva be angamba izany!
10. glady
(
17/04/2008 14:44)
matoa miaraka amin'ny olona misy tanjona...
miaraka amin'ny vadin'olona...inona no tanjona????
hampisaraka ve???? sa revirevy fotsiny, sa interêt????
fandanian'andro daholo izany indrindra fa vehivavy ny tena
raha lahy indray ianao dia hoe revy fotsiny io....ny bandy bandy ihany
tsarovy fa tsy hatakalony ny vadiny mihintsy ianao....zarany aza manan-droa
sady manana vady izy no manana maitress, izy no sambatra
fa ianao tsy sambatra....mieritreta e!
raha ataoko hoe samy manambady ndray nareo mba afaka ni comprendre aho hoe juste tombony kely fotsiny izany ny anareo.

12. ikalapeta
(
17/04/2008 15:06)
Tia tena izy fa raha izaho i mamafara dia ny izao dia miala aminy, ny fitiavana azo soloina foana, 1mois 2 mois ianao no malahelo angamba fa avy eo tena fière be oe oufff, soa ihany, vitako ihany etc...lol
Mahereza!.
Mahereza!.
14. badboy
(
17/04/2008 17:08)
FAUX PROBLEME!! Nahoana??? Rehefa tena te hiala de tafala na tsisy kôfa aza eo. Ra azoko tsara enao ko no tena mbola mamikitra. Ka raha tsy hiala de zakao ao ny anao de aza mitaraina fa safidy!! :twisted: :twisted: :twisted: :twisted:
15. raniry
(
17/04/2008 17:09)
be ny olona azo tiavina e, tsy maintsy misy tsy manambady ireo, aleo any mitady
marina e
marina e
16. Kwasi
(
17/04/2008 20:54)
Io ry mamafara dia tsy maintsy ho fantatry ny vadiny foana na ho ela na ho haingana, na hitandrina be hoatry ny inona eo aza. Ny intuition feminine tsy miraty izany.
Dieny izao dia miala. Matoa ianao nanokatra ito dinika ito dia efa te-hiala. Ka tonga dia miala na misy bandy iantefana na tsy misy. Decision io. Aza raharahiana izay tsy fetezany any. Izy koa ange tsy hety foana e, ho avotsotra kosa ve ny tsakitsaky mahavonjy? Mety hampijaly fa aleo iaretana dieny izao toy izay rehefa mitatra sy tsy ho voafehy intsony ny raharaha...

17. sakapiso
(
18/04/2008 06:29)
Ajanony dieny izao raha tia azy ianao satria izy efa manana ny vadiny izay efa natolotr'Andriamanitra azy.Efa iny no anjarany ary misy anjaranao koa any ho any fa mbola tsy tafahaona fotsiny ianareo.Eritrereto hoe raha ianao no eo amin'ny toeran'ilay vadiny na dia tsy fantany aza ny fiarahanareo,mety ve hoy ianao? Tandremo fa ny tody tsy misy fa ny atao no miverina!dia mahereza fa tena mafy aloha ny misaraka aminy e!nefa tsy maintsy izay na ho ela na ho aingana!MIVAVAHA!
18. ari.malala
(
18/04/2008 07:35)
mba fangatahako hoantsika mamaly kosa, aza dia masika loatra, fa matoa ilay namana mangataka torohevitra tsy zakany izay ilay olana e! izay anie ilay entan-jarai-mora zaka e! ary izay no maha mpinamana antsika rehetra eto!!
19. mangidy
(
18/04/2008 08:29)
ari malala eny wa akia, torohevitra no nangatahiny, sady hita fa situation tsy mora ilay izy: Io Fitiavana io ihany no nahatonga izany......Mivavaha fa ampiany ianao, de ho ravarava ho azy ny aminareo..Resaka dhl ny ataon'ny ankizy ato fa anao ihany no fanapahankevitra.
mahereza.....Fa fitia nangalarina no nahasambatra tsy satry Hasambarana tsy namboarina ... tsy maintsy afoy ka tsy ho tanty.....

20. rebeccaF
(
18/04/2008 09:14)
Manakory daholo ny ato!
Inona no tena olan'i mamafara:
hitady fomba hisaraka amin'ilay vadin'olona ve sa ny hitady vahaolana amin'ny hanohizana ny fiarahana aminy ?