Inona moa no atao hoe Sampy?
1. soanja
(
26/02/2008 20:24)
Ny Sampy dia avy amin'ny teny hoe "Asampy" no nipoirany.
Ny Sampy izany dia zavatra apetraka eo an-tsoroka ary iny no itokisana rehefa misy aleha na misy atao satria iny no Andriamanitra ho azy.
Ny sampy dia milaza na mamaritra foko iray na antokon'olona iray ka iny aminy no iandreketany, inoany ary ifotorany rehefa misy zavatra irina sy tadiaviny eo amin'ny fiainana.
Fitambaran'ny ody kely isan-karazany inoan'ny olona tsirairay mitambatra ny sampy iray eo amin'ny foko iray. Zany hoe dadarabe iray antsoina hoe Ravolonosy ohatra dia manana ody andao antsointsika hoe Ikelimilalao , dia iray tanana amin'i dadarabe anstoina hoe Imaintikely izy ary izy manana ny odiny antsoina hoe Izoromanindrona. Dia misy hafa koa manana ody hafa sns. Dia rehefa raikitra ny fety dia ireo atambatra na samy mametraka ny azy, samy manana ny tanjony eo iny sampy irau misy ody be dia be iny de avy eo aseho vahoaka na afenina fa eo ihany ary iny no antsoina hoe Sampy.
Ny Merina dia nanana an'Ikelimalaza. Ny foko hafa nanana ny azy manokana avy. Milaza ny mahaizy azy iny sampy iny ary ny mpanjaka na ny andriamnajaka tamin'izany no manana ny fahefana mamoaka sy manontany momba izany.
Rehefa hanafika foko na antokon'olona iray dia ny sampy no velezina voalohany an esorina aminy ka halana hasina. Raha very na simba na nozimbaina ny sampin'ny foko iray dia mihena ny lanjany. Efa misy fanalana fady isan-karazany vao tafaverina manana sampy vaovao indray ny vahoaka.
Raha tsorina dia iny sampy iny mihitsy aminy no Andriamanitra ary iny no tompoiny.
Aleo amin'ny manaraka aho manazava ny sampin'izay voalaza ao anaty baiboly.

répondu par Rasiligaoma le 01/03/2008 05:16
3. ikaretsaka
(
26/02/2008 20:31)
noheveriko fa hametraka fanontaniana i soanja... kay nitondra fanazavana.
amiko ny atao hoe sampy dia rehefa zavatra heverina toy ny Andriamanitra...
Raha heverinao ho toy ny Andriamanitra ny baiboly dia sampy izy amin'izay cas izay !
Marihiko fa samihafa ny hoe mihevitra ilay zavatra ho toy ny Andriamanitra sy ny mampiasa zavatra ho fitaovana hifaneraserana amin'Andriamanitra.
Raha ampiasaina hifaneraserana amin'Andriamanitra ny baiboly dia tsy sampy izy @ izay cas izay...
torak'izany ireo zavatra marobe isankarazany manampy anao hifanerasera sy hahalala Azy bebe kokoa!

4. cutie
(
26/02/2008 20:39)
ny atao we sampy de ze zavatra Tompoina ka tsy mifanaraka @ kristianisma:-D
6. cutie
(
26/02/2008 20:44)
zay ndrindra manko
ka zay no lazaiko miandry an'i soanja hitantara le ao @ baiboly zany :)

9. Levy
(
26/02/2008 22:11)
Raha somary hitarina ny resaka. Lasa fomba fijery "pejorative" nentin'ny misionera tamin'ny fotoan'androny nilazana na namaritana ireo karazana fomba fifandraisan'ny malagasy taloha izay noheveriny ho azo hitokisana. Ny vavaka izay nataon'ireo ray amandreny taloha akory dia tsy sampy daholo, na fanompoantsampy, izay fanompoana izay noheverina mampifandray azy amin'ilay "mpahary". Isika aty aoriana na koa fomba fijery kristianina no mampiasa solomaso hafa mijery ireo fomba ireo.
Marihina anefa fa ny " déviation" na koa na mampifamadika ny rafitra misy tokony ho " adorer"-na dia mahalaza tsara ny hoe manompo sampy, raha toa ka io teny io no ampiasaina. Andriamanitra irery (na izay mety mitovy laharana am'zay am'ny antokom-pinoana hafa) no tokony ho " adorer"-na, ny sisa dia " vénération" sy ny mitovy lenta amin'ny izay. (mbola hitohy)

11. fijo
(
26/02/2008 22:23)
hoy i soanja:"iny sampy iny mihitsy aminy no Andriamanitra ary iny no tompoiny"
io dia laviko.
ohatra,ny ao amin'ny doany ao mahajanga dia misy "sampy" ary misy koa ireo "taolan'andriana izay ao anatyvala"
ilay sampy dia entina tokoa rah amisy atao,fa ny joro tsy ilay sampy no hijorona fa ilay taolana.io taolan aio nefa dia hangatahina (izany hoe hiangaviana hampita ny hafatra any amin'ny zanahary)ka raha hilaza hoe ilay "sampy"no andriamanitra dia laviko.
voalaza koa fa:"
Rehefa hanafika foko na antokon'olona iray dia ny sampy no velezina voalohany an esorina aminy ka halana hasina. Raha very na simba na nozimbaina ny sampin'ny foko iray dia mihena ny lanjany."
dia ampitahao,fa io mihintsy no nataon'ny vazaha raha nanambany ny finoantsika izy.ka nampiditra ny azy.fantany tokoa fa rah avao io no voakitika di amalemy ny firenena iray.dia izay no nataony.

12. ikaretsaka
(
26/02/2008 22:40)
betroka:
Ary ny chapelet ve mba "sampy lé" ?
alohan'ny hidirana lalidalina: ahoana aloha ny fampiasaina ny chapelet
13. fijo
(
26/02/2008 22:47)
amiko fitaovana fotsiny anarahana "fomba "ny saple.ka raha ekenao fa sampy ny fitaovana,dia sampy io,raha tsy sampy ny fitaovana dia tsy sampy io.
14. ikaretsaka
(
26/02/2008 22:50)
dia ny baiboly sy fihirana koa izany torak'izany raha azoko tsara le lojika e?
15. rabilabila
(
26/02/2008 23:03)
Nisy polemique be tany US tany momba ireo zanaka temoin de j ,tsy nety miondrika eo anatrehan\'ny sainam-pirenena fa sampy hono ny saina ,kanefa ho an\'ny rehetra ny sainam-pirenena=symbole-n\'ny union nationale .
Amin\'ny Malagasy ny sampy dia mitovy laharana amin\'ny Ampanjaka , andriamanikitamaso no hilazana azy amin\'ny ankapobeny .
Imboasalama no tena nanome sandany be azy ireo raha ny tantaran\'ny Malagasy no resahina.Ary Rabodonandrianampoinimerina no nanisy hasina indrindra azy ireo ary i Ranavalona II no nanome halàlana hamotika sy handoro ny sampin\'ny fanjakana rehefa tonga ny evangelisation ary nony efa vita batisa izy.Noterena daholo ireo izay mitana sampy any aminy handoro azy imasom-bahoaka fa raha tsy manao izany izy ,nefa fantatra fa manana sampy dia izy no dorana ;satria tsy nisy cohabitation possible mihitsy entre ny fivavahana kristianina sy ny sampy.
Inona no tena rôle-n\'ny sampy tamin\'ny Malagasy ?
Ho an\'ny vahoaka dia :fiarovana iombonana izy io ( protection collective ) ,ary misy karazany maro (azo lazaina fa misy analogie amin\'ny relique taty occident t@ Moyen Age ny rôle-ny ).Matetika aza ,amin\'izao fotoana izao dia rehefa mahavita trano dia mandeha maka zana-tsampy apetraka eo anjoro firarazana , ireo Zafimaniry amin\'ireo sikotra amin\'ny teza dia mbola mampita an\'izany ho an\'ny taranany.
Ilay teny hoe \"sampy\" moa ny nandikana azy ,noho ireo antony ara-tantara ireo ,dia lasa synonyme-n\'ny \"idole\" ,kanefa à l\'origine plutôt \"talisman\"......................

16. cutie
(
26/02/2008 23:19)
ny fandikana vilana an'le sampy taty aoriana zany maha lasa sampy azy :-D:-D:-D:-D:-D
17. rabilabila
(
27/02/2008 00:01)
-Iza no nandika ny baiboly tamin'ny teny malagasy ?
-Inona no nohezahina nofongorina tamin'ny processus d'evangelisation ?(izay notanterahin'i RanavalonaII)
==> Mazava ho azy fa izay "idoles" rehetra dia nadika ho "sampy" avokoa.