Ny tenin'Atra dia fanafody manasitrana ny aretina

1. niryna ( 22/02/2008 09:17)
Ahoana no hilazana fa ny tenin'Atra dia fanafody manasitrana ny aretina,ny fahoriana ,ny olana amin'ny fiainana rehetra?

répondu par niryna le 05/03/2008 06:06
2. todisoa2 ( 22/02/2008 14:40)
aôna le oe Isika mitsabo fa Jesosy manansitrana, ny finoanao no mahavonjy anao, minoa an'i Jesosy Tompo dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao....Iz ab zahhhhhhh....
3. ikaretsaka ( 22/02/2008 14:52)
ny tenin'Atra sa ny Baiboly?
preciser-o tsara ilay izy
4. fijo ( 22/02/2008 20:35)
izay fandraisana antendrony izay ihany no mahatonga ny sasany tsy hety hampiasa fanafody fa tandremo
5. ikaretsaka ( 22/02/2008 22:37)
hanao otran le sekta tany itaosy ny ihafarany le
6. niryna ( 23/02/2008 05:36)
todisoa2:

aôna le oe Isika mitsabo fa Jesosy manansitrana, ny finoanao no mahavonjy anao, minoa an'i Jesosy Tompo dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao....Iz ab zahhhhhhh....



^:^^:^
Marina tokoa izany,na inona mahazo antsika ka mampiantra ny teniny amin'ny fiainana, mino fa i kristy no mpanasitrana,mpanafaka ny ahiahy,mpandahatra ny zavatra rehetra amin'ny fiainantsika,matoa misy ireny dia misy antony ao,mety tiany hanankina aminy be be kokoa isika,mety tiany ampisehoan'ny antsika ny voninahiny ka zaraintsika ny hafa ,ary mety izay mahazo antsika izay ihany koa no varavarana nahalalantsika fa mpamela heloka izy,mpanasitrana izy ary mpitana ny teny izay nataony izy fa tsy andaho na hamela antsika irery,izay miaraka aminy
7. niryna ( 23/02/2008 05:36)
ikaretsaka:

ny tenin'Atra sa ny Baiboly?
preciser-o tsara ilay izy



:D hianao ihany dia efa mahavaly azy tsara
8. niryna ( 23/02/2008 05:42)
fijo:

izay fandraisana antendrony izay ihany no mahatonga ny sasany tsy hety hampiasa fanafody fa tandremo

Omeko ohatra iray ary hianao ao anatin'ny maro be tsy ho voatanisa eto.
Tany Dago no niseho ny tantara,andeha ho didina ity ramatoa fa misy tumor na zavatra maniry ny fivaviany.
Nifady hanina izy nandritra ny dimy andro,nivavaka ,nitalaho,nangataka famelan-keloka,ary tsy nisotro izy na rano aza,eny tsy nahafantatra izy fa telo andro ihany no tsy misotro rano fa ao aorinan'izay dia tsy maintsy misotro rano ,ny antony,ny vatana mila rano ary manova ny ao anaty rehetra ny tsy fisotrana rano,na ny aty na avokavoka,na taova rehetra e.
Nony tonga tany amin'ny hopitaly izy dia natao radio aloha ary dia gaga ilay dokotera fa tsy nisy na inona na inona intsony tao anatiny tao,nasiana niverina indray izy fa nalefa nody fotsiny ary nampanaovina ireo test maro izay natao,tsy nisy na inona na inona.
Hoy hianao hoe impossible izany
Hoy Atra hoe:Moa misy zavatra tsy vitako va?

9. niryna ( 23/02/2008 06:10)
ikaretsaka:

hanao otran le sekta tany itaosy ny ihafarany le
:
D:D
Minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao.
Fa amin'ny fo no hekena ahazoana famonjena ary ny ran'i kristy no namonjena antsika(Heb 9:22) ary Izy ihany koa no haniraka ny fanahiny masina hiaraka izay mino azy .

dia mety mieritreritra koa hoe "impossible izany e

http://baiboly.org/toko.asp?boky=MARKA&toko=16&andininy=15-18&dika=

Minoa fotsiny ihany,moa misy zavatra sarotra tsy vitan'Atra va ?
With God everything is possible

27 Fa hoy Jesosy : Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra. Lioka 18:27


dia mety hiteny koa izany hoe koa raha tsy inona izy ity koa:lol:


9 Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko. 2 kor 12:9


Fa maninona ny olona no mieritreritra foana fa toa tsy marina ny tenin'Atra ,toa lavitra izany ezaka izany,toa tsy misy akory ireo fa rediredy avokoa sns ...kanefa Izy no efa nanome teny fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1. 5).

9 Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
1 Jaona 1

10. niryna ( 23/02/2008 06:11)
Omeo azy ho dioviny ny fahotantsika ary matokia azy fa ny zavatra tsy vitan'olona hainy ny manova azy?
Inona izany :ny toetra,ny ditra,ny tsy finoana,ny fankahalana ny tenin'Atra,ny fandavana ny teniny,ny fangataham-bavaka ireo izay manohitra ny teniny sy mamadika azy amin'ny tsy izy,ny fianankaviana rehetra,ny manodidina ,ny namana ato amin'ny serasera mba ho voavonjy,mivavaha fa hain'Atra ny manisaka ny tendrombohitra (na aretina ,na fahotana,na tsy fitiavana,na fankahalana,na olana maro samy hafa)eny hainy izany.
Ataovy foana hoy aho ny fanandramana,manatona Azy,andramo ny mivavaka ao am-po tsy mila na inona na inona fa tonga dia ny fanahinao no ampifanakekezo Azy ,tsy mandeha lavitra fa na izao dia izao aza raha manomboka sy manaiky ho tantanan'i kristy amin'izay ny fiainanao.
:-*:-*:-* niryna
11. Rasiligaoma ( 23/02/2008 06:25)
dia atao sampy koa izany ity ny tsimpona koa...
12. xxx ( 23/02/2008 06:34)
niryna:

Ahoana no hilazana fa ny tenin'Atra dia fanafody manasitrana ny aretina,ny fahoriana ,ny olana amin'ny fiainana rehetra?




Za te hilaza aminao hoe aza miteniteny foana fa Jesosy aza niaiky fa ny marary dia mila manantona dokotera, fa tsy hoe mamaky soratra masina
13. niryna ( 23/02/2008 07:13)
xxx :

Ahoana no hilazana fa ny tenin'Atra dia fanafody manasitrana ny aretina,ny fahoriana ,ny olana amin'ny fiainana rehetra?



xxx:

Za te hilaza aminao hoe aza miteniteny foana fa Jesosy aza niaiky fa ny marary dia mila manantona dokotera, fa tsy hoe mamaky soratra masina

:D:D mino fotsiny ihany ary tsy ny salama no mila fanafody fa ny marary. Ny famakiana ny baiboly tokoa dia tsy mahasitrana fa ny finoana an'i kristy izay mpanasitrana.
Marina tokoa fa misy ny tsy sitrana,inona no antony?
maro ,vakio ny tantaran'i Joba.
na dia kely toy ny voatsinampy aza ny finoanareo hoy ny tompo ka mino hianareo dia vitany daholo izany,raha tsy mino dia tsy mino.
Ny dokotera dia nomena fahaizana hitsabo ary misy koa marary sitrana tsy mila fanafody.
Manandrama hoy aho ary tonga soa e.

14. Rasiligaoma ( 23/02/2008 07:28)
izhao ry niryna dia niaina tao anatin'io mino fotsiny ihany io, fa indraindray ilay izy rehefa mivilana dia mamono tokoa.

hoe tenin'Atra dia fanafody mahasitrana, eny, mahasitrana fa andriamanitra koa tadidio fa tsy manampy ny tsy manampy ny tenany
15. niryna ( 24/02/2008 00:11)
Rasiligaoma:

izhao ry niryna dia niaina tao anatin'io mino fotsiny ihany io, fa indraindray ilay izy rehefa mivilana dia mamono tokoa.

hoe tenin'Atra dia fanafody mahasitrana, eny, mahasitrana fa andriamanitra koa tadidio fa tsy manampy ny tsy manampy ny tenany

Mety ho marina izany fa misy aretina tsy sitram-panafody kanefa vitan'Atra,mino an'izany ve hianao?
Mandehana mijery ireny olona sitranina na aran-tsaina na ara-nofo ireny fa ho hitanao.67 ha izao misy iray.

Izay lazaiko eto dia hitan'ny masoko,marina fa misy ny olona tsy sitrana ny aretiny ary hoentiny mandra-maty,misy koa antony tsy mahasitrana azy,ary marobe koa ny olona no narary kanefa dia sitrana.

Nisy fotoana fanaovana fitoam-pivavahana izay taty aminay ary nandray anjara niaraka tamin'ireo olona avy tany ivelany aho.Teo anoloan'ireo olona malemy atosika posiposy aho no voatendry ary nahita olona maro tonga tokoa,miaraka ny dokotera eran-tany manam-porofo ny fahamarinany.
Zaza vao mianatra mandeha,raha olon-dehibe dia hoe mety manao fihetsika angamba fa raha zaza mbola tsy azo ampianarina mandainga dia tsy voa amin'izany.
Nanomboka ny fivavahana,ny toroteny ary nanomboka nanasitrana olona ilay mpitandrina,nandroaka demonia,ary nitso-drano ny rehetra mba ahazo hery.
Nony nasiana nanatona ny marary rehetra dia feno nitsingidingidina ny olona voan'ny herin'ny demonia.Inona no antony?
Tsy mahazaka ilay herin'Atra izy ka dia azeran'ilay hery,ary farany dia mahatsiaro saina ,ny farora-bava amin'izany,ny mipipy am-pataloha,ny torana mihinjintra,ary ny miteny ratsy sy mitsoaka mandositra dia tazominy tsy avelan'ireo mpanasitrana handeha.
Ilay zaza kely izay nivilana ny tongony tsy afaka mamindra no nahavariana sy nahatalanjona ahy ny herin'Atra.Ilay zaza iray izay misy aretina ka jerena isaky ny iray minitra ny tosi-drany no sitrana teo,ary rangahy iray izay izaho no nanatonany satria ny tanany no nalemy hitan'ny masoko kanefa izy tsy nahazo nipetraka niaraka ireo malemy tongotra.Ilay olona nanatona ahy iny no sitrana ny tanany ary niakatra ambony dia ambony.Tsy mbola mino ny herin'Atra ihany ve hianao ?

16. niryna ( 24/02/2008 00:16)
Ity koa Rasily misy iray raha mbola tsy novakianao fa efa noresahiko teto ihany koa:
Mpitondra fivavahana nivavaka mafy ity ramatoa izay mikilepaka ny tongony no nahazo teny tamin'Atra fa raha manaiky ny responsable an'ilay ramatoa izy dia ho sitraniny ilay tovovavy.
Nivavaka foana izy,nifady sakafo mihitsy aza,nalahelo mafy ity fitalahoan'ity ramatoa izy ary dia nanao fahagagana tokoa Atra.Tonga ny andro fandehanana miangona ,tsy hita tao ilay ramatoa.Nitohy ihany ny andro manaraka ,mbola tsy tao ihany izy.Herinandro roa izany ilay ramatoa no tsy niangona,taiza izy hoy hianao?
Tany amin'ny tranom-pandihizana,mitsinjaka nahazo tongotra vaovao,tsy nahatsiaro ny fahasoavana nomen'Atra azy izy.
Inona no nitranga?Nivavaka ity mpitondra fivavahana ary dia naverin'Atra tamin'ilay ramatoa ny tongony mikelepaka.
17. niryna ( 24/02/2008 00:23)
Mety mbola tsy ampy?
Tsy maninona ,tsy voatery ahita fahagagana foana vao mahalala fa misy Atra,ary tsy hoe rehefa tsy mety sitrana ilay olona dia hoe tsy mitombona izany.
Na ny zazakely vao teraka minitra fohy aza ahoana no mahalala mitroka ny ronon-dreniny kanefa tsy nisy nampianatra? Fahagagana ve mihoatra an'izany?
Tsy ny aretina ihany no sitraniny fa na ny fanahy latsaka ao an-davaka aza dia sarihany mba tsy ho very.
Firifiry ireo olona tsy mino an'Atra no mahita fahagagana mitondra ny zanany any am-piangonana sitranin'Atra ary dia lasa voavonjy avokoa izy mianakavy?
Mino fotsiny ihany hoy aho rasily dia ho voavonjy tokoa hianao,tsy mila miasa izany ,mino aloha dia ampiasao amin'izay avy eo ny fahagagana nomeny anao,zarao ny manodidiny izany fahasoavana izany,eny fa na ny fanomezan'Atra ny fanahy masina ahalalantsika ny teny tiany hambara ihany ao anaty baiboly aza dia efa fahagagana.Tsy omeny an'ireo izay mihevitra ny fahaizany noratoviny na ny herin'ny tenany irery ho azy ireo izany tenin'ATra izany raha tsy mino azy.
18. niryna ( 24/02/2008 00:24)
Fanitsia kely mikilepaka no tiako ho tenenina oops:D
19. ikaretsaka ( 24/02/2008 05:48)
Mety ho marina izany fa misy aretina tsy sitram-panafody kanefa vitan'Atra,mino an'izany ve hianao?
Mandehana mijery ireny olona sitranina na aran-tsaina na ara-nofo ireny fa ho hitanao.67 ha izao misy iray.


betsaka ny aretina tsy sitram-panafody fa sitran'andriamanitra fa izany akory tsy midika hoe vao marary dia tsy hihinam-panafody fa dia hino fotsiny ihany.

i jesoa aza nampiasa fanafody rehefa nanasitrana (nanao fotaka ohatra na nitsoka ireny jamba sy moana ireny ) ... fa tsy nitsimpona andalana tao anaty baiboly fotsiny akory dia nimenomenona dia sitrana ilay olona...
20. niryna ( 24/02/2008 21:58)

Mety ho marina izany fa misy aretina tsy sitram-panafody kanefa vitan'Atra,mino an'izany ve hianao?
Mandehana mijery ireny olona sitranina na aran-tsaina na ara-nofo ireny fa ho hitanao.67 ha izao misy iray.

ikaretsaka:

betsaka ny aretina tsy sitram-panafody fa sitran'andriamanitra fa izany akory tsy midika hoe vao marary dia tsy hihinam-panafody fa dia hino fotsiny ihany.
marina izany ary maro koa ny zavatra mitranga ,tsy ny aretina ihany fa na ny tsy ny fanana asa na ny zavatra mitranga amin'ny fiainana.

i jesoa aza nampiasa fanafody rehefa nanasitrana (nanao fotaka ohatra na nitsoka ireny jamba sy moana ireny ) ... fa tsy nitsimpona andalana tao anaty baiboly fotsiny akory dia nimenomenona dia sitrana ilay olona...
[/quote]


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2189