Fankasitrahana ny tenin'Atra

1. niryna ( 09/02/2008 08:20)
Ny tenin'Atra dia tsy azon'iza na iza ovaina.Matoa izy izay misy manova dia tsy mifanaraka ny fomba fiainany ilay izy araka ny sitrapony ary dia tiany hanarona ilay fahotana ao amin'ny fiainana iainany izy dia toheriny hatrany ilay tenin'Atra.
Tokony tsy hisy iadin-kevitra ny fahalalantsika araka ny fahazahoantsika azy ny tenin'Atra,fa izay voasoratra dia voasoratra ary tsy azo kosehina araka ny teny voalaza hoe:Tsy misy mahazo manala na manampy na litera iray aza ny tenin'Atra fa izay manala izany dia ho kely indrindra amin'ny fanjakan'Atra,fa izay mampianatra ny teny rehetra dia ho lehibe indrindra ao amin'ny fanjakan'Atra.

(l)niryna
répondu par niryna le 15/02/2008 23:57
2. piste ( 09/02/2008 10:52)
Ampiako hoe : ny Tenin'Andriamanitra dia tsy azon'iza n'iza interprete-na araky izay hitiavana azy. Tsy azo atao fitaovana hanamarinan-tena sy hitsikerana ny hafa.

Farany :
Ny fiainanao azy no zava-dehibe fa tsy ny fitorianao azy.

3. ni81 ( 09/02/2008 12:29)
Sady toriana no hiainana, satria misy hafa izay tsy mba mahalala na mahafantatra akory raha tsy nisy ireo olona nanambara izany!
4. neo83 ( 09/02/2008 12:51)
Zava-dehibe ny Tenin'Andriamanitra. fa na izany aza tsy tokony ho raisina "ara-bakiteny". Ny lasa mampalahelo mantsy dia le fisian'ny mpitory azy bdb, dia lasa otran'ny samy mampanao malaza oazy an'ny antoko-pivavahany ireo oul tokony nitory, ka eo dia lasa mitarika fisaraham-bazana indray ny tokony hampiray : satria noraisina ara-bakiteny.
5. soanja ( 09/02/2008 16:47)
Tenin'Andriamanitra dia lafatra ary velona mandrakizay. Mampiaina antsika ary manoro lalana antsika isanandro isanandro na amin'ny fiainana andavanandro na amin'ny alalan'ny asa na ny rehetra momba antsika.
Ny feon'i Fanahy Masina ao anatintsika no hanoro lalana ny fisiany eo imasontsika na tsapantsika amin'ny tsapa ananantsika olombelona.
Tsy manalavitra antsika ny teninandriamanitra. Mety ho voasoratra aza ary koa ny niloaka ny vavan'izay Masina. Satria Tempolin'Andriamanitra isika ary Izy no Fanilo manoro ny dia.
Koa ahirato ny maso, arangao ny sofina, mihetseha ny tsapa rehetra fa miasa eo amintsika ary manodidina antsika ary indrindra ao amintsika Andriamanitra.
6. ikaretsaka ( 09/02/2008 17:13)
piste:

Ampiako hoe : ny Tenin'Andriamanitra dia tsy azon'iza n'iza interprete-na araky izay hitiavana azy. Tsy azo atao fitaovana hanamarinan-tena sy hitsikerana ny hafa.

Farany :
Ny fiainanao azy no zava-dehibe fa tsy ny fitorianao azy.




namaste
7. niryna ( 10/02/2008 07:16)
piste:

Ampiako hoe : ny Tenin'Andriamanitra dia tsy azon'iza n'iza interprete-na araky izay hitiavana azy.

marina izany sady tsy ny rehetra no nomen'Atra fahasoavana hanazava sy mahafantatra ny tenin'Atra.Tsy ny fahaizana na ny fahalalana noratovina tany an-tsekoly akory dia hoe afaka ny ahafantatra ny tenin'Atra aho,fa ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin'ny fanahy masina ,izay tsy noratovina fa nomen'Atra ho an'ireo izay tena mino Azy.

15 Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.

16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina. Matio 16
Farany :
Tsy azo atao fitaovana hanamarinan-tena sy hitsikerana ny hafa.
marina izany ary izany no mahatonga hoe aza mitsara mba tsy ho tsaraina.
Atra dia fitiavana,Atra dia afo mandevona ary Atra dia saropiaro.
Tiany isika ka nomeny ny zanany hanavotra antsika rehetra (Jaona 3:16)
Afo mandevona sy saropiaro koa izy,izany no hitorina ny teniny,hanambarana izay voalaza ao anaty baiboly.Satria mbola omeny fotoana isika hibebahana, sy hanarahana ny didiny sy ny lalany rehetra.

Ny fiainanao azy no zava-dehibe fa tsy ny fitorianao azy.
mba omeo ohatra amin'izany hoe izaho azafady?
Ahoana tokoa moa izany no ahalalana an'Atra raha tsy nisy ny mpitory?
Tsy ny rehetra no mpitsabo,tsy ny rehetra no mpampianatra ,ary dia toy izany ihany koa tsy ny rehetra koa no mpitory
Misy ny mpitory ary misy ny toriana.
8. niryna ( 10/02/2008 07:17)
ni81:

Sady toriana no hiainana, satria misy hafa izay tsy mba mahalala na mahafantatra akory raha tsy nisy ireo olona nanambara izany!



=D=D
9. niryna ( 10/02/2008 07:21)
neo83:

Zava-dehibe ny Tenin'Andriamanitra. fa na izany aza tsy tokony ho raisina "ara-bakiteny". Ny lasa mampalahelo mantsy dia le fisian'ny mpitory azy bdb, dia lasa otran'ny samy mampanao malaza oazy an'ny antoko-pivavahany ireo oul tokony nitory, ka eo dia lasa mitarika fisaraham-bazana indray ny tokony hampiray : satria noraisina ara-bakiteny.

marina izany,na dia samy atao hoe milaza ho kristiana aza dia misy fivavahana tsy miteny an'i kristy mihitsy.
Ny famonjena ny fanahin'ireo olona maro no tena faniriana sy toriana raha mikasika ny maha kristiana no resahina,saingy indrisy tsy izany no mitranga,dia samy mandray izay tandrifiny avy

10. niryna ( 10/02/2008 07:43)
Misy miteny ao ambadika ao fa toa natao biby fampitahorana ny tenin'Atra.
Amiko dia izao no hamaliako azy ireo:
Andriamanitra dia fitiavana:arrow: Ny zanany no nomeny hanavotra antsika mba ho afaka amin'ny ota
http://baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=3&andininy=16-16&dika=

Andriamanitra dia afo mandevona ary Atra saro-piaro:
Mbola nomeny fotoana isika hibebahana ary raha manaraka ny didiny isika dia tsy tokony hatahotra na hilaza fa biby fampitahorana izy. Satria matoa isika hanariny dia tiany izay,ary tiany ho voavonjy avokoa.

24 Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy. Deot 4:24


Manome fitahiana ho an'ireo izay mino sy manaraka ny lalany ary ny didiny koa Izy ary dia mitso-drano ny taranaka mandimby maro

Ary manozona kosa ireo izay mandaha sy minia manohitra ny fisiany sy ny didiny,ary manao izay tsy mifanaraka ny tenin'Atra .

9 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy,

10 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.

Deot 5:9-10



****

1 Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.Deot 11:1


11. ikaretsaka ( 10/02/2008 13:02)
niryna> hiainana aloha vao toriana ka...

mandiniha tena amin'io sao mandeha ila ohatran'ny kiraron'i beminahy..

misy teny izay kao manao heoe: U preach the gospel at any times, if necessary, use words... izany heo tsy voatery mi wawawa mihitsy fa miaina ilay izy fotsiny dia efa mitory.
io ilay manatanteraka ny sitrapon'ny Ray... mampanjaka fitiavana
12. piste ( 10/02/2008 20:46)
Voalaza teo :

Ny fiainanao azy no zava-dehibe fa tsy ny fitorianao azy.

mba omeo ohatra amin'izany hoe izaho azafady?
Ahoana tokoa moa izany no ahalalana an'Atra raha tsy nisy ny mpitory?
Tsy ny rehetra no mpitsabo,tsy ny rehetra no mpampianatra ,ary dia toy izany ihany koa tsy ny rehetra koa no mpitory
Misy ny mpitory ary misy ny toriana.


Dia io efa voalazan'Ika io fa ampiako kely fotsiny. Raha tonga dia fitorian-teny be no ataonao @ olona dia mety hahasorena azy izany. Satria samy manana ny Conviction-ny olona tsirairay avy. Ka tsy mety raha ny anao no imposer-nao ary azy disoinao na lazainao fa tsy ampy.
Raha hainao kosa anefa ny miaina tsara izay inoanao( Foi en acte). Dia voasarika ny olona, ho mamy hoditra @ fiaraha-monina ianao. Ary betsaka ny olona hanantona anao. Rehefa manomboka manontany izy vao tokony ambara azy hoe iza Ilay inoanao.
Amin'izay ianao no sady tsy mpitari-bato vilam-bava fa vavolombelon'ny Teny.
13. ikaretsaka ( 10/02/2008 20:54)
izay!
14. rakaroka ( 10/02/2008 22:15)
Mpitari-bato vilam-bava:roll:
Ny fo izany manentana ny vava hivilana?...:-P:-D:-D:-D
15. ikaretsaka ( 11/02/2008 00:35)
aoka rakaroka fa tsssss:-D:-D:-D:-D:}
16. niryna ( 11/02/2008 05:47)
piste:

. Tsy azo atao fitaovana hanamarinan-tena sy h


Ny marina no hanafa anao,ny filazana ny tenin'Atra dia fahendrena ho an'izay tia Azy sy mitady Azy,fa fahadalana ho an'ireo izay minia mikipy ka manao ireo teny nandraran'Atra azy ireo.dia eo no mipetraka ny fizarana ny fahamarinana izay voalazan'ny baiboly fa tsy ny fianarana noratovana avy amin'ny olombelona

17. niryna ( 11/02/2008 05:48)
piste:

Voalaza teo :

Ny fiainanao azy no zava-dehibe fa tsy ny fitorianao azy.

mba omeo ohatra amin'izany hoe izaho azafady?
Ahoana tokoa moa izany no ahalalana an'Atra raha tsy nisy ny mpitory?
Tsy ny rehetra no mpitsabo,tsy ny rehetra no mpampianatra ,ary dia toy izany ihany koa tsy ny rehetra koa no mpitory
Misy ny mpitory ary misy ny toriana.


Dia io efa voalazan'Ika io fa ampiako kely fotsiny. Raha tonga dia fitorian-teny be no ataonao @ olona dia mety hahasorena azy izany. Satria samy manana ny Conviction-ny olona tsirairay avy. Ka tsy mety raha ny anao no imposer-nao ary azy disoinao na lazainao fa tsy ampy.
Raha hainao kosa anefa ny miaina tsara izay inoanao( Foi en acte). Dia voasarika ny olona, ho mamy hoditra @ fiaraha-monina ianao. Ary betsaka ny olona hanantona anao. Rehefa manomboka manontany izy vao tokony ambara azy hoe iza Ilay inoanao.
Amin'izay ianao no sady tsy mpitari-bato vilam-bava fa vavolombelon'ny Teny.



Ahoana no hampiharina raha tsy notorina?Ary ahoana no hitoriana raha tsy nahazo fahefana hitory izany?
18. kantokoely ( 11/02/2008 14:11)
Faly miarahaba antsika mianakavy amin'ny anaran'ny Tompo ny tenako ny voalohan teniko dia fisaorana be dia be ho an'i nyrina (l) satria tena mamphery tokoa ny teny izay zarainao eto ary anisan'ny famonjena fanahin'olona maro dia maro tokoa raha nandinika hatramin'ny voalohany anefa aho dia hitako fa maro ireo manenjika ny tenin'Atra izay zarainao, nefa tsy kivy ianao fa mbola mijoro hatrany hanatontosa ny fiazakazahana ka dia misaotra indrindra rahavavy hitombo hatrany anie ny finoana anananao tohizo fa izaho manokana raha vao tojo problème dia eto ihany no azoko teny mamelona ny fanahiko avy amin'ilay jesosy kristy zanak'Atra misy andala tsoratra masina ao amin'ny baiboly ao hoe "izay miteny ratsy ny fanahy masina dia tsy ho voavela mandrakizay ny helony" ka asakasakareo minia mafy loha sy manohitra ny tenin'Atra ireo dia misaotra indrndra ary mahereza rahavavy:-*:-*:-* fa "ny eso sy ny latsa anie hifanesy miteraka ny hakiviana ...........anefa miandry antsika any am paradisa lay Jesosy Tia.":):)
19. ikaretsaka ( 11/02/2008 14:26)

Ahoana no hampiharina raha tsy notorina?Ary ahoana no hitoriana raha tsy nahazo fahefana hitory izany?


Vao teraka ianao dia efa nahazo fahefana hitory izay hitanao sy renao ary tsapanao... toyt ny zaza mitomany... (io ilay expressions)
tsy @ avy tenenina ihany fa amin'ny fihevitra, ny asa, ny atao fihetsika,fanefana adidy.fifanampiana, fizarana fitiavana
Izy aby izany.. asa fitoriana izany

"At all times Preach the gospel, use words only if necessary" ho'zy St Francois d'Assise izay
20. niryna ( 11/02/2008 18:37)
kantokoely:

Faly miarahaba antsika mianakavy amin'ny anaran'ny Tompo ny tenako ny voalohan teniko dia fisaorana be dia be ho an'i nyrina

tsy misy fisaorana aky a.
Ahoana no hitoriana raha tsy misy ny mpihaino?ahoana no nahatonga ilay mpitory raha tsy voafidy izy?
Raha ireo manohitra ny tenin'ATra indray dia malahelo azy ireo aho,safidy anefa io, ary ny fampianarana izay norotoviny no mahatonga izany voalohany indrindra.Tsy tokony hihonona amin'ny fampianarana nomen'ny olona anefa isika fa hivelatra hatrany amin'ny famakiana ny tenin'Atra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2806