Fankasitrahana ny tenin'Atra

21. niryna ( 11/02/2008 18:39)
kantokoely:
l) satria tena mamphery tokoa ny teny izay zarainao eto ary anisan'ny famonjena fanahin'olona maro dia maro tokoa

misaotra hatrany mampahery,tsy avy amiko anefa izay hery azoko izany fa avy amin'ilay Jesosy kristy izay toriko andro aman'alina.
Raha nanavotra ahy tao anatin'ny maizina Izy ,raha nitady vonjy aho fa tsy nisy na afaka namonjy ireo manodidina,raha very hevitra ,tapi-dalan-kalehy ka nahatsiaro ny teny mamy izay nolazainy fa tsy handao ahy Izy na hanalavitra ahy dia nitady Azy aho ka nahita>
Andramo ka zahao fa tsara Jehovah.
22. niryna ( 11/02/2008 18:41)
kantokoely:
raha nandinika hatramin'ny voalohany anefa aho dia hitako fa maro ireo manenjika ny tenin'Atra izay zarainao,

:D tsy kivy aho ka,vao maika aza manome hery ahy ny fisian'ireo manenjika ny tenin'ATra.Tsy fantan'ireo olona ireo koa anie fa manenjika an'i kristy izy fa tsy izaho e.Eo no mampalahelo ahy,saingy tsy kivy tokoa aho fa maro ireo olona mandefa e-mail amiko mianatra ny soratra masina,ary ny ankamaroan'ireo olona ireo dia tena mibaboka fa tsy mba nampianarina ry zareo.Tsy kivy aho fa fahasoavana nomen'Atra ahy io ka tsy misy na iray aza afaka manala izany raha tsy ny ray izay nanome ahy.
Mandehana amin'izao tontolo izao ka torio ny filazantsara hoy izy fa izay mino no ho voavonjy ary izay tsy mino dia efa voaheloka sahady. (Marka 16:16)
23. niryna ( 11/02/2008 18:42)

kantokoely:

nefa tsy kivy ianao fa mbola mijoro hatrany hanatontosa ny fiazakazahana

isika rehefa miaraka amin'Atra dia Izy no miaro antsika,mampianatra antsika ary manome hery antsika tsy ho kivy satria hoy Izy "tsy anao ny famaliana fa ahy"
Ny ataoko? mivavaka ary mifona amin'Atra mba homeny hery aho hamela ireo olona mankahala ny tenin'Atra ireo,tsy fantany fa na isika miaraka amin'i kristy na isika manohitra Azy.
ka dia misaotra indrindra rahavavy hitombo hatrany anie ny finoana anananao

Ny fahasoavan'ilay ray mahery nanome antsika ny zanany anie hitombo ao aminao mandrakariva,mandalo fisadrana avokoa isika fa izay maharitra hatramin'ny farany ihany no ho vonjena.
tohizo fa izaho manokana raha vao tojo problème dia eto ihany no azoko teny mamelona ny fanahiko avy amin'ilay jesosy kristy zanak'Atra

Misaotra anao aho,ary raha mbola velona koa ny aiko dia mitory ny fahasoavana nomeny ahy sy ny ankohonako ary ireo olona maro be tsy voahisa nomeko hery sy fanantenana raha miaraka sy manankina ny fiainany amin'Atra sy kristy Zanany.
misy andala tsoratra masina ao amin'ny baiboly ao hoe "izay miteny ratsy ny fanahy masina dia tsy ho voavela mandrakizay ny helony"
marina tanteraka izany fa moa ve izy ireo mahatsampa fa manompa ny fanahy masina?
Tsia,satria mbola ao anaty maizina izy,ka raha tsy mivoaka sy miaiky fa maizina izany lalana andalovany izany dia tsy ahalala izy,misy hery ao ambadiny mandrembireby azy ireo ka raha tsy i kristy no hanafaka azy ireo,raha tsy izy ireo no hiaika izany dia mbola ao anaty maizina hatrany izy ireo.:cry:
ka asakasakareo minia mafy loha sy manohitra ny tenin'Atra ireo
izay ilay hoe safidy,Atra tsy manery fa isika no mitady Azy,efa fantany ny hanohitra azy ary efa fantany ny anaraka azy.
Ny fanontaniana dia hoe Moa ve tia Ahy hianao? Manara Ahy !!
dia misaotra indrndra ary mahereza rahavavy:-*:-*:-* fa "ny eso sy ny latsa anie hifanesy miteraka ny hakiviana ...........anefa miandry antsika any am paradisa lay Jesosy Tia.":):)

:-*:-*

24. kantokoely ( 12/02/2008 11:36)
fa maro ireo olona mandefa e-mail amiko mianatra ny soratra masina


Niryna a!Izaho koa ve mba afaka mahazo izany fanomezam-pahasoavana zarainao izany ary hangataka amin'Atra aho hanana ezaka hampivelatra izay voaraiko izay azoko atao, ity ny adresy mailaka -ko "feelaanaa@yahoo.fr"dia misaotra indrndra "Fa tsy maintsy ho tafita ho'aho fa dia matokia miandry antsika any am paradisa lay Jesosy tia"(l)(l)(l)(l)mamiko loatra io hiran'ingahy Laurent rakotomamonjy io
25. niryna ( 13/02/2008 06:33)
kantokoely:

fa maro ireo olona mandefa e-mail amiko mianatra ny soratra masina


Niryna a!Izaho koa ve mba afaka mahazo izany fanomezam-pahasoavana zarainao izany ary hangataka amin'Atra aho hanana ezaka hampivelatra izay voaraiko izay azoko atao, ity ny adresy mailaka -ko "feelaanaa@yahoo.fr"dia misaotra indrndra "Fa tsy maintsy ho tafita ho'aho fa dia matokia miandry antsika any am paradisa lay Jesosy tia"(l)(l)(l)(l)mamiko loatra io hiran'ingahy Laurent rakotomamonjy io

Izay rehetra mangetaheta ny tenin'Atra dia afaka zaraiko daholo.Nahazo fahasoavana maimaimpoana aho ka mizara izany maimaimpoana ihany koa.


26. kantokoely ( 13/02/2008 20:43)
nyrina a! ny problème ko anie tsy fantatro ny adresinao mail fa rehefa te hijery an'ilay izy aho dia tsy lazain'ny lay olona we mbola tsy afaka mijery hono aho dia izany no nanomezako anao an'io adresse ko io dia avy eo za manoratra ho anao azafady raha tsy manahirana anao dia misaotra mialoha ary manonona ny fiadanana'ny Tompo amintsika mianakavy:-*:-*:-*:-*:-*
27. niryna ( 15/02/2008 07:25)
kantokoely:

nyrina a! ny problème ko anie tsy fantatro ny adresinao mail fa rehefa te hijery an'ilay izy aho dia tsy lazain'ny lay olona we mbola tsy afaka mijery hono aho dia izany no nanomezako anao an'io adresse ko io dia avy eo za manoratra ho anao azafady raha tsy manahirana anao dia misaotra mialoha ary manonona ny fiadanana'ny Tompo amintsika mianakavy:-*:-*:-*:-*:-*


alefaso ao amin'ny namana serasera ny fanontanianao dia mety ihany koa. klikeo fotsiny niryna dia izay.

28. kantokoely ( 15/02/2008 10:26)
misaotra betsaka nyrina a!
29. niryna ( 15/02/2008 23:57)
kantokoely:

misaotra betsaka nyrina a!

tsy misy fisaorana ,voaraiko ilay hafatra fa misaotra .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2642