TOROHEVITRA HO ANTSIKA TE HANORATRA TONONKALO

1. voniala ( 20/12/2007 08:29)
NOMENA aho dia mba manome.ka ireto no tsara ho fantatra fohifohy:
-Aza MANAO ADI-RIMA rehefa manoratra fa mitaky drafitra maty paika ireny no sady mamatotra ny hevitra tiana hivoaka.
-TANDREMO ny teny vahiny nohagasiana.
-MAMPIASA sary sy hevitra mitombona.

NY ADI-RIMA:-mitaky fingadona sy tsaika

oh:Fo mangorakoraka...
Molotra makiana...
sandry te hiantoraka
miandrandra anao ry tiana.

FOMBA TSOTRA:malala-drafitra

oh:ny masonao ihany
dia ampy hitarafako
ny fatran'ny fitia
anatinao rahavako
ETO tsy RIMAny hoe:-ako
-ako

izay aloha fa hotohizana ammin'ny manaraka
répondu par Tokinao le 10/09/2008 18:52
2. xxx ( 20/12/2007 09:14)
-Aza MANAO ADI-RIMA rehefa manoratra fa mitaky drafitra maty paika ireny no sady mamatotra ny hevitra tiana hivoaka.

Inona intsony izany no maha tononkalo azy ? Lasa lahatsoratra ohatra ny lahatsoratra rehetra ihany nge zany e !

Sady ilay ady rima ange ka tena ahitana ny kanto amin'ny tononkalo e ! :wink:
3. sitlo ( 20/12/2007 09:40)
Mety ve ny hoe:

ny hatsara-tarehy
sy hatsaram-panahy
no apinga sy tsipika
nadreseny ahy
4. xxx ( 20/12/2007 09:48)
sitlo > mety :)
Fa mety ho azo ampiadiana rima ihany ohatra hoe

ny hatsaram-bika
sy hatsaram-panahy
no apinga sy tsipika
nadreseny ahy
5. meva2 ( 20/12/2007 10:20)

Ka raha jerena ilay "gadona sy tsaika" norasahanao dia tsy mety ange ilay "bika" sy "tsipika" e!!!!!

Satria ilay ponctuation tsy mitovy:
bIka
tsIpika

misy mihoatra!!!

sao dia hoe:

ny hatsaran-tarehy
sy hatsaram-panahy
no apinga voafehy
nandreseny ahy





6. xxx ( 20/12/2007 10:49)
ahoana koa zany apinga voafehy ?

ps: ampinga fa tsy apinga :roll:
7. xxx ( 20/12/2007 10:53)
Satria ilay ponctuation tsy mitovy:
bIka
tsIpika

misy mihoatra!!!

- Tsy ponctuation fa accent na tsindrim-peo :wink:
- tsipIka fa tsy tsIpika :
ny tsIpika dia soritra mahitsy, fa ny tsipIka (arc) kosa dia fitaovam-piadiana mandefa zana-tsipika (flèche)
- ny atao hoe ponctuation dia mari-piatoana; izany hoe : ny teboka, ny faingo, ny teboka roa, ny teboka amam-paingo, ny baraingo, ny tsoraka, ny ...

8. pissoa ( 20/12/2007 11:31)
Izaho koa aloha mitovy hevitra amin'i xxx e ! Rehefa tsy misy rima dia toy ny mamaky lahatsoratra tsotra fotsiny ny mamaky azy fa tsy mamaky tononkalo. :oops:

meva2:

Ka raha jerena ilay "gadona sy tsaika" norasahanao dia tsy mety ange ilay "bika" sy "tsipika" e!!!!!

Satria ilay ponctuation tsy mitovy:
bIka
tsIpika

misy mihoatra!!!

sao dia hoe:

ny hatsaran-tarehy
sy hatsaram-panahy
no apinga voafehy
nandreseny ahy

Raha tsy diso aho dia tsipIka no famakiana io tsipika io fa tsy tsIpika. Karazana fitaovana entina miady ... raha tsy diso aho hoy aho :oops::oops::oops:
9. xxx ( 20/12/2007 11:39)
pissoa:

Izaho koa aloha mitovy hevitra amin'i xxx e ! Rehefa tsy misy rima dia toy ny mamaky lahatsoratra tsotra fotsiny ny mamaky azy fa tsy mamaky tononkalo. :oops:

:arrow: Henoy tsara ny filazan'ny eskpera pôrfesionell :wink:
pissoa:

Raha tsy diso aho dia tsipIka no famakiana io tsipika io fa tsy tsIpika. Karazana fitaovana entina miady ... raha tsy diso aho hoy aho :oops::oops::oops:

Ka hoe ny eskpera tsy mba diso zany :P
10. simplex ( 20/12/2007 12:04)

teraka jesosy
gobaka ny sosy
izy tsisy sosy
nefa dia bogosy

^:^^:^^:^
11. ari.malala ( 20/12/2007 12:14)
simplex :-D:-D:-D:-D
12. xxx ( 20/12/2007 12:31)
simp :arrow: http://serasera.org/vetso/?rub=vetso/vetso&asa=add
13. pissoa ( 20/12/2007 12:43)
xxx http://serasera.org/smileys/45.gif
14. xxx ( 20/12/2007 14:24)
http://serasera.org/smileys/45.gif :?:
15. pissoa ( 20/12/2007 20:33)
ilay xxx hevitra 8 no noteneniko hoe http://serasera.org/smileys/45.gif
16. xxx ( 20/12/2007 21:27)
simplex:


teraka jesosy
gobaka ny sosy
izy tsisy sosy
nefa dia bogosy

^:^^:^^:^


mety tsara tsy misy analàna tsy ampina:-D:-D:-D


17. simplex ( 20/12/2007 21:57)
:arrow: http://serasera.org/smileys/smile2.gif
18. xxx ( 20/12/2007 22:13)
:x:b:arrow:jereo eto
19. simplex ( 20/12/2007 22:23)
:arrow: Jereo eto
20. sitlo ( 21/12/2007 00:03)
tsipIka = flesy daoro

Ampinga marina fa tsy apinga. misaotra

Ny tiako tenenina, sy ny fahazoako ilay dinika dia hoe, ny isan'ny syllable sy ny tsindripeo koa mikaoty. Ka na dia tsy miady rima aza dia miavaka noho ny lahatsoratra foana.
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4081