TOROHEVITRA HO ANTSIKA TE HANORATRA TONONKALO
21. ikaretsaka
(
21/12/2007 22:59)
fa maninona ny teny vahiny nogasiana no tsy azo ampiasaina? ny rima aza teny vahiny nogasiana ko:roll:
Kanefa
Ny Ady "rima" no tena "ara"
maha tononkalo izao tononkalo
io no anehoana hoe mirafitra tsara
ka maha tonga saina, na maha tsalotsalo!
Tsy ferana ny "ara" rehefa te hilefa
izay rahateo ny maha kanto azy ireny
Ny fiantrainka sy ny fiantefa
No ahitana ny fy amin'ny teny!
Aza asiana fefy, aza asiana lalàna
f'avelao handeha ho'azy toy ny hoso-doko
ny tsy handratra olona no aoka hajàna
kendrena fa tsy atao peta-toko !
Toy izany tsotsotra. raha izaho no mijery
no tokony handraisana ity raha ity!
Taha tampenana manko dia very
ny maha tononkalo sy ny maha poezy!
Nefa zavatra tsara. samy azy ny hanitra
K'aleo hanao araka izay tiany
samy talenta nomen'Andriamanitra
koa ity tsy mety, fa tokony ho ariana?
Aok'etsy ho'a fa tsy rariny kosa
fitaka daholo izany hoe rafitra arahina
Tetiky ny mpanakanto kanosa!
Sao misy manova ny firindran'ny asany!

23. kiadi
(
08/01/2008 15:36)
=D=D=D=D=D
tehafantanana doly fa samy mahay!! misôtra nampiseho fa mahay manao tonokalo ny namana serasera ! ny tena moa tsy mahay fa makafia fotsiny =D=D=D
tehafantanana doly fa samy mahay!! misôtra nampiseho fa mahay manao tonokalo ny namana serasera ! ny tena moa tsy mahay fa makafia fotsiny =D=D=D
25. Vitsikakely
(
09/01/2008 07:55)
Ny hany fantatro aloha ry zareo dia ny manomé isa ireo tononkalo,ary amin\'ny Vetso tononkalo ary;lay fanohanana tena mbola maizina amiko.
26. voniala
(
11/01/2008 06:17)
ikaretsaka:
fa maninona ny teny vahiny nogasiana no tsy azo ampiasaina? ny rima aza teny vahiny nogasiana ko:roll:
Kanefa
Ny Ady "rima" no tena "ara"
maha tononkalo izao tononkalo
io no anehoana hoe mirafitra tsara
ka maha tonga saina, na maha tsalotsalo!
Tsy ferana ny "ara" rehefa te hilefa
izay rahateo ny maha kanto azy ireny
Ny fiantrainka sy ny fiantefa
No ahitana ny fy amin'ny teny!
Aza asiana fefy, aza asiana lalàna
f'avelao handeha ho'azy toy ny hoso-doko
ny tsy handratra olona no aoka hajàna
kendrena fa tsy atao peta-toko !
Toy izany tsotsotra. raha izaho no mijery
no tokony handraisana ity raha ity!
Taha tampenana manko dia very
ny maha tononkalo sy ny maha poezy!
Nefa zavatra tsara. samy azy ny hanitra
K'aleo hanao araka izay tiany
samy talenta nomen'Andriamanitra
koa ity tsy mety, fa tokony ho ariana?
Aok'etsy ho'a fa tsy rariny kosa
fitaka daholo izany hoe rafitra arahina
Tetiky ny mpanakanto kanosa!
Sao misy manova ny firindran'ny asany!
Aminao!inona no hevitry ny hoe:"ara"
moa ve isika ihany no hamotika ny tenintsika?
AMIKO NY "ara":araka
ohatra ARA-PEO:araka ny feo
fa raha "ARA"lazainao dia mba soloy hoe ZAVAKANTO
27. voniala
(
11/01/2008 06:26)
xxx:
-Aza MANAO ADI-RIMA rehefa manoratra fa mitaky drafitra maty paika ireny no sady mamatotra ny hevitra tiana hivoaka.
Inona intsony izany no maha tononkalo azy ? Lasa lahatsoratra ohatra ny lahatsoratra rehetra ihany nge zany e !
Sady ilay ady rima ange ka tena ahitana ny kanto amin'ny tononkalo e ! :wink:
Asa fa tena tononkalo no tena kanto AMIKO ny tononkalon-dRADO hoe"MBA SAMBATRA INY LALANA INY
LALOVANAO MARAIN-TSY HARIVA
ARY ANGAMBA NOHO IZANY NO HANIRIAN'NY VANINKAZO
TSY MITSAHATRA MAMONY ENY AN-TSISITSISINY ENY
HOY AHO MITENY IRERY
kanto loatra amiko satria tsy nisy RIMA nanelingelina
fa asa io aminao raha tononkalo na tsia!DIA MBA VAKIO IHANY KOA LE TONONKOLONY HOE :HAFATRA
TSY HOE IZAHO NO TSY RIMA FA NY FOMBA FAMPIASAINTSIKA AZY ANKEHITRINY NO HALAKO
28. endrika01
(
13/01/2008 15:18)
Hitako ihany ny farany,zaho koa mba mila ny fanampianao ,dia tiko mba asiana tsikera be ary @ tononkalo nosoratako.
tena tia ny hevitrao aho, dia miandry anao zany i endrika01.:-*:-*:-*:-*:-*
tena tia ny hevitrao aho, dia miandry anao zany i endrika01.:-*:-*:-*:-*:-*
29. pissoa
(
13/01/2008 16:18)
voniala:
Asa fa tena tononkalo no tena kanto AMIKO ny tononkalon-dRADO hoe"MBA SAMBATRA INY LALANA INY
LALOVANAO MARAIN-TSY HARIVA
ARY ANGAMBA NOHO IZANY NO HANIRIAN'NY VANINKAZO
TSY MITSAHATRA MAMONY ENY AN-TSISITSISINY ENY
HOY AHO MITENY IRERY
kanto loatra amiko satria tsy nisy RIMA nanelingelina
fa asa io aminao raha tononkalo na tsia!DIA MBA VAKIO IHANY KOA LE TONONKOLONY HOE :HAFATRA
TSY HOE IZAHO NO TSY RIMA FA NY FOMBA FAMPIASAINTSIKA AZY ANKEHITRINY NO HALAKO
Raha ny fahalalako dia tena mila rima ny tononkalo (poeme). Ny fanazavan'ny "Voambolana Malagasy-Malagasy (Frantsay)" azy dia hoe :
Tononkalo : lahabolana, lahateny miady rima, matetika natokana hohiraina.
Hoy ianao hoe
Asa fa tena tononkalo no tena kanto AMIKO... tsy misakana azy tsy ho kanto mihitsy ny tsy mahatononkalo azy ka !
30. voniala
(
11/02/2008 07:48)
FA INONO moa @nao no mahakanto ny tononkalo iray?
FAKANA tahaka tany ivelany anie nyADY RIMA e!isika efa nanana ny antsika manokana toy ny HAINTENY izay azo lazaina fa TENA TONONKALO MALAGASY
FAKANA tahaka tany ivelany anie nyADY RIMA e!isika efa nanana ny antsika manokana toy ny HAINTENY izay azo lazaina fa TENA TONONKALO MALAGASY
31. Antsatnk
(
10/03/2008 13:49)
Nareo aza lany andro eo am-piadian'kevitreo fa zao fotsiny:Milaza ianareo izay milaza fa tsy tonokalo ny hoe "INY"Rado na koa ny hoe "hafatra"Rado ihany.Tsy hoe tsy maintsy miady rima na ny mifanohitra @izay no atao hoe tonokalo fa io izay tian'ny mpanoratra ihany io.Mahaiza fotsiny mandanjalanja ny asa soratra.Fa ra omeko ohatra ianareo iza no milaza fa tonokalo ity manaraka ity nefa dia hiady tokoa
Ohatra:Misy zazavavy kely
Teo ambaravarakely
Nanao akanjo mavokely
Nihinana mofo menakely
Ohatra:Misy zazavavy kely
Teo ambaravarakely
Nanao akanjo mavokely
Nihinana mofo menakely
32. penina
(
10/03/2008 14:32)
voniala:
Aminao!inona no hevitry ny hoe:"ara"
moa ve isika ihany no hamotika ny tenintsika?
AMIKO NY "ara":araka
dekametatra tora-droa :°)
33. zoukimi
(
09/09/2008 20:34)
Mitovy hevitra amin' ny sasany aminareo aho hoe tsy mila fehezina ny tononkalo, aminay mantsy "REVY" ny tononkalo (teny vahiny nohagasiana io kanefa hafa ny heviny fa tsy nofy akory), fanahy, fiainana.
Ka eritrereto hoe raha ny fiainanao no fehezina tsy toy ny olona gadra? Lasa peta-toko fotsiny ny ainga (tononkalo) raha toa ka voafetran 'izatsy sy zaroa ka manary ny mahakanto azy. Matoa misy ny ngadona sy rima sns dia zavatra nohalalinina taorian' ny ainga iray efa voasoratra fa tsy hoe noforonina ireny rafitra isan-karazany ireny izay vao nosoratana ny ainga.
Izany no nahatonga an' i Elie RAJAONARISON nilaza tamin' ny mpandinika iray izay namakafaka ny tononkalony, raha nanontany ity farany hoe "tsy azoko mihintsy ny drafitra sy ny hevitra rantovinao anaty asasoratrao" dia hoy fotsiny ra-Elie hoe: Tsy hitako izay atao ho anao izany, izaho manoratra azy ary tsy mahalala izay drafiny sy heviny, koa ahoana no ahalalanao izany?
Tsotra fotsiny ny ahy ny hevitro raha toa ianao ka te-hanoratra, iaino aloha ny tontolon' ny soratra ary indray andro ho tsapanao ihany fa misy zavatra te hifongatra ao anatinao ao rehefa tena ankafizinao ilay izy, izay ilay ainga.
Ainga avy ao am-poko fotsiny io fa samy manana ny heviny raolombelona.
Kanefa raha tianao ny hilomano ao anatin' ny ainga sy revy dia http://manafo-safo.over-blog.com/

34. Tokinao
(
10/09/2008 18:52)
voniala:
TSY HOE IZAHO NO TSY TIA RIMA FA NY FOMBA FAMPIASAINTSIKA AZY ANKEHITRINY NO HALAKO
Miombon-kevitra tanteraka aminao. 'Zah manokana rehefa mamaky ny ankabeazan'ny tononkalo ankehitriny (izay ataon'ny mbola manandrana), dia toa hitako hoe "diso manenjika rìma fotsiny sisa". Ilay hevitra ampitaina anefa tsy mifanaraka amin'ny teny ampiasaina akory ka lasa mampihomehy ilay izy, na kosa lasa toy ny tsianjerin-jazakely.
voniala:
FA INONA moa @nao no mahakanto ny tononkalo iray?
FAKANA tahaka tany ivelany anie nyADY RIMA e!isika efa nanana ny antsika manokana toy ny HAINTENY izay azo lazaina fa TENA TONONKALO MALAGASY
Marina tanteraka! Amiko manokana dia ny hainteny no tononkalo tsara indrindra : tsy mila miady rìma, tsy voatery isaina ny isam-baninteny, sns...
Fa ny hevitra raketiny no mifanaraka tsara, ny hevitry ny teny ao dia notsongaina mba hifanaraka daholo.
Amiko :
Ny ankabeazan'ny tononkalo ankehitriny = natao ho tsara ho henoina fotsiny.
Fa ny hainteny kosa = manintona sy maha-te-hanaraka ny hevitra fonosiny.
Hevitro manokana io ka afaka tsipahintsika :). samy manana ny safidiny manko raha resaka zava-kanto.