hafa ny firaisana ara-nofo voa tso-drano,sa ahoana hoy ianao

1. bosista ( 08/12/2007 14:42)
mba misy mahatsiaro an'Andriamnitra ve ny sasany amin-tsika(isika kristianina) alohan'ny hanao firaisana ara-nofo? zany hoe ny tiako hambara mila tso-drano Aminy mba ho tahiny amin'izay atao indrindra raha hanan-janaka amin'izany mba ho zaza hendry mpakanto an'A/tra sns!
sady koa mba misaotra Azy fa nomeny fahasoavana mba afaka mampiasa le fitaovana ,satria misy ny sasany any tsy mahaleo mihintsiny,misaotra Azy fa mba afaka maka fahafinaretana!
sa kosa miafina an'A/TRA tahaka ny nataon'ny Adam sy Eva refa nihinana ilay voankazo voarara fa mitanjaka?
sa kosa toy ny jentilisa ihany? hoe:tairo any fa tara vava zao?
ho anareo izay niroso @ raharaha n'ny mariazy mba nisy toro-lalana ve nomen'ny pretra na ny pasitera mikasika an'io sa ahoana?
répondu par fijo le 26/12/2007 23:55
2. mignone ( 08/12/2007 14:59)
dia ahoana raha any anaty ascenceur na anaty daba no raikitra dia hoe aoka aloha andohalika na itambotsitra ivavaka ery ?:-D:-D
3. ikaretsaka ( 08/12/2007 15:15)
de ataovy hoe A/tra o misaotra anao zahay fa efaka miara matory, tsofy rano ny firaisanay ara nofo zany ve?
mba kozy na i pastera sy ramatoa aza rare vo mahavita anzany rehefa man....
4. simplex ( 08/12/2007 18:23)
:{:{:{:{
tro be kosa ity kle :roll:

misy raha la terra ^:^^:^^:^
5. pissoa ( 08/12/2007 18:35)
:-D:-D:-D
6. fiaritiana ( 08/12/2007 19:19)
interessant!!samy mangataka zé any am pony ny tsirairay e!
7. xxx ( 08/12/2007 20:28)
Hafa @ ahoana moa izy izany : ny tsirony ve no mampiavaka azy sa ny vokany,sa sns
8. lazounet ( 09/12/2007 00:25)
Ny firaisana voatso-drano amiko dia ny Firaisana MISY FITIAVANA àry TSY MIVADIKA.

Fa tsy mety kosa angamba raha manao fitaom-pivavahana alohan'ny hanaovana izany firaisana izany.

Ny Finoana sy Fitiavana àry Fifanajàna dia ampy.:*:-*
9. Kwasi ( 09/12/2007 11:03)
:-D:-D:-D
Tena mba efa nanontany tena momba an'io koa aho ry bosista. Fa zany hoe lasa nihomehy irery no niafarany.

Fa misy mahamarina azy ihany kosa anefa ilay izy ka. Alohan'ny hisakafo ohatra ny olona dia mivavaka. Alohan'ny hanainga hanao voyage koa... sns. Ka maninona kosa moa raha mba mivavaka alohan'ny hanaovana (@ vady)?

Raha ohatra manahirana dia mba atao ankapobeny hoe fivavahana ho @ alina mahafinaritra.:D
10. xxx ( 09/12/2007 11:14)
1. Mpandefa : mignone [ Valio ] 08-12-2007 15:59:19
Lohateny : Re : hafa ny firaisana ara-nofo voa tso-drano,sa ahoana hoy ianao
dia ahoana raha any anaty ascenceur na anaty daba no raikitra dia hoe aoka aloha andohalika na itambotsitra ivavaka ery ?

Angaha moa izy io tsy mba azo fehezina? Sa rehefa poritra dia tsy maintsy alefa aloha na aiza na aiza? Izany ve tsy mitovy amin'ny akoho ihany, ka na aiza hahazoana azy dia petahana aloha sao votsotra?

Ny olona miray n'importe où dia olona tsy mahalala loatra ny hasin'io firaisana io, Fa manao firaisana ho an'ny fahafinaretana fotsiny.
11. soanja ( 09/12/2007 15:02)
Ny fahitako azy aloha fa asa ny rehetra manao izany dia alohan'ny hatory ny Krsitianina dia mivavakaka hametraka ny alina sy ny andro manaraka indray eo ampelatanany.
Izao no ataonay: alohan'ny hiakarana ny fandriana, mandohalika eo ampotom-pandriana, mifampitanana sy mikipimaso. Eo ampivavahana dia voalaza ny hoe "Tompo tantano ny fitiavanay hirona hidera anao amin'ireo zavatsoa nomenao sy ny mbola omenao anay." Noho izany amiko dia efa tafiditra ao ny firaisana satria zavatsoa tokoa io.
12. dailynews ( 10/12/2007 03:07)
bosista: raha anaty fanambadiana io firaisana ara nofo lazainao io dia tokony tokoa apetraka eo ampelatanan Atra ary ho tahian Atra. Raha tsia moa dia tsy afaka ny hitahy zavatra atao anaty fahotana Atra.
Fa na mihinana na misotro na inona na inona ataonareo hoy Izy dia ataovy ho voninahitr Atra izany.
13. bimanoa ( 10/12/2007 04:43)
tsara kosa izany ny an-dr'i Soanja izany !
14. tywa68 ( 10/12/2007 05:54)
Soanja =D Izay rehetra atao dia angatahina ho tantanan'i Tompo. Isaorana azy mandrakariva satria izy no manome.:-*
Soa fianatra ry bimanoa a :wink:
15. Mandefitra ( 10/12/2007 09:35)
Ka rehefa mpivady ve, ka vita mariazy tsy efa voatsodranon'Andriamanitra ny fanambadiana. Hozy ry zalahy zay hoe toy ny minan-kanina vita vavaka ny firaisana anatin'ny fanambadiana nahazo tso-drano :)
16. mignone ( 10/12/2007 10:25)
o ry xxx itsy !zay ilazanao azy na akoho na inn ,
samy manana ny andraisany azy ,ny anao ngà tsy fahafinaretana sy fitiavana no tadiavina fa inona ? dia mazotoa manery !
17. xxx ( 10/12/2007 10:45)
Raha tena Kristiana dia tsy maintsy lasa saina ihany eo amin'ny famoronana. Ny firaisana ara-nofo dia anisan'ny ao anatin'ny famoronana satria olona no amboarina amin'izany. Isaky ny manao firaisana izany dia tokony ho tsaroana lalandava io famoronan-jaza io. Ny fahafinaretana eo dia toy ny fahafinaretan'Andriamanitra raha namorona izao rehetra izao Izy. Toy ny miverina amin'ny fahafinaretan'Andriamanitra izany ny olombelona raha miray. Raha ataotao foana tsy misy fisainana Ilay Mpamorona ny firaisana dia lasa tsy misy lanjany ka zary ny fakam-panahy no betsaka ary ampiasain'ilay ratsy io zava-dehibe nataon'Andriamanitra io ho lasa varotra na fironana any amin'ny fijanganjangana.

Mila misaina tokoa izany satria manjary maty hasina ilay zava-dehibe indrindra nomen'Andriamanitra antsika.
18. xxx ( 10/12/2007 11:33)
15. Mpandefa : mignone [ Valio ] 10-12-2007 11:25:04
Lohateny : Re : hafa ny firaisana ara-nofo voa tso-drano,sa ahoana hoy ianao
o ry xxx itsy !zay ilazanao azy na akoho na inn ,
samy manana ny andraisany azy ,ny anao ngà tsy fahafinaretana sy fitiavana no tadiavina fa inona ? dia mazotoa manery !

Ny olona miray n'importe où dia olona tsy mahalala loatra ny hasin'io firaisana io, Fa manao firaisana ho an'ny fahafinaretana fotsiny.

Dia mianara mamaky teny amin'ny manaraka!

19. bosista ( 10/12/2007 15:05)
misaotra antsika namaly,
marina ny anao ry dailynews sarotra ny hanekena ny we hitsofan'A/TRA rano ny firaisana ara-nofo ao anatin'ny fahotana ny fijangajangana oh,nefa betsaka ny mpino fa tsy mahafehy tena ,tsy mahazaka ny fitandremana an'io ra-fijangajangana io,nefa fanomezana avy amin'A/TRA ny fitaovam-pananahana(ny filahiana sy fivaviana izany) ka anisan'ny tsy rariny raha io indray no entina anotana amin'A/TRA,satria tsy fahaiza-mankasitra izany!
ary je suis d'accord amzay voalazan-dry xxx!
misy aretina anefa mpahazo ny vhvv bevohoka indray2,ary hitako mihintsy ny sasany mankany amin'ireny mpanao fanafody ireny,nefa amin'ny maha-kristianina antsika tsy azo aleha ireny,nefa mba azonao saintsainina ve we raha zaza foroninao @ tsy ara-dalana(tsy ara-pinoana ) no angatahanao vavaka amin'A/TRA mba hiaro azy ao na-kibo ahoana ny fandehany?
tsy maniry ny hiavian'ny ratsy isika fa tsara ihany fa be famindram-po Andriamnitra!
20. xxx ( 10/12/2007 19:33)
xxx2 zah : mignone: fa any am firy éme étage no misy ny fiasanao?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1148