Antsonjombe sa Tsena ho an'ny vahoaka?

1. hery ( 06/12/2007 09:32)
Zah tsy hiresaka zava-bita... fa ny zavatra hatao no tokony hojerena.
Inona tokoa no maika ao Antananarivo izao? Ny kianjabe Antsonjombe ve sa ny hanamboarana Tsena hiveloman'ireo izay voatery mivarotra amoron-dalana sns?

Mbola manana 5 andro hanovana ny projet-ny izay nanana projet diso lalana e.
répondu par istraky le 08/12/2007 12:56
2. salmo1 ( 06/12/2007 10:23)
hery: za tsy mahazo!!!
3. tsiafoi1 ( 06/12/2007 10:42)
Marina mihitsy ry Hery a! Aoka handanjalanja tsara vao mifidy fa tsy taitra ny vedettisme sy ny bogosité. Maivana be le Antananarivo raha vao tsy mitandrina eo! Efa voa-fainten'i Zafy t@'ny 1991, de mbola hanaiky ho voa-fainte ndray ve. Aoka hatsilo saina, ny zava-bita jerena ry Antananarivo a!
4. bemalita ( 06/12/2007 11:47)
ny ahy alo d zao e: aleo mba iova ndray fa tsy ho "monopoliser"-na daolo sy anaovana didy jadona daolo zao rehetra izao raha mùandinika isika d tsy io ranga io irery no namorona ny fanfatsarana an'Antananarivo fa efa lamina nandritra ny erintaona io zany oe projet n'ny maire teo alo sy fanatsarana ny tanana noho ny jeux des iles no teo fa tsy asan-draFaly akory. ka aoka isika tsy ho voafitaka, ny tiko ambara dia izao fotsn na iza na iza ianao io nisolo an'i Ramiaramanana d tsy maintsy natsaraina otrizao Antananarivo noho iny JIOI iny ka aza mety ambakaina oe Rafaly no nahavita, eny nahavita izy fa nanaraka ny asa efa voasoritra fotsiny sisa fa tsisy projet-ny ireo na iray aza.
misaotra nareo namaky
5. mamsoo ( 06/12/2007 12:04)
Marina izany e!Amiko tsy maika ny hanamboarana an`Antsonjombe. Tsy urgent izany na important fa...projet.Manjary i Jaobarison (media consulting) no hanankarena voalohany. Hampanao spectacle izy eo(fa tsy palais de sport intsony) ny olona vaomaika betsaka, ny location mihena.Ny Hanamboarana tsena mitovitovy ireny Anosibe ireny no ilaina @ izay tsy mifanao Tom & Jerry ny mpivarotra amorondalana sy ny agent communal.Amiko mila miasa aloha, misy zavabita ho an`ny vahoaka izay vao milatsaka ho fidiana. Aiza ho aiza moa ny fianakavian`i Andry TGV e. Miasa avokoa ve. Ny anabaviny iray aza tsy vitany ny mahita na manome asa ho azy koa vao maika fa Antananarivo?Tano ny azo fa sarotra ny mila.Raha samy bogosité,mety Ramakavelo no nalain-dRavalomanana fa tsy Petera Behajaina.Les choses ne sont pas toujours ce qu`elles paraissent!
Casque fotsiny io bogosité io. Competence no ilaina ary experimenté olona misokatra.Ny mi-gerer tanana tsy mitovy société.Mba miantso azy ny fianakaviana(Andry) tsy raisina ka vao maika haka audience? Any @ faha efataonan`ny mandat-ny izy vao mba mody mandray anao raha tsy hoe ngah...Tantara mitohy.Mba matotra amin`ny safidy fa tsy izay mamiratra sy vao mipoitra dia hoe milay. Zavabita jerena. I Andry Rajoelina ve avant mba niarahaba olona sahirana? Tsia dia tsia.Zao vao mba hoe mitakosona. Ato anaty propagandy fotsiny io fihetsika io.
6. Ragadona ( 06/12/2007 13:31)
O ry mamsoo a, mitantana firenena aza mpitantana societé ka zay tanàna..... Aza dia mihidy ao anaty fanatisme oa fa diniho amin ny fijery mahitsy. Inona no mampikorapaka anareo fa aleo hataon i Andry e, sa misy zavatra atahorana ? Iza mo no nanazatra ny olona tamin ny resaka tam - tam sy fanatisme ? Tsy ny tim ve, tsy resaka programan'asa mihitsy no nahalany ny filohantsika, ka heveriko fa i TGV no manaitra ny olona ao Tanà hoe tandremo ty fanatisme iainantsika ity fa hifototra amintsika ity na ho ela na ho haingana.... Samia hoela velona hahita ny zava-bita eo amin'ny firenena...
7. mihasina ( 06/12/2007 13:34)
hery:

Zah tsy hiresaka zava-bita... fa ny zavatra hatao no tokony hojerena.
Inona tokoa no maika ao Antananarivo izao? Ny kianjabe Antsonjombe ve sa ny hanamboarana Tsena hiveloman'ireo izay voatery mivarotra amoron-dalana sns?

Mbola manana 5 andro hanovana ny projet-ny izay nanana projet diso lalana e.


Marina ny anao. Fa saingy izao no zavatra azoko lazaina, tsy haiko na hoe: ny vola tokony hanamboarana ny kianja ao Antsonjobe, dia tokony hanaovana tsena. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : Aiza ilay toerana hanaovana tsena ?
Raha ny mifanohitra amin'izay indray dia ataon'ny olona avy aty Antananarivo ahoana no andeha hiantsena any Antsonjobe ?
8. Ragadona ( 06/12/2007 13:37)
Olana ny tsena saingy mbola olana goavana kokoa ny zavatra ho entin'ny olona eny an-tsena
9. hery ( 06/12/2007 14:36)
Sady i TGV tokoa hono toa hampiakatra karama? :-p

Fa angaha afaka mampakatra karama koa ny Ben'ny tanàna amin'izao? Sa mampiakatra karaman'ny mpiasan'ny commune kosa?

Izao ry zareo a :-) Izaho tsy miteny hoe fidio i ranona na fidio i ranona. Fa hoy aho hoe mahaiza mifidy. Dia aza mitaraina amin'izay vokatry ny fifidianana ataonao.

Mahereza e.
10. kolyh ( 06/12/2007 14:46)
za zany tsy de mahay politika fa le Andry zany sahalan'ny manao publicité we ZA FIDIANA FA ZA BOGOSY, SADY BE SOSY (hatramin'izay tsy tazana manao bezoro 4mis koa zao vao we : "avy aty mes 4 amis! ty wa fidin'ity")
11. fek ( 06/12/2007 16:46)
fantarareo moa hoe araka ny mahabetsaka ny mpivarotra no tena ahahfahana milaza fa mahantra ny firenena iray? ny tsena araka ny hevitro tsy maika fa ny zavatra hafa
12. Kwasi ( 06/12/2007 20:50)
Amin'ity resabe ity izany dia izao no mba hevitro e:

Marina aloha fa raha hitantana izany tsy maintsy tokony hanana programa. Zavatra elementaire izany @ resaka fitantanana. Tsy hisy olona natao hitantana ka hoe tsy manana planina.

I TGV dia mpitantana orinasa, tsy hino aho hoe tsy manana programa izy hampihariny raha lany eo, fa ny tsapako @ ilay resaka dia tsy sahin-dry "zareo" lazaina ilay izy mba ialana @ tsikera bontolo, izay mety hanimba ny propagandiny. Dia aleo tsipotsimponina arakaraka ny audience ny filazana azy.

Mora ho an-dRafalimanana ny mitanisa ny zava-bita @ maha Pds amperinasa azy, ary mora ny miteny hoe tohizana ny asa efa natomboka. Fa ny fanontaniana koa anefa dia ity, raha toa moa Rafalimanana ka tsy Pds no milatsaka, nino ve nareo fa hahavita ny zava-bitany ankehitriny izy? Raha toa ka nanontaniana ny hevitry ny olona talohan'ny nametrahana azy ho Pds, mba olona firy no hino fa hahavita io "zava-bitany" io izy? Raha toa ianareo ka NINO fa hahavita azy Rafalimanana izay tsy hainareo akory izay asany tao @ CUA, maninona ianareo no tsy HINO fa hahavita i TGV?

Ny fampidirana resaka bogosite sy ny sisa moa dia aleo atao hoe resajaza mampietry ny adihevitra fotsiny.

Fa raha ny tena hevitro tena hevitro dia ity @ maha-mpifidy ahy: izaho tsy miraharaha izay Antsonjombe sy tsena any. Ny zava-dehibe amiko dia ny Fandriampahalemana sy filaminana ho an'ny vahoaka. Afaka hiantoka an'io ve i TGV? Ary anisan'ny mba "zavabita" n-DRafalimanana koa ve ny fiantohana an'io?

Reseo lahatra aho amin'io dia tonga mifidy. Fa raha resaka Tshirt sy kasikety fotsiny: sshhhh, za manana bdb.
13. fijo ( 06/12/2007 23:06)
ok kwasi an,tena jery fototra ny anoa,ary mino aho fa tsy ianao irery no misaina toa izay
14. patrick2002 ( 07/12/2007 02:07)
Ny ahy indray dia fahendrena no ilaina @ toerana to itony ,ny programa samy mahay ,ary izay jerenao ao Iarivo dia mila fanamboarana sy fanarenana avokoa ,programa azo atao aby ireny ,
15. eprom ( 07/12/2007 06:23)
Ny ahy ny zavatra tsapako, Ravalo ihany no nitaiza ny vahoaka t@ io propagandy tsy ilana programa io fa de ny fihetsiketsehina no atao be. Tadidio t@ 1999 fa tsy nanana programa anie ravalo raha nirotsaka ho maire eh. fa ny yaourt no nataony mora vidy. Izaho moa tsy mpifidy tanà fa raha nifidy aho t@ izany de ny hasina no nofidiko satria iny efa hitako ny nataony moa ny avi nanolotra kandida tsy fantatr'olona izay nefa ratsirahonana no nandrasana. Fa gaga aho fa lany le ravalomanana. Tonga indray ity ny 2007, tsisy zavatra matotra izay atolotry TGV, fa de gaga aho fa be mpanaraka lery.
16. tsiafoi1 ( 07/12/2007 06:56)
Kwasi:
Fa raha ny tena hevitro tena hevitro dia ity @ maha-mpifidy ahy: izaho tsy miraharaha izay Antsonjombe sy tsena any. Ny zava-dehibe amiko dia ny Fandriampahalemana sy filaminana ho an'ny vahoaka. Afaka hiantoka an'io ve i TGV? Ary anisan'ny mba "zavabita" n-DRafalimanana koa ve ny fiantohana an'io?


Koa satria efa nilaza ny tsy maty voalavo an-kibo t@'izay fotoana zay we (Deba):"Raha tsy lany za de tsy hilamina ny tany". Mazava arak'izany ny ao ambadiky ny mafia sy ny gangs mpanakorontana eto.(Mbola tsy mazava amintsika ihany ve we iza no filohan'ny TTS teto Tana fahizay e!). De raha tiana hilamina zany ny tany de aleo averina aminy sy ny équipe-ny ny fitondrana de vita kabary ozy! Miaka-dapa ny mafia sy ny akama akama.

Mody mangina sy tsy ahitan-teny ery rizalahy mpanohitra satria maivana loatra Antananarivo, ary mitady hahomby ny paika; Andry TGV saribakoly aingam-pandeha

De aleo ny tantara handeha e! Tsy hisy filaminana sy zvt handeha raha olona tsy mitovy famindra no miara-mandeha. Hoy ny ntaolo malaga "VORONA TSY MITOVY LOKO TSY MIARA-DIA"
17. tsiafoi1 ( 07/12/2007 07:16)
Ny problème ntsika de le we TIM daholo ve - Inona fa tsy namerina le samy AREMA daholo, ka logique anie zany e! Tsy hisy firindrina sy fahombiazana raha tsy ny mitovy famindra sy fomba fijery no miara-mandeha.

Jereo @'ny fiainan'ny mpivady fotsiny. Ataovy we musulman sy catholique no mivady de ho hitanao ny fandehany.

Jereo ny mahazo an'i Afrique (demokrasia a!demokrasia) fa mifanenjika hatrany angabone ny mpanohitra ny ny mpitondra, ny vahoaka potika, ny firenena potika.

De ianao ve hino fa raha TGV no tonga eo tsy ho feno TGV hatrany anaty couloir d'attente. Logique zany ary tsy azo hifanomezan-tsiny, fa tsy maintsy mampitovy tadin-dokanga raha tiana ny hisian'ny stabilité sy ny fandrosoana.

Fa @'izao aloa raha mbola TIM no eo @'ny fitondrana de aleo ny mitovy famindra aminy no hiaradia aminy fa manjary mifanipaka toy ny valala an-karona ka tsy hisy zava-banona ho vita... Zay le tiako tenenina we simban-drizareo mpitady seza le bandy kely. Tokony niandry mandat manaraka izy vao niditra...
18. agoago ( 07/12/2007 08:39)
Ny programany Andry TGV aloha ratsy conseiller nedala, somary nivoana tsy mijery ny probleme d'urbanisme Tana.Ny ahy aloha amin'ny zava-drehetra dia ny traikefa foana no jereko, tsy mandray ny mianadraharaha aho.

Maire izany koa ilana olona efa lehibebe izany, ray amandreny ny Maire,fa tsy zazakely.
Sady mi parier aminareo fa na oviana na oviana Antananarivo, tsy omen'ny mpitondra olona tsy mitovy firehana amin'izany.Nofy izany!
19. tendry77 ( 07/12/2007 20:12)
mihasina:

hery:

Zah tsy hiresaka zava-bita... fa ny zavatra hatao no tokony hojerena.
Inona tokoa no maika ao Antananarivo izao? Ny kianjabe Antsonjombe ve sa ny hanamboarana Tsena hiveloman'ireo izay voatery mivarotra amoron-dalana sns?

Mbola manana 5 andro hanovana ny projet-ny izay nanana projet diso lalana e.


Marina ny anao. Fa saingy izao no zavatra azoko lazaina, tsy haiko na hoe: ny vola tokony hanamboarana ny kianja ao Antsonjobe, dia tokony hanaovana tsena. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe : Aiza ilay toerana hanaovana tsena ?
Raha ny mifanohitra amin'izay indray dia ataon'ny olona avy aty Antananarivo ahoana no andeha hiantsena any Antsonjobe ?


hevitra tsara daholo zany,fa ao antanana ve tsy misy afa tsy lalana,zaridaina,kianja,tsena:sao mba tokon ovandry lerony indray ny kozy atsipy;ohatra hoe: hanorona tanana vaovao ndray sika eeeeeh-de avy eo anao auto route be ;antaninarenna ka hatrany ambohimanga rova,de hong kong no fetra e!encien et nouvelle hongk.Rehefa mihitatra ny tanana manaraka ho azy ny rehetra;ohatra ny ao chine:tery ny ville d nitarina ary nitombo ny tsena ,sahirana ny mpividy mitety tanana mitady ny mora,sa ahona any antapoketsa no mijery frip 15min de tonga.
[tendry77]

20. fijo ( 07/12/2007 21:29)
miandry izahay aty e.mahaiza mifidy ianareo ao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3277