Mahita hevitra ve hianao?Ratsan-tongotra?

1. niryna ( 23/11/2007 05:56)
Rehefa mafana ny andro dia toa tsy mety maina ny elakelakin'ny tongotra ary indraindray dia tena mm ilay fofona.Inona hono no hevitra mety manasitrana an'io?
Misy fanafody aloha io fa ilay sery vita amin'ny anamalaho io e.
Misaotra mialoha.
répondu par niryna le 24/11/2007 06:32
2. Ralay ( 23/11/2007 06:51)
Tsotra dia tsotra sasao matetika ny tongotrao fa ho fa tsy hisy fofona ary tsy ho mandolava intsony.
3. soacool ( 23/11/2007 07:52)
Aza dia fermé foana no anaovana fa mafana nge ny andro zao fa mba manaova kapakapa ndraindray.
Alomy kely ao anaty ranona halamo ko le tongotra de refa avy eo akobana de maina tsara vao atao anaty kiraro e. De ny bakiraro koa akobany tsara mba tsy hisy fofona savony.
Andramo moa
4. fantsika ( 23/11/2007 08:59)
mitovitovy amiko izany fa izao, tsy misy fanafody mazava io, misy ihany produit pharmaceutique fanalàna hatsembohana fa saingy tsy reversible (zany hoe raha lasa maina loatra dia eo ianao no raisina mandrakizay),misy koa ny fandomana anaty rano miaraka @courant kely fa tena lafo dia lafo! fa ity le hoe sery vitan'ny anamalaho: andramo hoe ny oxyde de zinc atao kelikely ihany, ilay alamo koa aloha mahomby @fofona fa tsy manala tsemboka.
5. sakaizakely ( 23/11/2007 09:21)
manaova madio, mampiasà savony rehefa misasa

ny olona madio tsy masiso zany
6. vahiny2004 ( 23/11/2007 10:13)
sao dia ilay karazana champignon kosa izany tenenin'i niryna izany fa tsy hoe tsy fahadiovana araka ny lazain'i sakaizakely ?

misy champignon mety ho azo any @ piscine ohatra mantsy

matetika koa misy hoe toe-tena , ny olona nerveux mi transpirer bebe kokoa noho ny hafa , nefa tsy afaka ny hanasa tongotra any am-piasana ohatra
7. ni81 ( 23/11/2007 10:51)
ity koa misy hevitra hafa: sasao tsara @ savony ny tongotra dia avy eo akobany @ rano izay zinga dia asio karibonetra iray sotrokely ao anatin'io rano io.
8. diamondra27 ( 23/11/2007 11:17)
fa inon moa le asiana talc de mety
tena tsy tadidiko , toa io tongotra io le izy kou.
9. sakaizakely ( 23/11/2007 13:11)
vahiny2004>

an an an, tsy manome fofona ny champignons

niryna tsy misy champignons satria macroscopiques ireny tonga dia fantany raha misy izany

ny hatsembohana dia mikobona bakteria betsaka ka mitombo isa rehefa tsy madio tsara dia izy ireo no manome fofona maimbo.

ny hatsembohana dia toebatana normaly, jerevo ireny mpanao sport ireny, teratsemboka be nefa tsy masiso satria mahavatra mandro.

Hafa ny fofombatana, hafa ny fofona avy @ tsy fahitana rano sy savony matetika. Mandro indroa isanandro, vao mifoha, sy rehefa tafaverina avy miasa dia ampy manala ny fofompofona sy ny hatsembohana ka
10. sarobidy ( 23/11/2007 13:52)
raha olona zatra manao tenis sy kiraro mihidy lava aloha d zay no ataony zay e
11. soanja ( 23/11/2007 14:53)
Misy ny karazan'olona tsembon-dava ary misy ny tsy dia satria miaina ny hodintsika sy ny vatantsika ary mamoaka rano tokoa, toy ny pipy ihany io.
Misy amin'ireo tsembon-dava tokoa ny mamoaka fofona. Fa miankina amin'ny fofona tokoa satria misy fofona natoraly, samy manana an'io isika rehetra saingy ny sasany tsembon-dava tena mahery kokoa ny fivoakany.
Izay no antony hisian'ny ranomanitra, mba hanalefahana ny fofona efa misy moa hanana hanitra miavaka azo controler-na.

Raha maloto koa aloha dia hisy fofonba saingy maimbo ny fofona mivoaka fa ilay fofona resahiko miavaka fotsiny.

Ny fanaovana poudre alamo io tokoa dia manampy fa ny fiezahana manamaina ny toerana tsy takan'ny masoandro loatra amin'ny vatanao nefa mifampikasoka no tena fanafody mandaitra.
Refa mafana dia manaova kapa fa tsy kiraro mihidy, manaova shorts na jupe fa aza manao pataloha teritery ary kazaka tsy misy tananan'akanjo.

Aza hadino anefa ny misotra rano matetika fa matoa tsemboka dia salama tsara ianao zay!
12. niryna ( 24/11/2007 05:24)
Ralay:

Tsotra dia tsotra sasao matetika ny tongotrao fa ho fa tsy hisy fofona ary tsy ho mandolava intsony.


Mafana ny andro ary tena mangidihidy be mihitsy.Nosorako alikola ka voa maika lasa fotsibe :cry:
Misy fanafody aty ary tonga dia sitrana.Ilay fanafody tsotra kanefa mety sy mandaitra ireny no tiako .:D
13. niryna ( 24/11/2007 05:25)
soacool:

Aza dia fermé foana no anaovana fa mafana nge ny andro zao fa mba manaova kapakapa ndraindray.
Alomy kely ao anaty ranona halamo ko le tongotra de refa avy eo akobana de maina tsara vao atao anaty kiraro e. De ny bakiraro koa akobany tsara mba tsy hisy fofona savony.
Andramo moa

Angaha aty aminay misy izany alamo izany? Vao andeha hanafatra any angamba.Mahavidy fanafody ny manafatra azy :D

14. niryna ( 24/11/2007 05:28)
fantsika:

mitovitovy amiko izany fa izao, tsy misy fanafody mazava io, misy ihany produit pharmaceutique fanalàna hatsembohana fa saingy tsy reversible (zany hoe raha lasa maina loatra dia eo ianao no raisina mandrakizay),misy koa ny fandomana anaty rano miaraka @courant kely fa tena lafo dia lafo! fa ity le hoe sery vitan'ny anamalaho: andramo hoe ny oxyde de zinc atao kelikely ihany, ilay alamo koa aloha mahomby @fofona fa tsy manala tsemboka.


misaotra anao,mety hitombina ve raha misotro rano be dia lasa tsemboka hatramin'ny tongotra :roll:
Kanefa ny helika tsy voa :wink:
Izaho tia tsy manao kiraro ao an-trano ary tia manao kapa fa ilay andro mafana tokoa aloha sy ilay hoe maika andeha dia fafana amin'ny serviette famafana tongotra dia mety tsy mbola maina tsara o.
15. niryna ( 24/11/2007 05:29)
sakaizakely:

manaova madio, mampiasà savony rehefa misasa

ny olona madio tsy masiso zany

:D koa milona rano foana koa masiso ahoana kosa e.:cry:
Ilay andro mafana dia manao tennis no mahatonga izany hono ka. :D

16. niryna ( 24/11/2007 05:31)
vahiny2004:

sao dia ilay karazana champignon kosa izany tenenin'i niryna izany fa tsy hoe tsy fahadiovana araka ny lazain'i sakaizakely ?

misy champignon mety ho azo any @ piscine ohatra mantsy

matetika koa misy hoe toe-tena , ny olona nerveux mi transpirer bebe kokoa noho ny hafa , nefa tsy afaka ny hanasa tongotra any am-piasana ohatra

:roll: nandeha naka vakansy izahay ary nilomano teny amin'ny piscine nipetrahanay. :roll: loza ry vahiny izany.Maty aho . :lol:

17. niryna ( 24/11/2007 05:33)
ni81:

ity koa misy hevitra hafa: sasao tsara @ savony ny tongotra dia avy eo akobany @ rano izay zinga dia asio karibonetra iray sotrokely ao anatin'io rano io.

Andraso fa andramako io,ilay mandro aloha be koa no mety,tsy ho ahy irery izany fa ity moa fiainana ary mety misy voan'io ihany koa :wink:.Tsy miandry hoe efa andeha vao mandro,mety tsy maina tsara ny tongotra,manao ahoana izay?

18. niryna ( 24/11/2007 05:35)
diamondra27:

fa inon moa le asiana talc de mety
tena tsy tadidiko , toa io tongotra io le izy kou.

Misy talc indrindra fa an'ny zaza ireny no fampiasa,misy poudre vita amin'ny carbonetra moa no filaza azy?Baking soda ,miala tsiny aho a,rehefa avy mandro dia fafana tsara ny tongotra dia araraka ao anelakelan'ny tongotra ilay izy.Tena mety fa feno aky ny trano a:D

19. niryna ( 24/11/2007 06:06)
sakaizakely:

vahiny2004>

an an an, tsy manome fofona ny champignons

niryna tsy misy champignons satria macroscopiques ireny tonga dia fantany raha misy izany

ny hatsembohana dia mikobona bakteria betsaka ka mitombo isa rehefa tsy madio tsara dia izy ireo no manome fofona maimbo.

ny hatsembohana dia toebatana normaly, jerevo ireny mpanao sport ireny, teratsemboka be nefa tsy masiso satria mahavatra mandro.

Hafa ny fofombatana, hafa ny fofona avy @ tsy fahitana rano sy savony matetika. Mandro indroa isanandro, vao mifoha, sy rehefa tafaverina avy miasa dia ampy manala ny fofompofona sy ny hatsembohana ka



misaotra anao.Misy fanafody natokana ho an'ny mpanao sport ireny ka,mety nitombona ve hoe nisy mikroba tany am-panaovana vakansy tao anaty piscine?
Athletes'foot cream no anarany ary misy soratra hoe Clotrimazole Cream USP,1% ,antifungal cream.
Fungus no anaran'io amin'ny teny anglisy na holatra maniry isan-karazany.Raha aretina tongotra vokatry ny bacteria no lazaina.kanefa tsy ohatran'io kosa e,tsy ho tapaka ve ny tongotro.Io fanafody io anefa dia manasitra ilay mangidihidy,tsy voafafa tsara ny tongotra rehefa manasa azy.
http://www.drbrooks.com/index.asp?PageAction=Custom&ID=61
io ilay holatra na fungus lazain'ny namana.
http://www.glaucus.org.uk/BracketFungus014.jpg
io ilay holatra mahafaty e.
http://www.uveitis.org/images/fungus5graft2.jpg
io indray fungus any anaty maso.:roll:
http://www.dermatology.co.uk/media/images/Fungus_Ankle_toenail.jpg
Io indray ny fungus tonga hatrany amin'ny tongotra .
http://www.torfspa.com/images/toe_nail_fungus_3_lg.jpg

Ireo ilay holatra mety mahazo ny tongotry ny sasany.Tsy mbola nahazo aho kosa aloha fa tsy maniry aho e.:D
20. niryna ( 24/11/2007 06:28)
Raha tsy voatandrina na tsy voatsabo ireny tongotra mangidihidy ireny :cry:
http://www.riverland.net.au/~andrea/tinea.jpg
Mety misy ilay holatra kely hono ny vatana noho ny hatsembohana sy ny hafanana.Tinea na fungal hyphae(spores or seeds) no ataony anarany amin'ny teny anglisy ary sarotra tsaboina satria misy dia miala dia miverina indray.Mila tsaboina ary vitaina tanteraka ny fanafody fa raha tsy izany dia miverina indray ilay izy.
Rehefa tsy voatsabo ilay izy dia lasa mitovy an'ity
http://www.drbrooks.com/index.asp?PageAction=Custom&ID=61

Ny fomba atao dia: mila sasana tsara amin'ny savony ny tongotra ary mila hamainina indrindra isaky ny elanelan'ny rantsana,raha azo atao dia tsy mikambana serviette amin'olona indrindra ilay famafana tongotra..
Misy anarana fanafody ihany koa lazainy hanosorana azy amin'ny cotton kely rehefa tena marary ilay elakelakin'ny tongotra(Methylated Spirits)no anarany

Ho an'ireo tongotra mitrisaka sy marary be dia asainy
hosorana Betadine, antiseptic eo amin'ilay faritra lasa mamorona nana sy menamena marary be mandra-pahasitrany.

Mitovy ireo tenenin'ny sasany teo ireo hoe manao kiraro misokatra na kapa ,mba afaka mihaina tsara ny tongotra

Mila misolo isan'andro ny ba kiraro ary tsy nylon fa cotton.(io koa ilay noresahina mikasika ny tongotra vakivaky, rehefa hatory dia manao ba kiraro cotton )
Ny kirarao indray dia fafazana io Methylated Spirits io ao anatin'ilay kiraro ary havela ho maina tsara.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9115