Mahita hevitra ve hianao?Ratsan-tongotra?

21. niryna ( 24/11/2007 06:32)
soanja:

Misy ny karazan'olona tsembon-dava ary misy ny tsy dia satria miaina ny hodintsika sy ny vatantsika ary mamoaka rano tokoa, toy ny pipy ihany io.
Misy amin'ireo tsembon-dava tokoa ny mamoaka fofona. Fa miankina amin'ny fofona tokoa satria misy fofona natoraly, samy manana an'io isika rehetra saingy ny sasany tsembon-dava tena mahery kokoa ny fivoakany.
Izay no antony hisian'ny ranomanitra, mba hanalefahana ny fofona efa misy moa hanana hanitra miavaka azo controler-na.

Raha maloto koa aloha dia hisy fofonba saingy maimbo ny fofona mivoaka fa ilay fofona resahiko miavaka fotsiny.
Misaotra aky a,ary miampy izay dia eo amin'ny fofon-kelika,raha olona tsembo-dava dia fadio ny manao akanjo nylon na jersey fa tena voa maika mamofona sy midofaka be noho ilay lamba.Asio akanjo cotton ao anatiny raha tena tia hanao lobaka nylon hianao.Aza manao ilay akanjo nanaovana omaly iny ihany fa soloy isan'andro.Ilay famerenana ilay akanjo efa voton'ny fofonkelika omaly,heverina fa mbola azo hanaovana ,ireny no mahatonga ilay fofona lasa double ny fidofany.:cry:
Ny fanaovana poudre alamo io tokoa dia manampy fa ny fiezahana manamaina ny toerana tsy takan'ny masoandro loatra amin'ny vatanao nefa mifampikasoka no tena fanafody mandaitra.
Refa mafana dia manaova kapa fa tsy kiraro mihidy, manaova shorts na jupe fa aza manao pataloha teritery ary kazaka tsy misy tananan'akanjo.

Aza hadino anefa ny misotra rano matetika fa matoa tsemboka dia salama tsara ianao zay!




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5237