Mba mila fanazavàna kely raha tsy mahadiso

1. rabilabila ( 09/11/2007 15:30)
Hono ho'aho ,ho anareo rehetra mpino (kristianina) eto.Mametraka fanontaniana ihany ny tenako indraindray hoe :

MITOVY VE I JEHOVAH SY ILAY ANDRIAMANITRA ATAON'I JESOSY HOE : RAIKO ?

Ny mahatonga ahy hametraka ny fanontaniana dia rehefa mandinika ny testamenta vaovao dia toa tsy niantso an-drainy i Jesosy na indray mandeha aza hoe Jehovah .Inona no antony ? No-renier-ny ve ilay Andriamanitra (somary maherisetra ) tao amin'ny testamenta taloha ?

Raha toa hoy ianareo hoe mitovy : Dia tsy azoko hoe :nahoana no natao hoe Andriamanitra fitiavana sns...izay en contradiction tanteraka amin'ilay naniraka an'i Josoa .

Raha toa hoy ianareo hoe tsy mitovy : Dia inona no mbola hitazomana ny testamenta taloha ho ao anaty baiboly ?


PS: Apetrako dieny mialoha fa fanontaniana manitikitika ahy efa hatramin'izay mihitsy ireo (satria rehefa mitsimpona testamenta taloha ohatra (:wink:amin'i Ika ) dia hoy ianareo hoe Kristianina manaraka an'i Kristy ianareo sns.... ) fa tsy sanatria aho akory mananihany sao dia misy tezitra indray mantsy.

répondu par rabilabila le 13/11/2007 13:32
2. cazal ( 09/11/2007 15:39)
jereo fa fa ny test taloha nadika t@ teny hebreo ary ny test vaovao t@ teny grika sy araméen !!!

ohatra : Jaona Joany Jean John, inona no mahasamihafa an'ireo? ny fomba nandikana azy fotsiny , fa olona 1 ihany io rehefa mandé any @ firenena hafa!!!

zavatra tsy important eo famonjena izany !!!izany lé woé fanotaniana adaladala !!!!
3. rabilabila ( 09/11/2007 15:59)
Miala tsiny indrindra amin'i Cazal fa Araméen ....Syriaque.....fa tsy Hebreo akory ,taty aoriana vao nadika tamin'ny taratasy en grec,Latin.....teny frantsay.....teny malagasy .
4. xxx ( 09/11/2007 16:07)
Ny testamenta vaovao araka an'i Jesoa dia manao an'ilay Andriamanitra ho akaiky ny tena, ho niteraka ny tena. Tsy Ilay Masina sarotra atonina tamin'ny andron'i Mosesy fa Ilay Ray izay iray amin'ny tena. Ny tian'i Jesoa ambara tamin'ireo mpitandrina ny lalanan'i Mosesy dia hoe "tsy antsoina lavitra anie Andriamanitra fa afaka mitoby ao anatinareo e!". Izy milaza ny Tenany ho Andriamanitra no nanenjehan'ny Jiosy Azy, nefa hoy koa Izy tamin'ireo hoe "tsy ny soratrareo ihany va no miteny hoe andriamanitra ny olona?".
Manala ireo fady be dia be tamin'ny andron'ny lalana i Jesoa satria te-hampitoby an'Andriamanitra ao anatin'ny tsirairay, ka ny tsirairay no afaka hiantso hoe Ray Azy.
Eo amin'ilay hoe Jehovah lozabe, dia toy ny ray mananatra ny zanany io. Mety ho voakapoka ianao raha tsy manaraka ny Lalam-pitiavana tiany hotanterahanao.
5. ikaretsaka ( 09/11/2007 16:09)
Rabilabila,mitovy sika sy enao ary zavatra efa mba nampanotany tena ahy ihany koa io!
amiko aloha: izy ihany io,
Ireto dia fijeriko manokana:
izaho t@ 2 taona lasa (azafady @ teny faratay):
La Bible nous parle souvent dans l'Ancien Testament d'un DIEU justicier qui sanctionne et punit tout péché. C'est le Dieu qui m'a été enseigné dans mon enfance… Je pense que les prophètes ont dû parler parfois en leur nom, voyant DIEU agir selon les responsables de leur temps ! En effet ils ont annoncé un DIEU plein de tendresse, lent à la colère, incapable de sévir car plein d'amour.
ary @ vodivodin'ny exode 3 ary no nahitako passagen'io, 70 ngamba izy izay, le hoe Tiany Israely dia tapa -kevitra izy ny hamonjy de naniraka leaders, dia ireo leadesr ireo no.. satria izany no fijery t@ izany

Tohizo hatrany @ Jeremia, Ezekiela. Osea. Izaia, sns... anie e,fa misy ao ny hoe mitady ny very e, tsy manadino e,Tia e, sns....

(Tsy mahay mitsimpona aho :wink: fa mi garantir kosa fa misy an'izay idee izay ao)

Izany no nahatonga ahy t@ solution hoe mikonfesy sns.. sy hoe.. 'Nareo koa ve hiala? tsy miala za ka! ho aiza ary?'

6. rabilabila ( 09/11/2007 16:16)

xxx>
Tenany ho Andriamanitra no nanenjehan'ny Jiosy Azy, nefa hoy koa Izy tamin'ireo hoe "tsy ny soratrareo ihany va no miteny hoe andriamanitra ny olona?".

Soratrareohoy izy ,donky zegny ,tsy sorany ilay izy ,donky zegny ;tsy didiny koa ny ao anaty TT?
7. rush ( 09/11/2007 16:31)
Andriamanitra Ray namorona izao tontolo izao no Jehovah,rehefa vita ny vavaka dia manao: amin'ny anaran'ny Ray, zanaka sy ny Fanahy masina,
8. tsimiandravola ( 09/11/2007 22:02)
-Tsy misy mihitsy kristianna afaka na sahy manome fanazavana mahafatra-po an-dRabilabila ny amin'izany.

Miala tsiny fa ato daholo ny valiny fa saingy tsy maintsy mamaky 3 Tome ny boky nosoratan'i D Massé.

http://www.histoire-christ-gnose.org/Masse.htm
9. rabilabila ( 09/11/2007 22:48)
Ika>>> Naveriko novakiana ireo nolazainao tamin'ilay "boky nidramiko tany amin-dry zalahy dia efa naveriko tany ka any aminy ianareo mifanaraka"
fa tsy mamaly loatra ny fanontaniako .:)
10. fijo ( 09/11/2007 23:31)
ka ika aza io mpino mahalala tsara mitovy fanontaniana amindrabilabila,koa nahoan ano lazaina fa adala le fanontanian ary cazal.sa io le mino afotsiny ihany????
11. soanja ( 10/11/2007 01:34)
Izao le izy Rabilabila raha ny finoako no hazavaiko.

Ilay GOD na Andriamanitra na Yaveh na Jehovah sns lazaina ao amin'ny TT dia io ihany no JESOA na i Kristy ary io ihany koa no FANAHY MASINA. Refa miresaka i JESOA dia ny tenany no resahiny amin'ny mahavatana azy ary io Fanahy mahaAndriamanitra azy io no iantefany. Izay tsy aiza fa ao aminy ihany , eny ivelany, manerana e!

Ny baiboly anie raha arahina akaiky dia izay no fanazavany e:

Ny TT di fanomanana sy ny fikasan'Andriamanitra.
Ny TV dia filazana ny fahasoavana amin'ny fisiany = Ny FITIAVAN'ANDRIAMANITRA.

I JESOA ilay fitiavana lehibe resahiny hatramin'izay ao amin'ny TT. Izy ilay TENY TONGA NOFO zany hoe IZY Andriamanitra Jehovah no naka endrika zanak'olombelona hiaina eo anivontsika hanome antsika ny zavamahasoa rehetra izay tadiavintsika amin'ity fiainana feno petina ity.
Refa lasa izy zany hoe MATY izay tafiditra tao anaty fikasana koa satria eo ilay FITIAVAN-DEHIBE , zany hoe efa voalaza mialoha izany, dia ny FANAHY MASINA no solony. Ka raha hiresaka Andriamanitra isika amin'izao fotoana izao dia io FANAHY MASINA io no tokony resahina satria io no ILAY ANDRIAMANITRA= JESOA= JEHOVAH sns...

raha mila fanazavana bebe kokoa i Rabolabila ka tianao ampiarahiko amin'ny tsaingotsaingoka ary sy aty my hevitro dia ho avy aho amin'ny angady sy ny harona fa kapoakako zany refa tena raikitra le izy. :)

Anelanelan'izay anefa dia tsy handany hodi-tanana aho raha tsy vonona hiatrika ny tiako hambara ianao satrai lasa zava-poana ny fanazavana refa tsy vonona handray ny mpamaky fa efa misy mind set amin'ny zavatra mifanohitra. :-*:-*:-*

12. tsimiandravola ( 10/11/2007 08:20)
Soanja:
...tsy handany hodi-tanana aho raha tsy vonona hiatrika ny tiako hambara ianao satrai lasa zava-poana ny fanazavana refa tsy vonona handray ny mpamaky fa efa misy mind set amin'ny zavatra mifanohitra.

Dia mivonona tsara ianao izany Rabilabila fa izahay tsy mpino an'i Jehova sy i Jesoa ary ny "scribes écclésiales" (=Fanahy Masina) dia efa hanomana ny "Pot d'adieu" satria mety ho vitan'i Soanja (sy i Kiranil ary i LD sy Niryna.. ) mihitsy ny hampatonga an-dRabilabila hanindroa an'i Saoly an!

Mahery anie ilay "Fanahy Masina" io ê! Jereo fotsiny izao ny mahazo an'i Niryna!

Ary mbola mety hihitatra toy izany koa ny mahazo an'Ikaretsaka an! :D
13. soanja ( 10/11/2007 12:03)
Raha manjaka anie ry Ratsimiandravola ny Fitiavan'Andriamanitra dia tsinotsinona izany zavatra atahoranao izany.
Mahery ny Fanahy Masina fa ao anatin'ny tsara lalandava!
14. bosista ( 10/11/2007 12:03)
o ry xxx an! inn ka no mahalozabe an'i Jehovah?
soanja>>hoy ianao hoe: god,yaveh,jehovah sns...= jesoa iany io,afaka miantso ny tenanao ve ianao hoe :raiko?na koa reniko? de iza no hanoina ny antsonao eo?
15. soanja ( 10/11/2007 12:17)
Izay hoa tadidio foana fa sarinteny ny zavamisy ao amin'ny baiboly.

Io resaka Andriamanitra io dia FANAHY avokoa no milalao. I JESOA miresaka eo dia vatana na olombelona ka rehefa hiresaka na hifandray amin'ilay FANAHY izy dia hiantso ny ambonimbony kokoa dia Andriamanitra na ny rainy na reniny anie azo atao e. Fa RAY no tiany hiantsoana zany satria ny RAY no manana fahefana kokoa tamin'ny andron'ny Jiosy.

Raha manana ny FANAHY MASINA aho dia tsy izaho akory iny fa i JESOA na Andriamanitra TONGA HITOETRA AO AMIKO. Tsy afaka ny hiteny velvely aho hoe ANDRIAMANITRA raha mbola ety amiko ny hoditra na nofo mahaolombelona. Tsy maintsy nandalo ny FAHAFATESANA sy ny FITSANGANANA TAMIN'NY MATY IZY HAMPISEHO ANTSIKA NY VONINAHINY!
Amin'ny mahazanakolona azy SATRIA NATERAKA IZY, jereo tsara fa voalaza ao foana izany no iresahany amin'ny fotoana mahasahirana azy satria mitafy ilay hoditra na olombelona izy na dia AO AMINY AZA Andriamanitra.

NY fanahy mahaAndriamanitra dia 'transcendence' na avo kokoa noho ilay nofo ety amintsika, ka raha tsy mahazo an'io fomba fisaiana io dia zava-poana ny finoana an'Andriamanitra AMIN'NY RESAKA KRISTIANINA.

16. rabilabila ( 10/11/2007 12:22)
Andray koa 'ty Tsimiandravola ,ka i Ika ary mbola miandry an'i Paoly amin'ilay kapoty knou!!
Pot d'adieu amin'inona e!! Aza matahotra !!Minoa fotsiny ihany :lol:
17. bosista ( 10/11/2007 12:33)
afaka miantso ny tenanao ve ianao ry soanja sa tsia? tsy novalianao akory angeh le fanontaniana!
18. bosista ( 10/11/2007 12:34)
mba manao sarin-teny toa an'i jeso-k izany ry soanja sa ahoana?
19. Fody ( 10/11/2007 13:34)
7. Mpandefa : tsimiandravola [ Valio ] 09-11-2007 23:02:51
Lohateny : Re : Mba mila fanazavàna kely raha tsy mahadiso
-Tsy misy mihitsy kristianna afaka na sahy manome fanazavana mahafatra-po an-dRabilabila ny amin'izany.

Nahoana moa no tsy misy?

Tsy misy tokoa aloha raha toa ka valin-teny hoe: "tsy mitovy mihitsy ireo" no andrasany e!

Saingy misy kosa raha ny tena zava-marina no andrasany. Miankina aminy indray na resaka somary atao lalindalina no atao na resaka faran'izay tsotra.

Raha baiboly no iangana dia efa hatrany amin'ny Jenezy no mampiseho fa Fitiavana Andriamanitra. Porofon'izany ny fahariana (tsara avokoa izay nohariany rehetra). Ny Tia ihany no mahay manao zavatra tsara. Manampy an'io ny fanomezany fahafahana ny olona.

Efa hatrany amin'ny Jenezy koa dia efa naseho fa: ilay Teny (logos) dia avy amin'Andriamanitra, ary Izy no nahariana ny zavatra rehetra.

Mbola ao amin'ny Jenezy ihany dia ef tsikaritra fa: Misy olona mihoatra ny iray ao amin'Andriamanitra, eny fa na dia Tokana ihany aza izy.

Mbola ao amin'ny Jenezy ihany dia efa hita ny fiahian'Andriamanitra ny olona rehetra, ny faniriany hanavotra ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka, hatramin'izay tsy mino ny anarany.

Mbola ao amin'ny Jenezy dia efa hita taratra fa te hifandray akaiky amin'ny olona Andriamanitra.

Ary tsy vao amin'ny Testamenta vaovao akory no niantsona an'Andriamanitra ho Ray, fa efa hatrany amin'ny Testamenta taloha. Ohatra iray ity: http://baiboly.katolika.org/?rub=baiboly/boky&boky=Jeremia&toko=3&andininy=


20. rabilabila ( 10/11/2007 13:49)
Soanja a!! Ny ahy efa mazava ny hevitro ,eritreritra manitikitika ahy no napetrako .Amiko ny fanazavàna (rarky ny resaka nataontsika tary ambadika ),dia mijanona ho fanazavàna ary anjaran'ny tsirairay no manaiky na mandà na mitsikera ilay fanazavàna !!Sa tsy izany ?:)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706