ny tena marina mikasika an'ny satana...mba hazavao hoe?

1. bosista ( 30/10/2007 16:41)
inona no mahatonga an'i satana(na koa ny devoly na ny demony) mihamaro,izay hita etsy sy eroa? hafa ny roahina androany hafa ny roahina ampitso?
immortel ve ny devoly sa ahoana?
manambady sy manaraka ve izy ireny? de aty amin'olombelona ve izy ireny no mila fonenana sa ahoana? aiza marina no tena tananan-dry zareo fa misy inona any no aty amin'olobelona no mila ....?
misaotra anao mialoha hamaly!
répondu par Fody le 15/11/2007 16:16
2. ikaretsaka ( 30/10/2007 16:49)
satria izy koa anisan'ny "zava-boaharin'Andriamanitra"... dia mety tsy mbola lany tamingana izany..

moa mety tsy manana basy mety na tsy ampy ny fitaovana ampiasainy ka tsy mifanentana aminy ilay "mpihaza azy"! ..Ohatran'ny hoe hitifitra lalitra @ filesy ohatra !

Fijeriko manokana ireo a
3. pissoa ( 30/10/2007 16:58)
hafa ny roahina androany hafa ny roahina ampitso?

Fanontaniana kloo

ahoana ny hahafantarana hoe hafa ilay noroahina androany dia hafa ilay roahina radem ? :oops::-D
4. bosista ( 30/10/2007 17:10)
raha mijery mijery ireny fandroahana demonia @ televiziona ireny ianao de mahita azy
5. niryna ( 30/10/2007 17:21)
bosista:

inona no mahatonga an'i satana(na koa ny devoly na ny demony) mihamaro,izay hita etsy sy eroa? hafa ny roahina androany hafa ny roahina ampitso?
immortel ve ny devoly sa ahoana?
manambady sy manaraka ve izy ireny? de aty amin'olombelona ve izy ireny no mila fonenana sa ahoana? aiza marina no tena tananan-dry zareo fa misy inona any no aty amin'olobelona no mila ....?
misaotra anao mialoha hamaly!

Ny satana dia nanana fitsiriritana ny toerana nisy an'Atra taminy voalohany kanefa izy dia anjely faran'izay tsara.Noho izany fitsiriritana nisy taminy izany dia nazera tety an-tany izy ,ny anjely dia hiraka ny messengers ary noho isika nahazo fahafahana hifidy dia nahazo koa ny anjely ,nisy nanaraka an'i satana ary nisy niaraka amin'Atra.
Tsy manambady ,tsy miteraka ,tsy misy filahiana na fivavihana,tsy mitombo fa maro dia maro.Aleo aloha ho jereko ny baiboly hilaza izany.
Ny mahatonga azy mifindrafindra indray dia toy izao:
Raha tsy nino ilay olona ka lasa kristiana dia madio izany ilay trano na faritra misy ilay olona,misodisody eo izy ka ny zanany ,ny vadiny ,ny havany ,ny namany ary ny manodidina ilay olona no ataony fitaovam-piasana hamotehina ilay manana trano madio.Rehefa misy iray tafiditra mamingana ilay madio trano dia lasa izy maka namana avo fito eny satria tsy maharesy ilay teo irery intsony izy.
Mahereza! mbola hitohy fa maika

6. rabilabila ( 30/10/2007 17:49)
Efa nisy nahita demony angaha ianareo ?
Mba misy afaka manao "portrait robot " ve ?na koa hoe amin'ny fomba ahoana no ahafantarana hoe demony iny ?
7. ikaretsaka ( 30/10/2007 18:39)
fantatro fotsiny ny ahy hoe creature ilay izy...
de za koa tsy mahafantatra hoe "demony" iny!
8. pissoa ( 30/10/2007 20:27)
bossista : za tsy mijery :oops::-D:-D:-D
9. fijo ( 30/10/2007 21:09)
ny satana sy andriamanitra dia mitovy fa tsy sahala,ny sainao no mampisy na tsy mampisy azy.aminay io tsy misy
10. soanja ( 31/10/2007 01:50)
Amiko aloha dia tsy misy zany satana, demony sns zany fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.

Ny satana mivaingana amiko dia ny rongony, ny toaka ary ireo zavatra manimba (aretina, olona) ny olombelona ka tsy ahafahany manantanteraka ny adidiny dia ny fikarakarana ny tenany ao anatin'izany ny fivelarany amin'ny mahaolona azy, ny ankohonany, ny manodidina azy ary ny tontolo iainany.
11. Rasiligaoma ( 31/10/2007 03:00)
miombona fijery amin'i Soanja
Satana koa amiko ilay famendrofendroana hoe rehefa zavatra tsy hay dia amboarina ny sain'ny olona hoe satara
Amiko ny naka fanahy an'i Jesosy tany an'efitra dia herin-tsaina hafa mihitsy.
karazan'ilay manao fanadinana dia hoe ity sa iry no valiny
12. soanja ( 31/10/2007 03:17)
Rasiligaoma:

miombona fijery amin'i Soanja
Satana koa amiko ilay famendrofendroana hoe rehefa zavatra tsy hay dia amboarina ny sain'ny olona hoe satara
Amiko ny naka fanahy an'i Jesosy tany an'efitra dia herin-tsaina hafa mihitsy.
karazan'ilay manao fanadinana dia hoe ity sa iry no valiny


Ary sao dia sekta iray ary isika sy Rasil? tsy mampanahy ahy miarasekta aminao mantsy.:):):)

13. Rasiligaoma ( 31/10/2007 03:25)
Mety aminao ny sekta atao hoe "Kristianina Malala-tsaina" :-D izany manko ny sekta misy ahy
14. soanja ( 31/10/2007 03:38)
Ie mety amiko io.
Mety aminao ny sekta mifandray tendro, fo sy saina ary fanahy fa tsy mifandray vatana fa rantsam-batana ihany?:):):) :)
15. Rasiligaoma ( 31/10/2007 03:48)
amiko indray izay tsy mety..
aiza no ahalalako fa i soanja io sy hoe tanan'i sianja io na tsilovin'ny fanahy tahaky ny inona aza aho?
16. niryna ( 31/10/2007 03:54)
Satana dia hery tsy hita maso kanefa afaka mampiseho sy mampiasa izany hery izany amin'ny alalan'ny olona.
Izany no antony tsy hiadivana na hitezerana ireny olona manao ratsy ny tena ireny indraindray,ny mivavaka ho azy ireny aza no tokony atao.

1- Ny fanahy ratsy dia miverina any amin'ireny olona nisy azy ireny ihany raha ohatra ka tsy mino an'Atra ilay olona
Matio 12:44
Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
2-Tsy afaka miverina amin'ilay nipetrahany intsony izy raha ohatra ka nandray ny Tompo eo amin'ny fiainany ilay olona ,ny Fanahy Masina indray no miaraka aminy.
1 Kor 6:19 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo
2 Kor 6:15-16 Ary inona no ifanarahan'i Kristy sy Beliala? Ary inona no iraisan'ny anjaran'ny mino sy ny tsy mino?
Ary inona no ikambanan'ny tempolin'Andriamanitra amin'ny sampy? Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny nataon'Andriamanitra hoe:"Honina eo aminy Aho sy handeha eo aminy; ary ho Andriamaniny Aho, ary izy ho oloko" (Lev.26.11.12).

3-Mety ny firenena na antoko maro no minomino foana,mivavaka amin'ny Atra -hafa na miankohoka amin'ny sarin-javatra ary dia izany firenana rehetra izany dia hipetrahan'ny demony.
Mat 12:45 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran'izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin'ity taranaka ratsy fanahy ity.
17. Rasiligaoma ( 31/10/2007 04:03)
ilay fitsarana be fahatany hoe iza no iza amin'ilay devoly anie ry niryna no resaka e!
18. soanja ( 31/10/2007 04:08)
Rasiligaoma:

amiko indray izay tsy mety..
aiza no ahalalako fa i soanja io sy hoe tanan'i sianja io na tsilovin'ny fanahy tahaky ny inona aza aho?


De ahoana izany no ahafantaranao fa i Soanja io? Tsy voatery mifampikasika izany koa anie refa tsy manaiky izany ny momba anao e. Zah mandohalika ianao, miankohaka na mitsangana sns ary matetika aza anie tsy voatery hiray trano fiangonana akory aza ny mpiray finoana fa mampitovy fotsiny.


19. Rasiligaoma ( 31/10/2007 04:11)
ny 'entan"i soanja! aleo ihany tazoniko i soanja fa tsy hitako izay ataon'i soanja any ko
raha mifampi calins izao isika sy i soanja no sady mivavaka mikimpy maso mandefa fanahy any! anoka fotsiny! ny anjely aza inoako hankafy!
20. soanja ( 31/10/2007 04:13)
Aleo kalo zah handeh hatory fa amaray indray sao de... :-*:-*:-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0658