ny tena marina mikasika an'ny satana...mba hazavao hoe?
22. niryna
(
31/10/2007 04:52)
niryna:
bosista:
inona no mahatonga an'i satana(na koa ny devoly na ny demony) mihamaro,izay hita etsy sy eroa? hafa ny roahina androany hafa ny roahina ampitso?
immortel ve ny devoly sa ahoana?
manambady sy manaraka ve izy ireny? de aty amin'olombelona ve izy ireny no mila fonenana sa ahoana? aiza marina no tena tananan-dry zareo fa misy inona any no aty amin'olobelona no mila ....?
misaotra anao mialoha hamaly!
Ny satana dia nanana fitsiriritana ny toerana nisy an'Atra taminy voalohany kanefa izy dia anjely faran'izay tsara.Noho izany fitsiriritana nisy taminy izany dia nazera tety an-tany izy ,ny anjely dia hiraka ny messengers ary noho isika nahazo fahafahana hifidy dia nahazo koa ny anjely ,nisy nanaraka an'i satana ary nisy niaraka amin'Atra.
Tsy manambady ,tsy miteraka ,tsy misy filahiana na fivavihana,tsy mitombo fa maro dia maro.Aleo aloha ho jereko ny baiboly hilaza izany.
Ny mahatonga azy mifindrafindra indray dia toy izao:
Raha tsy nino ilay olona ka lasa kristiana dia madio izany ilay trano na faritra misy ilay olona,misodisody eo izy ka ny zanany ,ny vadiny ,ny havany ,ny namany ary ny manodidina ilay olona no ataony fitaovam-piasana hamotehina ilay manana trano madio.Rehefa misy iray tafiditra mamingana ilay madio trano dia lasa izy maka namana avo fito eny satria tsy maharesy ilay teo irery intsony izy.
Mahereza! mbola hitohy fa maika
rasily a> io no fanontaniany ary io no valiny nomeko araka izay fantatro.Miampy indray ary: tsy mety maty ny fanahy ratsy fa mbola manjaka izy aloha hatramin'izao.Rehefa tonga kristy vao hijanona amin'izay ny fanjakany.Satria Kristy no hamarana ny herin'ny satana mandrakizay(Vakio ny Apokalypsa)
Tsy ny rehetra no honenany fa izay marivo sy tsy mino an'Atra.Tsy olombelona koa izy fa fanahy ratsy misodisody ka mitady izay haripany andro indrindra ny alina (halloween ha,ha,:roll:)Ao anaty ny aizina no manjaka ny maizina.oops.
Hery tsy hita maso kanefa dia tena mitolona amin'ny hianao,saingy raha manana an'i kristy dia tsy tokony hatahotra velively.
23. barry
(
31/10/2007 08:36)
Ianareo zay tsy mino ny satana ; moa ve ireny mpanao magie ireny avy @ Atra sa ny devoly??Fa izaho aloha mino fa asa avy @ devoly reny ; satria ry zareo tsy hafaka manao ireny raha tsy efa nanao pacte , misy ary ny sasany sedrain'ny devoly matory any ampasana sy milalao ny faty ; zay vao mahazo miaraka aminy:twisted:
Misy koa ny hoe manambady devoly oh: mbola kely ny zaza dia ataon-jareo eny @ ireny sorona na sacrifice ireny dia iny zaza iny efa azy; dia lasa vadiny rehefa lehibe!d rehefa tady hanao lhl ilay sipa @ io dia ampijalin'ilay devoly; dia mandrapahafaty dia tsy hafaka ao izy;dia mahatsiaro mijaly mitsy io sipa io fa misy manao l'amour aminy faona isaky ny alina;tena tsapany sy henony ,kanefa tsy hitany;ary ilay devoly fetsy be fa tsy mahazo manao sipa mitsy ilay sipakely;ary rehefa ilay vonoin'ilay devoly izy;dia tena mangamangana daholo ny tarehany sy ny sandriny ; ary ilay devoly koa miresaka aminy rehefa @ alina fa tsy hitany ; dia matsiaro mijaly izy dia mitady ireny Eglise mpanala devoly ireny; fa tsy hafaka hatramin'izao;Ahona ny hvt rareo??

24. fijo
(
31/10/2007 21:46)
i soanja sy rasiligaoma ,raha samy kristianina ,dia ny anareo no tiako,satria tsy voafehin'ny fampianarana nasesika le finoana.ny tsy finoana ny fisian'ny satana io amin'ny mpino sasany dia efa tsy ekeny.
raha azoko dia manaraka na mirona kokoa amin'ny gnostika ianareo????

25. soanja
(
01/11/2007 01:23)
asa re ry Fijo fa dia no fahitako ny momba ahy.
Ianao anie fa noteneniko fa manaraha ahy e.

26. fijo
(
01/11/2007 20:44)
efa te hanaraka anie aho ry soanja,fa le sekta keliko koa mbola mila ahy e
27. ikaretsaka
(
02/11/2007 14:38)
barry:
Ianareo zay tsy mino ny satana ; moa ve ireny mpanao magie ireny avy @ Atra sa ny devoly??Fa izaho aloha mino fa asa avy @ devoly reny ; satria ry zareo tsy hafaka manao ireny raha tsy efa nanao pacte , misy ary ny sasany sedrain'ny devoly matory any ampasana sy milalao ny faty ; zay vao mahazo miaraka aminy:twisted:
Misy koa ny hoe manambady devoly oh: mbola kely ny zaza dia ataon-jareo eny @ ireny sorona na sacrifice ireny dia iny zaza iny efa azy; dia lasa vadiny rehefa lehibe!d rehefa tady hanao lhl ilay sipa @ io dia ampijalin'ilay devoly; dia mandrapahafaty dia tsy hafaka ao izy;dia mahatsiaro mijaly mitsy io sipa io fa misy manao l'amour aminy faona isaky ny alina;tena tsapany sy henony ,kanefa tsy hitany;ary ilay devoly fetsy be fa tsy mahazo manao sipa mitsy ilay sipakely;ary rehefa ilay vonoin'ilay devoly izy;dia tena mangamangana daholo ny tarehany sy ny sandriny ; ary ilay devoly koa miresaka aminy rehefa @ alina fa tsy hitany ; dia matsiaro mijaly izy dia mitady ireny Eglise mpanala devoly ireny; fa tsy hafaka hatramin'izao;Ahona ny hvt rareo??
dia inoan'i Barry daholo izany atsanga tsy aman'orana izany? Bokin'iza andininy fahafiry izany le
28. fijo
(
03/11/2007 00:11)
aoka letsy.hi hi hi mampalahelo mihintsy ny sasany amin'ity finoana fahatany ity.ary ny sinema ry barry toa misy maty nefa mbola mitsangana indray amin'ny film hafa
29. Fody
(
10/11/2007 16:10)
8. Mpandefa : fijo [ Valio ] 30-10-2007 22:09:53
Lohateny : Re : ny tena marina mikasika an'ny satana...mba hazavao hoe?
ny satana sy andriamanitra dia mitovy fa tsy sahala,ny sainao no mampisy na tsy mampisy azy.aminay io tsy misy
Tena contradictoire be mihitsy ianao zany rafijo.
Ahoana no asahinao milaza fa mitovy fa tsy sahala Andriamanitra sy satana?
Raha lazaina fa olona siantifika ianao dia vao maika tena mandiso izay voalazanao izany. Ambaranao fa tsy misy ireo nefa hamafisinao fa mitovy fa tsy sahala. MOa afaka miteny hoe x=2 ve raha tsy nahalala fa x-2=0. Toy izany koa eto: ianao tsy mahalala hoe: iza Andriamanitra, iza satana, dia sahy milaza fa mitovy ireo.
Manaraka: Ianao milaza fa tsy misy Andriamanitra, donc tsy afaka miteny ianao hoe toy izao izy zany, satria ny misy no azo faritana hoe toy izao na toy izao. Raha mampitaha azy amin'ny zavatra hafa ianao na amin'ny olona hafa dia manohitra izay lazainao ihany. Satria ny fampitahana dia tsy azo ekena raha tsy miaiky aloha fa misy ny zavatra roa ampitahana. Ary vao maika tsy mitombina ny fampitahanao raha zavatra roa samy lavinao ny fisiany no ampitahanao.
Fehiny: miteniteny foana ianao, ary tsy mahalala izay lazainao.
9. Mpandefa : soanja [ Valio ] 31-10-2007 02:50:44
Lohateny : Re : ny tena marina mikasika an'ny satana...mba hazavao hoe?
Amiko aloha dia tsy misy zany satana, demony sns zany fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.
Ny satana mivaingana amiko dia ny rongony, ny toaka ary ireo zavatra manimba (aretina, olona) ny olombelona ka tsy ahafahany manantanteraka ny adidiny dia ny fikarakarana ny tenany ao anatin'izany ny fivelarany amin'ny mahaolona azy, ny ankohonany, ny manodidina azy ary ny tontolo iainany.
Ianao ihany dia efa mitsipaka izay voalazanao: ambaranao ary ambadika ary fa Fanahy Andriamanitra, eto anefa dia lazainao fa Olona ihany no mitarehy satana na mitarehy andriamanitra. Toa te hilaza ianao hoe: ts misy Andriamanitra, ary tsy misy satana, fa ny zava-boaary ratsy tsy mahasoa ny olona no atao hoe: satana. Ary mbola tianao lazaina koa fa ireo olona manao ny ratsy no atao hoe: satana.
Misy ve anefa ny olona voasoratra, na voafaritra, na te hanao ny ratsy fotsiny izao? Tsy misy izany! Ny olona rehetra dia nohariana ho tsara avokoa, ary manana ny hatsarana ao aminy. Fa nahoana izy no manao ny ratsy? Moa tena fanahininy ve ny hanao ny ratsy tsotra izao? Mbola tsia ihany no valiny. Ny fanaovana ny ratsy dia safidy, toy ny fanaovana ny tsara. Misy ireo Fanahy mibitsika ao aminy sy mitarika azy: dia ny Fanahy avy amin'ilay ratsy sy ny Fanahin'Andriamanitra. Ary noho izy manana fahafahana dia afaka misafidy izay ho arahiny izy.
Ny zava-boaary rehetra koa dia nohariana mba hahasoa ny olona. Eny fa na dia ny rongony sy ny taoka lazainao fa ratsy ireo aza dia azo ampiasaina tsara hanasoavana olona (hanamboarana fanafody). Fa ny maharatsy azy kosa dia ilay olona baikon'ilay ratsy ka mampiasa azy hanimbana ny olona. Ilay olona mampiasa azy izay tsy mijery afatsy ny tenany sy ny tombon-tsoany, izay toetra mifanohitra tanteraka amin'izay atoron'ny Fanahin'Andriamanitra antsika, izay maniry ny hahavelona am-piadanana ny olona rehetra.
Tsy hiditra lalina amin'ny resaka baiboly aho fa fanamarihana kely fotsiny no tiako hapetraka: raha tsy misy Andriamanitra, raha tsy misy satana, fa olona ihany no mitarehy andriamanitra, na mitarehy satana, dia midika io fa: ny Baiboly dia diso hatrany amin'ny voalohany ka hatrany amin'ny Farany. Ary i Jesoa dia tsy Andriamanitra, ary Andriamanitra koa dia tsy misy.
Hevi-diso be anefa ireo: satria Andriamanitra dia misy, ary ny Baiboly dia milaza ny fahamarinana.
30. soanja
(
10/11/2007 17:30)
Tsy ny olona no voafaritra hanao ratsy fa ny tsy fisian'ny/fahampian'ny asan'ny fanahy ao anatiny no mitondra/mitarika azy hanao RATSY satria mahery ny FILANA!
Io asan'ny fanahy io anefa dia mbola resaka koa io amin'ny tsy mpino satria io aza no antsoina hoe
ETHICS! Zany hoe na tsy mino an'Andriamanitra aza izy dia mbola mila ampianarina azy ny fisian'ireo Ethics ireo vao hahalala izy fa izay no TSARA takian'ny fiarahamonina. ARY izireo dia betsaka mahavita zavatsoa mihoatra ny isika izay milaza antsika ho Kristianina.
Raha ny amintsika mpino moa dia mbola misy zavatra isan-karazany atoro ny zaza sy ampianarina antsika isan'alahady milaza hoe inona no TSARA tokony arahina. Io no antsoina hoe MITZVOTS amin'ny finoana Jiosy, izay finoana noraisaintsika KRISTIANINA ary novantsika mifanaraka amin'ny KRISTY inoantsika fa Andriamanitra. Sady iainana io no arahina ary ianarana sns...

31. Fody
(
11/11/2007 23:28)
9. Mpandefa : soanja [ Valio ] 31-10-2007 02:50:44
Lohateny : Re : ny tena marina mikasika an'ny satana...mba hazavao hoe?
Amiko aloha dia tsy misy zany satana, demony sns zany fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.
Io no zavatra nolazainao izay tsy maha d'accord ahy, ary efa nolazaiko io ambony io ny hevitro.
Tsy hitako mihitsy anefa izay ifandraisan'io amin'ity
29. Mpandefa : soanja [ Valio ] 10-11-2007 18:30:24
Lohateny : Re : ny tena marina mikasika an'ny satana...mba hazavao hoe?
Tsy ny olona no voafaritra hanao ratsy fa ny tsy fisian'ny/fahampian'ny asan'ny fanahy ao anatiny no mitondra/mitarika azy hanao RATSY satria mahery ny FILANA!
Io asan'ny fanahy io anefa dia mbola resaka koa io amin'ny tsy mpino satria io aza no antsoina hoe
ETHICS! Zany hoe na tsy mino an'Andriamanitra aza izy dia mbola mila ampianarina azy ny fisian'ireo Ethics ireo vao hahalala izy fa izay no TSARA takian'ny fiarahamonina. ARY izireo dia betsaka mahavita zavatsoa mihoatra ny isika izay milaza antsika ho Kristianina.
Raha ny amintsika mpino moa dia mbola misy zavatra isan-karazany atoro ny zaza sy ampianarina antsika isan'alahady milaza hoe inona no TSARA tokony arahina. Io no antsoina hoe MITZVOTS amin'ny finoana Jiosy, izay finoana noraisaintsika KRISTIANINA ary novantsika mifanaraka amin'ny KRISTY inoantsika fa Andriamanitra. Sady iainana io no arahina ary ianarana sns...
Izaho tsy milaza hoe: tsy misy lojika, fa tsy hitako izay hifandraisany, ka raha mety dia mba hazavao misimisy kokoa.
Misaotra mialoha.
32. soanja
(
13/11/2007 15:37)
Fody>
Mitarehy Andriamanitra = Mitarehy hatsarana, mitarehy Fitiavana, Fiombonana, Fikarakarana ary fitsinjovana ny ho avy sns.... Miasa ao aminao Andriamanitra ary ny tranga ety ivelany dia milamina sy tsara. Fa tsy ianao no Andriamanitra!
Mitarehy Satana = Mitarehy haratsiana, Fanapotehana ary Fitiavan-tena diso tafahoatra ka manimba ny hafa sy ny tontolo manodidina. Miasa ao aminao ny fafam-panahy ary ny tranga ety ivaleny mampalahelo sady ratsy. Fa tsy ianao no Satana!
Ny hoe tsy misy i Satana na I Demony dia ny hevitra heverin'ny olombelona hoe olona mandehandeha na FANAHY mandehandeha handripaka no tiako resahina.
Ny Fakam-panahy dia ao amintsika rehetra ary mitoetra raha tsy potsehina na esorina na fohanana nohon'ny fisian'ny FANAHY MASINA MANENIKA SY MIASA. Tsy mandehandeha akory io FAKAMPANAHY io fa matory ao anaty ary fa afaka mifoha rehefa tsy ampy ny tosika + izay ananantsika koa ao anaty dia ny Fanahy MAHAOLONA! Io fanahy mahaolona io no isan'ny tsy mpino rehetra ary ahavitana zavatsoa saingy voafetra ny azy ny zavatsoa azony na tombony azony amin'io.
Rehefa miasa ny fakam-panahy dia io no antsoina hoe SATANA "ara-kevitra izay lazaina foana ombieny ombieny fa tsy olona velively misy tandroka" na EVIL SATRIA HITONDRA AMIN'NY DESTRUCTION izay!

33. Fody
(
13/11/2007 17:58)
Aleo moa manontany ihany amin'izay mazava tsara ny resaka.
Raha jerena akaiky izay lazainao dia manda ny fisian'i satana sy ny fisian'Andriamanitra ianao, satria hoy ianao hoe:
Amiko aloha dia tsy misy zany satana, demony sns zany fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.
Midika io fa: i Satana na Andriamanitra amin'ny maha izy azy dia tsy misy fa ny olona manao ny tsara no maka endrika Andriamanitra, ary ny olona manao ny ratsy no maka endrika satana na demony. Tsy ireo olona ireo anefa no Andriamanitra na Demony, fa maka ny endriny fotsiny izy, izay lazainao fa tsy misy ery ambony ery.
Raha mitondra fanazavana manaraka anefa ianao dia toa mifanohitra amin'izay voalazanao indray no ambaranao, satria hoy ianao:
Mitarehy Andriamanitra = Mitarehy hatsarana, mitarehy Fitiavana, Fiombonana, Fikarakarana ary fitsinjovana ny ho avy sns.... Miasa ao aminao Andriamanitra ary ny tranga ety ivelany dia milamina sy tsara. Fa tsy ianao no Andriamanitra
Mitarehy Satana = Mitarehy haratsiana, Fanapotehana ary Fitiavan-tena diso tafahoatra ka manimba ny hafa sy ny tontolo manodidina. Miasa ao aminao ny fafam-panahy ary ny tranga ety ivaleny mampalahelo sady ratsy. Fa tsy ianao no Satana!
Manohitra izay voalazanao ery ambony ery ianao satria izao: lazainao fa : Miasa ao aminao Andriamanitra ary ny tranga ety ivelany dia milamina sy tsara. Fa tsy ianao no Andriamanitra
Tsy afa-miasa Andriamanitra raha toa ka lazaina fa tsy misy. Ny zavatra tokony ho marihana voalohany izany aloha dia ny hoe: Misy Andriamanitra, izay vao afaka milaza ianao hoe: misy ny olona "mitarehy Andriamanitra" fa tsy Andriamanitra. Ny ananan'izy ireo ny Endrik'Andriamanitra dia noho izy manaiky iasan'ny Fanahin'Andriamanitra ao aminy, ary mampiseho amin'ny olona ny endrik'Andriamanitra amin'izay ataony sy izay lazainy.
Toy izany koa ny hoe:Miasa ao aminao ny fakam-panahy ary ny tranga ety ivaleny mampalahelo sady ratsy. Fa tsy ianao no Satana!Midika io fa misy koa ilay ratsy (satana, demony...) ary ny faneken'ny olona miara-miasa aminy no hahafahany manantateraka izay kasahiny atao dia ny fandravana ny zava-boaarin'Andriamanitra rehetra.
Rehefa miasa ny fakam-panahy dia io no antsoina hoe SATANA "ara-kevitra izay lazaina foana ombieny ombieny fa tsy olona velively misy tandroka" na EVIL SATRIA HITONDRA AMIN'NY DESTRUCTION izay!
Ny fakam-panahy aloha dia tsy Satana mihitsy. Ny Fakam-panahy dia "acte" fa tsy "sujet". Ary ny fanekentsika sy fanarahantsika an'io fakam-panahy io no mahatonga ny Ota.
Tsy ny fakam-panahy no Satana na Demony, fa ilay mpaka fanahy no satana na demony.
Ohatra: misy tovovavy tsara tarehy iray, manao zipo fohy dia fohy satria izany no lamody. Tsy manana eritreritra mihitsy izy haka fanahy ny manodidina azy, fa anaovany izay fitafiana izay satria izay no hitany fa mahatsara azy.
Manoloana azy anefa misy tovolahy iray mitsiriritra mafy mahita ny hatsaram-bikany, ary indro fa mijangajanga ao anatiny sahady.
Eto dia tsy ilay vehivavy mihitsy no Satana, na dia lazaina ary fa fakam-panahy ho an'ny hafa izy.
Tsy ilay tovolahy koa.
Fa iza àry?
Ilay Fanahy ratsy miasa ao anatin'ilay tovolahy ka manararaotra ny fahalemeny (diso mankafy loatra) manolona ilay vehivevy. Ilay vehivavy eto dia zary toy ny fakam-panahy ho an'ilay lehilahy. Nefa tsoriko fa diso ny filazana fa ampiasan'i satana hakana fanahy an'ilay lehilahy izy.
Fehiny: I satana dia miasa tokoa ary manova ny fijerintsika ny zava-boaary,ny zava-misy, sns... mba handavantsika an'ilay fomba fijerin'Andriamanitra. Ohatra: ao amin'ny Jenezy: Andriamanitra manao hoe: aza mihinana amin'io ianareo fa ho faty. Ny mpaka fanahy, dia i satana, manao hoe: mihinana fa hitovy amin'Andriamanitra ianareo. (Io moa mbola resaka hafa ny hamelabelarana azy raha ilaina)
Farany: ny sary dia entina ampitana hevitra toy ny soratra ihany. Raha mandeha any amin'ny Cathédrale ny Montreal ianao dia hahita fa ny Baiboly manontolo dia voaseho amin'ny alalan'ny sary. Ka raha asina tandroka, rambo, sns ny sarin'i satana dia tsy midika fa toy izay izy, fa kosa ireo zavatra rehetra ireo dia misy dikany avokoa. Ohatra ny loko mainty dia midika ho fahafatesana mazana....
34. soanja
(
14/11/2007 01:21)
Fody:
Aleo moa manontany ihany amin'izay mazava tsara ny resaka.
Raha jerena akaiky izay lazainao dia manda ny fisian'i satana sy ny fisian'Andriamanitra ianao, satria hoy ianao hoe:Amiko aloha dia tsy misy zany satana, demony sns zany fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.

Mahavariana be ny hijerevanao azy zany.
Tsy mbola nisy angamba tato resaka nomeko hatramin'izay ka nilaza fa tsy misy ANDRIAMANITRA!
Raha nanoratra an'io aho dia omeo. Ny filazana kosa fa tsy misy i SATANA dia ireo be dia be ireo.
Ka izay mantsy le izy ry Fody o, ny fanahy mahaolona ao amin'olombelona dia nomen'Andriamanitra antsika ho isan'ny SAFIDY ampiasaina. Dia tahak;izay koa ny fakam-panahy ao amintsika, izay isany'ny zavatra nomen'Andriamanitra koa novoleny tao amintsika.
Io ilay hoe HAZON'NY FAHALALANA NY TSARA SY NY RATSY! raha amin'ny fandinihina nataoko izany fa asa izay ny an'ny hafa.
Afaka ahazavaiko amin'ny antsipirihany io amin'ny afara fa mbola maika aho.
Ny fiasan'ilay fanahy mahaolona ary nikatsaka an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asa sy finoana ary ny fanompoana AZY ATRA dia hitondra anao handray an'ilay FANAHY MASINA, izay tsy iza fa Andriamanitra ihany koa.
Ny fakam-panahy kosa raha ampiasainao , zany hoe tsy hoe tsy nisy nanampo fa niasa ho azy dia diso tokoa izany, ny sainao no hisafidy fa hangalatra ianao, ny sainao no maka safidy fa hijangajanga ianao, ny sainao no misafidy fa haka drouge ianao. Saingy izao anefa ny fiantraikan'iny dia tsy mora fa hitarika amin'ny ota ary hiafara amin'ny ny fahafatesana na ara-panahy na ara-batana aza.
Ka raha tsy azonao ireo hevitro ireo de tsy hitako izay hanazavana azy aminao.
Tsy hoe akory milaza aho fa mitarehy Andriamanitra ny olona iray dia tsy misy ANDRIAMANITRA! fa izay no tianao hohitanao amin'io soratro io dia raiso izay fa tsy izay le izy. Andriamanitra dia afaka miaina ao anatintsika fa isika kosa tsy ANDRIAMANITRA VELIVELY na hanana ny FANAHY MASINA AZA.
Ny hidiran'i Satana amin'io resaka io dia tsy midina avy any an-danitra ny Satana hoe olona na biby misy tandroka na fanahy manerongerona fa ny ao anatinao miara miasa amin'ny olana ety ivelany no isian'izany fakam-panahy ka miteraka ota izany. SAFIDINAO ny hanota ary safidinao ny hanao zavatra iray tsy eken'Andriamanitra. Fialana bala fotsiny izany hoe SATANA no tonga manome anao izany SAFIDY izany!
Jereo amin'ny maso tsy miangatra fotsiny le izy hoe tsy nisy naniraka ny olona iray hamono olona fa na izy marary saina dia voan'ny ilay aretina maheno feo roa, dia namono olona ohatra na izy naka rongony ka niakatra ny herin'ny rongony na toaka na hafa miasa eo aminy na izy mihitsy no efa tena te hamono ilay olona.
Tsy misy hoe hery hafa no hanome anao izany fitiavana te hamono izany raha tsy hoe accident angaha dia izay hafa koa ny fivoakany.
Tsy voatery hitovy hoa ny fijerintsika fa aza manahy ny amiko. Hevitro ireo ary tsy voatery hanana namana hino azy fa izay ahatongavantsika eo anivon'ilay Ray tsy tohaina no zava-dehibe. Ny lalana mety samihafa. Raha mitondra amin'ny lalana diso aho dia lazao.
Mbola tsy niteny aho hoe "manota daholo fa tsy misy i SATANA' mifanohitra amin'izay aza hoe "ampiasao ny saina , ny fanahy ao aminao ary ny vatanao amin'izay mahasoa fa aza avelan'ireo filana ireo hanjakainy ny tontolon'ny fanahinao sy ny vatanao ary ny sainao!"
Be a spiritual being amongst the human beings!
35. ikaretsaka
(
14/11/2007 02:57)
izya ilay tsy mamaky tsara fa faly de hanesika e.. vao misy resaka " tsy misy" dia tsy vakiana ny tohiny
izay mantsy
Ny hidiran'i Satana amin'io resaka io dia tsy midina avy any an-danitra ny Satana hoe olona na biby misy tandroka na fanahy manerongerona fa ny ao anatinao miara miasa amin'ny olana ety ivelany no isian'izany fakam-panahy ka miteraka ota izany. SAFIDINAO ny hanota ary safidinao ny hanao zavatra iray tsy eken'Andriamanitra. Fialana bala fotsiny izany hoe SATANA no tonga manome anao izany SAFIDY izany!
izay mantsy
36. Fody
(
14/11/2007 10:19)
Misaotra indrindra aloha amin'ny fanazavana nomenao. Hitako fa efa miala tsikelikely ilay hevitra diso voalazanao tery ambony: dia ity izany:
Amiko aloha dia tsy misy zany satana, demony sns zany fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.
Fanamarihana: Tsy mampiteny izay tsy noteneninao aho, fa izay voalazanao ihany no averiko aminao. Raha io zavatra nolazaiko fa hevi-diso io mantsy no halalina dia azo ilazana fa: ho anao Andriamanitra tsy misy, satana tsy misy, fa ny olona no mitarehy satana sy mitarehy Andriamanitra.
Voalohany dia marihanao ny hoe: amiko aloha dia tsy misy izany satana, demony, sns zany.
Avy eo tohizinao indray amin'ny hoe: Fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.
Ny maha Fanahy an'Andriamanitra, tsy azo tsapaina sy tsy hitan'ny maso, dia tsy midika velively fa tsy misy izy. Toy izany koa, ny maha fanahy ny Demony na satana (fanahy ratsy) dia tsy midika fa tsy misy izy.
Ianao ihany moa no manohitra ny zavatra nolazainao avy eo amin'ity zavatra nolazainao ity:
Ny hoe tsy misy i Satana na I Demony dia ny hevitra heverin'ny olombelona hoe olona mandehandeha na FANAHY mandehandeha handripaka no tiako resahina.Io dia midika fa manaiky ianao fa misy satana.
Resaka safidy indray no anohizanao ny resaka eto: tsy maninona fa mba betsaka amin'izay ny zavatra fantatra sy ifanakalozana.
Ny safidy dia antsika no manao azy. Fa ao amin'izay resaka safidy izay dia misy ny fandraisan'anjaran'Andriamanitra sy ny Demony: misy ny hevitra avy amin'ilay Fanahy Tsara (Andriamanitra) ary misy ny hevitra avy amin'ilay fanahy ratsy (Demony). Ifandrohitan'ireo hery roa ireo ny olona, ka izay no nahatonga anao nilaza ery ambony ery hoe: raha tsy ampy vavaka dia ho very. Ny antony dia satria mila mamantatra bebe kokoa hatrany an'ilay fanahy tsara isika, mba hisafidianantsika hatrany ny hevitra atolony. Amin'ny alalan'ny fifandraisana matetika aminy anefa no hahalalana ny feony.
Ho an'i Ikaretsaka: io voalazako io no antsoin'i Md Ignace hoe: discernement de l'esprit
37. soanja
(
15/11/2007 01:23)
Ka izay ka amiko de tsy misy i SATANA na hiforcer-nao hino an'io aza aho. Azonao lalaovina ny teny nosoratako tsy manahy mihitsy.
Ny saina sy ny zavatra ety ivelany no miteraka ny Fakam-panahy, izay tsy inona fa novolen'ilay nanamboatra azy ihany dia i Andriamanitra mba hisian'ny safidin-tsarantsika na safidi-ratsintsika.
Andriamanitra kosa MISY satria izy no Mpamorona ireo rehetra ireo na nametraka an'ireo. Ny tiako resahina dia acts mifangaro amin'ny saina na eritreritra ny fiasan'ny fakampanahy. Fa Andriamanitra kosa dia FANAHY TONGA MITOETRA AO AMIN'NY OLONA IRAY!
Tsy hoe mety handray roa izany ny toeran'ny FM ao amintsika fa iray dia iray na JESOA na none!
Ny ankoatr'izay dia aretina aby no mifanakaiky aminy.

38. Fody
(
15/11/2007 16:16)
Tsy milalao teny araka izay nolazainao aho, ary tsy mampanaiky anao izay zavatra tsy ekenao.
fa izao: ny soratrao no milaza izay tianao lazaina. Ary ny fahazoako izay nosoratanao no nolazaiko, dia izay.
Ity moa averiko ilay izy: Amiko aloha dia tsy misy zany satana, demony sns zany fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana.. Jereo tsara fa ny fitanisanao ny zavatra tsy misy ho anao, dia nofarananao amin'ny hoe: sns. Iza aby na iza io sy ny sisa io? Anjaran'ny tsirairay no manohy azy. Nefa azo lazaina fa efa misy valiny nomenao amin'ny tohin'ny fehezan-teny.
Ny tohiny avy hatrany dia hoe: fa olombelona ihany no mitarehy Andriamanitra na mitarehy satana. Toa milaza io fa Andriamanitra, izay tsy nolazainao teo aloha dia anisan'ilay tsy misy koa, satria ampitovinao laharana amin'i satana eto: olona no mitarehy andriamanitra// olona no mitarehy satana. Mbola manamafy izany moa ny hevitra ery ambony nanohizanao azy
Izay moa no antony tena nahatonga ahy hanontany sy hitsikera ka anjaranao no mitsara ahy na mikritika fahatany aho na misy antony ihany ny critika nataoko.
NB: raha toa ka tsy nanontany koa dia tsy ho afaka nanazava izay tianao holazaina marina ianao. fa nijanona tamin'io ny hevitrao izay inoako fa betsaka ny nahazo azy toy izay fahazoako azy izay.