xxxxxx hoan'ny admin

1. fijo ( 25/10/2007 19:53)
salama aby nareo mpitantana eto.

ity resaka xxx ity moa efa nisy resaka teto foana fa tsy mbola nisy fepetra noraisina momba azy.ka mba hanao sosokevitra aho.

-olona lehibe sy malalatsaina isika eto,ka tsy hanakana fahatany ny manao xxx aho.saingy toa ny zavatra rehetra,ary mba hialana koa amin'ny fanararaotana izay tsapa sy ita tato ato fa misy matetika,dia tokony hanisy harifanina isika eto ka:

-maninona moa raha ekena ny xxx,raha toa ka hilaza zavatra momba ny tenany izy ka tsy tiany ho fantatra mivantana.
oh:misy aretina izy de mba te hanontany.io ngamba azo ekena ny fiafenany.na misy olana ny tokan tranony de mba mila hevitra izy.azo hajaina tsara ny fiafenany.

-raha toa kosa ,ny fampiasana xxx ,ka hanebahana sy hitenenan dratsy olona,toa ny nahazo an'i ari malala sy diamondra,dia aleo avy dia habaribary hoe iza io xxx io.
miangavy ny admn mba handinika ity resaka ity ,fa manimba fiarahamonina eto le izy.

misaotra.
répondu par ikaretsaka le 03/11/2007 02:33
2. ikaretsaka ( 25/10/2007 20:03)
ny tian'i fijo lazaina izany dia any @ resaka hoe fahasalamana, resa behivavy. resa-dehilahy sy fitiavana,kolontsaina sns... dia tsy maninona ny manao xxx, (any manko saika fanontaniana no betsaka)

fa raha any amin'ny fivavahana na politika na vavolombelona na eritreritra.... dia tokony ho foanana ny xxx (satria any resaka fijoroana @ heviny sy eritreritra), dia raha sahy mijoro marina amin'izany hevitrao ianao dia hiseho miharihary koa?:?:
3. xxx ( 25/10/2007 20:07)
Ny ahy aloha ny antony tena nanaovako xxx foana tato ho ato dia tsy dia tena hoe fitiavana te hiafina loatra foana fa misy hevitra tiana havoaka ao anatin'ny fampiadiana hevitra nefa matetika vao miseho ny ps dia efa miova ny fihetsik'ireo mpiady hevitra.
Matetika rehefa miseho amin'ny ps ny tenako dia misy tsy mamaly ny fanontaniana hapetraka na mamaly ny hevitra lazaina fa tonga dia mamely sy manankiana any amin'ny zavatra tsy mifandray amin'ny hevitra mihintsy.
4. fijo ( 25/10/2007 20:18)
taioza no nisy tsy namaly rahanahita ny PS nao???
aza hadino,fa ampianarina foana eto,fa ny hevitra ampiadiana ,fa tsy ny olona.ka raha misy izany dia ampahafantaro ny rehetra
5. simplex ( 25/10/2007 20:48)


Ny hevitr'i Ika tsara ihany fa mety hampihena be ny fandraisan'ny ol anjara @ ireny dinika ireny anefa izany.

Ny hevitr'i fijo mitombona ihany kou fa saingy mampitombo ny kandran'ny admin, izay hita fa mila tsy ho arany aza...

Za aloha mahita fa mety ilay hoe ra misy olona voatohina @ ataon'ny xxx (na tsy xxx kou aza) dia tokony manoratra any @ admin izy e. @ zay tonga dia kopy ny admin hoe misy an'zao sy zao ary...
Ra ho foanana (na en partie aza) ny xxx, dia ny na ny ps fictif no tena hitombo na ny mpandray anjara no hihena...

@ lafiny 1 kou anefa, ny olona efa nahita forum kely no ankabeazan'ny mpano xxx, fa ireo namana vaovao tsy dia mampiasa azy. Donc, tsy hihena ny isan'ny mpandray anjara fa ny ps fictif no hitombo. D mitohy ihany ny devinette :P

tsy mampiova zavatra firy ;-)
6. Veloo ( 25/10/2007 21:21)
xxx [ Valio ] 25-10-2007 22:07:15
Lohateny : Re : xxxxxx hoan'ny admin
Ny ahy aloha ny antony tena nanaovako xxx foana tato ho ato dia tsy dia tena hoe fitiavana te hiafina loatra foana fa misy hevitra tiana havoaka ao anatin'ny fampiadiana hevitra nefa matetika vao miseho ny ps dia efa miova ny fihetsik'ireo mpiady hevitra.
Matetika rehefa miseho amin'ny ps ny tenako dia misy tsy mamaly ny fanontaniana hapetraka na mamaly ny hevitra lazaina fa tonga dia mamely sy manankiana any amin'ny zavatra tsy mifandray amin'ny hevitra mihintsy.


^:^^:^=D=D=D
7. fijo ( 25/10/2007 22:27)
simplex,izany hoe avela hanao izay ataony eo ny mpanaratsy olona sy mpanalabaraka,raha azoko tsara.
8. xxx ( 26/10/2007 00:58)
Izaho aloha dia miombon-kevitra @ fijo oe rehefa manalabaraka olona na manaratsy sns...dia tokony aseho fa kosa raha toy ireto xxx nataoko ireto angamba, izay antony manokana ho ahy dia everiko fa tsy maninona, satria ataoko angamba fa tsy manafontohina ny hafa.


xxx:

Antson'ny fo
5. Mpandefa : xxx [ Valio ] 24-10-2007 19:15:17
Lohateny : Re : Rakaroka
vaovaon'i Rakaroka

Mirary fiononana tanteraka.

Fiaraha-monina
9. Mpandefa : xxx [ Valio ] 19-10-2007 04:00:48
Lohateny : Re : Fiaraha-monina
Malagasy ianao malagasy
malagasy ny razanao
gasikara no taninao
teny gasy no teninao
randra-droa no bangonao
salaka no lambanao
malagasy ianao
malagasy ianao tamizany.

Mitsiriritra ny fiainambazaha
dia mivady ny samy lehilahy
mpivarotena tsy hita isa intsony
hatramin'ny jôba mifoka rongony
ny teny amizany dia teny fran-gasy(espagnol)
zara raha miasa ny teny malagasy
fa andrianina ny teny vazaha
¿buenos días ti, cómo eso va?

Eritreritra mandalo
13. Mpandefa : xxx [ Valio ] 18-10-2007 19:46:37
Lohateny : Re : XXX
resaka xxx ndray ty zany
14. Mpandefa : xxx [ Valio ] 18-10-2007 19:50:35
Lohateny : Re : XXX
xxx

9. Rasiligaoma ( 26/10/2007 04:42)
rasitl> aleoko kosa kelikely tsaratsara toy izay be tsy andraofana kle
10. tess ( 26/10/2007 05:29)
ny xxx mpanarats sy manompa ny namana aloha tsy ho fioana mandrakariva e! fa efa nisy napoitra ihany ny ps n'izy ireny fa miova ps vaovao indray izy dia miafina ambadiky ny xxx..., izao izao nisy ity namana iray izay tsy nampozina miitsy hoe izy no mpanaratsy ny namana ato anefa rehefa miditraz am ps ny izy dia mody olombelona ihany, :{
fa io araka ny voalazan'i fijo io, maninona raha toonga dia avoaka avy hatrany ny ps-ny fa tsy mila hangatahina havoaka vao mivoaka.....na mila a notaniana hoe iza io?????
tokony izay olona voahompa na vô-alabaràka koa dia manana fahalalahana tsara hahafantatra ilay olona ambadiky ny xxx ireny mba hisy itandremany amlay oul satria namana akaiky anao ihany no mamely anao, ary sipa foana aloha tramzao....n:{
11. tess ( 26/10/2007 05:32)
io xxx nahazo vahana tato ho ato manambany sy manompa olona io dia manana ps vaovao ampisaina ihany koa maromaro fa miafina ambadiky ny xxx ihany izy na izany aza, fa tamin'ilay dinka iraika ao io ny ps andavan'andro no nampiasaina ka tratra...e!:-D
izy hono mpanao xxx ary nampiasa ilay ps iray nanompa olona ihany kou!:{ ka tsy ho faty ny xxx mapnompa olona fa mamorona ps maro be izy....hamelezana foana
12. sarobidy ( 26/10/2007 05:41)
hihihihi loza ko zany ry tess 8O
13. tess ( 26/10/2007 05:45)
sarobidy: tena loza mitsy wa!:?
ary efa nolazain'ilay namany be ahy hoe i ...ihany no I....mantsy anlay ps iraka niafina ambadiky xxx izay dia tsy nino aho kay naka confirmation tam admin aho fa izy ihany no xxx ao ireo:-D
sokafy anie ity dinika ity aloha http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m471f2ffa56c56
14. hery ( 26/10/2007 06:00)
Efa fanao eto amin'ny serasera ary efa nifanarahana fa raha manebaka sns dia azo asehon'ny admin izay miandraikitra ilay resaka ny ps-n'ny xxx

Tsy ho araka anefa izany raha tsy isika izay voatohitohina na isika izay mahita no miteny amin'izay admin eo.

Izay izany ilay fomba fanao:

- Raha mahita zavatra tsy ara-dalàna dia mandefasa hafatra amin'ilay mpiandraikitra ilay lohahevitra
- Anjaran'ny mpiandraikitra avy eo no mampiseho ny xxx raha manaraka ny fitsipika ilay izy, na mamafa avy hatrany ilay lahatsoratra raha tsy manaraka ny fitsipika izany.





(tsisy anaovana vakansy mihitsy :-) ny connex aty Dago miisatra be)
15. sitlo ( 26/10/2007 06:12)
raraho menaka kely eo amin'ny modem
16. Rasiligaoma ( 26/10/2007 06:32)
fa marina koa ve izany hoe nisy admin nanana kakay tamin'ny namana tato fa nifamitaka sy nifanao ratsy tato dia lasa miafina ao ambadiky ny xxx fa tena nahatsapa fa lasa coupable sy menatra be mihitsy tamin'ny tsy nety nataony?:?:
17. lanto ( 26/10/2007 06:59)
rasiligaoma> morse-n"i bozylove izany :lol:
18. sasa ( 26/10/2007 10:13)
hery kanefa aty ampesanay mirill be hi hi hi hi ireny cyber ireny mintsy no tena miisatra koa.



aleo izany avoaka le xxx refa hita fa manambady sy manosopotaka namana eto e!
19. ari.malala ( 26/10/2007 11:55)
Izaho aloha rey olona dia mankasitraka mintsy ny fampoahana ny ps ny olona manebaka sy manambany. Sady efa solon'anarana ve no eto fa tsy ny tena anarana no voatery avoaka dia mbola hiafina ambadiky ny xxx koa hanompana olona? marina sy ekena fa malalaka be izany internet izany, nef na izany aza tokony hahatsapa tena hoe olon-dehibe mahay mifnanaja no miresaka, ary refa tsy nisy nanompa nahoana no manompa sy manmbany? Izay anie ilay notenenin' i hary hoe rehefa tsy tinao atao @ tenanao dia aza atao aman'olona! ny fahitako azy mantsy dia mialona ilay manao xxx fa tsy haikko, tsy nahazo namana ve sa manin, dia mialona ny namana efa mifandray tsara izy dia mi semer trouble...
20. avylavitra ( 26/10/2007 14:08)
saika hadinoko koa ny momba io resaka sary io. Isan'ny mpaka sarin'ny serasera aho, na dia tsy d'office aza. Nefa dia isan'ny tsy mpampiditra sary rahateo ato. Sady tsy mbola haiko rahateo ilay izy. Fa ny antony lehibe indrindra amiko dia io tsy fahalalako ny mety ho reaction'nareo tompon-tsary io. Dia aleoko tsy mampiditra mihitsy fa omeko ny président foan ny sary dia any no maka izay mila ny azy. ok?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1424