Fanjakan'Andriamanitra Vs fanjakan'ny Satana!!

1. niryna ( 10/10/2007 05:13)
Efa nomen'Atra ho antsika ny teniny ary efa nohazavainy ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny ka anjarantsika no misafidy.
Deot 30:14-19
14 Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.

15 Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,

16 tamin'ny nandidiako anao andro-any ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny làlany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona hianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.

17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino hianao, fa voataona hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy,

18 dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa
hianareo, ary tsy ho maro
andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana hianareo.

19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao,

20 dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany[Na: izy.] no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.

Tsy misy izany ny eo am-povoany fa na mino Azy dia omeny fiainana ho mandrakizay na manaraka atra hafa.Tsy afaka ny hanana tompo roa isika fa ny iray ho tiany ary ny iray ho halany.
Miantso antsika rehetra izy mba ho velona mandrakizay isika sy ny taranantsika.
répondu par niryna le 23/10/2007 06:05
2. niryna ( 10/10/2007 05:21)
JAONA 10

8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.

9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.

10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
3. niryna ( 10/10/2007 05:24)
LIOKA 11

22 Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.

23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
4. prime ( 10/10/2007 11:19)
niryna> hatraiza ny fetran'ny fanjakan'i Satana devoly?
5. niryna ( 10/10/2007 12:13)
prime:

niryna> hatraiza ny fetran'ny fanjakan'i Satana devoly?

ny olombelona dia maty ka velona indray rehefa nandray an'i kristy tao am-pony ary nino azy fa Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra Azy.
Ny fanjakan'ny devoly dia manjaka ety an-tany ary

MATIO 12

25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.

26 Ary raha Satana no mamoaka an'i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan'ny fanjakany?

Io koa misy fanontaniana mitovy an'i prime.
Ny fanjakan'ny satana dia hisy fetrany ary rehefa tonga faharoa ety an-tany kristy no hitsara ny rehetra.Amin'izay Izy no hilaza ny fiafaran'ny fanjakan'ny satana.:D
Ny fanjakan'Atra dia tsy misy farany.
LIOKA 1

32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra; ary Jehovah Andriamaniny hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida rainy;


33 ary hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.
6. niryna ( 10/10/2007 12:41)
prime:

niryna> hatraiza ny fetran'ny fanjakan'i Satana devoly?

prime > ny fanjakan'Atra dia mifanohitra tanteraka ny fanjakan'ny satana.
Ireto misy fanoharana vitsivitsy omeko anao:
Resaka fanahy no asiako teny aloha eto
Fanjakan'Atra:
Ireo izay mino an'i kristy dia lasa olom-baovao

JAONA 3

3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray [Na: ateraka avy any ambony.] ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.

4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon'ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?

5[b] Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.

Efesiana 2

4 Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin'ny famindrampo, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,

5 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);

6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,

7 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.

8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;


Fanjakan'ny satana:
EFESIANA 2


1 Ary hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,

2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;

3 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.


9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.


Fiainana rahatrizay:
Ireo kristiana dia hanana fiainana ho mandrakizay,ireo izay tsy mino an'i kristy kosa dia n y fahafatesana no tambin'ny ota aminy:cry:

Fiainana mandrakizay(eternal life):Efe 2

13[i] fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy hianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.

14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,

15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna misy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,

JAONA 5

23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.

24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy.

Ny fahaverezana mandrakizay(eternal death)
JAONA 3

18 Izay mino Azy dia tsy helohina; [Gr. tsaraina] fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka [Gr. voatsara] reheteo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy.

19 Ary izao no fanamelohana, [Gr. fitsarana] fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.

JAONA 3
36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
7. fijo ( 10/10/2007 19:54)
mandreraka maso be.fa tsy misy wa izany satana izany.toa an'andriamanitra io.ny saina no mamorona azy
8. niryna ( 11/10/2007 04:10)
fijo:

mandreraka maso be.fa tsy misy wa izany satana izany.toa an'andriamanitra io.ny saina no mamorona azy


Misy wa ny satana ry fijo a.Saingy tsy ny asa ataon'ny olona rehetra dia hoe vokatry ny nataon'ny satana daholo akory! Misy ilay olona efa mahafantatra hoe tsy tokony hanao ity na izao kanefa mbola manao ihany.
Nisy olona hono nipetraka teo an-jaridaina nitomany dia nanatona azy ity rangahy iray ka nanontaniany ny antony mampitomany azy.Isaky ny misy zavatra ratsy ataon'ny olombelona hoy izy dia izaho foana no hialany vokona :roll: Iza ary io ry fijo o ! Io ilay satana ,tezitra fa any amin'ny foana ny olombelona no miala pas rehefa misy zavatra ratsy atao.:D
9. Rasiligaoma ( 11/10/2007 04:27)
niryna : fa maninona tokoa kay no atao lava be ohatran'io foana tokoa rehefa maneho hevitra?
maninona raha milaza dia omena ny antony dia eoa basy?
10. prime ( 11/10/2007 11:24)
niryna> manaiky ny tenin'Andriamanitra ambaranao aho kah... sady misaotra sy mankasitraka rahateo, fa ny tiako nahatongavana tamin'ilay fanontaniana dia mikasika indray ny fetran'ny fanjakàn'i Satàna nambaranao... misy boky izay mitantara ny fijoroana vavolombelona nataona evanjelistra afrikàna iray nahavita fati-drà tamin'ny Satàna sy ny fanjakàny mihitsy fa ny filazàny ny momba izany fanjakàna izany dia tsy takatry ny saina no sady goavana dia goavana :
http://www.spcm.org/page00011f8d.php
...ary na ny tenin'Andriamanitra aza dia mampitandrina fa matanjaka dia matanjaka koa izany fanjakàna izany ary tena fetsy dia fetsy ka mila miambina mafy ny mpino no sady efa resin'i Kristy rahateo izany fanjakàna izany tany an-danitra ary mbola horeseny tanteraka amin'ny andro farany... ka izay no tiako nahatongavana hoe mba azonao lazaina ve ny momba izany sy ny fetrany?
11. fijo ( 11/10/2007 20:27)
niryna an,tsy misy satana izany fa ,ny olona no efa te hanoa ratsy dia mitady zavatra hanilihana ny vitany
12. niryna ( 12/10/2007 16:57)
misaotra prime a.Ny fanazavana henoko dia toy izao:
Amin'ny fiainana isika dia tena miady amin'ny satana mihitsy ary tena misy fanahy tsy hita maso kanefa azo tsampain-tanana.Izaho efa niharan'izany saingy tsy natahotra aho na dia nifandrirotra niady sy namoaka ilay fanahy ratsy tao an-tranon'ny olona nidirako.Lava be ny amin'iny fa ny tiako ho tenenina dia ny fanahin'ny anti-risty no efa tonga mamely ny olona fa tsy mbola ilay antsoina hoe anti-kristy akory.Jereo ny 2 Tes 2:5,Lk 10:18-20, Apo 12:8-17
Eny maro ny olona izay manao fati-dra amin'ny satana ary tena am-piasany tokoa.Tsy efa naheno ve hianao tany amin'ny tanana hoe misy tanora hono miantso ny fanahy(ratsy io fa tsy notohizany) Esprit es-tu la ?
Toerana misy azy ity toerana hipetrahantsika ity ka tsy ho tapitra mihitsy ny heriny raha tsy tonga i Kristy.
13. fijo ( 12/10/2007 20:42)
inona daholo re ity e
14. niryna ( 13/10/2007 05:26)
fijo:

inona daholo re ity e

Natokana ho anao.:*

15. boraingy ( 15/10/2007 15:55)
Amim-panetretena lehibe no hidirana indray amin'ny Forum. Elaela ihany izay tsy niresahana izay. Misaotra Ny Tompo anefa fa raha tsy Izy tsy afaka ny mifampiresaka toy izao isika Malagasy izay mbola itoeran'ny Fanahy maha-olona. Mbola lava be ny tantara raha ny amiko no resahana ary mbola mitohy ny tantara ankehitriny. Misy hifandraisany amin'io resahan'i Prime io ny nahazo ahy izay ela tsy nitenenana izay. Saingy tsy maintsy mijoro ho vavolombelona aho ankehitriny satria tsy aritra intsony izy ity. Mbola eo amin'ny sehatra mampalemy ahy aho amin'izao fotoana izao noho ny asan'ny devoly.
Ny tiako lazaina fotsiny ho antsika Malagasy Mpino dia ny mba hahay hifikitra hatramin'ny farany mba tsy hisy handrombaka ny tena natokan'i Jesoa Kristy ho antsika.

Miraisa hina mba hahery eo amin'izay ampanaovin'ny Tompo antsika fa efa tena mirangorango i Satana ankehitriny mandrapaka izay malemy sy mora angolangolainy.

Amin'ny Anaran'i Jeso Kristy Tompo. Amen
16. prime ( 16/10/2007 12:55)
boraingy> dia mahereza r'ise a... Andriamanitra anie hanafy hery an'ise ka hahajoro sy haharitra hatramin'ny farany... ho ahy indrindra dia mirary aho raha mirary mba hahambina sy hijoro amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy mandrapihaviny ka mba itehirizany ahy ihany koa... fa mbola ao anatin'ny ady mafy koa ankehitriny na dia ny tenako aza...

Andriamanitra ny fiadanana anie homba antsika rehetra... amin'ny anaran'i Jesosy Kristy...
17. niryna ( 16/10/2007 15:43)
boraingy:

Amim-panetretena lehibe no hidirana indray amin'ny Forum. Elaela ihany izay tsy niresahana izay. Misaotra Ny Tompo anefa fa raha tsy Izy tsy afaka ny mifampiresaka toy izao isika Malagasy izay mbola itoeran'ny Fanahy maha-olona. Mbola lava be ny tantara raha ny amiko no resahana ary mbola mitohy ny tantara ankehitriny. Misy hifandraisany amin'io resahan'i Prime io ny nahazo ahy izay ela tsy nitenenana izay. Saingy tsy maintsy mijoro ho vavolombelona aho ankehitriny satria tsy aritra intsony izy ity. Mbola eo amin'ny sehatra mampalemy ahy aho amin'izao fotoana izao noho ny asan'ny devoly.
Ny tiako lazaina fotsiny ho antsika Malagasy Mpino dia ny mba hahay hifikitra hatramin'ny farany mba tsy hisy handrombaka ny tena natokan'i Jesoa Kristy ho antsika.

Miraisa hina mba hahery eo amin'izay ampanaovin'ny Tompo antsika fa efa tena mirangorango i Satana ankehitriny mandrapaka izay malemy sy mora angolangolainy.

Amin'ny Anaran'i Jeso Kristy Tompo. Amen




Mahereza fa aza kivy,mivavaka ho anao aho.
Tompo o ,misaotra anao izahay fa mbola afaka midera sy mankalaza ny Anaranao hatrany.Misaotra anao aho noho ny fitahianao ity namanay ity ka tonga eto indray miara-mizara aminay ny teninao.Omeo hery izy mba hino sy hiantehitra aminao hatrany ,omeo azy ny fitiavanao,ny herinao ahafahany miady sy mitolona ny satana andro aman'alina.Voninahitra anie ho Anao irery ihany Amena.
18. boraingy ( 16/10/2007 16:02)
Misaotra anareo mampahery. Izy Tompo anie hitahy antsika mianakavy.

19. fijo ( 16/10/2007 22:51)
iza le tompo,amin'ny manaraka ataovy hoe "izy tompotsika"fa aza terena ho tomponay koa
20. niryna ( 17/10/2007 04:41)
fijo:

iza le tompo,amin'ny manaraka ataovy hoe "izy tompotsika"fa aza terena ho tomponay koa

Resaka fivavahana kristiana no teneninay eto dia tokony hazava tsara izany fa i Kristy Tompo no tiany ho tenenina eto.Aleo ary hatao hoe Ny Tomponay(kristiana anie homba antsika rehetra (tafiditra amin'izany koa i fijo kely izay):D na tsy tiany aza ny Tomponay dia mbola tia an'i fijo ihany Izy.:D izay mety sa mbola tsy mety :roll:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1995