mafy rehefa tia kah....!

1. voniala ( 05/10/2007 07:24)
:(3tona zao no niarahako tamin'i H.I.R.Tovovavy tsy malagasy fa irony metisy irony(metisy Arabo)samy tena tia izay roa fa ny olona dia ny tsy fitoviana ara-pinoana;zah katolika,izy musulmane.ka matetika eo no hipoiran'ny ady;na eo aminay roa na eo @samy fianakaviana.Ampisarahana izahay kanefa voa mainka miaraka sy mifankatia bebekokoa.Samy manome tsiny anay avokoa ny mpiray vodirindrina aminay,eny hatramin'ny fianakaviana roatonta...
répondu par xxx le 10/10/2007 10:31
2. mandrindra ( 05/10/2007 07:59)
vavan'ny mpitaty rakena izany eee, avelao hitatatata eny fa ny fitiavanareo no ataovy izay mahamety azy.
ireo mpifankatia rehetra dia tsy maintsy manana ny maha samy hafa azy daholo, fahaizana mandrindra:wink: an'io tsy fitovizana io no tena zavadehibe.
ny fitavana tsy azo ferana
3. Fiffi ( 05/10/2007 08:03)
heu.....lalina njay zany an ! zay le olana am musulman....
4. Taniko ( 05/10/2007 08:11)
Heveriko fa fomban-javatra izany ary avelao ny fotoana hamaha ny olana. Voalaza eto @ forum fa ny fitiavana tsy misy "frontière na réligion", marina io ! Henoy ny fonao. Tsy ianao irery no toa izao fa maro ihany koa. Hanampiako azy dia raiso ary hajao ny safidin'ny fonao satria ianao no mitia fa tsy ny hafa(l). Farany, aza maika manao zaza raha tsy tena matotra tanteraka ny fanapahan-kevitrareo. Na ny zaza no hanampy sy hiteraka fanakorontanana NA fototry ny tena fifankatiavanareo rahatrizay. :arrow: Aza mihaino ny vavan'ny olona fa ianao no mitia fa tsy ny hafa. NA Fantaro tsara ireo manodidina anao ireo (voisins, ami(e)s, familles... )alohan'ny hanarahanao ny teniny. Mahereza
5. mandrindra ( 05/10/2007 08:29)
fiffi, tsy ny musulman ihany no mametraka olana eto fa ny katolika kristiana koa
6. Fiffi ( 05/10/2007 08:49)
mandrindra: ka le olona nié ka arabo no sady musulman hono koh !
7. booboo ( 05/10/2007 08:54)
ireo mpifankatia rehetra dia tsy maintsy manana ny maha samy hafa azy daholo, fahaizana mandrindra an'io tsy fitovizana io no tena zavadehibe.


Miombon-kevitra. Mila mitady marimaritra iraisana foana fa raha vao tsy mitovy ny tadin-dokanga dia mivalana ny hira (dia voatoraka voatabia avy eo hihihih). Mitaky fanetren-tena, fandeferena, fahaizana "mihaino" sns izany...

bôny korazy e
8. hery ( 05/10/2007 09:01)
Fiffi> oay zany fanavakavahana :-)

voniala> Matoa hiditra @ metisy dia tokony efa mahalala ny olana rehetra ho avy. Anatin'izany olana izany ny tsy fitoviana, na loko, na fomba, na finoana. Jereo tsara aloha sao tsy mbola voafehinao tsara io olan'ny tsy fitoviana io... fa tsy vitan'ny sentiment sy je t'aime fotsiny ny tena fiainana rehefa kelikely eo :-)

Izay fotsiny anefa hoe tsy olana saro-bahàna io fa efa nisy maro ny nandalo teo.

Ny vahaolana sisa no mila jerena hoe inona avy.
9. Fiffi ( 05/10/2007 09:09)
hery:

Fiffi> oay zany fanavakavahana :-)
Hery: an3 kosa kah ! tsy hoe manavakavaka zah fa ny arabo musulman kosa tena sarotiny be am maha-musulman azy koh !
raha ohatra anié ka gasy zao le sipa fa musulman , mino zah fa tsy maintsy misy "terrain d'entente" foana am maha-gasy azy roa....fa ny arabo tena sarotra be mintss momba an'io koh ! sa diso zah ?


10. jemimah ( 05/10/2007 09:57)
aza mety asiana zioga tsy antonona anareo hikambanana @ tsy mpino
11. soanja ( 05/10/2007 10:40)
Ny hiavian'ny olana eo aminareo roa no jereo akaiky fa aza marary andoha loatra izay olan'ny hafa amin'ny fiarahanareo.

Amiko aloha raha hifandray, hifankatia, hanolotra ny tenanao sy ny fitiavanao ho an'ny hafa izany dia mila fandinihina akaiky hoe mifandraika amin'ny sotoaviko ve ny soatoavin'ity olona iray izay manaitaitra ahy ara-pitiavana ity!
Raha tsy mifandray ireo dia izay ilay antsoina hoe "akory atao".
Mila fahaizana koa mantsy ny mitso-drano ny olona iray amin'ny fiainana hoe "marina fa mifankatia nefa tsy sahala ny tanjona!"

Aza kivy fa mbola betsaka ny tovovavy mamiratra any ho any.
12. Jeankely ( 05/10/2007 11:51)
Raha araka ny fantatro dia raha manambady Muslim ny olona hafa finoana dia izy no tsy maintsy mivadika finoana fa tsy ilay Muslim. Ny an'ny Christiana moa izay finoan'ny lehilahy no arahina. Tsy mitombona io ho azireo. Afaka manambady Iranian, Indonesian, Malaysian saingy tsy maintsy mivadika ho Muslim na lahy na vavy. Dia arak'izay fa tsy mitovy amin'ny fomban'ny Christian mihintsy ireo ka mila malina. Tsy mitovy hoy aho fa tsy hoe tsara na ratsy. Vao mivadika eo ianao anefa dia tsy maintsy tsisy alaroalro fa tsy maintsy manaraka ny fomba silamo. Noho izany aza dia mihevitra fa sahala ny sipa Christian izay malalan-tsaina hoy ny fiteny (Open minded) ka afaka tengenana ary sipasipaina dia soloina. Mety ho voin'ny havany aza ianao.
13. bozyboleta ( 05/10/2007 12:57)
Marina tokoa io lazain'i jeankely io fa ny an-dry zareo ze miditra ao aminy na lahy na vavy de asainy miova manaraka ny finoany. Ary zareo koa be lalàna an! Tsy azo anaovana vazivazy mitsy fa de vitainy eo enao.
Tsy mampitahotra aho fa mba efa nahita tranga maromaro ihany.
Ka de asakasakao ndrematoa.
14. melody ( 05/10/2007 13:31)
2. Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 05-10-2007 10:03:21
Lohateny : Re : mafy rehefa tia kah....!
heu.....lalina njay zany an ! zay le olana am musulman....

fiffi:aza manao an'izany kosa e! Misy olana daholo na avy amintsika samy malagasy aza, sa indry mbola tsy nahita an'izany?

Mila fahaizana koa mantsy ny mitso-drano ny olona iray amin'ny fiainana hoe "marina fa mifankatia nefa tsy sahala ny tanjona!"

soanja: raha tanjona @ fivavahana no tianao lazaina dia marina izany ary efa fantratrindry zareo ange izany e. Ny zava-dehibe dia samy tia ry zareo...... manjary lasa fitia voarara eo indray dia ny consékansa vao miasa gravy be
15. tsaramaso ( 05/10/2007 13:36)
Asaivo ialany ny fivavahana silamo !!!!!!!!!
Zay.
16. soanja ( 05/10/2007 14:14)
melody:

2. Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 05-10-2007 10:03:21
Lohateny : Re : mafy rehefa tia kah....!
heu.....lalina njay zany an ! zay le olana am musulman....

fiffi:aza manao an'izany kosa e! Misy olana daholo na avy amintsika samy malagasy aza, sa indry mbola tsy nahita an'izany?

Mila fahaizana koa mantsy ny mitso-drano ny olona iray amin'ny fiainana hoe "marina fa mifankatia nefa tsy sahala ny tanjona!"

soanja: raha tanjona @ fivavahana no tianao lazaina dia marina izany ary efa fantratrindry zareo ange izany e. Ny zava-dehibe dia samy tia ry zareo...... manjary lasa fitia voarara eo indray dia ny consékansa vao miasa gravy be



Melody> Izay indrindra mantsy satria tsindriany ery ambony ny filazana fa io ny tsy fitoviana eo amin-dry zareo dia ny tsy fitoavian'ny finoana.
Amiko anefa dia ny finoana amin'ny musulman sy ny Kristianina amin'izao fotoana izao sady mifangaro kolontsaina no finoana; zany hoe hevitra niainana sy nanabezana ny tsirairay. Io no zany no anisan'ny mamolavola ny olona iray ho izy na mahaizy azy ary manoritra ny tanjona.

Ohatra raisiko , milaza i Rivo fa tsara tarehy i Maimona raha tsy misarin-doha. Miavaka tokoa i Maimona raha hita io volony lava misarakorako, olioly mahafatifaty io. Milaza anefa i Maimona fa ao anaty sarin-doha no tena miseho ny hatsaran'ny masony sy ny soritry ny molony mitsiky.
Dia eo tsy misy resaka hoe finoana io resahiko teo io fa ny hoe fy eo iamaso nefa izay dia nofehezin'ny namolavolana azy.
Dia iza no handresy ary iza no tokony harahina satria samy manana ny fahamarinana ireo?

Io soatoavina io dia mila jerena akaiky foana amin'ny tsirairay vao miroso amin'ny fiarahana. Izay ihany raha te hanana fiainana milamina, fa fitiavana ao anaty safotofoto dia azoko lazaina fa fonja.


17. hary1236 ( 05/10/2007 14:35)
l'amour n'a pas de couleur e
18. melody ( 05/10/2007 15:11)
soanja: marina ny tenin'i hary1236 ary miray hevitra aminy izaho. Rehefa pura ilay fitiavan'izy roa dia vôdingana fôna ny obstakila na kristiana na musulman. Toy ny hirany Stevie Wonder hoe 'Ebony and Ivory live together in perfect harmony' io e:)

Samy manana ny hevitrany ny tsirairay avy ny amin'io fa ny ahy, io no hevitro!
19. soanja ( 05/10/2007 15:47)
melody:

soanja: marina ny tenin'i hary1236 ary miray hevitra aminy izaho. Rehefa pura ilay fitiavan'izy roa dia vôdingana fôna ny obstakila na kristiana na musulman. Toy ny hirany Stevie Wonder hoe 'Ebony and Ivory live together in perfect harmony' io e:)

Samy manana ny hevitrany ny tsirairay avy ny amin'io fa ny ahy, io no hevitro!


Tsy mandiso velively ny hevitrao anie zah e fa saingy te hiteny fotsiny hoe notsindriany io resaka tsy fitoviana finoana io ery amboalohany noho izany dia mbola tsy vitany nodinihina tsara sy noketrehina ka eken'ny sainy izany fisian'ny tsy fitoviana izany. Indrindra moa izy miresaka ady lava izy na dia mifankatia tokoa izy roa.
Raha resaka fitiavana izany dia tsy mipetrka instony ny olan'izy mitsam fa mifankatia izy roa. Fa ny resaka hafa ankoatr'io no mbola tsy hainy ny manesotra ny olana.
Raha misy ny novels na romans sy ny films sns dia momba io resaka mahazo an'izy mitsam io. Tsy misy fetra na borders ny fitiavana. SAINGY matoa izy natao films na romans dia tsy mora ny mitelina izany resaka tsy fitoaviana izany rehefa tena io no atrehina amin'ny fiainana.
Koa mankahery azy aho hifankatia saingy koa hiteny hoe raha mijaly loatra ao anatin'io fitiavana io zany hoe le adilava dia naman'ny fonja ihany.
Manafaka ny fitiavana!



20. ratonga ( 05/10/2007 16:10)
melody:
Rehefa pura ilay fitiavan'izy roa dia vôdingana fôna ny obstakila na kristiana na musulman. Toy ny hirany Stevie Wonder hoe 'Ebony and Ivory live together in perfect harmony' io e

http://www.youtube.com/v/yFZk4XpUCYA fa io ko manamafy an'izany:lol: dé mahereza ra-voniala fa mbola ho lavitra ny lalana:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.044